♦ Miatrika fivoriambe nasiônaly eny Itaosy amin'ity herinandro ity, ny OPM eto Madagasikara... ♦ Namoizana manam-boninahitra miisa telo avy amin'ny foloalindahy malagasy omaly ny filatsahana an'elon'aina nataon'izy ireo tany Arivonimamo izay natao hakàna ny Brevet momba izany. Filatsahana amin'ny elon'aina niarahana tamin'ny tafika frantsay... ♦ Olona miisa 27 avy amin'ny fianakaviana maromaro no tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo tany Antsiranana. Efa nandray ny andraikiny ny tompon'andraikitra any an-toerana... ♦ Ankizy miisa roa no maty tany Etazonia vokatry ny tifitra nataonà lehilahy iray tao amin'ny Eglizy katôlika tao Minneapolis...
Ny famonjena ny olona rehetra dia efa vitan'i Jesoa Kristy tamin'ny nanolorany ny tenany teo amin'ny hazofijalina tao Kalvary, famonjena ny olombelona rehetra tsy ankanavaka ; ny fampiaran'ny tsirairay avy izay sorona nataon'i Jesoa izay, manana ny safidy ny tsirairay ho handray sa tsia izany famonjena izany, izay no ambara hoe famonjena ny tsirairay (rédemption subjective)... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Miatrika fivoriambe nasionaly eny Itaosy amin'ity herinandro ity, ny sahan'asa misionera fiombonana amin'ny Papa Ray masina, na ny OPM eto Madagasikara... • Olona miisa 27 avy amina fianakaviana maromaro no tratran'ny fahapoizinana ara-tsakafo tany Antsiranana... • Mankalaza ny faha-65 taona nijoroany ny Ivon-toerana Ambony ho an'ny Asa Sosialy, na ny ISTS, eny Mandrimena Iavoloha...
♦ Maro ireo olona efa tonga eo amin'ny Diôsezin'i Morondava handray anjara amin'ny JNA andiany faharoa tanterahina any an-toerana... ♦ Vonona hibata fandresena eo anatrehan'i Maroc izay hifanandrina aminy mandritra ny lalao famaranana ny CHAN 2024, atao any Kenya ny Barea araka ny nambaran'i Toky Rakotondraibe... ♦ Tapa-bolana mialoha ny fidiran'ny mpianatra eo amin'ny 70% eo ny taha-pisoratana anarana eny anivon'ireo sekolim-panjakàna ao amin'ny fari-piadidim-pampianarana Antanananrivo-Atsimondrano... ♦ Hotanterahina ny 12-13 septambra ho avy izao ao Rome ny fihaonambe maneran-tany ho an'ny firaisan-kina maha-olombelona...
♦ I Maroc no hifanandrina amin'ny Ekipa-pirenena Malagasy Barea, mandritra ny lalao famaranana ny CHAN 2024 ho atao ny Kenya ny sabotsy izao... ♦ Ilàna fanampahan-kevitra pôlitika sy fahasahiana ny fampiasana Fitsarana Avo (HCJ) raha te hanafoana ny tsy maty manota hoy ny solombavambahoaka Fetra Rakotondrasoa... ♦ Andro faharoa sady famaranana ny fanadinam-panjakàna ahazoana ny "Certificat d'Aptitude à l'Enseignement dans des Ecoles Primaires" anio alarobia 27 aogositra... ♦ Nanaiky ihany ny hanitarana ny fe-potoam-piasan'ireo tafika misatro mangan'ny firenena mikambana mampandry fahalemana eo anelanelan'i Israely sy Liban ry zareo be kintana...
Ny Papa Joany Paoly-II dia nanao katesizy misesy mikasika an'i Masina Maria, ka ny laharana faha 54, tamin'ny taona 1997 no miresaka ny fahafatesan'i Renin'Andriamanitra. Tsy manda ny fahafatesan'i Masina Maria ny Papa Pie-XII. Tsy lo fa avy hatrany dia nakarina any an-danitra avy hatrany ny Renin'Andriamanitra ; mety kokoa ny mihevitra fa nandalo fahafatesana izy ... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Miady dia miady ny lalao baolina kitra eo amin'i Madagasikara sy i Soudan. Lalao manasa-dalana voalohany amin'ny CHAN 2025 tanterahana any Tanzanie... • Ilana fanapahan-kevitra politika sy fahasahiana ny fampiasana ny rafi-pitsarana Fitsarana Avo na ny HCJ, raha te hanafoana ny tsimatimanota, hoy ny Solombavam-bahoaka Fetra Rakotondrasoa... • Nanome lanja ny fanabeazana ara-tontolo iainana ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Misy ny Ivon-toerana ibeazana ara-kolontsaina mirindra amin'ny tontolo iainana na ny IIKT, natokana hanabeazana ny olom-pirenena rehetra anavahana, eo ambany fiadidiany...
♦ Anio hariva ilay fotoan-dehibe ho an'ny Barean'i Madagasikara amin'ny lalao ankatoky ny famaranan'ny CHAN 2025. Tsy lalaovina fa tena alaina ho fandresena ny lalao amin'i Soudan hoy ny mpanazatra Maître Rôrô omaly... ♦ Mbola manamafy ny heviny ny KMF/Cnoe fa tokony hiantsoana ireo mpisehatra rehetra voakasika ny fanatsaràna ny lalàm-pifidianana... ♦ Miha-mihena ankehitriny ny velaran'ny farihin'Itasy noho ireo antony samihafa. Miha marivo ihany koa ny halaliny hoy ny tatitry ny sampandraharaha fanajariana ny tany sy tontolo iainana any an-toerana... ♦ Noroahin'i Australie hiala any aminy ny masoivohon'i Iran miasa any amin'ity firenena ity...
♦ Hiatrika ny dingan'y ankatoky ny famaranan'ny CHAN 2025 anio hariva ny Barean'i Madagasikara, hihaonana amin'i Soudan. Miandry fatratra izany ny mpitia baolina kitra malagasy... ♦ Tsy ny lalàna no ratsy fa miankinaé amin'ireo Parlemantera no afahana manenjika ny ministry ny fitanterana amin'ny raharaha Boeing 777, hoy ny mpahay lalàna Toavina Ralambomahay... ♦ Mitaky ny hisian'ny mangarahara amin'ny fanamboarana ny lalambe migodàna ireo solombavambahoaka mpanohitra. Tsy mahafeno ny fepetra maha-auto-route azy ilay lalana 8k vita, hoy Andriamatoa Todisoa Andriamampandry...
Masina Maria dia famantarana manambara fanantenana azo antoka ary fanalana alahelo ny vahoaka an'Andriamanitra mivahiny ety an-tany. Ary amin'izany ny Renin'i Jesoa dia efa henimboninahitra vatana sy fanahy any an-danitra ka santatry ny Fiangonana sy ny endriny araka ny ho toetrany any amin'ny taona ho avy, dia famantarana mamirapiratra manambara fanantenana azo antoka... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Tsy anisan'ireo nampidirina am-ponja noho ny raharaha Boeing 777, ny Minisitry ny Fitaterana teo aloha, noho ny fananany sata maha mpitondra ambony. Tsy ny lalana no ratsy, fa miankina amin'ireo Parlemantera no hanenjehana azy, hoy ny mpahay lalana Toavina Ralambomahay... • Mitaky ny hisian'ny mangarahara amin'ny fanamboarana ny lalambe migodana ireo Solombavam-bahoaka mpanohitra. Tsy mahafeno ny fepetra maha autoroute azy ilay 8 km vita, hoy ny Depiote Todisoa Andriamampandry... • Andrasan'ny Malagasy maro ny lalao ankatoky ny famaranana ny CHAN 2025, izay hatrehan'ny Barea rahampitso. Lalao hanovana fiainana io, hoy ny kapiten'ny Barea teo aloha, Faneva Ima androany, raha nandrisika ireo mpilalao...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco