♦ Lesoka amin'ny tontolo pôlitika Malagasy ny tsy fahampian'ny fanabeazana ireo mpikambana ao aminy hoy ny Antoko Isika Mpandresy... ♦ Ravan'ny sampan-draharaha misahana ny fanadihadiana manokana sy miady amin'ny hosoka ny tambazotra iray mpandefa mpiasa any ivelany amin'ny fampiasana taratasy hosoka... ♦ Handeha mivantana amin'ny TVM ny lalao hifanandrinan'i Barea sy ny ekipan'i Soudan amin'ny lalao manasa-dalan'ny CHAN tanterahana rahampitso talata 26 aogositra ... ♦ Olona maherin'ny 300.000 no tsy maintsy hafindra toerana, hentanina hiala amin'ny toeram-ponenany hisorohana ny loza mety hitranga mandritra ny fandalovan'ilay Typhon Kajiki ...

Izay vao tena nifarana ny taom-pianarana 2024-2025 tao aorian’ny fivoahan’ny voka-panadinana Bakalorea. Rehefa avy niaina tebiteby, tahotra sy fitaintainana ireo tanora Malagasy dia afaka mitony sy maka bahana amin’izay, amin’ny fijerena sy ny fibanjinana ny ho avy. Tsy hihanona amin’ny fibitabitahana fotsiny hoe “Bacc en poche”. Fa aorian’ny fanadinana Bakalorea ohatran’izao mantsy no mamaritra ny ho avy arak’asan’ny tanora iray sy ny fiainana rehetra any aoriana.

♦ Antsoin'Andriamanitra hamonjy ny olombelona avokoa isika rehetra tsy misy ankanavaka hoy ny Arsevek'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, tamin'ny fankalazana ny andron'ny Arsidiôsezin'Antananarivo ny sabotsy 23 aogositra 2025 teo... ♦ Niampy roa indray pretra salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara. Notanterahina tao amin'ny Ekar Notre Dame de l'Assomption, Betafo, Diôsezin'Antsirabe ny fanamasinana azy ireo omaly 24 aogositra... ♦ Raharaha Boeing 777 : Nahiditra am-ponja vonjimaika avokoa ireo voapanga 22 niatrika ny fampanohavana ny faran'ny herinandro teo, miandry ny HCJ kosa ny fahafahana manenjika ny Ministry ny fitanterana teo aloha...

Misy ny fakam-panahy mikasika ny fanajàna an'i Masina Maria : Mampitandrina amin'ny zavatra hatao amin'ny fanajàna an'i Masina Maria ny Fiangonana, na tsy ampy na mihoatra ny tokony ho izy ; ohatra hoe manao saple miresaka amin'i Masina Maria kanefa zara raha miresaka moma an'i Masina Maria na mampiditra ny fanajàna ny Renin'Andriamanitra loatra amin-javatra rehetra... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Ny antony hanajana an'i Masina Maria dia noho ny iraka vaovao nomena azy, iraka ho renin'ny olombelona rehetra, tandidin'ireo mpianatra malalan'i Jesoa. Ho fanajana an'i Masina Maria dia manaova saple, manadra-bavaka, manaova anjelisy. Misy teny finoana efatra hanajana an'i Masina MAria : Renin'Andriamanitra, Virijiny Mandrakizay, tsy voakasiky ny fahotana, nampakarina any an-danitra... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Ny hevitry ny Soratra Masina mikasika ny rahalahin'i Jesoa dia tsy miresaka mivantana hoe rahalahy, iray ra sy reny amin'i Jesoa. Ny voambolana "rahalahy" ao amin'ny Baiboly dia tsy voatery hilaza iray reny sy ray fa mety ho havana. Omena toerana manokana i Masina Maria noho ny fahasoavana manokana noraisiny tamin'Andriamanitra, anefa tsy mitovy haja amin'i Jesoa, Andriamanitra Trinitera... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

• Tafakatra amin'ny lalao manasa-dalana ny Barean'i Madagasikara, rehefa naharesy an'i Kenya tamin'ny “tirs au but” 4 no ho 3. Nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny roa tonta tao aorian'ny fanalavam-potoana... • Tsy azo ekena ny fahateren'ny fahafahana maneho hevitra sy ny fahalalahana ara-politika ao amin'ny tany mpikambana ao amin'ny SADC. Isan'ny nivoitra tamin'ny fehin-kevitry ny Forum an'ny firaisamonim-pirenena ao amin'ny SADC izany... • Miantso ny firaisan-kinan'ny mpanao gazety rehetra tsy hanavahana Andriamatoa James Ramarosaona, Filohan'ny Holafitra teo aloha, manoloana ny olana iainan'ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara tato ho ato...

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Mandresy lahatra ny tantsaha ao amin'ny Distrikan'Ambatoboeny Faritra Boeny hikajy ny tontolo iainana amin'ny fampiasàna ireo teknika fambolena mifanaraka amin'izany ny Fivondronan'ny Tantsaha Miara-mizotra... Miasa amin'ny kaominina miisa 6 ao amin'ity Distrika ity ny fikambanana efa ho 3 taona izao. Sehatr'asa ataony ny fanapariahana ny teknikam-pambolena mikajy ny tontolo iainana mba hiarovana ny nofon-tany sy ny tontolo manodidina. Manatsara ny velon-tenan'ny tantsaha amin'ny alalan'ny varotra iombonana ihany koa ny fikambanana. 4 taona niasana ny fikambanana Miara-mizotra, kanefa efa azo tsapain-tanana hoy Andriamatoa Randriazafison Tsitohaina, filoha mpanorina ny fikambanana Miara-mizotra ny vokatra azo amin'ny faharesehan-dahatry ny tantsaha amin'ny fampià izay fambolena mikajy ny tontolo iainana izay.

Nomen'Andriamanitra fahasoavana manokana i Masina Maria, niteraka ny zanany, ambony noho ny olombelona, eny, ambony noho ny anjely ihany koa. Efa ela ny tsy mpino no nanaja ny renin'Andriamanitra, fa niroborobo ny fanajàna taorian'ny Kônsily tany Efezy, rehefa nambara am-pahibe maso  fa renin'Andriamanitra i Masina Maria, tamin'ny taona 431... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

• Nandefa teny fiarahabana sy tsodrano ho an'ny Filohan'ny Fiangonana FJKM vao voafidy, ny Fivondronamben'ny Eveka androany... • Mbola maresaka eo amin'ny sehatra politika ny fitantanan'ny Filoham-pirenena Malagasy ny vondrona SADC manomboka izao... • Miandry fatratra ny lalao ampahefa-dalan'ny CHAN, hifanandrinan'i Kenya sy i Madagasikara ny mpanohana ny Barea. Lalao hiady io rahampitso io, hoy ny mpamakafaka baolina kitra...

♦ Andro faha-4 amin'ny fihaonambe "Forum" ho an'ny firaisamonim-pirenena ao amin'ny SADC tanterahana eto Antananarivo ny androany. Nisy omaly ny atrik'asa momba ny fandraisana andraikitry ny vehivavy amin'ny raharaham-pirenena... ♦ Miara-miasa amin'ny fanavahana sy ny fanodinana ny fako ao Toamasina ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy sy ny Orinasa Agrotech. Tontosa omaly ny sonia momba izany... ♦ Miatrika zaikabe ao Antsirabe ny tanora avy amin'ny Fiangonana Anglikàna eto Madagasikara (EEM) Tanora miisa 2.000 avy amin'ny Diôsezy enina manerana ny nosy no mandray anjara...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...