♦ Handresy lahatra ny Amerikana amin'ny fandaharan'asan'ny AGOA ny filoha Malagasy, izay nanomboka nandray ny fitantanana ny SADC omaly. Nanazava izay ny filoham-pirenena omaly... ♦ Tsy maintsy hitohy sy hivoatra amin'izay ny raharaha Boeing 777, taorian'ny fihaonana an-tampon'ny SADC iny-, hoy Andriamatoa Tabera Randriamanantsoa... ♦ Nahazo "homologation" amin'ny ampahany ny Kianjan'i Mahamasina. Nilaza ny filohan'ny Federasiônafa efa tonga ny milina hikojakojàna ny kianjan'i Mahamasina, ka hisy ny resaka manokana hatao amin'ny CAF, ahazoantsika fankatoavana feno... ♦ Hihaona any Washington anio ny filoha amerikàna sy Okraniana momba an'i Ukraine...

Vita iny ny fihaonana an-tampony faha-45-n’ny SADC natao teto amintsika. Tsapa ho nanao izay nahafa-po azy mihitsy ny mpitondra tamin’ny fikarakarana rehetra. Namirapiratra sy nadio ny arabe fa handehanan’ny vahiny, nirentirenty ny sarin’ireo Filoham-panjakana sy Lehibena Governemanta nanatrika ny fivoriana teto amintsika. Ny Malagasy rahateo hono malaza mandray vahiny. Hita tokoa aloha fa nahay nifanaja ny samy Malagasy nandritra iny fahatongavan’ny vahiny iny: tsy nisy hetsika politika na korontana, fa samy nampangina ny ambom-po politika. Asa ho fitandroana ny hasin’ny firenena ve sa nanaiky tsy sazoka ny fanerena (ankoalaka)?

♦ Natao ny faran'ny herinandro teo teny Antanimena ny Jôbily nasiônaly ho an'ny olomboatokana eto Madagasikara... ♦ I Madagasikara manomboka izao no mitantana ny SADC. Nandray ny fitantanana izany tamin'ny fomba ôfisialy ny filoha Malagasy, nandritra ny fihaonana an-tampony faha-45 tetsy amin'ny CCI Ivato, omaly... ♦ Nodimandry tampoka ny Ben'ny tanànan'i Talatan'i Volonondry. Miahiahy famonoana olona amin'izao raharaha izao ihany koa ireo Olomboafidy eo anivon'ny antoko TIM, ka hitondra ny raharaha eo amin'ny Fitsaràna... ♦ Nivory maika tamin'ny alalan'ny visio-conference ireo mpitondra firenena tandrefana, manoloana ny raharaha any Ukraine...

Ny zavatra rehetra nataon'i Masina Maria dia tsy nanova mihitsy ny momba azy sy ny fahatanterahan'ny famonjena satria olombelona foana izy, na renin'Andriamanitra aza, olona miaina ny finoana. Mbola misy hiraka ho an'i Masina Maria taorian'ny nahafatesan'i Jesoa, miaraka mivavaka amin'ny mpino izay miandry ny fidinan'ny Fanahy Masina ary miray fo amin'izy ireo ; Masina Maria no santa-bokatra any an-danitra... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Alahady 17 aogositra 2025 : Alahady faha-20 mandavantaona "D" - "Tolona ambony vatolampy ny fiainana, izay manao tan-tsy vinitra no vaky loha" ; Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako. Eo ady hita maso eo amin'ny fiainana andavanandro, fa ao koa ny ady amin'ny fahotana manakana antsika tsy hiraikitra amin'Andriamanitra. Maika mihitsy i Jesoa handrehitra ny afo, izay afo-pitiavana handrehitra ny fon'olombelona, manainga antsika hanaraka izay nataony. Afo ahitana ny rariny :  fitiavana, fanadiovana, fanadiovana...

♦ Handray ny La Croix-ny JMJ Mada sy ny Icône an'i Masina Maria anio ny tanora any amin'ny Diôsezin'i Toamasina. Toamasina izay handray ny JMJ Mada andiany faha-11 ny volana aogositra 2026... ♦ Hivory etsy amin'ny CCI Ivato anio ny Troikan'ny SADC, ahitana ny filoha Zimbabweana, filoha amperin'asan'ny SADC, ny filoha Malagasy handray ny fitantanana hanomboka anio ary ny filohan'i Angôla, filoha nitantana ny SADC teo aloha... ♦ Misokatra ho an'ny be sy ny maro nanomboka androany ny fitanterana amin'ny alalan'ny tariby "Teleferika". Nitokana tamin'ny fomba ôfisialy ny foto-drafitr'asa teny Ivandry omaly ny filoham-pirenena Rajoelina Andry...

Teboka maro momba ny fifandraisan'i Masina Maria amin'i fiainam-pahazazan'i Jesoa Kristy : Midodododo i Masina Maria mamonjy ny sahirana (tamin'ny famangiana sy fanampiana an'i Elizabeta rahavaviny) ; sady miresaka amin'ireo madinika sy ny manan-kaja (ireo Majy sy ny mpiandry ondry) ; fahatongavan'i Jesoa ho nofo, tsy nikasika ny fahadiovan'i Masina Maria... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Ny sorona izay nataon'i Jesoa Kristy teo Kalvery sy ny sorona nataon'i Masina Maria amin'ny maha-renin'i Jesoa azy dia iray ihany, ka nijaly izy noho ny fanoheran'ny olona ny zanany. Masina Maria dia nangina sy nitahiry tao am-pony ny zavatra rehetra nolazaina taminy, ary ohatra ho antsika izy. Taorian'ny fahazazan'i Jesoa dia niaraka niasa tamin'i Zanany i Masina Maria, ohatra amin'ireny ny tranga tamin'ilay fampakaram-bady tao Kanà... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Fahombiazana no azo amehezana ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny Toe-karena eny ambanivohitra (FIER MADA) andiany faha-26, natao teny amin'ny kianjan'i Makis Andohatapenaka, nandritra ny 5 andro. Afapo ireo tantsaha aévy amin'ny Faritra 24 nitondra ny vokany teto an-drenivohitra. Tonga marobe ny mpitsidika. Nahatratra 100.000 ireo olona nifamezivezy teny Andohatapenaka nandritra ny fotoana nanaovana ny Foara...

Amin'ity taona 2025 dia feno 75 taona no nambaranan'ny Papa Pie-XII, tamin'ny fomba manetriketrika ny 1 novambra 1950, fa rehefa nahavita ny fivahinianana Masina teo an-tany i Masina Maria dia nampiakarina "vatana" sy "fanahy" any amin'ny voninahitry ny lanitra. Tsy niteny mihitsy ny Papa Pie-XII, mikasika izay mety ho fahafatesana na fitsanganan-ko velon'i Masina Maria fa nihanona tamin'ny hoe "nampiakarina" izy... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

• Tokony hijeren'ny fitondrana malagasy vahaolana ao anatin'ny fitantanana ny SADC ny sosialim-bahoaka, hoy ny Filoha Nasionalin'ny Vehivavy MFM... • Hisokatra ho an'ny besonimaro manomboka rahampitso ny toerana irasam-pirenena momba ny asa tanana “ENARA Galeria” etsy amin'ny Lac Iarivo. Nitokana izany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina androany... • Hanomboka hitatitra olona ny “téléphérique” ny sabotsy izao. Voafetra ihany anefa ny halaviran-dalana, fa mbola karazana fanazarana ny vahoaka aloha no atao amin'izao, hoy ny fanazavan'ny tompon'andraikitra...

♦ Misokatra azon'ny rehetra tsidihina nanomboka androany ny Sehatra Fampirantiana Iraisam-pirenena ENIRA Lac Iarivo Ivato. Trano heva 300 mahery no mampiranty ny asa tanana sy ny vokatry ny Fambolena Malagasy. Nanokatra izany ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina... ♦ Mahazo vahana amin'ny kaominina miisa roa ao amin'ny Distrika Soavinandriana-Itasy ny ady tany sy ny fandravana trano hoy ny filohan'ny FIVATO Randimbielson William... ♦ Tokony atevenina afaka miatrika ny fiakaran'ny vidim-piainana sy ny tsy fananan'asa ny politika ara-toekarena ankapobeny eto Madagasikara hoy ny Profesora Ralison Roger...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...