♦ Kaominina Ambanivohitra 20 ato anatin'ny faritra Analamanga omaly no notolorana drafi-panjariana kaominaly mifanaraka amin'ny fahafahana miatrika ny vokatry ny fiovan'ny toetry ny andro... ♦ Mbola andrasana ny fanadihadiana lalina mikasika ilay raharaha fividianana vatomamy 8 miliara Ariary... ♦ Ho afaka hanao fitiliana ny tsimok'aretina Coronavirus tsy ho ela ireo faritra manana fitaovana hahafahana manatanteraka izany any amin'ny tapany atsimon'ny Nosy...

♦ Niampy 60 indray ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto amintsika. Nitombo 24 ireo marary mafy... ♦ Entitra ny fanaraha-maso ny fampiharana ny fepetra hiadiana amin'ny Covid-19... ♦ Nitokona nanomboka omaly ireo mpianatra ho mpitsabo, taona fahafito sy fahavalo ao amin'ny hôpitaly HJRA...

♦ Niroso tamin'ny fisamborana ireo tsy manaja ny fepetra isorohana ny fihanaky ny Covid-19 ny mpitandro ny filaminana tao an-drenivohitra... ♦ Nitokona nanomboka androany ireo mpianatra ho mpitsabo ao amin'ny taona fahafito sy fahavalo eny amin'ny HJRA... ♦ Hotanterahina amin'ny alarobia ny fifidianana ireo mpikambana handrafitra ilay vaomiera manokana handinika ny fanenjehana ireo mpitondra ambony...

29 jona — I Masindahy Pierre sy i Paul moa dia Apôstôly roa lehibe. Tsy azo ampitahana izy ireo, nefa niombona aina tamin’ny finoana ka samy naiditra am-ponja noho ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly. I Pierre no nisolo an’i Kristy teo amin’ny fitantanana ny Fiangonana, i Paul kosa tsy nikely soroka, tsy nitandro hasasarana tamin’ny fampielezana ny finoana teo amin’ireo Grika sy ny Romanina.

Nofaranan’i Papa François tamin’ny fanentanana hivavaka ho an’i SYRIE sy ny ankizy any YEMEN ny vavaky ny Angélus, teo amin’ny Kianjan’i Masindahy Piera, omaly alahady.

♦ Ezaka iombonana ny ady amin'ny Coronavirus, mitohy ny fampiharana ny fepetra mifandraika amin'izany, manerana ny Nosy... ♦ Tsy fantatra mazava hatramin'izao raha toa ka hisy fanovana na tsia ny daty ho an'ireo fanadinam-panjakana... ♦ Naotin'ny Ministeran'ny Asa : miato vonjy maika amin'ny asany ireo mpiasam-panjakana marefo ara-pahasalamana...

♦ Anisan'ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny Filankeitry ny Ministra tamin'ny sabotsy teo ny fametrahana ivon-toerana vaovao eny amin'ny Tanana Voara Andohatapenaka... ♦ Niampy roa indray ireo olona namoy ny ainy vokatra ny valan'aretina Coronavirus teto Madagasikara... ♦ Nanohana an'i Madagasikara avokoa ireo firenena rehetra nivory teo anivon'ny SADEC, ny amin'ny fitakiany ireo Nosy malagasy...

28 jona — Teraka nanodidina ny taona 120 tao Asie Mineure i Masindahy Irenée ary tao no nandaniany ny fahazazany. Tamin’ny fahatanorany no nahalalany an’i Masindahy Polycarpe eveka tao Smyrne ary lasa mpianatra mahafatra-po an’ity eveka ity izy. Nohajainy tokoa io mpampianatra azy io, nandalina fatratra ny Soratra Masina sy ny lovam-panahin’ny Apôstôly izy ary tena niaina izany.

27 jona — Niaina tamin’ny taona 376 hatramin’ny 27 jona 444 i Cyrille. Notendrena ho patriarka handimby an’i Theophile izy ny 17 oktobra 412. Nafana fo tamin’ny ady manohitra ireo fampianaran-diso momba ny finoana izy, nakatony ny fiangonan’ireo novatiens, ary nenjehany ireo Jiosy tao an-tanana.

26 jona — Nataon’ny Fiangonana hatsiarovana an’i Masindahy Jean sy Paul, martiry niaina tamin’ny taonjato fahefatra, ny andro androany. Mpirahalahy i Jean sy i Paul, zanak’olona ambony saranga teo amin’ny fiaraha-monina izy mirahalahy ireto. Nitoetra tao Roma izy ireo ary niasa tao amin’i Constance zanakavavin’ny amperora Constantin.

25 jona — Teraka tao Aquitaine i Prosper tamin’ny taona 390, mpianatr’i Masindahy Augustin d’Hippone izy. Tsy pretra izy, tsy martiry ary tsy nanao fahagagana fa ny tena nahafantarana azy dia ny ady ara-pinoana nataony niady tamin’ireo pélagiens.

Sabotsy 04 jolay 2020 — Herinandro faha-13 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 14-17 — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin'ny tenin'ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...