Alarobia 01 jolay 2020 — Herinandro faha-13 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 28-34 — Andriamanitra nampihavana an'izao tontolo izao aminy indray tamin'ny alalan'i Kristy sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika.
Talata 30 jona 2020 — Herinandro faha-13 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 23-27 — Fanahy sy fiainana ny teninao, ry Tompo ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Alatsinainy 29 jona 2020 — Masindahy Piera sy Paoly — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 13-19 — Ianao no Piera (vato), ary eo ambonin'izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin'ny afobe tsy haharesy azy.
Alahady 28 jona 2020 — Alahady faha-13 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 37-42 — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin'ny Anaran'ny Tompo. Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin'ny Avo indrindra.
Mila manontany tena ny olom-pirenena tsirairay eo anatrehan'ny tontolo manodidina azy. Mila mikaroka ny saina. Inona no tokony atao mba tsy hanimbana ny olona eo akaiky ? Mila migaga ny fahatsaran'ny zava-boahary ; satria mitarika ny saina hanao zavatra tsara izany.
23 jona — Teraka tao Castelnuovo any Asti ny taona 1811 i Joseph Cafasso. Zanak’olona tsotra izy, ary fahatelo amin’ny zanaka nateraky ny ray aman-dreniny. Ilay anabaviny nantsoina hoe Mariane moa no renin’ilay olotsambatra atao hoe Don Joseph Allamano. Hatramin’ny fahazaza i Cafasso dia nataon’ny olona hoe olomasina kely na tao amin’ny fianakaviany na tao an-tanana.
♦ Voafetra manomboka anio hariva ny fahafaha-mivezivezy eny Analakely... ♦ Nampiana 200 tapitrisa sy iray miliara Ariary ny teti-bolan'ny kaominina Antananarivo amin'ity taona ity... ♦ Nitondra ny raharaha eny amin'ny fitsarana momba ilay fananganana Colisée anatin'ny Rovan'Antananarivo ny fikambanan'ireo Andriana Merina na AOM...
♦ Hosamborina ireo rehetra tsy manao aron-tava sy orona ary hampiharana sazy henjana... ♦ Niampy iray indray ny marary namoy ny ainy noho ny Coronavirus... ♦ Polisy eo amin'ny 4000 no hahetsika manerana ny Nosy hitandro ny filaminana mandritra ny fetim-pirenena...
♦ Niampy iray indray ny marary tsy nahatohitra ny Coronavirus raha ny tatitry ny CCO androany... ♦ Hiroso amin'ny fisamborana ireo tsy manao aron-tava ny mpitandro ny filaminana manomboka rahampitso... ♦ Ahemotra ho amin'ny alarobia ho avy izao indray ny fandinihan'ny Solombavambahoaka ny volavolan-dalana mifehy ny teti-bolam-panjakana nasiam-panitsiana 2020...
Nanamafy hatrany ny firaiketam-pony amin'ny fiahiana ny mpitsoa-ponenana sy ny fiarovana ny tontolo iainana i Papa François, taorian'ny vavaka Angélus notarihany teo amin'ny kianjan'i Masindahy Piera, omaly alahady.
22 jona — Teraka tamin’ny taona 353 tao Bordeaux i Masindahy Paulin, Meropius Pontius Paulinus no tena anarany, zanak’olona manam-boninahitra sy mpanefoefo izy, nanana tany maro tany Italie, Aquitaine sy Espagne izy ireo. Poeta iray antsoina hoe Ausone fanta-daza tamin’izany fotoana izany no nampianatra an’i Paulin ary dia lasa mpandaha-teny sy mpanoratra tena nikoizana koa izy.
♦ Tsy maintsy omena vahana ao anatin'ny teti-bolam-panjakana asiam-panitsiana ny momba ny sôsialim-bahoaka hoy ny depiote voafidy tany Miarinarivo, Fetra Rakotondrasoa... ♦ Tsy misy kajikajy pôlitika, na fitadiavana seza, na resaka foko ny fizarana mitovy ireo distrika mandrafitra ny faritra Vatovavy Fitovinany... ♦ Miantso ny mpampiasa lalana ho mailo ny Polisim-pirenena...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco