Ao an-tokantrano no fanabeazana ny tsirairay mba hiaina ny fahatahorana an'Andriamanitra. Tandindon'ny firenena iray manontolo ny fianakaviana tsirairay. Zava-dehibe ny fiainam- panambadiana satria hanabeazana ny ankizy sy ny tanora ho fampandrosoana. Misy ny atao hoe "Tribunal ecclésiastique" raha misy olana ara-panambadiana ny olona roa. Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady faha-15 mandavantaona : Nofidin'Andriamanitra isika mba ho irahiny ; Ataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Misy roa ny tanjona amin'ny fiantsoan'Andriamanitra, izay mifampikina : hitoetra eo aminy, hitory sy handroaka demony. Raha tsy malala an'i Jesoa sy tsy manana fiombonana aminy dia tsy ho afaka ny hampalala Azy sy ho lasa iraka ; Mifampitohy ny fiantsoana sy ny fanirahana ary tsy mety ho iraka raha tsy babon'ny fitiavan'i Jesoa...
Samy manana ny fotoana ao anatin'ny maloka ifanaovana amin'Andriamanitra, fotoana fitsapana sy fahoriana amin'ny fiainana, ao anaty fahotana na lalan-diso mihitsy aza. Eo indrindra no tian'Andriamanitra ihaonana aminao. Toa manampoka anao izy, satria amin'ny andro tsy ampoizina, amin'ny fotoana ahatsapana fa irery. Ny vavaka dia tsy zavatra hafa fa fanekena ho havaozin'Andriamanitra. Katesizy momba an'i Jakoba, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Hoy ny Raimasina indray andro : nihaona tamin'ny olona iray efa nahazo taona aho, olona tsara sady tena kristiana, fa mpanota teo anatrehan'Andriamanitra ; hoy io olona io hoe hanampy azy Andriamanitra ary tsy mamela azy irery ; feno fanantenana izy ny ho tonga any amparadisa, mety anaty tsy fahamendrehana aho hoy izy fa ho tody any, mino izy fa Andriamanitra dia mamonjy ny very. Katesizy momba an'i Jakoba, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Tsy takona afenina toa ny tafika andrefan-tanana, araka ny fiteny, ny fiatraikan’ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny famokarana ataon’ny tantsaha eto amintsika. Misedra olana avokoa ny mpamokatra amin’ny faritra rehetra eto amin’ny nosy. Ny endrika isehoany no samihafa. Ny tsy fahampian’ny rano enti-mamokatra ao anatin’ny fotoana tena ilana izany, ampian’ny hafanana diso tafahoatra no itambaran’izy ireo.
Ho fanamarihana ny andro manerantany ho an'ny zokiolona, ny raibe sy ny renibe dia manana adidy isika mba hiahy sy haneho fitiavana ireo sokajin'olona ireo. Nanomboka tamin'ny taona 2021 no nisian'ity fanamarihana ity andro ho fanomezan-danja ireo zokiolona, ankalazaina isan-taona, ka alahady fahefatra amin'ny volana jolay no hanaovana azy. Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka misahana ny fianakaviana, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Mitolona amin'Andriamanitra, endriky ny vavaka, hatramin'izay i Jakôba dia efa afaka niresaka tamin'Andriamanitra toy ny amin'ny namana sy ny olona akiaky. Indray alina dia nahatapa i Jakoba fa misy zavatra maro tsy voafehiny, tamin'io fotoana io no naverin'Andriamanitra amin'ny fahatsapany ny maha olona misy fetra azy izy, mety ho resy sy matahotra ary mitebiteby. Katesizy momba an'i Jakoba, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Tsy afaka misaraka ny safidy sy ny fitiavana. Ny safidy dia isan'ny fanomanana ny olom-pirenena. Ny olom-pirenena no fototra maha firenena ny firenena iray. Mijanona ho vahoaka fotsiny ny ankamaroan'ny olona +18 taona fa tsy tsy mahatsiaro tena mihitsy ho olom-pirenena. Ny sehatra rehetra iainan'ny olombelona dia misy safidy hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Tamin'ny fotoana nifampitoloman'i Jakoba tamin'Andriamanitra dia izy irery no teo ; araka ny voalaza ao amin'ny Jenezy, tamin'iny alina iny ihany dia nitsangana i Jakoba : nalainy ny vadiny roa sy ny mpanompony roa vavy ary ny zanany 11 lahy, dia nita teo amin'ny fitàna an'i Jakoba izy... Ny vavaka dia tolona ary fandresen'ny olona manam-paharetana. Katesizy momba an'i Jakoba, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Ny tranga rehetra mifandraika amin'ny tsingerin'ny fadimbolana dia tokony ho fantatry ny vehivavy amin'ny ankapobeny. Ny ahafantarana fa hitsahatra ny fadimbolana : manomboka amin'ny faha-45 taona amin'ny ankapobeny, mihalava ny fiverenan'ny fadimbolana, mafana tampoka ilay vehivavy, marary andoha tampoka, vizaka tampoka, tsy taitra amin'ny firaisana ara-nofo intsony... Tsy aretina ny fitsaharan'ny fadimbolana fa toe-batana maha vavy. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
17 jolay 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 25-27)
16 jolay 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 20-24)
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco