25 jolay 2024 — Masindahy Jakôba, Apôstôly — Fety — Izaho no nifidy anareo tao amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hamokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 20-28)

24 jolay 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 1-9)

23 jolay 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 46-50)

Ny lanjan'ny fahaizan'ny mpanabe mandray ny valin'ny asan'ny mpianatra, nandritra ny taom-pianarana teo. Misy fihetsika sy fomba fiteny mba tsy handratra ny ankizy ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ary ny mpanabe. Ao anatin'ny vanim-potoana handraisana ny valin'ny ezaka nataon'ny mpianatra sy ny ankizy isika amin'izao, mba afahana mandrefy ny lanjan'ny teny natao sy ny asa rehetra, nandritra ny taom-pianarana. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

22 jolay 2024 — Masimbavy Maria Madalenina — Fety — Lazao anay, ry Maria, ny hitanao teny an-dàlana. Ny fasan’i Kristy velona no nahitako sy ny voninahitr’Izy tafatsangan-ko velona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 20, 1. 11-18)

21 jolay 2024 — Alahady Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 30-34)

♦ Patrick Raharimanana avy amin'ny Gasy-Patriote, afaka nody taorian'ny fotoam-pitsarana azy omaly, ny 20 aogositra izao no hivoaka ny didim-pitsarana momba ny raharaha hanenjehana azy... ♦ Takian'ny fikambanan'ny loholona sy ny CST teo aloha ny famoahana am-ponja an'Andriamatoa Rasambozafy Cyril sy ny solombavambahoaka ao Vaingandrano Mahavitara Sylvestre... ♦ Nahitàna fiakarany ny teti-bola hiatrehana ny fanadinam-panjakana Bakalôrea amin'ity taona ity, tsy misy atahorana ny tambin-karama ho an'ireo mpitsara sy mpiambina hoy ny tale misahana ny fitantanam-bola eny amin'ny Oniversite an'Antananarivo...

Ny vavaka dia antso avy amin'Andriamanitra, ary tohizana amin'ny fifampiresahana aminy, rehefa anambaràny ny tenany ka mahalala azy. Izy Andriamanitry ny velona dia maniry ny hanafaka sy hahavelona ny vahoakany ka miantso an'i Môizy mba hirahiny hangoraka ireo vahoaka ireo toa Azy Andriamanitra, hanavotra ny vahoaka. Ny mivavaka dia mampifanaraka ny sitraponao amin'ny an'Andriamanitra... Katesizy momba an'i Môizy, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

♦ Nahiditra am-ponja vonjimaika ao Mananjary ny filoha mpitarika ny BAM, Rasambozafy Cyril. Takian'ny fikambanana misy azy sy ny fikambanan'ny loholona sy ny CST teo aloha, ny famoahana azy sy ny Solombavam-bahoaka ao Vangaindrano, Mahavitara Sylvestre... ♦ Ho hita taratra ny fanovana eny amin'ny Antenimeram-pirenena eny Tsimbazaza. Lokalokan'ny kestora voalohany, Rivotiana Jean Bosco, raha nifamindra fitantanana tamin'ny kestora voalohany teo aloha izy... ♦ Bakalôrea 2024. Tsy misy hataohorana ny tambikarama. Nahitana fiakarana tamin'ity taona ity, ny vola hiatrehana ny fanadinana...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 26, 11-16. 24)

Ny Tompo marina tokoa no naniraka ahy ho atý aminareo hilaza ireo teny ireo.

Tamin’izany andro izany,
hoy ny mpisorona ama-mpaminany tamin’ireo loholona sy ny vahoaka rehetra:

“Mendrika hovonoina ity lehilahy ity, fa naminany loza hanjò ity tanàna ity,
araka ny efa ren’ny sofinareo.”

Fa niteny tamin’ny loholona sy ny vahoaka rehetra i Jeremia nanao hoe:

“Ny Tompo no naniraka ahy haminany ny zavatra rehetra efa renareo,
hamelezana ity trano ity.
Koa ankehitriny, ahitsio ny lalanareo sy ny ataonareo;
ary mihainoa ny feon’ny Tompo Andriamanitrareo,
dia hanenenan’ny Tompo ny loza nolazainy hamelezana anareo.
Ary ny amiko, dia intý aho, eto an-tananareo,
ka ataovy amiko izay ataonareo ho mety sy marina.
Fantaro anefa, fa raha mamono ahy ianareo,
dia handatsaka ra tsy manan-tsiny aminareo sy amin’ity tany ity,
ary amin’ny mponina eo aminy,
satria ny Tompo marina tokoa no naniraka ahy ho atý aminareo
hilaza ireo teny rehetra ireo ho ren’ny sofinareo.”

Dia hoy ny loholona mbamin’ny vahoaka rehetra,
tamin’ireo mpisorona sy ireo mpaminany:

“Tsy mendrika hovonoina ity lehilahy ity,
satria tamin’ny Anaran’ny Tompo Andriamanitsika no nitenenany tamintsika.”

Ary ny tanan’i Ahikama zanak’i Safana dia nanohana an’i Jeremia.
Ka tsy natolotry ny vahoaka hovonoin-ko faty izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 68, 15-16. 30-31. 33-34

Mivavaka aminao aho, ry Tompo.

Afaho amin’ny fotaka aho tsy ho difotra,
fa ho afaka amin’ny firohon’ny rano lalina;
tsy ho safotry ny onja na hatelin’ny hantsana,
tsy hanakombonan’ny fasana ny vavany.

Fa izaho ilay ory sy nijaly kosa
dia harovan’ny Vonjinao, ry Andriamanitra:
ka hidera amin-kira ny Anaran’Andriamanitra
ary hankalaza Azy amin-tsaotra.

Ny ory mahita ka mifaly.
Veloma ny aina, ry mpitady an’Andriamanitra:
fa ny Tompo mihaino ny mahantra,
ny babo tsy hainy hamavoina.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 1-12)

Naniraka hampanapaka ny lohan’i Joany i Herôda ary lasa nilaza izany tamin’i Jesoa ny mpianany.

Tamin’izany andro izany,
ren’i Herôda tetrarka ny lazan’i Jesoa, ka hoy izy tamin’ny mpanompony:

“I Joany Batista izay;
efa nitsangan-ko velona izy, ka izany no ahavitany fahagagana maro.”

Fa i Herôda efa nampisambotra an’i Joany,
ka nanagadra sy nanao azy an-tranomaizina,
noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny.
Satria i Joany nilaza taminy hoe:

“Tsy mahazo manambady io ianao.”

Nitady hamono azy i Herôda saingy natahotra ny vahoaka,
satria nataon’ny olona fa mpaminany i Joany.
Ary tamin’ny andro nankalazana ny nahaterahan’i Herôda,
dia nandihy teo anatrehan’ny olona nasaina ny zanakavavin’i Herôdiada,
ka nahafaly an’i Herôda.
Noho izany dia nianiana izy hanome azy izay zavatra hangatahiny na inona na inona.
Efa nomen-dreniny hevitra rahateo razazavavy, ka hoy izy hoe:

“Omeo ahy eto amin’ny lovia ny lohan’i Joany Batista.”

Dia nalahelo ny mpanjaka,
kanefa noho ny fianianany sy noho ny olona niara-nihinana taminy,
dia nasainy homena azy ihany izany;
ary naniraka nampanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina izy.
Dia nentina tamin’ny lovia ny lohany, ka nomena an-drazazavavy,
ary nentiny tany amin-dreniny.
Nalain’ny mpianatr’i Joany kosa ny faty dia naleviny,
vao lasa izy nilaza izany tamin’i Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 26, 1-9)

Nitangoronan’ny olona rehetra tao an-tranon’ny Tompo i Jeremia.

Tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Jôakima, zanak’i Jôsiasa, mpanjakan’i Jodà,
no nahatongavan’izao teny izao, avy amin’ny Tompo, ho amin’i Jeremia:

“Izao no lazain’ny Tompo:
Mitsangàna ianao eo an-kianjan’ny tranon’ny Tompo,
ka lazao amin’izay avy amin’ny tanànan’i Jodà rehetra
izay tonga hivavaka ao an-tranon’ny Tompo,
ny teny rehetra nasaiko hambaranao aminy:
aza misy amelana na dia teny iray aza.
Angamba hihaino ihany izy, ka samy hiverina hiala amin’ny lalan-dratsiny avy;
dia hanenenako ny loza nokasaiko hamelezana azy,
noho ny haratsian’ny ataony.
Lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo:
Raha tsy manaiky Ahy ianareo ka tsy manaraka ny lalàna nataoko eo anoloanareo;
tsy mihaino ny tenin’ny mpaminany mpanompoko, irahiko ho any aminareo,
sady nirahiko hatramin’ny vao maraina, kanefa tsy nohenoinareo,
dia hataoko tahaka an’i Silao ity trano ity,
ary ataoko fanozonana amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany, ity tanàna ity.”

Ren’ny mpisorona ama-mpaminany mbamin’ny vahoaka rehetra
ny nilazan’i Jeremia ireo teny ireo, tao an-tranon’ny Tompo.
Nony tapitra voalazan’i Jeremia avokoa izay nasain’ny Tompo nolazaina amin’ny vahoaka rehetra,
dia nosamborin’ny mpisorona ama-mpaminany mbamin’ny vahoaka rehetra izy,
sady nataony hoe:

“Ho faty ianao!
Ahoana no aminanianao amin’ny Anaran’ny Tompo hoe:
Ho tahaka an’i Silao ity trano ity,
ary ho lao tsy misy mponina ity tanàna ity?”

Dia nitangoronan’ny olona rehetra tao an-tranon’ny Tompo i Jeremia.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 68, 5. 8-10. 14

Valio araka ny fahamarinan’ny vonjinao aho, ry Tompo!

Ry Andriamanitra ô, maro noho ny volon-dohako
ny mpankahala tsy amin’antony;
mahery noho izaho ireo mandrafy noho ny endrikendrika.
Dia hataoko ahoana anefa ny famerina izay tsy nalaiko?

Noho Ianao no ilonjoako latsa, no mahasafo-kenatra ny tavako:
ka vahiny amin’ireo rahalahiko aho, sy olon-kafa amin’ny zanak’i neny?
Eny, ny fahasaro-piaroko ny tranonao
no maharìtra ny aiko.

Fa izaho mivavaka aminao, ry Tompo!
Iantrao aho, ry Andriamanitra,
valio noho ny haben’ny hatsaram-ponao,
sy araka ny fahamarinan’ny Vonjinao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 54-58)

Tsy ilay zanaky ny mpandrafitra va ity? Taiza no nahazoany izany rehetra izany?

Tamin’izany andro izany nankany amin’ny tany nahabe azy i Jesoa,
ary nampianatra tao amin’ny sinagôgany;
dia gaga ny olona ka nanao hoe:

“Avy taiza àry no nahazoan’izy io izany fahendrena sy hery izany?
Tsy ilay zanaky ny mpandrafitra va io?
Tsy i Maria va no anaran-dreniny,
ary tsy i Jakôba sy i Jôsefa sy i Simôna, ary i Jodà va no rahalahiny
ary moa tsy etý amintsika avokoa va ny anabaviny rehetra?
Koa taiza no nahazoany izany rehetra izany?”

Ary tafintohina taminy izy ireo; fa hoy i Jesoa taminy:

“Eo amin’ny tany onenany sy eo amin’ny ankohonany ihany
no tsy mba voahaja ny mpaminany.”

Dia tsy nanao fahagagana betsaka teo Izy noho ny tsy finoan’ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 18, 1-6)

Toy ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy ianareo eo an-tanako.

Tonga tamin’i Jeremia ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Mitsangàna ianao, ka midìna ho any an-tranon’ny mpanefy tanimanga,
ary any Aho hampandre anao ny teniko.”

Dia nidina ho any an-tranon’ny mpanefy tanimanga aho;
ka indro izy manao ny taozavany teo amin’ny ankodina fiasàny.
Ary tsy vanona kosa ny vilany nataony,
araka izay mety hahazo ny tanimanga eny an-tanan’ny mpanefy,
ka nanao vilany hafa, araka izay tiany hatao indray, ny mpanefy tanimanga.

Dia tonga tamiko ny tenin’ny Tompo toy izao:

“Moa Aho tsy mahazo manao aminareo,
toraky ny nataon’io mpanefy tanimanga io, ry taranak’i Israely?
— teny marin’ny Tompo.
Eny, toy ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy ianareo eo an-tanako,
ry taranak’i Israely.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 145, 2. 3-4. 5-6

Sambatra izay manana ho Mpitahy ny Andriamanitr’i Jakôba.

Izaho midera ny Tompo,
raha mbola velona aina,
miantsa ny Andriamanitro,
raha mbola misy koa!

Aza mba mitoky amin’ny manam-pahefana
na amin’ny olombelona tsy afa-mamonjy:
izay lasa fofon’aina, mody amin’ny tany:
ka rava fikasana terý!

Sambatra izay manana ho Mpitahy ny Andriamanitr’i Jakôba,
sy mametraka ny tokiny amin’Andriamanitra Tompony,
Ilay nanao ny lanitra, ny tany sy ny riaka,
sy izay rehetra ao amin’ireny.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 47-53)

Fantenany ny tsara hankao an-karona, fa ny ratsy kosa ariany.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina,
ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao:
rahefa feno izy, dia nosarihana ho eny amoron-drano,
ka nipetraka ny olona nifantina ny tsara hataony an-karona
fa ny ratsy kosa nariany.
Dia ho tahaka izany koa raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao:
hivoaka ny anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina,
ka hanipy azy any amin’ny memy mirehitra:
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.
Efa azonareo va izany?”

Eny, hoy izy ireo taminy.

Dia nanampy teny indray Izy nanao hoe:

“Koa ny mpanora-dalàna rehetra izay mahay tsara ny amin’ny fanjakan’ny lanitra àry,
dia tahaka ny raim-pianakaviana
izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy amin’ny fitoeran-drakiny.”

Nony tapitra izany fanoharana izany, dia niala teo i Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...