• Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Andohalo, ho fanamarihana ny fanokafana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Hankalazaina ny 12 janoary 2025 ny fetin'ny Seminera Zandriny Ambohipo, izay eo ambany fiarovan'ny Fianakaviana Masina...
  • Mahaiza misaotra ny fanomezana ny fiainana, hoy ny Papa François, fa famantarana mahagaha avy amin'Andriamanitra izany...

  • Olona 43 isa nampidirina am-ponja vonjy maika noho ny resaka kolikoly tao anatin'ny telo volana, miisa 580 kosa ireo fitanana an-tsoratra vita sy nalefan'ny BIANCO any amin'ny Fitsaràna...
  • Fako manodidina ny 10.000 taonina no nalan'ny APIPA tamin'ireo lakan-drano tao Antananarivo renivohitra tato anatin'ny 5 volana farany amin'ny taona 2024...
  • Nametraka tanjona ny hizoran'ny fetin'ny Noely sy ny Faran'ny Taona, anatin'ny filaminana sy ny fitoniana ny avy amin'ny Zandarimariam-pirenena...
  • Nampanantena ny hanafoana ny transgenre aorian'ny fahavitan'ny fihanihanany ny filoha Amerikana Donald Trump, tsy misy karazany hafa ankoatra ny lehilahy sy vehivavy ny vahoaka Amerikanina hoy izy...

  • Miato mandra-pivoaka ny valin'ny fanadihadiana ataon'ny "Cyber-Criminalité" ny fampiasana ny tranokalan'ny CENI taorian'ny fisian'ny "piratage" nitranga ny faran'ny herinandro teo hoy ny Sekretera Mpanatanteraky ny CENI...
  • Nosamborina ary atao andrimaso eny amin'ny Toby Ratsimandrava ny mpikatroka avy amin'ny Antoko Tiako I Madagasikara Jean Luc Randriamihaotra, tsy afaka nijery sy nanatitra mpisolovava hiaro azy ireo mpiray Antoko aminy...
  • Ny any amin'ny Faritany Fianarantsoa, Toliara, ary Toamasina indray anio 23 desambra no hamoaka ny vokam-pifidianana Ben'ny tanàna vonjimaika, izay notontosaina tamin'ny 11 desambra teo...
  • Naaton'ny Praiministra Albanais Edi Rama mandritra ny heritaona ny fampiasana ny TikTok any amin'ity firenena ity, taorian'ny herisetra tamin'ny fampiasana izany ka nahafatesana mpianatry ny kolejy iray...

  • Miroso ny fiomanantsika Malagasy amin'ny fandraisana ny fihaonamben'ny Tanora Afrikinina "Youth Connect Africa" andiany faha-8 amin'ny taona 2025...
  • Nanamafy ny fahavononany hanatsara ny fanaraha-maso ny aretina sy ny fiatrehana ny valan'aretina eto Madagasikara i Etazonia...
  • Nandresy tamin'ny fifidianana ben'ny tanàna tao Antananarivo renivohitra i Harilala Ramanantsoa avy amin'ny IRMAR, raha ny vokatra navoakan'ny CENI omaly...
  • Teratany Israelianina miisa 16 no naratra androany voakatry ny tifitra balafomanga nataon'ny mpihoko Houthis avy any Yemen tany Jaffa manakaiky an'i Tel Aviv ; Fatina miaramila miisa 503 no naverin'i Rosia tany Ukraine omaly

Alahady faha-4 — taona "D", fiavian’ny tompo : Indro tonga ny mpamonjy, eo afovoantsika ; Inty aho mpanompovavin’ny Tompo: aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao. Vehivavy roa samy mitondra vohoka ary samy mahatsapa ny fitiavan'Andriamanitra azy : I Maria sy Elisabeth. Andriamanitra dia tia antsika ary manao izay hampirindra ny fiainantsika Izy. Misy fomba maro hahatanteraka io asan'Andriamanitra io amintsika dia : fandinihana ny sitrapony, fanatanterahana ny sitrapo amim-pitiavana, fanetren-tena. Ohatra tsara ho antsika i Maria sy Elisabeth, tsara fifandraisana ary mifampizara, mifanatsara, mifankatia... 

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra ny varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria Tsy Azon-keloka, ho fanamarihana ny fanokafana ny taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Tsy manohintohina ny voka-pifidianana ary tsy misy fiantraikany tamin'ny latsa-bato ny tsy fahatomombanana tamin'ny fifidianana kaominaly sy monisipaly teo, hoy ny filohan'ny CENI omaly, nandritra ny famoahana ny voka-pifidianana ho an'ny Faritanin'Antananarivo...
  • Nanomboka niasa alina ny fiara mpitatitra ao Antananarivo renivohitra iatrehana ny fetin'ny faran'ny taona...
  • Tafakatra 800 tapitrisa Euro ny teti-bidin'ny fahasimbana vokatr'ilay rivo-doza Chido tany Mayotte...

  • Tsy manohintohina ny voka-pifidianana, ary tsy misy fiantraikany tamin'ny latsa-bato ny tsy fahatomombanana tamin'ny fifidianana kaominaly sy monisipaly teo, hoy ny Filohan'ny CENI...
  • Namoy ny ainy ilay rasazy 30 taona, noho ny fahamaizana nahazo azy. Tsiahivina fa nisy nandoro ny tranony ny alakamisy 12 desambra 2024, tany Mijolo Gara, Distrikan'i Manakara...
  • Tantsaha miisa 12.000 no nizaran'ny orinasa QMM masomboly, zezika ary fitaovam-pamokarana, tany Tôlagnaro...

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria tsy azon-keloka, ho fanamarihana ny fanokafana ny fankalazana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Nanomboka andiany vaovao amin'ny katesizy, mitondra ny lohateny hoe: “I Jesoa Kristy, fanantenantsika”, ny Papa François ny alarobia 18 desambra 2024...

  • Fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina ny 11 desambra 2024: Nahatratra 48,79% ny taham-pandraisan'anjaran'ny mpifidy manerana ny nosy. Voahaja ny tetiandro 10 andro nikirakirana ny voka-pifidianana...
  • Misedra olana amin'ny famokarana herinaratra ny eto amin'ny Tambajotra Iraisan'Antananarivo noho ny fihenan'ireo tohadrano. Nampanantena ny tsy hisian'ny délestage mandritra ny fetin'ny Noely sy ny faran'ny taona, ny orinasa JIRAMA...
  • Hankalaza ny faha-60 taona nijoroany amin'io taona 2025 io ny Lycée Moderne Ampefiloha. Ny sekoly dia tsy nitsanga-menatra raha miohatra amin'ireo sekoly manerana an'i Madagasikara tao anatin'izay 60 taona izay...

  • Hanomboka anio ny famoahan'ny CENI ny vokatra vonjimaika tamin'ny fifidianana Ben'ny Tanànana sy Mpanolotsaina, isaky ny Renivohi-paritany. Hisantatra izany ny eto Antananarivo...
  • Afaka mametraka fitoriana sy fitarainana eny anivon'ny Fitsarana miady amin'ny Fanjakana, ireo rehetra tsy afa-po tamin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina notanterahana ny 11 desambra 2024, hoy ny mpahay lalàna Imbiky Herilaza...
  • Hihena hatrany amin'ny 70 tapitrisa litatra ny fiankinan-doha amin'ny famokarana herinaratra ampiasana soloika, ao aorian'ny fahavitan'ny tobim-pamokarana angovo ao Ranomafana, Distrikan'Ankazobe...

  • Nametraka fitoriana eny amin'ny Fitsarana miady amin'ny Fanjakana, ny antoko TIM androany. Fitoriana, tsy hanekeny ireo ambara fa tsy fanarahan-dalàna tamin'ny fifidianana tao an-drenivohitra ny 11 desambra 2024...
  • Hihena 70 tapitrisa litatra ny fiankinan-doha amin'ny famokarana herinaratara amin'ny solika, ao aorian'ny fahavitan'ny toby famokarana any Ranomafana Ankazobe. Napetraka androany ny vatofototry ny fananganana azy io...
  • Haka ny hevitry ny rehetra amin'ny alalan'ny tranonkala amin'ny Internet, ny Vovonana Vonjeo ny Fanabeazana. Tanjona ny hanarenana ny hasin'ny fampianarana eto Madagasikara...

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 5, 14-21)

Mihaino antsika Andriamanitra na inona na inona angatahintsika aminy.

Ry malala, izao no toky lehibe ananantsika eo anatrehan’Andriamanitra:
raha mangata-javatra araka ny sitra-pony isika, dia mihaino antsika Izy.
Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy,
dia fantatsika koa fa na inona na inona angatahintsika aminy dia azontsika.
Raha misy mahita ny rahalahiny manao fahotana tsy ho amin’ny fahafatesana,
aoka hivavaka ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy ny fiainana,
dia an’izay manota tsy ho amin’ny fahafatesana.
Misy fahotana ho amin’ny fahafatesana;
tsy mba ny amin’izany no ilazako hoe tokony hivavaka.
Fahotana avokoa ny tsy fahamarinana rehetra,
fa misy fahotana tsy ho amin’ny fahafatesana.
Fantatsika fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy manota,
fa miaro tena izay naterak’Andriamanitra, ka tsy mikasika azy ilay Ratsy.
Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika,
ary izao tontolo izao kosa mipetraka ao amin’ilay Ratsy avokoa.
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ka nanome fahazavan-tsaina antsika,
mba hahalalantsika an’Andriamanitra marina;
ary ao amin’izany Andriamanitra marina izany isika,
satria ao amin’i Jesoa Kristy Zanany izay Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
Anaka, tandremo fandrao manompo sampy ianareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 149, 1-2. 3-4. 5 sy 6a sy 9b

Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany.

Ihirao hira vao ny Tompo!
Derao ao am-piangonan’ny mpivavaka Izy!
I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy;
ny zanak’i Siôna hiravo amin’ilay Mpanjakany.

Aoka hidera ny Anarany amin-dihy,
hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga!
Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany;
ravahany fandresena ny ory!

Ny mpivavaka aoka hientana ny voninahiny,
sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba:
am- bava fankalazana an’Andriamanitra
no voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny olona nitoetra tao amin’ny maizina, dia nahita fahazavana lehibe; ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny mazava.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 22-30)

Faly ny sakaizan’ny mpampakatra raha mihaino ny feony.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa sy ny mpianany, dia nankany amin’ny tanin’i Jodea
ary niara-nitoetra tamin’izy ireo tany Izy sady nanao batemy ny olona.
I Joany koa nanao batemy tany Enôna akaikin’ny Salîma, fa be rano tao,
ka nanatona ny olona sy nataony batemy;
fa tsy mbola natao tao an-tranomaizina i Joany.
Ary nifanditra tamin’ny Jody anankiray ny amin’ny fanadiovana ny mpianatr’i Joany,
ka nankany amin’i Joany ny mpianany nanao taminy hoe:

“Raby, Ilay teny aminao, teny an-dafin’i Jordany, izay nambaranao manko,
ka indro manao batemy koa ary mankany aminy ny olona rehetra.”

Dia namaly i Joany ka nanao hoe:

“Tsy mahazo mandray na inona na inona ny olona
raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany.
Ary ianareo ihany no vavolombelon’ny nilazako hoe:
Tsy i Kristy aho, fa nirahina hialoha Azy.
Izay manana ny ampakarina no mpampakatra,
fa ny sakaizan’ny mpampakatra izay mitsangana eo sy mihaino azy,
dia faly tokoa mandre ny feon’ny mpampakatra;
ary izany hafaliana izany no tanteraka amiko.
Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...