Ny raim-pianakaviana takian'ny vanim-potoana ankehitriny dia lehilahy manam-panahy ; izany hoe manana finoana sy manompo an'Andriamanitra. Maro ny raim-pianakaviana dia saropiaro amin'ny fanaraha-maso ny zanany, ary mikendry ny hatafita ny zanany. Ny fahasahiranana sy ny asa fivelomana dia misy fotoana mampihena ny fahafahan'ny raim-pianakaviana manara-maso ny fianaran'ny zanaka sy ny fahasalamany. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Tsy iray andro ny mariazy, mila mizaha toetra mandritra ny fifamofoana. Aza malaky mitoky mamitaka ny endrika ivelany. Tsy avy amin'ny Ray fa avy amin'izao tontolo izao ny endrika ivelany. Tsy ao anatin'ny drafitr'Andriamanitra ny "coup de foudre" na ilay fahatairana ivelany. Ny kristiana dia mila mamantatra ny sitrapon'Andriamanitra mba tsy ho voafitaky ny endrika ivelany, amin'ny vavaka. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
♦ Tany amin'ny 640 km avaratra andrefan'Antsiranana no nisy ny foiben'ilay tangoron-drahona ao avaratry ny Lakandranon'i Mozambika, androany tamin'ny 12 ora. Mety hitombo hery izy io ao anatin'ny roa andro ka hivadika ho rivodoza homena ny anarana Hidaya... ♦ Nitohy androany teny Faravohitra, tamin'ny alalan'ny vela-kevitra narahana adihevitra, ny fanamarihana ny fetin'ny asa, ary hitohy amin'ny filaharam-be ho an'ny rahampitso 1 mey...
♦ Potika ny hasin'ny antoko pôlitika amin'ity fifidianana solombavambahoaka 2024 ity hoy ny antoko MFM. Voatery nitambatra ireo tsy mitovy foto-kevitra na ilay antsoina hoe "alliance contre nature"... ♦ Mihetsika indray ny mpianatry ny Polytechnique eny Vontovorona, mitaky vatsim-pianarana sy fanatsaràna foto-drafitr'asa. Raikitra ny fifandonan'izy ireo sy ny mpitandro ny filaminana ny maraina teo... ♦ Miverina indray ny delestazy eto amintsika. Tsy ampy ny famatsiana herinaratra amin'ny tamba-jotra iraisan'Antananarivo, noho ny fiatoana milina iray any Andekaleka... ♦ Niharan'ny tifitra misilin'ny Rosiana indray ny tao Odessa, any atsimo andrefan'i ukraine, omaly ; olona 5isa no namoy ny ainy ary 23 hafa naratra...
Ny "ankifidy" dia kilalao amin'ny teny, itsapana ny fahaiza-maminany sy mitsara zavatra amin'ny alalan'ny fampifidianana amin-javatra anankiroa ka atao fanontaniana, teny mifonofono misy zavatra roa asaina ifidianana, nefa raha tsy mahay mifidy dia mahazo ny ratsy. Samy azo anaovana ankifidy avokoa : olombelona, biby, zavatra, zava-panao eo amin'ny fiaraha-monina. Ny sakan-jaza sy ny vanton-jaza no manao azy, fa afaka mandray anjara avokoa anefa ny sokajin-taona rehetra. Ohatra : Alao izay ho anao "avy tany, sa 'ndeha ho any?" ilazàna ny hoe avy nandevina sa "ndeha hamosavy". Alao izay ho anao : Be maso anaty vero, sa kely maso anaty vato? izay midika hoe omby sa kary...
♦ Mbola tsy manambana mivantana an'i Madagasikara ilay andro ratsy any avaratra andrefan'ny nosy. Tany amin'ny 750 km avaratra somary avaratra andrefana atsinanana no nisy ny foibeny omaly tolak'andro... ♦ Mitaky ny amoahana am-ponja ny kandidà Mahavitarà Sylvestre ny fikambanan'ny Zanaka Anteisaka monina eto Antananarivo. Manome 48 ora ny fitondram-panjakàna izy ireo... ♦ Lasa asa fandraharahàna no atao amin'ilay foto-drafitr'asa fivarotan-drano eny Analakely hoy ny mpanolontsain'ny tanàna, Hilda Ravelonahiana. Nambarany fa tsy ara-dalàna izao ataon'ny kaominina Antananarivo izao... ♦ Nametra-pialàna ny Praiministra any Ecosse, Humza Yousaf, noho ny mety hanonganàna azy...
Amin'ny fotoanan'ny fifamofoana dia mifankahafantatra ara-tsaina, ara-batana izany hoe fahasalamana, ary ara-panahy ny olona mihevitra ny hivady, mba hahafahana manao firaisana ara-nofo amim-pifaliana any aorian'ny fanamasinana ny mariazy. Fitsipika ara-baiboly ny hoe mandao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy mba hifikitra amin'ny vadiny, izany dia tanteraka amin'ny fifamofoana. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
♦ Nanaitra ny Filohan'ny UCTU ny feo mandeha amin'ny rafitra iray eo ambany fiahian'ny ATT, hisahana miaraka ny fitaterana ao an-drenivohitra sy ny manodidina an'Antananarivo, izay tafiditra amin'ny fanitarana ny tanàn'Antananarivo ao anatin'ilay tetikasa Grand Tanà... ♦ Tsy hamaha ny olan'ny mponin'Antananarivo ilay fotodrafitrasa fivarotan-dranon'ny Kaominina Antananarivo, eny Analakely, hoy ny Mpanolotsain'ny tanàna Hilda Ravelonahiana...
♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...
11 mey 2024 — Sabotsy, Herinandro fahenina Fankalazana ny Paka — Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho, hoy ny Tompo; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 23b-28)
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 18, 23-28)
Rahefa nitoetra kelikely tao Antiôkia i Paoly,
dia lasa nitety ny tany Galasia sy Frijia, nankahery fo ny mpianatra rehetra.
Ary nisy Jody anankiray atao hoe Apôlô tonga tao Efezy;
teraka tany Aleksandria izy io,
ary lehilahy nahay nandaha-teny sy nahalala tsara ny Soratra Masina.
Efa nianatra ny lalan’ny Tompo izy, ary niteny tamin-kafanam-po,
ka nampianatra tsara ny amin’i Jesoa,
na dia ny batemin’i Joany ihany aza no fantany.
Niteny tamin-kasahiana teo amin’ny sinagôga izy,
ka nony ren’i Prisila sy i Akilasy, dia nalainy hankeo aminy,
nampianariny tsaratsara kokoa ny lalan’ny Tompo.
Naniry hankany Akaîa izy, ka nankasitrahan’ny rahalahy izany,
dia nampitondrainy taratasy izy mba handraisan’ny any azy tsara.
Nony tonga tany izy,
dia nahavita soa be tamin’izay efa nino noho ny fahasoavana.
Fa nahery nandresy lahatra ny Jody ampahibemaso izy,
nampiharihary tamin’ny Soratra Masina fa i Jesoa no Kristy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 46, 8-9. 10
Ry vahoaka rehetra mitehafa tanana.
Miderà an’Andriamanitra amin’ny hobim-pifaliana.
Fa mahatahotra ny Tompo Avo indrindra,
Mpanjaka lehibe amin’ny tany tontolo.
Fa Mpanjakan’ny tany tontolo Andriamanitra:
koa antsao amim-pirindrana!
Andriamanitra manjaka amin’ireo firenena,
Andriamanitra mitoetra am-piketrahany masina.
Andriam-bahoaka maro no mikambana
amin’ny vahoakan’ny Andriamanitr’i Abrahama;
fa Andriamanitra Andriambaventin’ny tany,
indro voasandratra ambony dia ambony!
Aleloia. Aleloia.
Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho, hoy ny Tompo; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 23b-28)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe:
“Lazaiko marina dia marina aminareo
fa na inona na inona hangatahinareo amin’ny Ray,
dia homeny anareo amin’ny Anarako.
Mandraka ankehitriny
dia mbola tsy nangataka na inona na inona tamin’ny Anarako ianareo;
mangataha àry, dia hahazo ianareo, ka ho tanteraka ny fifalianareo.
Fanoharana no nilazako izany taminareo;
fa avy ny andro tsy hanaovako fanoharana aminareo intsony,
fa hambarako aminareo miharihary ny amin’ny Ray.
Amin’izany andro izany dia hangataka amin’ny Anarako ianareo,
ary Izaho tsy milaza aminareo fa hangataka ho anareo amin’ny Ray Aho,
satria ny Ray tia anareo koa,
noho ny nitiavanareo Ahy sy ninoanareo fa avy amin’Andriamanitra Aho.
Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho;
ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
10 mey 2024 — Zoma, Herinandro fahenina Fankalazana ny Paka — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo; handeha Aho ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 20-23a)
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco