17 aprily 2024 — Alarobia, Herinandro fahatelo Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 35-40)

16 aprily 2024 — Talata, Herinandro fahatelo Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava; isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 30-35)

15 aprily 2024 — Alatsinainy, Herinandro fahatelo Fankalazana ny Paka — Nahita Ahy ianao ka mino, fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 22-29)

Ny antsa dia karazan-dahabolana atao an-kira ; ara-kevitra dia mifanakaiky amin'ny fomba fanehoana ny "HANZAD" ity lahabolana ity. Ity farany izay lahabolana an-kira, ary manokana no mihira azy, dia ireo andriambavy ihany no mihira azy, lahabolana fankaherezana ny mpiantafika, ary tandindon'ny tanjaky ny fanjakàna. Misy teny sy lahabolana vitsy ireto heverina ho nipoiran'ny "ANTSA" dia ny ANZANG avy ao Gabon, ny MANSA avy ao Congo ary ny HANZAD izay avy amin'ny firenena maromaro ao Afrika-Andrefana...

♦ Tamin'ny ora faraparany omaly vao nanao tsy ombialoha ny fandrotsahana ho fidiana ho Solombavambahoaka teny anivon'ireo OVEC nanerana ny nosy... ♦ Nirotsaka ho fidiana any Ambatofinandrahana ny filohan'ny Antenimieram-pirenena teo aloha, Christine Razanamahasoa. Ministra 7 eo anivon'ny Governemanta ihany koa no kandidà ho solombavambahoaka... ♦ Niverina an-tsekoly indray ny mpianatra hiatrika ny roa volana fahaefatra, taorian'ny fialan-tsasatry ny Paka teo. Efa mamaramparana ny fandaharam-pianarana ny sekoly rehetra, mialohan'ny famerenana ankapobeny... ♦ Nitombo ny isan'ireo olona maty, vokatr'ilay faharendrena sambo mpanjono nitondra olona marobe tatsy Mozambika...

Miroso tsikelikely ny fahafantaran'ny olona iray ny tenany ; dieny mbola kely dia atao fantany na lahy izy na vavy ; ary ampifanarahana amin'izany ny fanabeazana azy sy ny fitondràna azy ao an-tokantrano. Adidy mavesatra ho an'ny ray aman-dreny ny firesahana izany satria hevirin'izy ireo ho zava-pady na mahamenatra ny firesahana ny maha lahy na maha vavy ny olona iray. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

♦ Manana telo andro handinihana ny antontan-taratasy momba ireo maniry ho kandidà amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, ny OVEC tsirairay avy manerana ny nosy... ♦ Nisafidy ny tsy ho kandidà amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka ny Depioten'Isandra, Voahanginirina Marie Laurette... ♦ Niverina an-tsekoly nanomboka androany ny mpianatra amin'ny sekoly tsy miankina, hiatrika ny telovolana farany amin'ny taom-pianarana...

♦ Nangatahana omaly araka ny fomban'ny Fiangonana, tao amin'ny Diôsezin'i Toliara, i Mgr Razafinirina Jean Désiré, Eveka vaovao ho an'ny Diôsezin'i Morombe... ♦ Tanterahana ao anatin'ny iray volana ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ny “Chapitre Général” ho an'ny Fikambanana Missionnaires de Notre-Dame de La Salette... ♦ Nifarana omaly alahady ny Filankevitra Diôsezanina 2024 an'ny Vaomiera FIFAKRI, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

♦ Nisesisesy ireo kandida tonga nametraka ny antotantaratasy filatsahany ho fidiana androany, manana hatramin'ny 5 ora hariva ireo tsy mbola nahavita izany... ♦ Anjaran'ny vahoaka no misafidy izay olona mendrika ho solombavambahoaka fa sivana fotsiny ny an'ny  vondrona pôlitika hoy ny antoko ny fireneko... ♦ Efa azo lazaina fa voafehy ny asan-dahalo any amin'ny distrikan'i Belo ankehitriny... ♦ Navaozin'ny Papa François indray tamin'ny famaranana ny vavaka Regina Caeli omaly ny antso ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena misy ady... ♦ Rendrika tany amin'ny fari-dranomasin'i Môzambika ny sambokely nitondra olona antsokosoko...

14 aprily 2024 — Alahady Fahatelo Fankalazana ny Paka — Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo; ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 35-48)

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 3, 13-15. 17-19)

Novonoinareo ny Tompon’ny aina, fa natsangan’Andriamanitra ho velona Izy.

Tamin’izany andro izany,
dia niteny tamin’ny vahoaka i Piera nanao hoe:

“Ny Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba,
Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’i Jesoa Zanany,
izay natolotrareo sy nolavinareo, teo anatrehan’i Pilaty,
na dia nataony halefa aza Izy.
Ny Masina sy ny Marina nolavinareo,
fa ny lehilahy mpamono olona no nangatahanareo famelana.
Ianareo namono ny Tompon’ny aina;
fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona
ary izahay ireto no vavolombelon’izany.
Ary ankehitriny, ry hava-malala,
fantatro tsara fa ny tsy fahalalana no nanaovanareo izany,
toy izany koa ireo lehibenareo,
fa notanterahin’Andriamanitra tamin’izany kosa izay voalazany rahateo
amin’ny vavan’ny mpaminany rehetra, fa hijaly i Kristy.
Koa mivaloza, ary mibebaha, mba hovonoina ny helokareo”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 4, 2. 4. 7. 9

Aidino aminay, ry Tompo, ny hazavan’ny Tavanao.

Raha miantso aho, mba valio,
ry Andriamanitra mpanamarina ahy.
Ry mpanalalaka amin’ny tery ô,
iantrao aho, henoy vavaka.

Fantaro ny ataon’ny Tompo ity sakaizany:
vao miteny aho, dia henony avy hatrany.
Iza, hoy ny maro, no mba hahasambatra azy?
Ny hazavan’ny Tavanao, Tompo, aidina aminay!

Izaho vantany vao mandry
dia matory amim-piadanana:
Ianao irery no fananako
mahafeno toky ahy!

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 2, 1-5a)

Izy no sorom-pifonana mahafaka ny fahotantsika ary tsy ny antsika ihany fa ny an’izao tontolo izao koa.

Anaka, nanoratra aminareo aho, mba tsy hanotanareo.
Ary raha misy nanota, manana mpisolo vava ao amin’ny Ray isika,
dia i Jesoa Kristy, Ilay marina.
Izy no sorom-pifonana mahafaka ny fahotantsika;
ary tsy ny antsika ihany, fa ny an’izao tontolo izao koa.
Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika,
dia raha mitandrina ny didiny isika.
Izay milaza ho mahalala Azy, nefa tsy mitandrina ny didiny,
dia mpandainga, ary tsy ao anatiny ny marina.
Fa izay mitandrina ny didiny,
no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo; ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 35-48)

Tsy maintsy hijaly i Kristy, fa hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo.

Tamin’izany andro izany, dia notantarain’ny mpianatra avy tany Emaosy
tamin’ny Apôstôly iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany tafavory
ny zavatra niseho taminy teny an-dalana
sy ny nahafantarany an’i Jesoa tamin’ny famakiana ny mofo.
Mbola niresaka toy izany eo izy ireo,
dia niseho teo afovoany i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Homba anareo anie ny fiadanana!
Aza matahotra, fa Izaho ihany”.

Taitra sady natahotra izy ireo, fa nataony ho matoatoa no hitany.
Ka hoy Izy taminy:

“Nahoana no mitebiteby ianareo,
ary nahoana no miahanahana ao am-ponareo?
Zahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho mihitsy ity:
tsapao ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba mana-nofo aman-taolana
tahaka izao ahitanareo Ahy izao”.

Ary rehefa nilaza izany Izy,
dia nasehony azy ny tanany sy ny tongony.
Ary ilay mbola tsy nino iny ihany izy ireo noho ny hafaliany,
sady mbola talanjona, dia hoy i Jesoa taminy:

“Moa manan-kanina eto va ianareo?”

Dia notoloran’izy ireo tapa-kazandrano voatono sy tantely Izy,
ka noraisiny dia nohaniny teo imason’izy rehetra,
ary ny sisa nomeny azy ireo.
Dia hoy Izy tamin’izy ireo:

“Izao no voalazako taminareo fony mbola teo aminareo Aho,
fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra voasoratra momba Ahy
ao amin’ny Lalàn’i Môizy sy ny Mpaminany ary ny Salamo”.

Dia nosokafany ny sain’izy ireo hahafantatra ny Soratra Masina,
ka hoy Izy taminy:

“Araka ny voasoratra,
dia tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo,
ary tsy maintsy torìna amin’ny firenen-drehetra,
miantomboka amin’i Jerosalema,
ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany.
Ianareo no vavolombelon’izany”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Hifarana anio alatsinainy ny fametrahana ny antontantaratasy eny amin'ny OVEC, eny anivon'ny Distrika ho an'ireo maniry ho fidiana ho solombavambahoaka amin'ny 29 mey ho avy izao... ♦ Nankalaza ny andro maneran-tany ho an'ny fahasalamana isika teto Madagasikara omaly 7 avrily... ♦ Efa manomboka midina ny vidin'ireo entana ilain'ny mponina andavanandro sasany raha ny nambaran'ny tale misahana ny varotra anatiny...  ♦ Nankalaza ny tsingerin-taona faha-30, nanombohan'ny von'olona faobe tany Rwuanda ity firenena ity omaly... ♦ Feno 6 volana katroka omaly 7 avrily ny nanombohan'ny ady ifanandrinan'i Israely sy ny vondrona Hamas Palestiniana...

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...