Manoloana ny asa andavanandro dia tsy ampy ny fanaraha-maso ny fiainan'ny ankizy sy ny tanora. Ny ankizy dia lasa manaraka ny fironan-kolon-tsaina misy : tsy afaka ny hanao raharaha ao an-trano fa tokony hanana mpanampy. Tototry ny fahasahiranana amin'ny lafiny rehetra ny ray aman-dreny, tsy mahavita ny fianarany hatramin'ny farany ny tanora, sarotra ho azy ireny ny hiditra amin'ny fianan-tokan-trano. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

Dingam-piainana lehibe, sarobidy sady masina ho an'ny tanora lahy sy vavy ny fidirana amin'ny fiainan-tokan-trano. Tsy misy fianarana manokana tena mahakasika ny fiainana sy ny ho avy manontolo, koa mila fiomanana sy fanabeazana izany. Manana adidy araka izany ny ray aman-dreny mba hikolokolo ny zaza sy ny tanora amin'ny lafiny rehetra ary hitantana azy ireo amin'ny lalan-tsara. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

Izay rehetra mahita na mandre ny fanalan-jaza nefa tsy miteny dia miray tsikombakomba amin'io asa ratsy io. Ny fanohanana ny fanalan-jaza dia fandraisana anjara amin'izany fahotana lehibe izany ary tsy ahafahana mandray kôminio ho an'ny mpino katôlika. Ny Sakramenta dia rafitra misy ao amin'ny Fiangonana, tsy mendrika handray anjara amin'ny Kôminio Masina ny olona manohana ny fanalana zaza. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa. 

Ny filaharana dia tsy inona fa Sakramenta manome ny fahefana sy ny fahasoavana, ilaina amin'ny fanantanterahana ny raharaha masina, sady manisy amin'ny fanahy ny marika maha pretran'i Jesoa Kristy. Ny raharaha masina fanaon'ny pretra dia ny manao lamesa sy manome Sakramenta ary ny mitory ny Evanjely. Ny maha filaharana azy dia satria izy misy ambaratonga maro : Eveka, Pretra, diakra... Ny Alakamisy Masina no nanaovan'i Jesoa Kristy ny sakramentan'ny Filaharana. Ny Eveka ihany no manao ny filaharana. Ilaina ny Pretra satria izy ireo no manao ny lamesa sy mizara ny sakramenta...

♦ Manoloana ny fetin'ny paka sy ny toe-draharaha eto amin'ny firenena dia namoaka hafatra ny avy amin'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara... ♦ Very hasina ny tolom-panafahana nataon'ireo maery fo tamin'ny taona 1947 hoy ny mpitolona Bekotromaroholatra... ♦ Misokatra ny OVEC manerana ny nosy amin'izao fetin'ny Paka izao sy ny faran'ny herinandro, mandray sy mikirakira ny taratasy mikasika ny fifidianana solombavambahoaka... ♦ Lany ho filoha ao Sénégal ilay mpanohitra Bassirou Diomaye Faye...

Alahadin'ny paka : Nitsanga-ko velona tokoa i Jesoa ; efa voavono i Kristy izay Paka  ho antsika ao amin'ny Tompo. Tsy zavatra efa lasa no ankalazaintsika amin'ny Paka fa tena miditra ao amin'ny Misterin'ny Pakan'i Jesoa isika olombelona, dia izy nijaly sy maty ary nitsanga-ko velona. Isaky ny manao ny Sorona Masina ny Eglizy dia mankalaza ny Pakan'i Jesoa. Isaky ny manatrika ny lamesa sy mankalaza ny Paka isika dia mihaona amin'i Jesoa tafatsangan-ko velona. Ny fijoroana vavolombelona dia mitaky fiovan-toetra, satria efa nodiovin'i   Jesoa, rehefa resiny ny fahafatesana, dia ny toetra ratsy sy ny tsy mety natao teo aloha, ary izany no ezaka amin'izao Paka izao, ka mba ho hafaliana ho ao an-tokantrano...

♦ Samy nodidin'ny HCC hiala tsy ho parlemantera intsony na ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa, na Razafimahefa Herimanana izay Filohan'ny Antenimieran-doholona teo aloha... ♦ Nampita hafatra ankolaka ho an'ireo nitsikera ny tolom-bahoaka eto amin'ny firenena ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina nandritra ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana 1947... ♦ Miaina anaty rano ny any Ambilobe vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza, miantso vonjy ankoatra izay ireo mponin'i Toamasina izay milomano anaty rano... ♦ Tamin'ny alalan'ny fahita-lavitra no nanarahan'ny Papa François ny lalan'ny Hazofijaliana omaly Zoma Masina...

Ny fandresena ny fahantrana sy ny fikarohana ny fitsaboana ary ny fanampiana ny ray aman-dreny no ilaina hamafisina, aoka hanangana tontolom-piainana miaro ny aina amin'ny alalan'ny soatoavina Malagasy fototra dia ny fihavanana. Misaotra an'ireo fikambanana miaro sy manampy ny ray aman-dreny mitondra vohoka isika ka hanampy azy ireo handray am-pitokiana ilay fanomezana kely vaovao dia ny zaza hateraka. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa. 

Tsimok'aretina anisan’ny miparitaka be indrindra eto Madagasikara ny VIH/SIDA amin’izao fotoana. Tanora maro ary tsy mifidy saranga no voan’ity aretina ity. Antony iray mahatonga ny firoboroboany be loatra ny fivoaran’ny teknôlôjia sy ny fiparihan'ny zava-madomelina eto amintsika. Ny fandaharana dia hiarahana amin’ny Taranaka Sambatra sy ny Centre Arrupe Madagascar. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco.

Reny sy mpampianatra ny Eglizy ka adidiny ny mikolokolo sy mikarakara ny zanany rehetra na lehibe na kely na mbola any am-bohoka, mpampianatra sy mpaminany ka tsy mitsahatra manoro ny marina na amin'ny fotoana na tsy amin'ny fotoana, ary ny marina dia i Kristy. Izy no maha olon'afaka antsika (Jo 17, 17). Reny natao hamelona ny olom-pirenena sy ny vahoaka ny mpitondra firenena, manana adidy hiaro ny aina. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa. 

Manana ny anjara toerany amin’ny fihariana sy ny toekarena eny ambanivohitra ny fiompiana sy ny famokarana tantely. Manodidina 10.300 ny isan’ny mpiompy araka ny tarehimarika tamin’ny taona 2012, ary nisy zanatohatra tantely iray hetsy teo ho eo kosa nanerana an’i Madagasikara. Miovaova ny lanjan’ny vokatra nahondran’i Madagasikara.

♦ Nampahatsiahy ny maha zava-dehibe ny fanosorana maha pretra, ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Raoelison Jean de Dieu, nandritra ny Sorona Masina fanamasinana menaka, teto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, teny amin'ny EKAR Antanimena... ♦ Mihena hatrany ny herin'ilay rivodoza Gamane, any amin'ny tapany avaratry ny nosy. Betsaka ny fahasimban'ny fotodrafitrasa naterany. Tanàna maro no dibo-drano ao amin'ny Faritra Sava sy Diana ary Analanjirofo...

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...