♦ Nodimandry ny sabotsy teo ny mpitahiry ny fitombokasem-panjakàna, Ministry ny Fitsaràna teo aloha, Alice Rajaonah. Nitondra ny teny fampiononana ary nankahery ny fianakaviany ny Ministry ny Fitsaràna... ♦ Manampy betsaka ireo ray aman-dreny amin'izao fidiran'ny mpianatra izao ny fanapahan-kevitry ny Ministera manome lalana ny sekolim-panakàna handray ireo zaza any an-tsekoly hoy ny DREN Atsinanana... ♦ Notsikerain'ny sendika FISEMARE sy ny randrana sendikaly nandritra ny hetsika nataon'izy ireo tamin'ny sabotsy teo ny fehezan-dalàna mifehy ny asa nankatoavin'ny fitsaràna avo momba ny lalam-panorenana ny 8 septambra teo...
♦ Nanonona ny voady voalohany maha relijiozy salezianina azy omaly alahady ireo Nôvisy 14 mirahalahy. Nitarika ny Sorona Masina tety Ivato Mompera Alfredo Maravilla.... ♦ Hiditra an-tsekoly manomboka anio ny mpianatra any amin'ny sekolim-panjakàna sy ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara. 9 septambra fanombohana amin'ny fomba ôfisialy ny taom-pianarana 2024-2025... ♦ Hihaona amin'ny Kaomôro any Tonizia indray anio ny Barean'i Madagasikara. Andro faharoa amin'ny lalao fifanitsanana ao amin'ny vondrona "A" afahana mandray anjara amin'ny CAN 20245...
♦ Hanome famatsiam-bola mitentina 200 tapitrisa Yuans hanohanana tetik'asa samihafa eto Madagasikara i Chine, raha ny nambaran'ny filoha Sinoa Xi Xiping tamin'ny fihaonana tamin'ny filohan'ny repoblika Malagasy Andry Rajoelina omaly... ♦ Mifanandrify amin'ny politika ankapoben'ny fanjakàna ny fifaninana famoronana tetik'asa nokarakarain'ny Ravinala Airports, ka nanome tantsoroka tamin'izany ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy... ♦ Hiara-hiasa amin'ny C.P.L.A rafitra Camp des Programmmes de Leadership Africain ny Fikambanana Tsaravoatra, amin'ny fanofanana mahakasika ny tetik'asa eny anivon'ny fiaraha-monina...
Alahady faha-23 mandavantaona - B : Tia, tsy manavaka ny Tompo ; Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao. Ny tonin-kira fidirana dia maneho ny fitiavan'Andriamanitra ary tsy manavaka Izy : Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsarànao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao. Eo anatrehan'ny Tompo dia mitovy ny olona rehetra, araka izy efa voasoratra Jak 2, 5 : Henoy ange, ry rahalahy malalako: Moa tsy ny mahantra eo imason'izao tontolo izao va no nofidin'Andriamanitra ho mpanan-karena amin'ny finoana, sy ho mpandova ny fanjakana nampanantenainy an'izay tia azy?. Olona maro no voafatotry ny fahasahiranana ka tsy afaka mifanerasera amin'ny hafa, maro ireo iharan'ny fanilikilihana...
♦ Mitsidika eto Madagasikara hatramin'ny 9 septambra izao i Mopera Alfred Mara Villa, mpanolontsaina Jeneraly momba ny Misiona ao amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... ♦ Handray fepetra manoloana ny famoahana vaovao tsy marina anaty tambazotra serasera facebook ny zandarimariam-pirenena, raha ny nambaran'izy ireo omaly... ♦ Tsy manaja ny zon'ny Mpiasa ireo orinasa tantanan'ny vahiny sasany eto Madagasikara, raha ny fitarainana voarain'ny Sendika FISEMARE... ♦ Niala tany Jenine any amin'ny Faritr'i Cisjordanie ny tafika Israeliana, rehefa nanao hetsika ara-tafika goavana nandritra ny 10 andro tany an-toerana...
♦ Manatanteraka fitsidihana eto Madagasikara nanomboka ny 4 hatramin'ny 9 septambra 2024 i Mompera Alfred Maravilla, Mpanolotsaina Jeneraly momba ny Misiona, ao amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Handray fepetra manoloana ny famoahana vaovao tsy marina anaty tambazotran-tserasera Facebook, ny Zandarimariam-pirenena, raha ny nambaran'izy ireo androany... ♦ Miady amin'ny fampiasana ankizy tsy ampy taona, ny Minisitera misahana ny asa. Najoro ny ivon-toerana Manjary Soa, mandray ireo ankizy tsy mianatra intsony ka niroso tamin'ny asa avy hatrany...
♦ Manatanteraka fitsidihina eto Madagasikara, ny 4 hatramin'ny 9 septambra 2024, i P. Alfred Maravilla, Mpanolotsaina Jeneraly momba ny Misiona, ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Manentana ny kristianina hivavaka ho an'ny olona tsirairay, mba hihaino ny fitarainan'ny tany, ny Papa François amin'ity volana septambra ity... ♦ Nanomboka androany ny dingana faharoa amin'ny fitsidihina apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-45, ataon'ny Papa François, izay tanterahany any Asie sy Océanie...
♦ Toerana hitazonana fitondrana, kanefa toerana nahafahana nanongana mpitondra, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ka tsy mahagaga raha hifandroritan'ny mpanao pôlitika... ♦ Efa manomboka mihena ireo olona mikarakara taratasim-panjakana eny amin'ny Boriborintany ao Antananarivo Renivohitra, tamin'ity herinandro ity... ♦ Tsy handefitra amin'ireo olona mibodo ny tanin'ny SEIMAD eny Betsizaraina Ambohimangakely, ny fitondram-panjakana...
♦ Tsy nahavita nanala vela tamin'ny ekipan'i Tonizia i Madagasikara. Resy iray no ho tsy misy ny Barea, tamin'ny andro voalohany amin'ny fifanintsanana CAN 2025... ♦ Andro faharoa amin'ny fandraisana ny antontan-taratasin'ireo maniry ho kandidà amin'ny fifidianana kaominaly ny 11 desambra, anio. Mbola nangingina aloha ireo OVEC nandalovana ho an'ny omaly... ♦ Naiditra am-ponja vonjy maika noho ny kolikoly ny tompon'andraikitry ny tsenambaro-panjakana, na ny PRMP, any amin'ny DREN Menabe. Araha-maso ara-pitsarana kosa ny olona roa hafa...
♦ Nisokatra androany eny anivon'ny OVEC isan-distrika ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an'ireo ho kandidà amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina. Tsy mbola nisy kandidà nametraka firotsahan-ko fidiana ho an'ny OVEC sasany... ♦ Tsy nilaza mazava ny maha kandidà azy na tsia ny PDS Antananarivo, raha nanontanian'ny mpanao gazety... ♦ Hihaona amin'i Tonizia anatin'ny fifanintsanana CAN 2025 anio alina, ny Barean'i Madagasikara. Any amin'ny Tonizianina ny tsindry, ka azo eritreretina tsara ny handresen'ny Barea, hoy i Franck Rajaonarisamba...
Notanterahan’ny Arsevekan’Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, tamin’ny alarobia 13 aogositra 2024 ny fanendrena ny pretra ho an’ny asa fanirahana mandritra ny taom-pikatrohana 2024-2025. Misy ireo mbola manohy ny andraikiny teo aloha, misy kosa ireo voatendry hiandraikitra iraka vaovao.
♦ Handray andraikitra tandrify azy hampizotra ara-dalàna ny fifidianana eny anivon'ny kaominina ny antenimieram-pirenena. Miantso ny CENI ihany koa hanatanteraka ny andraikiny amin'ny fikarakarana ny fifidianana ny filohan'ity andrim-panjakàna mpanao lalàna ity, Tokely Justin... ♦ Hotohanana amin'ny famoronana asa ho an'ny tenany ireo tanora tsy an'asa amin'ny faritra iva ao an-drenivohitra ao. Mikarakara fampiofanana arak'asa faobe ho azy ireo ny ministeran'ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak'asa... ♦ Namolavola fandaharan'asa ahafahana miatrika ny loza voajanahary ny Croix Rouge Malagasy sy ny Croix Rouge Anglisy. Mamatsy vola tamin'izany ny governemanta Britanika...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco