♦ Nankalaza ny andro Afrikana ho an'ny vehivavy isika teto Madagasikara omaly, tamin'ny alalan'ny atrik'asa fifanakalozan-kevitra mahakasika ny fanajàna ny zon'ny vehivavy no nentina nanamarihana izany teny amin'ny NovoTel Alarobia... ♦ Manokana andro roa ifampiresahan'ireo mpisehatra samihafa momba ny harena ankibon'ny tany tompon'andraikitra ny fandaharan'asan'ny firenena mikambana ho an'ny fampandrosoana na ny PNUD. Atrik'asa tanterahana eny amin'ny Hotel Carlton Anosy nanomboka omaly... ♦ Hanatevin-daharana ny hetsika ataon'ny KIM komity iraisan'ny mpiasa Malagasy ny Randrana sendikaly. Tanjona iombonan'ny mpiasa rehetra ny hijerena ny maharary ny mpiasa Malagasy...

♦ Nankalaza ny andro Afrikanina ho an'ny vehivavy isika teto Madagasikara androany, tamin'ny alalan'ny atrik'asa fifanakalozan-kevitra mahakasika ny fanajana ny zon'ny vehivavy, no nentina nanamarika izany tao amin'ny Novotel Alrobia... ♦ Hanatevin-daharana ny hetsika ataon'ny KIM, Komity Iraisan'ny Mpiasa Malagasy, ny Randrana Sendikaly. Tanjona iombonan'ny mpiasa rehetra ny hijerena ny maharary ny mpiasa malagasy... ♦ Tranga vaovao mbola tsy fahita tany amin'ny Distrikan'i Midongy Atsimo, ny famonoana zaza varira, hoy ny Solombavam-bahoaka voafidy tany an-toerana...

♦ Natokana ho fankalazana ny andro eran-tany ho an'ny pôlisin'ala sy ny pôlisin-drano mpiaro voalohany ny valan-javaboahary amin'ny faritra arovana ny 31 jolay... ♦ Isan'ireo firenena folo maneran-tany voakasika indrindra amin'ny fahatarana ara-pitomboana ary amin'ny laharana faharoa amin'ny tsy fanjarian-tsakafo aty Afrika Atsinanana sy Atsimo i Madagasikara... ♦ Sakana mampihemotra ny mpizahan-tany ho tonga eto Madagasikara ny lafiny fitanterana, ny fandriam-pahalemana ary ny olan'ny famatsiana herinaratra... ♦ Maty nandritra ny fanafihana nitranga tany Téhéran androany ny lehiben'ny vondrona Islamika Palestiniana Ismaïl Haniyeh sy ny mpiambina manokany iray...

♦ Nidina an-dalambe nandoro kodiarana sy nanapaka làlana indray omaly ny mpianatra teny amin'ny Polytechnique Vontovorona, nandrava ny hetsika tamin'ny alalan'ny entona mandatsa-dranomaso ireo mpitandron'ny filaminana... ♦ Notoloran'ny filohan'i Guinée Bissau ny mari-boninahi-pirenena ambony ao aminy, ny filoha Rajoelina Andry omaly... ♦ Nahitana fitomboany ny vonjy voina nataon'ny sampana mpamonjy voina ao Antananarivo renivohitra tato anatin'ny enim-bolana voalohan'ny taona 2024 raha mitaha tamin'ny taona 2023... ♦ Any Royaume Unis : Namoy ny ainy taorian'ny ratra nahazo azy ilay tovovavikely isan'ireo niharan'ilay fanafihana tao amin'ny toerana fianarana mandihy tao South Port - Angleterre...

♦ Naneho hevitra momba ny raharaham-pirenena ny Antoko Maitso Hasin'i Madagasikara. Ho azy ireo, Governemanta pôlitika ahitana taratra ny maro an'isa eny amin'ny Antenimieram-pirenena, no tokony hajoro... ♦ Mila faritana mazava tsara ny lasim-panofanana ho an'ny fanofanana andraisan'ny maro anjara na ny “Formation de masse”, ho an'ny famokarana eny ambanivohitra. Tanterahana eto Antananarivo ny atrik'asa momba izany... ♦ Miantso ny tompon'andraikitra hijery ny vidin-tsolika any amin'ny Faritra Sava, ny mpiaro ny zon'ny mpanjfa. Tafakatra 10.000 Ariary ny iray litatra eny amin'ny varomaizina...

♦ Mety ho mbola tsy ho amin'ity herinandro ity indray ny hitsanganan'ny governemanta vaovao. Mangina tanteraka ny momba izany, 20 andro taorian'ny namerenana ny praiministra amin'ny toerany... ♦ Misy tsy nety nitsara ny taratasim-panadinana Bakalôrea ireo mpampianatra sasany. Tsy eken'izy ireo ny fanaovana taratasy fanekena, ka nisy ireo tsy niroso tamin'ny fitsaràna, omaly... ♦ Tantsambo malagasy 60 isa no mbola tavela any Kômôro hatramin'izao noho ilay fepetra fisorohana ny fidiran'ny aretina Kôlera tany Mahajanga. Mitaky ny hampodiana azy ireo ny fianakaviany... ♦ Raikitra ny hetsi-panoherana ny voka-pifidianana any Venezuella, taorian'ny filazàna ny nahalany ny filoha Nicolas Maduro...

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly ApôstôIy ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 9, 6-10)

Namafy tamin’ny fanomezam-be ny mahantra izy, ka haharitra mandrakizay ny fahamarinany.

Ry kristianina havana, izao àry no izy:
Izay mamafy kely dia hijinja kely, ary izay mamafy be dia hijinja be.
Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy,
tsy amin’alahelo na an-tery,
fa ny manome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra.
Hain’Andriamanitra fenoina ny fahasoavana rehetra ianareo,
ka sady hanana ny ampy aza hoentinareo mitombo amin’ny asa soa isan-karazany,
araka ny voasoratra hoe:

“Namafy tamin’ny fanomezam-be ny mahantra izy,
ka haharitra mandrakizay ny fahamarinany.”

Ilay manome ny mpamafy ny voa hafafy sy ny hanin-kohaniny,
no hanome anareo koa ny voa hafafy sy hampitombo azy,
ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 111, 1-2. 5-6. 7-8. 9

Sambatra ny olona mahay mamindra fo sy mampisambotra.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo
sy mankasitraka fatratra ny didiny.
Ny taranany hahery eto an-tany;
ny taranjan’ny olo-marina tahìna.

Ny tsara fanahy mahery mampisambotra;
ny lalana voalamina araka ny rariny;
tsia, tsy hirona izy mandrakizay!
Ny anaran’ny olo-marina ho mandrakizay.

Ny fandrenesana loza tsy mba atahorany;
ny fony mitombina matoky ny Tompo;
ny fony tsy matahotra fa mandry fehizay;
ny masony mibandrina ny rafilahiny.

Malala-tanana izy,
manome ny mahantra;
ny fahamarinany maharitra mandrakizay;
ny tandrony misandratra noho ny voninahitra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 24-26)

Izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko koa.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao tamin’ny mpianany hoe:

“Lazaiko marina dia marina aminareo
fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany,
dia mitoetra foana izy:
fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be.
Izay tia ny ainy no hahavery azy;
fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao
no hitahiry azy ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Raha misy manompo Ahy dia aoka izy hanaraka Ahy,
ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko koa.
Raha misy manompo Ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nanomboka omaly ny fitsaràna ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an'ireo mpiadina Bakalôrea, hivoaka afaka tapa-bolana ny vokam-panadinana hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Nakatona ny toerana fitrandrahana volamena antsokosoko any amin'ny reniranon'i Sahavatona any amin'ny Kaominina Vavantenina, olona iray no natolotra ny fitsaràna... ♦ Manahy ny amin'ny fisian'ny kolikoly avolenta manoloana ny raharaham-pitsarana amin' ireo voarohiroy ho namono an'i Rakotondrazafy Alain Maherinjaka na Allan ny reniny, niakatra fitsarana omaly teny Anosy ny raharaha... ♦ Mampiahiahy ny vondron'ireo firenena any Amerika Latina ny Vokam-pifidianana filoham-pirenena tany Venezuella...

♦ Miroso amin'ny fitsarana ny taratasim-panadinan'ny mpiadina bakalôrea ny eto Antananarivo. Afaka iray volana no mivaly ny fanadinana, raha tsy misy ny fiovana... ♦ Atsy Afrika ny Filoham-pirenena sy ny delegasiôna tarihiny, tao aorian'ny fitsifihany tany Frantsa. Ny fanatsarana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasan'i Madagasikara ara-toekarena amin'i Guinée Bissau sy Angola no tanjona... ♦ Nakatona ny fitrandrahana volamena an-tsokosoko tao amin'ny Fokontany Vohilengo, Kaominina Vavatenina, Faritra Analanjirofo. Tsy manana fahazoan-dalana ireo mpitrandraka...

♦ Hiara-manandratra vavaka manokana ny Diôsezy tsirairay eto Madagasikara, amin'ny vavaka fangatahana ny hananganana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Ny 1 aogositra no hankalazan'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany ilay “Pardon d'Assise”. Anisan'ny hiaina izany ny ao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Na dia kely fitia aza isika, atolory ny Tompo izany. Fanaingana nataon'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Pierre...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 18, 1-10. 13b. 30-32)

Hotsaraiko araka ny lalany avy ny tsirairay.

Tonga tamiko ny Tenin’ny Tompo, nanao hoe:

“Ahoana ange no anonontononanareo ity ohabolana ity, ny amin’ny tanin’i Israely, ataonareo hoe:
Ny ray no mihinam-boaloboka marikivy, ka ny zanany no madilo nify!
Velona Aho, — teny marin’ny Tompo Andriamanitra, —
tsy hisy hanaovanareo izany ohabolana izany intsony, eo amin’i Israely.
Ahy ny fanahy rehetra,
na ny fanahin’ny ray na ny fanahin’ny zanaka, samy Ahy avokoa,
ka ny fanahy izay manota, dia izy no ho faty.

Raha misy olona marina, ka manaraka ny rariny sy ny hitsiny,
tsy mihinana eny an-tendrombohitra,
tsy manandra-maso an’izay sampin-dozan’ny taranak’i Israely,
tsy manala baràka ny vadin’ny namany,
tsy mandeha amin’ny vehivavy izay mbola ao anatin’ny fahalotoany,
tsy mampahory olona, mamerina amin’ny mpitrosa ny nataony antoka,
tsy manao halatra, manome hanina ny noana, manafy lamba ny mitanjaka,
tsy manao zana-bola be loatra, tsy maka zana-bola,
mamily ny tanany tsy hanao ratsy, mitsara marina ny an-daniny avy,
ary manaraka ny didiko sy mitandrina ny lalako ka tsy mivadika amin’izany,
dia olo-marina io ka ho velona izy,
— teny marin’ny Tompo Andriamanitra.

Fa izany olona izany raha miteraka zaza masiaka, izay mandatsa-dra,
ka manao amin’ny rahalahiny ny iray amin’ireo zavatra ireo,
dia tsy maintsy ho faty tokoa, ary ny rany ho aminy ihany.

Koa hotsaraiko araka ny lalanareo avy ianareo, ry taranak’i Israely,
— teny marin’ny Tompo Andriamanitra.
Miverena ka mibebaha amin’ny fahotanareo rehetra
ka tsy handoza anareo ny tsy fahamarinana.
Ario lavitra anareo ny fahotana sy ny fahadisoana rehetra nataonareo;
manaova fo vaovao sy saina vaovao.
Fa nahoana no dia ho faty ianareo, ry taranak’i Israely?
Fa tsy sitrako ny fahafatesan’izay maty;
koa mibebaha ianareo ka aoka ho velona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 30, 12-23. 14-15. 18-19

Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra.

Fo madio vaovao no angatahiko
sy fanahy mahatoky tanteraka.
Aza alàna aminao aho, ry Tompoko,
ny Fanahy aza esorinao amiko.

Amereno hafaliana aho ho vonjiko,
dia tolory fanahy tena mendrika.
Ny mpanota hotoroako lalana,
aminao no tsy maintsy hiverenany.

Lavinao tsotra izao ny fanatitra,
toy izany ireo sorona dorana;
ny fanahy torotoro, ry Tompoko,
io no sorona tianao hatolotro.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 13-15)

Aza raràna tsy hanatona Ahy ny zaza, fa an’ny tahaka azy ireny ny fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany, nisy zazakely maromaro nentina teo amin’i Jesoa,
mba hametrahany tanana sy hivavahany ho azy;
fa noraran’ny mpianany mafy ireo.
Ka hoy i Jesoa taminy:

“Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy;
fa an’ny tahaka azy ny fanjakan’ny lanitra.”

Ary rahefa nametra-tanana tamin’izy ireo Izy,
dia nizo-dalana indray.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 16, 1-15. 60. 63)

Tonga lafatra ny hatsaranao noho ny famirapiratako nataratro taminao, nefa nivaro-tena ianao.

Tonga tamiko ny Tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Ry zanak’olona, ampahafantaro an’i Jerosalema ny fahavetavetany,
ka ataovy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra amin’i Jerosalema:
Ny tanin’ny Kananeanina no niavianao sy nahaterahanao;
Amôreanina ny rainao, ary Heteanina ny reninao.
Toy izao ny amin’ny nahaterahanao:
tamin’ny andro nahaterahanao ianao tsy voatapaka tadim-poitra,
tsy voampandro tamin’ny rano hadio, tsy voahosotra sira, tsy voahodidina lamban-jaza.
Tsy nisy nijery maso antra anao,
ka mba nanao iray akory tamin’ireo fikarakarana ireo, noho ny indrafo anao;
fa tamin’ny andro nahaterahanao,
dia nariana tany an-tsaha ianao, fa narikoriko anao ny olona.

Nandalo teo akaikinao Aho, dia nahita anao nitsipatsipaka tamin’ny ranao,
ka nanao aminao hoe:
‘Miveloma amin’ny ranao.’
Dia nampitomboiko toy ny ahitra any an-tsaha ianao, ka nitombo, nihalehibe,
tonga tsara tarehy tapitr’ohatra tokoa, naniry nono, ary tonga taona fanambadiana,
nefa nihanjahanja ianao, niboridana mihitsy.
Nandalo teo akaikinao Aho ka nahita anao;
dia efa tonga ny fotoanao, dia ny fotoam-pitiavana;
ka novelariko taminao ny ila lambako, nanaronako ny fitanjahanao
ary nianiana taminao Aho, ka nanao fihavanana taminao,
— teny marin’ny Tompo Andriamanitra —,
ka dia Ahy ianao.

Nampandroiko tamin’ny rano ianao,
dia nosasako ho afaka aminao ny ranao, nohosorako diloilo.
Notafiako amborodao ianao, nokiraroiko hoditr’ombirano,
nohodidiniko rongony fotsy madinika ny lohanao, ary notafiako amparasily.
Nohaingoiko tamin’ny firavaka ianao:
nasiako haba ny tananao, sy rado ny vozonao;
nasiako masombola ny oronao, ary kavina ny sofinao;
ary diadema kanto ny lohanao.
Niravaka volamena amam-bolafotsy ianao;
ary nitafy rongony fotsy madinika sy amparasily aman’amborodao.
Vary tsara indrindra sy tantely aman-diloilo no fihinanao;
ary tonga tsara tarehy indrindra ianao, sy nahazo ny fiamboniam-panjakana.
Nanehoeho laza hatrany amin’ny firenena ny anaranao
noho ny hatsaran-tarehinao fa lavorary loatra izy,
noho ny famirapiratako nataratro taminao,
— teny marin’ny Tompo Andriamanitra.

Kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao ianao,
ka nitolo-tena ho an’ny olon-kafa noho ny lazanao,
nanarana ny fitiavanao tamin’ny mpandalo rehetra, nanolo-tena taminy.

Izaho anefa mbola hahatsiaro ny fanekena nataoko taminao, tamin’ny andron’ny fahatanoranao,
ka hanorina fanekena mandrakizay aminao,
mba hahatsiaro sy ho menatra ary tsy hiloa-bava intsony,
noho ny henatra ianao, rahefa avy izay hanaovako fanorenana ho anao,
noho ny nataonao rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Iz. 12, 2-3. 4bde. 5-6

Nihodivitra ny hatezeranao ka nampionona ahy Ianao.

Ianao Andriamanitra Ray no vonjiko,
matoky aho, mijoro fa tsy matahotra!
Ny Tompo no hery sy reharehako.
Fa Izy no vonjy sy fialofako.
Avia àry hanovo amin-kafaliana.
Ny vonjin’ny Tompo eo an-doharanony.

Am’izany andro izany samia manezaka.
Derao Andriamanitra; antsoy ny Anarany.
Torio ny vahoaka ny zava-bitany.
Lazao fa tsy takatra hoe ny Anarany.

Ambony ny Tompo ka dia nasehony:
lazao an’izany ny vazan-taniny.
Ianao, ry Siôna hitotorebika,
fa Tompo lehibe Izy sady masina.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin’ny fahamarinana aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 3-12)

Ny hamafin’ny fonareo no nanomezan’i Môizy lalana anareo hisao-bady, fa hatramin’ny voalohany dia tsy mba toy izany.

Tamin’izany andro izany,
nisy Farisianina nanatona an’i Jesoa mba haka fanahy Azy, ka nanao hoe:

“Mahazo misao-bady va ny lehilahy na inona na inona antony?”

Dia hoy Izy namaly azy ireo:

“Tsy novakianareo va fa izay nahary ny olona tamin’ny voalohany,
dia nanao azy ho lahy sy vavy ary nilaza hoe:
‘Noho izany, dia hilaozan-dralehilahy ny rainy aman-dreniny
ka hikambana amin’ny vadiny izy, ary ho nofo iray ihany izy roroa?’
Noho izany tsy roa intsony izy, fa nofo iray.
Ka aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’ny olona.”

Fa hoy ireo taminy:

“Ka nahoana àry i Môizy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy?”

Dia hoy Izy taminy:

“Ny hamafin’ny fonareo no nanomezan’i Môizy lalana anareo hisao-bady;
fa hatramin’ny voalohany dia tsy mba toy izany.
Koa dia lazaiko aminareo,
fa izay rehetra mandroaka ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany,
ka manambady hafa, dia mpijangajanga
ary izay mampakatra ny vehivavy voaroaka, dia mpijangajanga koa.”

Hoy ny mpianany taminy:

“Raha izany no toetry ny lehilahy amin’ny vadiny, dia aleo tsy manambady.”

Ary hoy Izy taminy:

“Tsy ny olona rehetra no mahazo izany teny izany,
fa izay nomena fahasoavana ihany.
Fa misy eonoka hatrany an-kibon-dreniny;
misy eonoka nataon’ny olona,
ary misy eonoka izay nanao ny tenany eonoka noho ny fanjakan’ny lanitra.
Aoka handray izay mahay mandray.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...