Vakiteny voalohany

Boky Fanambaràna nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 11, 19a ; 12, 1-6ab. 10ab)

Nisy vehivavy nitafy masoandro ary ny volana no teo an-tongony.

Novohaina ny Tempolin’Andriamanitra any an-danitra
ka niseho teo anatin’ny Tempoliny ny fiaran’ny fanekena.
Nony inona,
nisy famantarana lehibe niseho teny an-danitra,
dia Vehivavy anankiray nitafy masoandro,
ny volana no teo an-tongony,
kintana roa ambin’ny folo no satro-boninahitra teny an-dohany.
Bevohoka izy sady nihetsi-jaza,
ka nitaraina noho ny fanaintainam-piterahana.
Ary nisy famantarana hafa koa niseho teny an-danitra,
dia Dràgona mena lehibe anankiray nitranga tampoka,
fito ny lohany, folo ny tandrony,
ary satro-boninahitra fito no teny an-dohany.
Nofinaokany tamin’ny rambony ny ampahatelon’ny kintan’ny lanitra
ka nazerany tamin’ny tany.
Dia nijoro teo anoloan-dravehivavy hiteraka izy,
mba handrapaka ny Zanany, raha vao teraka.
Tera-dahy Ravehivavy,
ary io Zanany io no hifehy ny firenena rehetra amin’ny tsora-by,
ka nakarina ho any amin’Andriamanitra
eo anilan’ny seza fiandrianany.
Fa Ravehivavy kosa nandositra nankany an’efitra,
fa any no nanamboaran’Andriamanitra toerana ho azy.
Dia nandre feo mahery tany an-danitra aho, nanao hoe:

“Ankehitriny dia an’Andriamanitra
ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakana;
an’i Kristy koa ny fahefana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 44, 10bd-11. 12ab. 16

Andriambavy mihaingo amin’ny volamena no indro mijoro ankavananao.

Misy zanaka mpanjaka:
andriambavy iray no eo ankavananao
mirenty volamena avy any Ofîra.

Mihainoa, razazavavy, mampandria sofina:
ny taninao sy ny fianakavianao hadinoy.
Ny Mpanjaka mankatelina ny bikanao.

Iondreho izy fa tomponao,
mandrosoa an-kafaliana sy haravoana,
ary dia midira ao an-dapanao.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 15, 20-26b)

I Kristy no santatra, vao izay ny an’i Kristy.

Ry kristianina havana,
efa nitsangan-ko velona tokoa i Kristy,
ary Izy no santatr’izay efa nody mandry;
satria olona iray no niavian’ny fahafatesana
ka dia olona iray koa no iavian’ny fitsanganan-ko velona;
ary toy ny ahafatesan’ny olon-drehetra ao amin’i Adama
no hahaveloman’ny olon-drehetra ao amin’i Kristy,
fa manaraka ny laharany avy:
i Kristy no santatra,
vao izay ny an’i Kristy amin’ny andro hiaviany.
Rehefa afaka izany, tonga ny farany,
dia rahatrizay hatolony ho an’Andriamanitra Ray ny fanjakana,
rehefa levony avokoa ny fifehezana sy ny fahefana ary ny hery rehetra.
Satria tsy maintsy manjaka Izy
ambara-panaony ny fahavalony rehetra eo ambanin’ny tongony.
Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nampiakarina any an-danitra i Maria,
ka mifaly ny tafiky ny Anjely.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 39-56)

Nanao zava-dehibe tamiko ilay Mahefa; nasandrany ireo manetry tena.

Tamin’izany andro izany,
dia niainga i Maria nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra,
ho any an-tanàna anankiray any Jodà,
ary niditra tao an-tranon’i Zakaria,
ka niarahaba an’i Elizabeta.
Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy,
dia nientana ny zaza tao an-kibony,
ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta,
ka nanandra-peo niantso mafy hoe:

“Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao,
ary nosoavina ny hateraky ny kibonao.
Ary avy aiza amiko izao
no mba vangian’ny Renin’ny Tompoko aho?
Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy,
dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko.
Ary sambatra ilay nino
fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminy.”

Ary hoy i Maria:

“Mankalaza ny Tompo ny fanahiko,
ary faly sy ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko,
fa notsinjoviny ny fiambanian’ny ankizy vaviny.
Fa indro hatramin’izao
dia hataon’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho,
satria efa nanao zavatra lehibe tamiko ilay Mahefa.
Ary masina ny Anarany,
sady amin’izay matahotra Azy,
hatramin’ny taranaka fara mandimby, ny famindram-pony.
Nahefa asa mahery tamin’ny sandriny Izy:
dia nampihahafiny izay niavonavona tamin’ny fisainan’ny fony;
naongany hiala tamin’ny fiketrahany ny mpifehy,
fa ny ambany kosa nasandrany;
ary ny noana novokisany soa,
fa ny mpanan-karena kosa, dia nampodìny mitondra tanam-polo.
Niahy an’i Israely mpanompony Izy,
fa tsy hadinony ny famindram-pony tamin’i Abrahama
sy ny taranany mandrakizay,
araka ny efa voalazany tamin’ny razantsika.”

Nitoetra tokony ho telo volana tao amin’i Elizabeta i Maria
vao nody tany an-tranony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Miahiahy ny vovonana Gasy Leo fa mety tsy ho tanteraka amin'ity taona ity indray ny fifidianana ben'ny tanàna, noho ilay fanemorana izany amin'ny 11 desambra indray... ♦ Tsipahan'ny Fisemare ny hampiharana ilay lalàna vaovao mifehy ny asa, vao nolanian'ireo Parlemanta farany teo. Natao izay hamparefo ny mpiasa malagasy amin'io lalàna io, hoy ny avy amin'ity sendikà ity... ♦ Mirongatra izaitsizy ny famonoan'olona varira any amin'ny Faritra atsimo atsinanana, amin'izao fotoana izao. Vao nisy tranga hita indray tany amin'ny Distrikan'i Midongy Atsimo... ♦ Mbola lany fanintelony ho filoham-pirenena any Venezuela Andriamatoa Maduro...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 9, 1-7 ; 10, 18-22)

Asio marika ny handrin’ny olona misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao ao Jerosalema.

Niantso mafy teo an-tsofiko ny Tompo nanao hoe:

“Manatòna ianareo, mpiambina ny tanàna;
samia mitondra ny enti-mandrava eny an-tanany avy.”

Ka indreo, avy tamin’ny lalan’ny vavahady ambony mitodika mianavaratra,
nisy lehilahy enina, samy nitondra teo an-tanany ny zavatra enti-mamely;
ary nisy lehilahy anankiray teo afovoan’izy ireo, nitafy rongony fotsy madinika,
sy nitondra fombam-panoratan’ny mpanoratra, teo amin’ny fehin-kibony.
Niditra izy ireo, dia nitsangana teo anilan’ny ôtely varahina.
Ary ny voninahitry ny Andriamanitr’i Israely,
niakatra avy teo ambonin’ny Kerobima izay nitoerany, nankeo an-tokonam-baravaran’ny trano.
Ary ny Tompo niantso an’ilay lehilahy mitafy rongony fotsy madinika
sy nitondra fombam-panoratana teo amin’ny fehin-kibony,
ka hoy ny Tompo taminy hoe:

“Mandehàna mamaky ny tanàna, mamaky an’i Jerosalema,
ka asio marika ‘Thau’ ny handrin’ny olona misento sy mitaraina,
noho ny fahavetavetana rehetra atao ao.”

Dia hoy koa Izy tamin’iretsy sasany, teo an-tsofiko:

“Mandehana manaraka azy, mamaky ny tanàna, ianareo,
ka mameleza, aza miantra ny masonareo, aza mamindra fo ianareo.
Na anti-dahy, na zazalahy na zazavavy, na zaza, na vehivavy:
vonoy mandra-paharingany avokoa;
fa izay misy ny ‘Thau’ ao aminy kosa aza hatoninareo.
Ary eo amin’ny fitoerako masina manomboka.”

Dia nanomboka tamin’ny anti-dahy teo anoloan’ny trano izy ireo.
Ary hoy Izy taminy:

“Lotoy ny trano, fenoy faty ny kianja.
Mivoaha ianareo!”

Dia nivoaka namely tao an-tanàna izy ireo.
Niala teo ambonin’ny tokonam-baravaran’ny trano ny voninahitry ny Tompo,
dia nijanona teo ambonin’ny Kerobima.
Nanainga elatra ny Kerobima sy nisondrotra avy amin’ny tany teo imasoko,
ary nony niainga izy, niaraka taminy ny kodiarana.
Nijanona teo anoloan’ny vavahady atsinanana amin’ny tranon’ny Tompo izy ireo;
ary ny voninahitry ny Andriamanitr’i Israely dia teo aminy teo amboniny.

Izany no ilay zava-manana aina hitako teo ambanin’Andriamanitr’i Israely,
teo amin’ny ony Kobara;
ary nahalala aho fa Kerobima izany.
Samy nanan-tarehy efatra, ary samy nanana elatra efatra avy izy;
ary nisy endri-tanan’olona, teo ambany elany.
Ary ny amin’ny fijery ny tavany,
dia ireo tava hitako teo amoron’ny ony Kobara ihany;
sahala ny fijery azy; tena ilay tany ihany izany.
Samy nandeha tamin’izay hitsiny avy izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 112, 1-2. 3-4. 5-6

Ambonin’ny lanitra ny voninahitry ny Tompo.

Derao, ry mpanompon’ny Tompo!
Derao ny Anaran’ny Tompo!
Tsarovy ny Anaran’ny Tompo,
na izao na ho mandrakizay!

Tongava marain-tsy hariva
hidera ny Anaran’ny Tompo;
ambonin’ireo firenena
ny lazany avo dia avo!

Moa misy mitovy amin’ny Tompo?
Ny Tompo mitoetra any ambony.
Ka miondrika Izy mijery
na Lanitra izany na tany!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 15-20)

Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha diso taminao ny rahalahinao, dia manatona azy;
ka rahefa mitokana ianareo, dia asehoy azy ny hadisoany.
Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao;
fa raha tsy mihaino anao izy, makà olona iray na roa hiaraka aminao
mba ho tapaka noho ny teny hataon’ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra.
Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin’ny Eglizy;
ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa, dia ataovinao tahaka ny jentily sy ny poblikanina.
Lazaiko marina aminareo fa na inona na inona hofehezinareo ety ambonin’ny tany
dia ho voafehy any an-danitra;
ary na inona na inona hovahanareo ety ambonin’ny tany,
dia ho voavaha any an-danitra
Ary izao koa no lazaiko aminareo:
raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin’ny tany,
na inona na inona angatahiny dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany.
Fa na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny Anarako,
dia eo afovoany Aho.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nihemotra indray ny daty hanatanterahana ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina eto Madagasikara. Tsy raikitra amin'ny 6 novambra izao indray izany fifidianana izany, raha ny vaovao nivoaka nanomboka ny faran'ny herinandro teo... ♦ Hihetsika ny vondron' y sendikàn'ny mpiasa rehetra. Mety hiafara amin'ny fidinana an-dalambe ny fanapahan-kevitr'izy ireo, aorian'ny fanambaràna atao amin'ity herinandro ity... ♦ Hanomboka anio maraina ny fanadinana Bakalôrea teknika manerana ny nosy. Mpiadina miisa 11.662 no hiatriaka izany, rehefa nahavita ny Bakalôrea ho an'ny fampianarana ankapobeny ny herinandro teo... ♦ Mitarika ry zareo japoney amin'ny fandroambahana medaly amin'ny J.O any Paris...

Alahady faha-17 mandavantaona — B : Velomin'Andriamanitra amin'ny mofo avy any aminy isika  ; Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra!. Ny fahagagana nataon'i Jesoa tamin'ny fampitomboana ireo mofo ôrja dimy sy hazandrano roa dia antony roa no nanaovany azy : voalohany, noho ny fahangorahany ny vahoaka nanatona Azy tamim-pitokiana, tsapany ny hanohanana ara-panahy sy ara-batan'ireo vahoaka ; faharoa fampisehoana miarairy ny amin'ny antony nahatongavany teto an-tany. Izay atolotr'Andriamanitra dia ho ampy ny olona, tsy izay mandray no mahazo be fa izay manome...

♦ Very any an-dranomasina avokoa ny 95% amin'ny rano azo trandrahana eto Madagasikara hoy ny Ministry ny rano, ny fidiovana sy ny fahadiovana... ♦ Olana amin'ny fivadiana amin'ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra no mahatara ny famoahana ny vatsim-pianarana ho an'ny mpianatra eny amin'ny Université an'Antananarivo hoy ny sekretera jeneralin'ny ministeran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa... ♦ Nahitàna fidinany ho 10,23% ny tahan'ny fifohana sigara eo amin'ny tanora 13 hatramin'ny 15 taona eny anivon'ny sekoly hoy ny OFNALAT... ♦ Voasambotry ny mpitandro filaminana i Ronnie Dean Stout II, izay voalaza fa tompon'antoka tamin'ny doro tanety sy ala nitranga tao Californie...

♦ Nihaona tamin'ny filoha Frantsay tao amin'ny lapan'i Elysée any Paris, omaly, ny filoha Rajoelina Andry, voaresaky ny roa tonta tamin'izany ny fifandraisana ara-diplômasia sy ara-toekarena... ♦ Nigadona any Antsiranana ilay sambo hopitaly "Arche de la paix" hanome fitsaboana maimaimpoana ny mponina any an-toerana mandritra ny herinandro... ♦ Miankina amin'ny fahatongavan'ny taratasim-panadinana aty amin'ny foibe ny fanombohan'ny fitsarana ny antotantaratasim-panadinana bakalôrea hoy ny Sekretera Jeneralin'ny ministeran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa... ♦ Nahitàna taovan'olombelona sy biby tao amin'ny toerana faka aina tao Rosehill ao Sutton, any Atsimon'i Londres...

♦ Niantso ny rehetra mba hampitsahatra ny lainga sy ny kabary tsara lahatra ny Kardinaly Désiré Tsarahazana, Arsevekan'i Toamasina, nandirtra ny Sorona Masina famaranana ny fankalazana ny taon-jobily volamenan'ny Fihavaozana Karismatika... ♦ Niompana tamin'ny fiaraha-miasan'i Lafrantsa sy i Madagasikara amin'ny famokarana herinaratra azo avy amin'ny rian-drano, mba hamenoana ny angovo tsy ampy eto amintsika, ny fihaonana teo amin'ny Filoha frantsay, Emmanuel Macron sy ny Filoha malagasy, Andry Rajoelina androany...

♦ Notanterahana tao amin'ny renivohitry ny Diôsezin'i Mahajanga, ny fiofanana ho an'ny katesista avy ao amin'ny Distrika Misiônera Maevatanana, tamin'ity herinandro ity... ♦ Nanentana ny rehetra hiaina ny fitiavana, ny Arsevekan'i Toamasina, tamin'ny fanokafana ny lanonana famaranana ny taom-bolamenan'ny Fihavaozana Karismatika Katôlika Fiombonana, eto Madagasikara... ♦ Tontosa tamin'ny 13 jolay 2024, ny Antenimiera nataon'ny tanora tao amin'ny Diôsezin'i Farafangana, ho fanomanana ny JMJ Diôsezy...

♦ Nodimandry omaly i Jean André Soja, fantatra tamin'ny anarana hoe Kaleta. Nahafantaran'ny maro azy ny tontolo pôlitika, ankoatra ny naha mpandraharaha azy... ♦ Mbola mitohy anio ny fanadinam-panjakana bakalôrea, ho an'ireo hiatrika ny taranja “Sciences économiques et sociales” ary ny adina an-tsoratra EPS. Hanohy ny taranja teknika kosa ireo mpiadina bakalôrea teknika, amin'io herinandro ho avy io... ♦ Manjaka indray ny fahatapahan-jiro mifandimby amin'ny Tambajotra Iraisan'Antananarivo. Mikorontana noho izany koa ny famatsian-drano amin'ny toerana sasany...

♦ Mbola maro ireo laza adina niparitaka tamin'ny tambajotran-tserasera nandritra ity Bakalôrea 2024 ity. Nifarana androany izany fanadinam-panjakana izany ho an'ny fampianarana ankapobeny... ♦ Handiso ny tena fifandanjan-kery pôlitika marina, ny fifidianana Ben'ny Tanàna ho avy eo, indrindra izay hahazo ny fitantanana ny tanànan'Antananarivo, hoy ny antoko Teza... ♦ Nitotongana indray ny sandam-bola malagasy Ariary. Efa tafakatra 4.970 Ariary ny Euro iray amin'izao. Hitondra fanazavana ny mpahay teo-karena iray eo anivon'ny CREM...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 2, 8 — 3, 4)

Hano io taratasy io. Dia nohaniko izany, ka mamy ohatra ny tantely izy tao am-bavako.

Hoy ny Tompo tamiko:

“Ary ianao, ry zanak’olona, henoy izao lazaiko aminao izao:
Aza miodina tahaka izany taranaka miodina izany.
Sokafy ny vavanao, ka hano izay omeko anao.”

Dia nojereko, ka indro nisy tanana natsotra nankaty amiko,
ary indro fa nitana horonan-taratasy.
Novelariny teo anoloako io,
ka voasoratra ny tao anatiny sy ny teo ivelany;
ary hira fisaorana amam-pitomaniana sy fitarainana no voasoratra teo.
Hoy Izy tamiko:

“Ry zanak’olona, hano io hitanao eo anoloanao io;
hano io taratasy io, dia mandehana miteny amin’ny taranak’i Israely.”

Nosokafako ny vavako, dia nafahany ahy io taratasy io;
ka hoy Izy tamiko:

“Ry zanak’olona, vokiso ny kibonao,
ary fenoy ity taratasy atolotro anao ity ny tsinainao.”

Dia nohaniko izany, ka mamy hoatra ny tantely izy tao am-bavako.
Ary hoy Izy tamiko:

“Ry zanak’olona, mandehana mankany amin’ny taranak’i Israely,
ary lazao aminy ny teniko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 14 sy 24. 72 sy 103. 111 sy 131

Endrey, mamin’ny lanilaniko ny didinao.

Ny lalan’ny fanambarànao no ifaliako,
mihoatra noho ny harena rehetra.
Ny fanambarànao no firavoako;
ny fitsipikao no filàko saina.

Soa ho ahy ny lalàna avy amin’ny vavanao,
mihoatra ny volamena sy volafotsy arivoarivo!
Endrey! mamin’ny lanilaniko ny didinao,
ary tsara amin’ny vavako manoatra ny tantely.

Ny fanambarànao no lovako, ry Ilay mandrakizay:
izy no fifalifalian’ny foko!
Misokatra ny vavako: miemponempona aho;
ny baikonao no mahaliana ahy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy. Isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 1-5. 10. 12-14)

Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza.

Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe:

“Iza moa no ambony indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra?”

Dia niantso zazalahy kely anankiray i Jesoa
ka napetrany teo afovoany ary hoy Izy:

“Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo
ka tsy tonga tahaka ny zazakely,
dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory.
Koa amin’izany, na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely ity,
dia izy no lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Ary izay handray zazakely anankiray tahaka ity amin’ny Anarako,
dia mandray Ahy koa.
Tandremo sao ataonareo tsinontsinona
na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza;
fa lazaiko aminareo fa ny Anjelin’izy ireny any an-danitra
dia mahita lalandava ny tarehin’ny Raiko izay any an-danitra.
Ahoana ny hevitrareo?
Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray,
moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo,
ka handeha hitady ilay nania izy?
Ary raha sendra hitany izy, dia lazaiko marina aminareo
fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy noho ny sivy amby sivifolo tsy nania.
Toy izany koa, tsy tian’ny Rainareo izay any an-danitra hisy very
na dia anankiray amin’ireo madinika ireo aza.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...