♦ Notokanan'ny Filohan'ny Repoblika androany, ny fonja vaovaon'i Fenoarivo Atsinanana, izay mahazaka voafonja miisa 900... ♦ Namoaka ny mpiofana andiany faha-10 misalotra ny anarana "Mamiratra" androany, ny ivonteorana fanofanana vehivavy "Mivaotra sy Mahaleo tena" ao amin'ny Filles de Marie Auxiliatrice, Ampasanimalo... ♦ Mbola tsy hahavita ny andraikiny toy ny hatramin'izay ny Solombavam-bahoaka, raha mbola tsy ho maro an'isa ny mpanohitra eny Tsimbazaza, hoy ny antoko TEZA...
♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...
♦ Nahitsy ny Filohan'ny CAF teo aloha sady Filohan'ny FMF teo aloha, Ahmad, nilaza fa kisendrasendra raha handeha ny baolina kitra malagasy, amin'izao endriny misy ankehitriny izao... ♦ Mangataka ny fampitsaharana ny asa fanamboaran-dàlana miainga eny Andranotapahana mankety Ivato, ireo manana tany voakasik'izany. Mbola minia manohy ny asa hatrany ny orinasa ankehitriny na dia efa eny amin'ny Filankevi-panjakana aza ny raharaha... ♦ Nitondra fandaminana vaovao amin'ny tsena ao Analakely indray ny mpitantana ny Kaominina ankehitriny. Hafindra toerana ary hoferana ny fotoana hivarotan'ireo mpivarotra amoron-dàlana...
♦ Nandao tanteraka ny Lapan'ny Antenimieram-pirenena, Ramatoa Razanamahasoa Christine, ao anatin'izao famaramparanana ny fe-potoam-piasan'ny Solombavam-bahoaka izao... ♦ Mbola mihisatra ny ady amin'ny kolikoly eto Madagasikara, hoy ny Filohan'ny Kômity Mitandro ny Fahitsiana, na ny CSI... ♦ Mbola misy fanantenana kely ny hahafahan'ny Barea milalao amin'ny kianja eny Mahamasina amin'ny volana jona, hoy ny mpamakafaka baolina kitra, Fenosoa Razafimamonjy...
♦ Namindra fahefana tamin'ny Filoha mpisolo toeran'ny Antenimeram-pirenena androany, Ramatoa Christine Razanamahasoa. Tandrovy mafy ny fahamarinana na hihatra aman'aina aza, hoy izy... ♦ Tsy manaiky ny hanaovana ho fitaovana pôlitika ny tontolon'ny fampianarana, ny Sendikàn'ny mpiasa eo anivon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Nanao fanambarana teny Ambohijatovo izy ireo androany... ♦ Hahazo mpitantana vaovao ny orinasa JIRAMA amin'ny volana mey izao. Manam-pahaizana avy atsy Rwanda no nambaran'ny Filoham-pirenena fa hitantana ny Jiro sy Rano Malagasy...
♦ Lesoka mila herenina ho an'ny mpiasam-panjakàna ny tsy fanajàna ny toerana hanatanterahana ny asa hoy ny sendikàn'ny mpiasa mpandraharaha sy teknisiana eny amin'ny Oniversite an'Antananarivo na ny SPATUT... ♦ Miantso ny kandidà amin'ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey izao hanaja ny lalàna mifehy ny fampielezan-kevitra ny CENI... ♦ Mangataka ny hanokafana orinasa manodina menaka amin'ny alalan'ilay tetik'asa Taninketsa Indostrialy ny mponina sy ny mpandraharaha ao Belo ambonin'i Tsiribihina, distrika mamokatra voanjo 500 taonina isan-taona... ♦ Hanefa ny adidiny hifidy izay ho solombavambahoaka ny vahoaka indiana manomboka rahampitso...
Ny fanantenana dia ilaina eo amin'ny fiainana mba hisian'ny fivoarana. Ny fanantenana dia mametraka tanjona mandrakariva, koa manàna àry fanantenana eo amin'ny fiainana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Notanterahana omaly tany amin'ny OVEC manerana ny nosy ny antsapaka ho an'ny laharan'ny kandidà ao amin'ny bilta tokana amin'ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny volana mey ho avy izao... ♦ Notanterahana tany Toamasina ny filan-kevitry ny ministra, ivelan'Antananarivo. Any Antsiranana indray no hanaovana ny filan-kevitry ny ministra mitety faritra manaraka... ♦ Nanomboka nanohy ny asa fanamboarana ny lalana miainga eny Andranotapahana mihazo an'Ivato indray ny orinasa nahazo fifanarahana amin'ny Fanjakàna hanao izany asa izany... ♦ Namoaka sazy vaovao ho an'i Iran noho ny fanafihana nataony tany Israël ny eo anivon'ny vondrona eraopeana...
♦ Tontosa androany tany amin'ireo OVEC manerana ny Distrika eto Madagasikara, ny fanaovana ny ankitsapaka handaharana ny laharan'ny kandidà ao amin'ny biletà tokana, amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, ny 29 mey 2024... ♦ Nahazo fahafahana ireo olona enina tamin'ireo olona sivy nosamborina noho ny fanoherana ny fizarana tsy ara-drariny ny tany ao amin'ny lemaka Bas-Mangoky... ♦ Efa manomboka mahazo vahana eto amintsika ny fitsaboana ampitain-davitra, na ny “télé-médecine”...
♦ Maro tamin'ireo ratsa-mangaikan'ny CENI teny anivon'ny distrika manerana ny nosy no efa nahavita ny hatsapaka izay mamaritra ny filaharan'ny kandidà anatin'ny bileta tokana, ny tapany maraina teo... ♦ Ministeran'ny fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa : Tanora miisa 150 ao amin'ny Faritra Vakinankaratra no hisitraka fanofanana faobe amin'ny famokarana akora mifototra amin'ny simenitra... ♦ Ministeran'ny foloalindahy : Handray zazavao miisa 2.000 isa, misokatra ny fandraisana ny antotantaratasy ho an'ireo izay liana, izay hifarana ny talata 30 aprily izao... ♦ Niantso ny kristiana sy ny olona tsara sitra-po any Burundi ny fivondronamben'ny Eveka any an-toerana mba hamelona ny ezaka hametraka fandriam-pahalemana...
♦ Tanterahina anio amin'ireo ratsamangaikan'ny CENI eny anivon'ny distrika ny hatsapaky ny laharana anaty bileta tokana ho an'ireo kandidà solombavambahoaka taorian'ny fivoahan'ny lisitra ôfisialy omaly alina... ♦ Ampolony ireo manamboninahitra ary an-jatony ireo manamboninahitra lefitra tsy nahomby ka nandraisana fepetra tao anatin'ny ezaka 100 andro ho an'ny ministera delegue misahana ny zandarimariam-pirenena... ♦ Tanterahina eto Madagasikara ny atrik'asam-paritra momba ny fepetra ara-pahasalamana sy ny fomba ikarakarana ny zava-maniry iantohana ny fahasalaman'ny mpanjifa ho an'ireo firenena ao amin'ny vondron'ny ranomasimbe indiana na ny COI...
♦ Tanterahana eto Madagasikara mandritra ny telo andro ny atrikasam-paritra momba ny fepetra ara-pahasalamana sy ny fomba ikarakarana ny zava-maniry iantohana ny fahasalaman'ny mpanjifa ho an'ireo firenena ao amin'ny Vondron'ny Ranomasimbe Indiana na ny COI... ♦ Hisitraka tombontsoa maro manoloana ny fahavitan'ny tohadrano ny mponina ao Ambohimasina Distrikan'Arivonimamo, Faritra Itasy... ♦ Tsy mankasitraka ny fanapahan-kevitry ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony, momba ny toerana hiatrehan'ireo kandidà tsy miankina, amin'ny fanadinana Bakalôrea amin'ity taona ity, ny Vovonan'ny Sekoly tsy miankina...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco