♦ Hitohy anio ny "Chapitre Provincial" faha-11 an'ny Fikambanana Saleziana eto Madagasikara sy ny atsy Nosy Maurice. Nanokatra izany tety Ivato omaly ny Nonce Apostolique, Mgr Tomasz Grysa... ♦ Nahafeno ny fepetra maha fahavoazam-pirenena azy ny takaitra navelan'ny rivo-doza GAMANE. Mahatratra 89.000 isa mahery ny traboina. Foto-drafitr'asa, an'ny Fanjakàna, maro no simba... ♦ Misolo toerana vonjy maika mitantana ny antenimieram-pirenena ny filoha lefitra zokiny indrindra. Tsy azo atao eny Tsimbazaza intsony ny hetsika pôlitika mety hanohitohina ny filaminana hoy ny filoha lefitra eto amin'ny faritanin'Antananarivo Naivo Raholidina...
♦ Nosokafana tamin'ny Sorona Masina notarihan'ny Nonce Apostolique, Mgr Tomasz Grysa, ny “Chapitre Provincial” faha-11 an'ny Fikambanana Salezianina eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy... ♦ Tsy hisy intsony ny fifidianana Filoha'ny Antenimieram-pirenena vaovao, fa izay Filoha Lefitra ankehitriny, zokiny indrindra, no misolo toerana vonjy maika, mitantana ity andrim-panjakana ity... ♦ Tsy ny fanolanana no mihamitombo eto Madagasika, fa lasa mihamaro ireo sahy mitory sy mampahafantatra ireny tranga fanolanana ireny...
♦ Andrikitry ny fikambanana Salezianina ny fitaizana sy fanabeazana ary ny fitoriana ny Evanjely ho an'ny tanora, isan'ny nivoitra nandritra ny fanokafana ny “Chapitre Provincial”, nataon'ny Nonce tety Ivato ireo androany... ♦ Velona avokoa saingy nafindra toerana, 48 ora mialoha ny fandalovan'ilay rivodoza Gamane, ireo mponina tao amin'ny tanànan'i Beriziky, any Ambiloha, hoy ny Tale Jeneralin'ny BNGRC... ♦ Ny 65% an'ny fandaharam-pianarana no efa vita amin'izao roavolana fahatelon'ny taom-pianarana izao, ho an'ny CISCO Antananarivo Atsimondrano...
♦ Tanterahana ety amin'ny “Maison Provinciale” ety Ivato, manomboka anio hatramin'ny sabotsy 6 aprily 2024, ny “Chapitre Provincial” an'ny Fikambanana Salezianina... ♦ Distrikan'Anjozorobe: mamokatra soja 80.000 taonina isan-taona. Nametrahana milina mpanodina ny soja sy ny voanjo ho lasa menaka, any an-toerana... ♦ Fiaraha-miasa eo amin'i Madagasikara sy ny firenena Sinoa: handefa mpanao gazety Malagasy hanaraka fiofanana any amin'ity firenena ity isika, hoy ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Serasera...
♦ Nitombo avo roa heny ny isan'ireo niditra teny amin'ny Hôpitaly Ravoahangy Andrianavalona, nandritra ny andron'ny Paka sy ny omaly alatsinainin'ny Paka. Nitombo toa izany koa ireo naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana, hoy ny Seraseran'ny HJRA... ♦ Mbola miaina fanilikilihana eo anivon'ny fiaraha-monina sy an-tsekoly ireo manana toe-batana “autiste”. Nomarihana androany ny andro eran-tany ho an'ny zon'izy ireo... ♦ “Zandarimaria MAFI”, izay no lohahevitra voizina mandritra ny ny fanamarihana ny Andron'ny Zandarimaria, nanomboka androany...
♦ Hotanterahana rahampitso ny fifidianana ny solontenan'ny fiarahamonim-pirenena ho eo anivon'ny Filankevitra Ambony Miaro ny Demôkrasia sy ny Tany tan-dalàna, na ny HCDDED... ♦ Mbola mitohy hatrany ny ady tany ao Antananarivo Avaradrano ankehitriny. Tompon-tany iray indray no mitaraina amin'ny hosoka tamin'ny famarotana ny taniny... ♦ Hiroso miandalana amin'ny fampiasana tambajotra haitao ara-kajy mirindra, mba hampitana ny fampianarana ny CNTEMAD...
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa. 4, 32-35)
Niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra;
tsy nisy nilaza ny fananany hoe azy, fa niombonany daholo ny zavatra rehetra.
Tamin-kery lehibe no nanamarinan’ny Apôstôly ny nitsanganan’i Jesoa Tompo ho velona,
ary fahasoavana be no teo amin’izy rehetra.
Tsy nisy mahantra teo amin’izy ireo,
satria izay rehetra nanan-tany na trano,
dia nivarotra azy ary nitondra ny vidin’izay lafo,
ary nametraka azy teo an-tongotry ny Apôstôly,
ka nozarazaraina tamin’izy rehetra araka izay nilainy avy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 117, 2 sy 4. 16 sy 18. 22 sy 24
Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Valion’ny fokon’i Aarôna:
Valion’ny matahotra ny Tompo:
Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Aleo mialoka amin’ny Tompo
toy izay amin’ny olombelona;
aleo matoky ny Tompo
toy izay amin’ireo mpifehy.
Nanandratra ahy ny tanan’ny Tompo;
ny tanan’ny Tompo naneho hery!
Nokapohiny tokoa moa aho;
nefa tsy foiny ho faty.
Ny vato narian’ny mpanao trano
no indro tonga fehizoro;
ny Tompo no nanao izany:
zava-mahagaga imasonay!
Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 5, 1-6)
Ry malala,
izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy,
dia nateraka avy amin’Andriamanitra;
ary izay rehetra tia Ilay niteraka Azy,
dia tia Azy naterany koa.
Ny marika ahafantarantsika fa tia ireo zanak’Andriamanitra isika,
dia ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny fitandremana ny didiny.
Fa ny fitandremana ny didiny no fitiavana an’Andriamanitra
ary tsy mavesatra ny didiny,
satria izay nateraka avy amin’Andriamanitra dia mandresy an’izao tontolo izao;
ary ny fandresena izay naharesy an’izao tontolo izao
dia ny finoantsika.
Iza àry no maharesy an’izao tontolo izao,
afa-tsy izay mino fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra?
Dia Izy no ilay avy tamin’ny rano sy ny ra;
tsy tamin’ny rano ihany, fa tamin’ny rano sy ra;
ary ny Fanahy no manambara,
satria ny Fanahy no fahamarinana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy, fa sambatra izay tsy nahita ka nino.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 19-31)
Nony hariva ny andro voalohany amin’ny herinandro,
raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra
noho ny fahatahorany ny Jody,
dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany,
sy nilaza tamin’izy ireo hoe:
“Ho aminareo anie ny fiadanana!”
Nony efa nilaza izany Izy,
dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny tratrany,
ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo.
Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo:
“Ho aminareo anie ny fiadanana!
Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa”.
Rehefa nilaza izany Izy,
dia nitsoka ka nanao tamin’izy ireo hoe:
“Raiso ny Fanahy Masina:
ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela,
ary izay hotananareo dia ho voatana”.
Fa i Tômà ilay atao hoe Didimo,
anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy kosa,
tsy mba tao amin’izy ireo tamin’ny nahatongavan’i Jesoa.
Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy:
“Efa nahita ny Tompo izahay”.
Fa hoy izy tamin’izy ireo:
“Raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika
ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako,
ary atehiko amin’ny tratrany ny tanako,
dia tsy hino aho”.
Nony afaka havaloana,
raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany,
sady tao koa i Tômà,
dia tonga i Jesoa, nefa nirindrina ny varavarana.
Nitsangana teo afovoany Izy ka nanao hoe:
“Ho aminareo anie ny fiadanana!”
Ary hoy Izy tamin’i Tômà:
“Ataovy eto ny rantsan-tananao,
ka zahao ny tanako ary arosoy ny tananao
ka atehefo eto amin’ny tratrako;
dia minoa, fa aza malain-kino”.
Dia namaly i Tômà ka nanao taminy hoe:
“Tompoko sy Andriamanitro!”
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy;
sambatra izay tsy nahita ka nino”.
Maro koa ny fahagagana hafa nataon’i Jesoa teo imason’ny mpianany
no tsy voasoratra amin’ity boky ity.
Fa voasoratra ireto mba hinoanareo,
fa i Jesoa no Kristy Zanak’Andriamanitra
ary mba hahazoanareo ny fiainana amin’ny Anarany, amin’ny finoana Azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nosokafana ho an'ny mpitsangantsangana avokoa ireo zaridaina tao Antananarivo Renivohitra omaly, ny roa tamin'ireo no nadoavam-bola... ♦ Tsy hisy fiforonana andro ratsy mety hampidi-doza hahakasika an'i Madagasikara mandritra ity herinandro ity, raha ny vinavinan'ny Météo. Miisa telo ireo olona tsy hita popoka ary 18 no maty, vokatry ny oram-be sy ny rivodoza, hoy ny BNGRC... ♦ Hifarana amin'ity herinandro ity ny fahafahan'ireo maniry ho kandidà, ho Solombavam-bahoaka, manatitra ny antontantaratasy eny amin'ny OVEC...
♦ Manoloana ny fetin'ny paka sy ny toe-draharaha eto amin'ny firenena dia namoaka hafatra ny avy amin'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara... ♦ Very hasina ny tolom-panafahana nataon'ireo maery fo tamin'ny taona 1947 hoy ny mpitolona Bekotromaroholatra... ♦ Misokatra ny OVEC manerana ny nosy amin'izao fetin'ny Paka izao sy ny faran'ny herinandro, mandray sy mikirakira ny taratasy mikasika ny fifidianana solombavambahoaka... ♦ Lany ho filoha ao Sénégal ilay mpanohitra Bassirou Diomaye Faye...
Alahadin'ny paka : Nitsanga-ko velona tokoa i Jesoa ; efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika ao amin'ny Tompo. Tsy zavatra efa lasa no ankalazaintsika amin'ny Paka fa tena miditra ao amin'ny Misterin'ny Pakan'i Jesoa isika olombelona, dia izy nijaly sy maty ary nitsanga-ko velona. Isaky ny manao ny Sorona Masina ny Eglizy dia mankalaza ny Pakan'i Jesoa. Isaky ny manatrika ny lamesa sy mankalaza ny Paka isika dia mihaona amin'i Jesoa tafatsangan-ko velona. Ny fijoroana vavolombelona dia mitaky fiovan-toetra, satria efa nodiovin'i Jesoa, rehefa resiny ny fahafatesana, dia ny toetra ratsy sy ny tsy mety natao teo aloha, ary izany no ezaka amin'izao Paka izao, ka mba ho hafaliana ho ao an-tokantrano...
♦ Samy nodidin'ny HCC hiala tsy ho parlemantera intsony na ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa, na Razafimahefa Herimanana izay Filohan'ny Antenimieran-doholona teo aloha... ♦ Nampita hafatra ankolaka ho an'ireo nitsikera ny tolom-bahoaka eto amin'ny firenena ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina nandritra ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana 1947... ♦ Miaina anaty rano ny any Ambilobe vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza, miantso vonjy ankoatra izay ireo mponin'i Toamasina izay milomano anaty rano... ♦ Tamin'ny alalan'ny fahita-lavitra no nanarahan'ny Papa François ny lalan'ny Hazofijaliana omaly Zoma Masina...
♦ Nampahatsiahy ny maha zava-dehibe ny fanosorana maha pretra, ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Raoelison Jean de Dieu, nandritra ny Sorona Masina fanamasinana menaka, teto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, teny amin'ny EKAR Antanimena... ♦ Mihena hatrany ny herin'ilay rivodoza Gamane, any amin'ny tapany avaratry ny nosy. Betsaka ny fahasimban'ny fotodrafitrasa naterany. Tanàna maro no dibo-drano ao amin'ny Faritra Sava sy Diana ary Analanjirofo...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco