Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (Mpanj. 18, 41-46)

Nivavaka i Elia, ary nanome orana ny lanitra.

Tamin’izany andro izany, hoy i Elia tamin’i Akaba:

“Miakara hihinana sy hisotro, fa injay reko ny fisasasasan’ny orana.”

Dia niakatra hihinana sy hisotro i Akaba,
fa i Elia kosa niakatra ho any an-tampon’i Karmela,
sady niondrika tandrifin’ny tany, no nanao ny tarehiny tao anelanelan’ny lohaliny,
ary nilaza tamin’ny mpanompony hoe:

“Miakara kely, tazano ny arý amin’ny ranomasina.”

Dia niakatra ilay mpanompo, ka nony nitazana, dia nanao hoe:

“Tsy misy na inona na inona.”

Ary hoy i Elia:

“Miverena koa impito.”

Nony tamin’ny fanimpitony, dia hoy izy:

“Indro misy rahona kely hoatra ny felatanan’olona miakatra avy eny amin’ny ranomasina.”

Ka hoy i Elia:

“Mandehana lazao amin’i Akaba hoe:
Amboary ny kalesinao, dia midìna mba tsy hahatraran’ny orana anao.”

Vetivety foana dia maintin’ny rahona sy ny rivotra ny lanitra,
dia latsaka ny oram-be,
ary i Akaba nitaingina ny kalesy ka niverina tany Jezrahela.
Ary teo amin’i Elia ny tanan’ny Tompo ka nisikina izy,
dia nihazakazaka teo alohan’i Akaba,
hatrany amin’ny fidirana any Jezrahela.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 64, 10abde. 10f-11. 12-13

Mendrika Anao, ry Andriamanitra ny dera ao Siôna.

Tonga Ianao ka mamangy ny tany.
Dia nanondraka rano sy harena:
Dibo-drano ny onin’ny lanitra
hahavokatra izay hojinjaina.

Dia nokolokoloinao ny tany:
Ny vava asa voatondrakao rano;
ka ny bainga narovanao tsara,
izay nafafy notsofinao rano.

Ary zina ny taona tontolo,
fa nandalo tokoa izany, Tompo;
dia ho lonaka erý ny tanety,
ny havoana mirenty haravoana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)

Izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina ny fahamarinanareo
dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory ianareo.
Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe:
Aza mamono olona, ary izay mamono dia hohelohina amin’ny fitsarana.
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny
dia hohelohina amin’ny fitsarana;
ary izay hanao aminy hoe Rakà dia hohelohina amin’ny Sanedrina;
ary izay manao azy hoe Foka, dia hohelohina amin’ny gehen’afo.
Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny ôtely ianao,
ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo amin’ny rahalahinao,
dia avelao eo amin’ny ôtely aloha ny fanatitrao,
ka mandehana mihavana amin’ny rahalahinao vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray.
Mihavàna faingana amin’izay manana ady aminao,
dieny samy mbola eo an-dalana ianareo,
fandrao atolotr’izay manana ady aminao amin’ny mpitsara ianao,
ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin’ny mpamatotra ka hatao an-tranomaizina ianao.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao,
ambara-pandoanao ny variraiventy farany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Anjaran'ny olom-pirenena no manomana ny ho aviny, azy ny safidy ary izy no tompon'andraikitra amin'izay mety ho voakatry ny safidiny. Herisetra ny fanerena ny olona amin'ny safidiny amin'ny alalan'ny fanomezana isan-karazany, indrindra raha vao miteraka fahavoazana ho an'ireo hiarany. Ny mamaritra ny ho avin'ny tsirairay dia mifototra amin'ny safidy hatrany, amin'ny sehatra rehetra. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Nanazava ny toe-java-misy any Faratsiho manoloana ny fifidianana solombavambahoaka farany teo ny kandidàn'ny Firaisan-kina Ramilison Nomenjanahary. Tsy mankasitraka ny fanodikodinana ny safidim-bahoaka izy... ♦ Tonga teny amin'ny CENI nangataka fampitahana ny voka-pifidianana koa ny kandidà avy amin'ny Vovonana IRMAR. Mbola manantena ny hanao poa-droa ao amin'ny boriborin-tany fahadimy ny kandidà Naivo Raholdina... ♦ Hiady amin'ny Aflatoxine singa voajanahary mitondra poizina amin'ny voly maro toa ny voanjo sy ny katsaka ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Poizina loza mitatao amin'ny fahasalam'ny mpanjifa... ♦ Mandinika ny fifanarahana ampitsaharana ny ady eo aminy sy ny Israeliana ny Hamas...

♦ Tsy marina fa fanosoram-potaka no nataon'ny kandidà Lalatiana Rakotondrazafy ny kandidà Ramilison Nomenjanahary, tamin'ny fahitalavitra tsy miankina iray... ♦ Nanomboka androany ary haharitra efatra andro eny amin'ny Canal Olympia Andohatapenaka, ilay fampirantiana SIAE Salon International des Acteurs Économiques, andiany fahatelo... ♦ Loza mananontanona amin'ny fahasalaman'ny mpanjifa eto Madagasikara ankehitriny, ny fisian'ny singa voajanahary Alfa toxine, miteraka poizina amin'ny voly maro...

♦ Hiverina hamaritra ny fandaharam-potoana sy ny lahadinika amin'ny fivoriana ara-potoana rahampitso alakamisy 6 jona 2024, ny eny amin'ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza... ♦ Mikasa ny handray fepetra amin'ny solombavambahoakan'i Vohipeno ka hanala azy tsy ho filohan'ny CIAD ireo ampahany amin'ny Ben'ny Tanàna any amin'ity distrika ity. Anton'izany ny tsy fahombiazany tamin'ny fifidianana... ♦ Miisa 13 ireo Faritra miroso amin'ny fihangazanana eto Madagasikara ka mila hamafisina ny fandraisana andraikitra hoy ny Ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy... ♦ Hivahiny any Frantsa nanomboka androany hatramin'ny alahady izao ny filoha amerikana Joe Biden...

♦ Mananjo hanao ny fangatahana fampitahana ny vokatra ireo kandidà raha miahiahy amin'ny fisian'ny fahadisoana na hosoka hoy ny komiseram-pifidianana eo anivon'ny CENI Ravalitera Jacques Michaël... ♦ Nanao be fiavy teny amin'ny foiben'ny CENI teny Alarobia nanambara ny ahiahiny amin'ny hosoka tamin'ny fifidianana ny Vovonana Firaisan-kina... ♦ Misy mampiahiahy ihany ny fandaharam-pianarana vaovao araka ny fanavaozana atao amin'izao fotoana izao hoy Mômpera Jules Ranaivoson, tompon'andraikitra misahana ny fanabeazana sy ny fampianarana katôlika... ♦ Azo antoka fa hanana ny maroan'isa eo anivon'ny parlemanta any Inde ny antokon'ny praiministra Narendra Modi...

♦ Nanao fampitahana ny voka-pifidianana teny amin'ny CENI Alarobia androany, ny kandidà Firaisankina ao amin'ny Boriborintany Voalohany ao Antananarivo Renivohitra. Tsy azo ekena ny isan'ny mpifidy notovanana, hoy izy... ♦ Misy mampiahiahy ny fandaharam-pianarana vaovao araka ny fanavaozana atao amin'izao fotoana izao, hoy i P. Jules Ranivoson, Sekretera Jeneralin'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fanabeazana sy ny Fampianarana Katôlika, ka ilana fiaraha-miasa izany...

♦ Hamory ireo kandidà rehetra eto Antananarivo ny Vovonana Firaisan-kina. Fivoriana hanangànana ny kômity miaro ny safidim-bahoaka, manoloana ny ambaran'izy ireo fa hosoka nanerana ny nosy tamin'ny fifidianana teo... ♦ Miahiahy ny hitàran'izao fanoherana ny voka-pifidianana izao amin'ny korontana eto amin'ny firenena ny Kmf/Cnoe. Miantso ny tompon'andraiki-panjakàna handray andraikitra ity kômity mpanara-maso ny fifidianana ity... ♦ Hatomboka amin'ny zoma izao ny fanamarihana ny faha-64 taona niverenan'ny fahaleovan-tena. Hetsika maro no hisy mandritra izany, araka ny fampahafantarana. Hetsika maro no hisy mandritra izany, araka ny fampahafantarana nataon'ny kômity mpikarakara ny fetim-pirenena omaly...

♦ Nilahatra an-dalambe ary nilanja sora-baventy omaly ireo mpomba ny kandidà iray tany Vondrozo. Nambaran'izy ireo fa nivadika ny voka-pifidianana azon'ny kandidàny ka tsy ekeny ny tsy fanajàna ny safidim-bahoaka... ♦ Samy milaza ho manana porofo amin'ny fisian'ny hosoka ireo kandidà roa voalohany tamin'ny fifidianana solombavambahoakaa tany amin'ny disitrikan'i Toamasina. Samy nanazava tamin'ny haino aman-jery izy ireo, omaly...  ♦ Miatrika ny fanadinana BEPC katôlika mandritra ity herinandro ireo mpianatra amin'ny taona fahatelo amin'ny Sekoly katôlika manerana ny nosy. Hitondra fanazavàna eto ny tompon'andraikitra eo anivon'ny fanabeazana katôlika...

♦ Miisa 32.000 ireo mpiadina BEPC Katôlika, izay miatrika fanadinana amin'ity herinandro ity... ♦ Ifamaliana ny fanambarana ataon'ireo kandidà roa mitarika amin'ny ampaham-bokatra amin'ny fifidianana Solombavam-bahoka, ao Toamasina Voalohany... ♦ Efa miomana amin'ny paikady eo amin'ny lalao hatrehany ny Barean'i Madagasikara amin'ity herinandro ity...

♦ Tafiditra tao anatin'ny Taonan'ny Vavaka fiomanana amin'ny fankalazana ny Taon-jobily 2025, ny fankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina omaly, ho an'ny Diôsezin'i Toamasina... ♦ Manasa ny kristianina hanolo-tena ho an'ny hafa ny Eokaristia, hoy ny Papa François omaly, tamin'ny fampianarany mialoha ny vavaka Angelus... ♦ Nihaona tamin'ny Papa François, tamin'ny sabotsy 1 jona 2024, ny Filohan'ny Repoblikan'i Slovaquie, Ramatoa Zuzana Čaputová...

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 18, 20-39)

Mihainoa ahy, ry Tompo, mba hahafantaran’ity vahoaka ity fa Ianao no Tompo Andriamanitra, ary Ianao ihany no mampiverina ny fon’izy ireo indray.

Tamin’izany andro izany,
dia naniraka nankany amin’i Israely rehetra i Akaba
sy namory ny mpaminany ho any an-tendrombohitra Karmela.
Ary i Elia tamin’izay, dia nanatona ny vahoaka rehetra, ka nanao hoe:

“Mandra-pahoviana no hikolepaka an-daniny roa ianareo?
Raha ny Tompo no Andriamanitra manaraha Azy,
fa raha i Baala kosa, manaraha azy.”

Tsy namaly azy na inona na inona anefa ny vahoaka.
Dia hoy i Elia tamin’ny vahoaka:

“Izaho irery no sisa amin’ny mpaminanin’ny Tompo,
fa misy dimampolo amby efa-jato kosa izy no mpaminanin’i Baala.
Koa aoka homena ombalahy roa izahay,
ka ny iray amin’ny ombalahy hofidiny mba ho azy,
dia horasainy sy hapetrany eo ambony kitay hazo, tsy asiana afo;
ny ombalahy iray kosa, hamboariko sy hapetrako eo ambony kitay hazo tsy asiana afo koa.
Rahefa izany kosa, hiantso ny anaran’andriamanitrareo ianareo;
izaho kosa hiantso ny anaran’ny Tompo.
Ka izay Andriamanitra mamaly amin’ny afo, dia izay no Andriamanitra.”

Namaly avokoa ny vahoaka nanao hoe:

“Tsara izany!”

Dia hoy i Elia tamin’ny mpaminanin’i Baala:

“Fidio ho anareo ny iray amin’ireto ombalahy, ka amboary aloha,
fa ianareo no maro, ary antsoy ny anaran’ny andriamanitrareo,
nefa aza asiana afo.”

Dia nalain’ireo ny ombalahy nomena azy ka namboariny,
dia niantso ny anaran’i Baala izy,
hatramin’ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ny andro, nanao hoe:

“Ry Baala ô, valio izahay!”

Nefa tsy nisy nanoina na namaly akory.
Ka nihinjaka teo anoloan’ny ôtely nataony izy ireo.
Nony nitataovovonana ny andro,
nesoesoin’i Elia teo izy ireo, nataony hoe:

“Miantsoa mafy, fa andriamanitra moa izy,
ka sao dia revo mandinika, na varian-javatra, na lasa nivahiny;
matory angamba izy, ka dia hifoha.”

Dia niantso mafy tokoa izy ireo
sady nitetika ny tenany tamin’ny sabatra aman-defona araka ny fanaony,
mandra-piloa-dra ny tenany.
Ary nony efa nitsidika ny andro,
dia naminany izy mandra-pahatongan’ny fotoana fanolorana ny fanatitra.
Nefa tsy nisy nanoina na namaly na nihontsona kely akory.

Izay i Elia vao nanao tamin’ny vahoaka hoe:

“Manatòna ahy ianareo.”

Nony nanatona ny vahoaka,
dia namboariny ny ôtelin’ny Tompo izay efa voarava.
Naka vato roa ambin’ny folo i Elia, araka ny isan’ny fokon’ny zanak’i Jakôba,
ilay niharan’ny tenin’ny Tompo hoe:
Israely no ho anaranao.
Ireo vato ireo no nanaovany ôtely ho an’ny anaran’ny Tompo.

Rahefa izany nasiany hady manodidina ny ôtely
sahabo hahalany voa famafy indroan’ny famarana;
dia nalahany ny kitay hazo, noraisiny ny ombalahy,
ka napetrany teo ambony kitay hazo.
Ary hoy izy:

“Fenoy rano ny siny efatra,
ka aidino amin’ny sorona dorana sy amin’ny kitay hazo.”

Dia hoy izy:

“Ataovy fanindroany indray izany.”

Dia nanao izany fanindroany tokoa ny olona.
Fa hoy indray izy:

“Ataovy fanintelony koa izany.”

Dia nanao izany fanintelony ny olona.
Ka nikorotsaka nanodidina ny ôtely ny rano,
dia nasainy hofenoina rano koa ny hady.

Nony tamin’ny fotoana fanolorana ny fanatitra;
dia nandroso i Elia mpaminany, ka nanao hoe:

“Ry Tompo Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba ô!
aoka ho fantatra anio fa Andriamanitra amin’i Israely Ianao,
ary izaho dia mpanomponao ka teninao no nanaovako izao zavatra rehetra izao.
Mihainoa ahy, ry Tompo ô, mihainoa ahy!
mba hahafantaran’ity vahoaka ity fa Ianao no Tompo Andriamanitra,
ary Ianao ihany no mampiverina ny fon’izy ireo indray.”

Dia latsaka tamin’izay ny afon’ny Tompo,
ka nandoro ny sorona dorana, ny kitay hazo, ny vato, ny tany,
ary ritrany ny rano tamin’ny hady!
Nony nahita izany ny vahoaka rehetra,
dia niankohoka tamin’ny tany nanao hoe:

“Ny Tompo ihany no Andriamanitra, ny Tompo ihany no Andriamanitra!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 15, 1-2a. 4. 5. sy 8. 11

Andriamanitra ô, ambeno aho mifefy aminao.

Andriamanitra Tompo ô, ambeno.
F’Ianao re no hany ifefeko.
Hasambarako tokana an-tany.
Ka ireny sampy hamaroina,
tsy hanaovako sorona intsony;
tsy ho tononiko anarana akory.

Ianao re, ry Tompo, no lova,
hany zarako mandrakizay.
Eo alohako foana ny Tompo;
tsy hiala eo ankavanako Izy.

E ny lalan’ny fiainana izao,
dia hatoronao ahy hatrany,
ka mameno hafaliana ny foko.
Ho finaritra mandrakizay,
’zay mitoetra eo ankavananao
hasambarana tsy mety ritra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)

Tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka.

Tamin’izany andro izany, hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:

“Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna sy ny Mpaminany;
tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka.
Fa lazaiko aminareo marina tokoa,
fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany,
dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia i iray na tendron-tsoratra iray akory aza,
mandra-pahatanterak’izy rehetra.
Koa amin’izany izay handika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo,
ka hampianatra ny olona toy izany,
dia ho kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra;
fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa
dia ho lehibe amin’ny fanjakan’ny lanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...