♦ Nankalazaina androany ny fetin’i Masina Maria tsy voakasi-pahotana tamin’ny fototra, nandritra izany no namoahana ny andiany Avotra tao amin’ny Centre d’Autonomisation des Femmes, iandraiketan’ny fikambanan’ny Masera FMA Ampasanimalo… ♦ Nanatanteraka fivoriam-be fanao isan-taona teny amin’ny Episcopat Ambatoroka ny Vaomieran’ny Eveka momba ny Eokomenisima eto Madagasikara ny 06 sy 07 desambra 2023… ♦ Nitondra ny tenin’ireo tena marefo tsy afaka nanatrika ny COP 28, ny sampana katôlika…
Bokin'i Izaia Mpaminany (Iz 35, 1-10)
Hifaly ny efitra sy ny tany karankaina,
hiravoravo ny tany lemaka lava volo,
ary hamony tahaka ny narisisa;
hirakotra voninkazo sy hientan-kafaliana
ary hanao hoby firavoravoana izy.
Homena azy ny voninahitr’i Libàna
mbamin’ny hakanton’i Karmely sy i Sarôna.
Izy ireo hahita ny voninahitry ny Tompo,
sy ny famirapiratan’ny Andriamanitsika.
Hatanjaho ny tanana osa,
herezo ny lohalika mangozohozo!
Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe:
“Makà hery fa aza matahotra.
Inty ny Andriamanitrareo; tamy ny famaliana,
famalian’Andriamanitra,
Tenany no avy, dia hamonjy anareo.”
Amin’izay dia hahiratra ny mason’ny jamba,
halady ny sofin’ny marenina.
Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa,
hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana.
Fa hisy rano miboiboika any an’efitra,
ary sakeli-drano eny amin’ny tany lemaka lava volo.
Ny tany hay, hanjary ho farihy,
ary ny tany mangentana ho loharano.
Ny lavaka fonenan’ny amboadia
hanjary saham-bolotara aman-jozoro.
Hisy arabe, hisy lalana,
izay hatao hoe ny lalana masina;
ka ny tsy madio tsy mba hihazo eo;
fa ho azy ireo ihany izy io;
izay homba azy na ny olon-tsotra aza tsy hivilivily.
Ao tsy mba hisy liona,
tsy hisy biby masiaka mandia ao, tsy hisy ho hita ao.
Fa ny voavonjy no hizotra ao
ary ny navotan’ny Tompo no ho tonga ao indray;
ho tonga ao Siôna amin’ny hobin-kafaliana izy ireo;
firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany;
fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy,
fa ny sento amam-pijaliana handositra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 84, 9ab-10. 11-12. 13-14
Mba tiako tokoa ny handre Azy Tompo
mirary fiadanana ho an’ireo tiany,
mirary fiadanana ho an’ireo olo-miandrandra ny tavany.
Akaiky izay mino Azy Tompo
ny vonjy honenan’ny lazany ety amintsika.
Koa indro mihaona tokoa ny indrafo sy ny fahamarinana.
Ny rariny ombam-piadanana hatrany,
ny hitsiny hita mitsiry amin’ny tany.
Mitsinjo avy eny amin’ny rahon’ny lanitra kosa ny rariny.
Handrotsaka orana anie Izy Tompo,
izay hampamokatra tsara ny tany.
Fa lalan-kizoran’ny Tompo ny rariny ombam-piadanana.
Aleloia. Aleloia.
Ampodio izahay, ry Tompo Andriamanitra ô; ny tavanao aseho, dia ho voavonjy izahay!
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka (Lk 5, 17-26)
Indray andro, raha nampianatra i Jesoa,
dia nipetraka nanodidina Azy teo koa
ny Farisianina sy ny mpampiana-dalàna sasany
avy tamin’ny tanàna rehetra tany Galilea sy Jodea
mbamin’i Jerosalema,
ary tao aminy hanasitranany ny marary
ny herin’ny Tompo.
Dia indro nisy olona
nitondra lehilahy malemy anankiray tamin’ny fandriany
ka nitady hampiditra sy hametraka azy teo anatrehany;
fa tsy nahita izay hampidirany azy izy ireo
noho ny habetsahan’ny olona,
ka niakatra teo ambonin’ny tafon-trano izy
ary nanesorana ny tafo
dia nampidininy teo afovoan’ny olona
teo anatrehan’i Jesoa ralehilahy mbamin’ny fandriany.
Nony nahita ny finoan’izy ireo i Jesoa, dia nanao hoe:
“Ralehilahy, voavela ny helokao.”
Tamin’izany ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina
dia nisaintsaina anakampo nanao hoe:
“Iza moa ity miteny ratsy toy izao ity?
Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra irery.”
Fa fantatr’i Jesoa ny heviny, ka hoy Izy taminy:
“Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo?
Inona no mora holazaina kokoa, ny hoe:
Voavela ny helokao;
sa ny hoe: Mitsangàna ka mandehana?
Ary mba ho fantatrareo fa manam-pahefana
hamela heloka ety an-tany ny Zanak’Olona,
dia izao no lazaiko aminao, hoy Izy tamin’ilay malemy:
Mitsangàna, ento ny fandrianao,
ary modia any an-tranonao.”
Niaraka tamin’izay
dia nitsangana teo imason’ny olona izy,
ary nitondra ny farafara nandriany
ka lasa nody any an-tranony
nankalaza an’Andriamanitra.
Nitolagaga avokoa izy rehetra
ka sady nankalaza an’Andriamanitra
no raiki-tahotra nanao hoe:
“Nahita zava-mahagaga isika androany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 40, 1-5. 9-11)
Hoy ny Andriamanitrareo:
“Ampionony, ampionony ny vahoakako”.
Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema,
ary ataovy antso avo aminy, fa tapitra ny fanompoany,
voaonitra ny helony,
voarainy tamin’ny tanan’ny Tompo,
ny indroa heny valin’ny fahotany.
Injany misy feo miantso hoe:
“Misavà lalana any an’efitra, ho an’ny Tompo,
manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika.
Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra;
ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry;
ny avo hanjary tany lemaka;
ary ny vato mideza ho lembalemba.
Dia hiseho ny voninahitry ny Tompo,
ka ho hitan’ny nofo rehetra tsy an-kanavaka
fa ny vavan’ny Tompo no efa niteny”.
Miakara eny an-tendrombohitra avo ianao
izay mitondra ny vaovao mahafaly ho an’i Siôna.
Manandrata feo mafy,
ianao izay mitondra ny vaovao mahafaly ho an’i Jerosalema;
manandrata feo, fa aza matahotra,
lazao amin’ny tanànan’ny Jodà hoe:
“Indro ny Andriamanitrareo!
Indro fa tonga ny Tompo Andriamanitra, amin’ny heriny;
ny sandriny mampiasa ny fahefana.
Indro fa miaraka aminy ny valisoa avy aminy,
ary ny tamby homeny, eo anoloany.
Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondry Izy;
handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny
hitondra an’ireny eo an-trotroany,
ary handroaka moramora ny mampinono”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 84, 9ab-10. 11-12. 13-14
Hihaino izay lazain’ny Tompo aho:
moa tsy fiadanana no lazainy?
Akaiky an’izay matahotra Azy ny famonjeny;
efa honina amin’ny tanintsika ny voninahiny.
Tafahaona ny fitiavana sy ny fahamarinana,
mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana,
ny fahamarinana mitrebona an-tany,
ny rariny kosa mitranga eny an-danitra.
Ny Tompo amim-peo avo manome orana,
ny tanintsika manome ny vokany;
ny rariny mizotra anoloany,
ny fiadanana manjohy ny diany.
Taratasy faharoan’i Masindahy Piera Apôstôly (2 Pi. 3, 8-14)
Ry hava-malala,
izao zavatra iray loha izao no aoka ho fantatrareo:
amin’ny Tompo, ny indray andro dia hoatra ny arivo taona,
ary ny arivo taona dia hoatra ny indray andro.
Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenany,
fa miandry anareo amim-pandeferana Izy,
mba tsy hisy very na dia iray aza,
fa samy hanatona sy hibebaka daholo.
Ho avy toy ny mpangalatra ny andron’ny Tompo,
ary amin’izany andro izany,
ny lanitra hirimorimo mankarenina,
ny tenan-javatra rehetra ho levon’ny afo,
ny tany mbamin’ny asa rehetra eo aminy hodorana.
Koa raha tsy maintsy ho levona àry izao rehetra izao,
ho toy inona no tokony ho fahamasinan’ny fitondran-tena amam-pitiavam-bavakareo,
amin’ny fiandrasana sy fanafainganana ny hiavian’ny andron’ny Tompo,
izay hahamay sy hahalevona ny lanitra,
ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra?
Eny, araka ny fampanantenany,
dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao isika,
izay hanjakan’ny fahamarinana.
Amin’ny fiandrasana izany,
dia ataovy izay tratry ny ainareo,
mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro
ary mihavana tsara,
no hahitan’ny Tompo anareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia, Aleloia.
Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany; dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 1-8)
Fiandohan’ny Evanjelin’i Jesoa Kristy Zanak’Andriamanitra.
Araka izay voasoratra ao amin’i Izaia Mpaminany hoe:
“Indro Aho maniraka ny Anjeliko eo alohanao,
izay hamboatra ny lalanao;
injay misy feo miantso any an’efitra hoe:
Amboary ny lalan’ny Tompo,
ahitsio ny alehany”,
dia niseho tany an’efitra i Joany Batista
nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka.
Ary nandeha nanatona azy ny tany Jodea rehetra
sy ny mponina rehetra tao Jerosalema,
ka nataony batemy tamin’ny onin’i Jordany ireo,
rehefa niaiky ny fahotany.
Volon-drameva no nitafian’i Joany,
fehikibo hoditra no nanaovany,
ary valala sy tantely remby no fihinany;
ary izao no notorìny:
“Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho,
ka tsy mendrika hiondrika,
hamaha ny fehikapany akory aho.
Izaho nanao batemy tamin’ny rano,
fa Izy kosa hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Nankatoavin’ny Papa François ny fangatahan’i Mgr Vincent Rakotozafy, hitsahatra amin’ny fitantanana pastôraly ny Diôsezin’i Tolagnaro, noho ny fahatrarany ny fetra-taona, ary notendren’ny Ray masina handimby azy i Mompera Luc Olivier Razafitsimialona, Économe ao amin’ny Seminera Zokiny Masindahy Joany Batista, Vohitsoa, Fianarantsoa.
♦ Feno 75 taona omaly ny Evekan'ny Diôsezin'i Farafangana, ary araka ny Làlan'ny Eglizy, dia efa nametraka ny taratasy fametraham-pialany izy... ♦ Soa ara-panahy hamelona antsika no andrandraina amin'ny taon-jobily, hoy ny hafatry ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-85 taonan'ny SASEM, ny sabotsy teo... ♦ Mila miomana sy mandamina ny trano ho amin'ny fahatongavan'ny Mpamonjy isika, hoy ny Papa François, tamin'ny vavaka Angélus...
Ny vatsim-panahy dia fandalinam-pinoana sy hizarana sori-dalana pastoraly. Tsy misy olona mamonjy tena samirery fa miara-dalana. Taona litorjika vaovao indray no atolotry ny Eglizy hiainantsika dia ny "fiavian'ny Tompo". 28 andro no hiomanana amin'ny noely izay fiavian'ny Tompo. Ny Evanjely vakiana amin'ny alahady voalohany amin'ny fiaviana dia milaza ny fotoana hatongavan'i Jesoa eo anivon'ny olona indray, ka ny toetra tokony hananana hiatrehana izany no resahina betsaka ao : miambena izay midika hoe mivonona ara-panahy...
♦ Mitondra ny akon’ny Sinaodin’ny Eveka, Eglizy miara-dia, i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina… ♦ Mitodika bebe kokoa amin’ny olona manana fahasembanana ny vavaka iarahana amin’ny Papa François amin’ity volana ity… ♦ Nosokafana omaly 30 nôvambra tao Dubaï ny COP andiany faha-28...
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 63, 16b-17, 19b ; 64, 2b-7)
Ianao ry Tompo, no Rainay,
Mpanavotra anay no Anaranao hatrizay ela izay.
Nahoana izahay, ry Tompo ô,
no dia ataonao maniasia lavitra ny lalanao,
ka hamafisinao fo, tsy hatahotra Anao?
Miverena,
noho ny fitiavanao ny mpanomponao sy ny foko lovanao!
Inay Ianao mandrovitra ny lanitra, dia midina,
dia hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra!
Endrey raha midina Ianao
dia hihozongozona eo anoloanao ny tendrombohitra!
Tsy mbola nisy nandre, tsy nisy maso nahita izay andriamanitra hafa,
manao toy izany, ho an’ny manantena azy,
afa-tsy Ianao.
Ianao no mitsena izay manaraka ny rariny an-kafaliana,
izay mizotra ny lalanao sady mahatsiaro Anao.
Fa izao,
tezitra Ianao, ary meloka izahay;
— sady efa ela no toy izany —:
hovonjena va izahay?
Izahay rehetra dia efa tahaka ny olona maloto;
ary ny fahamarinana rehetra, toy ny akanjo maloto.
Malazo toy ny ravina avokoa izahay,
ary ny helokay mipaoka anay toy ny rivotra.
Tsy nisy olona niantso ny Anaranao,
nifoha mba hifikitra aminao.
Fa nafeninao taminay ny Tavanao,
ary navelanao ho levona ao anatin’ny fahotanay izahay.
Fa ankehitriny, ry Tompo ô, Rainay Ianao;
ary Ianao no Ilay nanefy anay;
tanimanga izahay,
ary Ianao no Ilay nanefy anay;
asan-tananao avokoa izahay rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 79, 2ad sy 3b. 15-16. 18-19
Mandrenesa, ry Mpiandry an’i Israely,
ry mpitondra an’i Jôsefa ho toy ny ondry.
Eny, fohazy ny herinao,
tongava hamonjy anay.
Ry Andriamanitry ny tafika ô, miverena,
mitsinjova avy any an-danitra,
jereo ilay foto-boaloboka,
karakarao ilay nambolen’ny tananao.
Ny tananao homba an’ilay olona fiaronao,
ilay zanak’olombelona omenao ny herinao.
Izahay tsy handao Anao intsony;
velomy izahay hiantso ny Anaranao.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 1, 3-9)
Ry kristianina havana,
homba anareo anie ny fahasoavana amam-piadanana
avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo.
Isaorako an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo,
noho ny fahasoavan’Andriamanitra nomena anareo ao amin’i Jesoa Kristy:
fa noho ny firaisanareo aminy,
tonga manan-karena amin’ny zavatra rehetra ianareo,
dia amin’ny teny rehetra sy amin’ny fahalalana rehetra;
ary noho ny niorenan’ny Evanjelin’i Kristy eo aminareo,
dia tsy ho latsa-danja noho ny hafa ianareo
amin’ny fahasoavana rehetra,
hany ka miandry amim-pitokiana ny fisehoan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Izy ihany koa no hampiorina anareo hatramin’ny farany,
mba tsy hanan-tsiny ianareo amin’ny andron’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Eny, mahatoky Andriamanitra
izay niantso anareo hiray amin’ny Zanany, dia i Jesoa Kristy Tompontsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao! ary omeo anay ny famonjena avy aminao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 13, 33-37)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Mitandrema, miambena, ary mivavaha,
fa tsy fantatrareo izay hiavian’ny fotoana:
tahaka ny lehilahy iray nandeha hivahiny,
ka nandao ny tranony,
ary nanome fahefana ny mpanompony sy nanolo-draharaha hataony avy,
dia nandidy ny mpiandry varavarana hiambina.
Koa miambena àry,
fa tsy fantatrareo izay hahatongavan’ny tompon-trano,
na ho hariva, na ho misasakalina, na ho maneno akoho, na ho maraina,
fandrao tonga tampoka izy
ka tratrany matory ianareo.
Ary izao lazaiko aminareo izao,
dia lazaiko amin’ny olona rehetra koa: Miambena”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 7, 15-27)
Izaho Daniely, nitebiteby ny saiko tao anatiko,
ary nahatsiravina ahy ny fahitan’ny lohako.
Nanatona ilay anankiray tamin’ireo nitsangana teo aho,
dia nanontany azy izay mba marina tokoa ny momba izany rehetra izany,
ka niteny tamiko izy nilaza ny hevitr’izany:
“Ireo biby lehibe ireo, izay efatra no isany,
dia mpanjaka efatra hitsangana avy amin’ny tany;
nefa ireo Olo-masin’ny Avo indrindra no handray ny fanjakana
sy hahalasa ny fanjakana ho azy mandrakizay alaovalo.”
Tiako ho fantatra marina tamin’izay,
ny amin’ilay biby fahefatra, izay hafa noho izy rehetra,
mahatsiravina indrindra,
vy ny nifiny, varahina ny hohony,
nihinana sy nikepokepoka izy ary nohoseny tamin’ny tongony ny sisa tsy laniny;
sy ny amin’ireo tandroka folo teo an-dohany,
mbamin’ilay tandroka iray hafa nisandratra,
ka nisy telo no nitsingidina teo anoloany,
dia ilay tandroka nana-maso, nanam-bava nilaza zava-dehibe,
ary niseho ho lehibe noho ny namany.
Nijery aho ka indro niady tamin’ireo Olo-masina,
sy naharesy azy ireo ilay tandroka,
mandra-pahatongan’ilay Anti-dahy
izay nanomezana ny fitsarana an’ireo Olo-masin’ny Avo indrindra,
sy nahatongavan’ny fotoana hahazoan’ireo Olo-masina ny fanjakana.
Izao no nolazainy tamiko:
“Ilay biby fahefatra dia fanjakana fahefatra hisy eto an-tany,
hafa noho ny fanjakana rehetra,
hihinana ny tany rehetra, ary hanosihosy azy, sy hanorotoro azy.
Ireo tandroka folo dia milaza mpanjaka folo hitsangana amin’izany fanjakana izany;
hisy iray koa hitsangana manarakaraka azy ireo;
ho hafa noho ireo talohany, ary hanongana mpanjaka telo.
Hanao teny manohitra ny Avo indrindra izy,
sady hampahory ny Olo-masin’ny Avo indrindra,
sy hamoron-kevitra hanova ny fotoana aman-dalàna,
ary hatolotra ho eo an-tanany ireo olo-masina
mandra-pahatapitry ny fetr’andro iray, sy fetr’andro roa,
ary ny antsasaky ny fetr’andro.
Ary hatao ny fitsarana,
ka hesorina aminy ny fizakana
mba handravana azy sy handevonana azy mandrakizay.
Ary ny fanjakana sy ny fahefana
amam-pahalehibeazan’ny fanjakana etý ambanin’ny lanitra rehetra,
homena ny vahoakan’ny Olo-masin’ny Avo indrindra;
fanjakana mandrakizay ny fanjakany,
ary hanompo azy sy hanoa azy ny fanjakana rehetra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: Dan. 3, 82 sy 83. 84 sy 85. 86 sy 87
Isaory ny Tompo, ry zanak’olombelona;
derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
Aoka i Israely hidera ny Tompo,
aoka izy hidera sy hankalaza Azy mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry mpisoron’ny Tompo;
derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry mpanompon’ny Tompo;
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay!
Isaory ny Tompo, ry fanahy amam-panahin’ny marina;
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry Olo-masina sy ianareo manetry tena ao am-po;
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Miambena ary mivavaha mandrakariva, mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anoloan’ny Zanak’Olona ianareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 34-36)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Tandremo fandrao vesaran’ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana
ary ny fiahiana izao fiainana izao ny fonareo;
ka tratrany tonga tampoka aminareo anie izany andro izany e!
Fa ho sahala amin’ny fandrika hahavoa
ny olona rehetra mitoetra eto ambonin’ny tany izany.
Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva
mba ho mendrika ho afaka amin’izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo,
ka hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’Olona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 7, 2-14)
Tamin’izany andro izany,
dia niteny i Daniely ka nanao hoe:
“Nahita tamin’ny fahitako tamin’ny alina aho,
ka indro nibosesika tamin’ny ranomasina lehibe ny rivotra avy amin’ny vazantany efatra:
ary niakatra avy ao amin’ny ranomasina ireto biby efatra lehibe samihafa.
Ny voalohany hoatra ny liona, sady nanana ela-boromahery.
Nibanjina teo aho mandra-panongotra ny elany
sy nipaohana azy avy tamin’ny tany sy nampijoroana azy tamin’ny tongony
hoatra ny olona ary nomena fon’olombelona izy.
Dia indro koa biby hafa, dia ny faharoa,
hoatra ny orsa, niainga ny ilatenany,
nisy taolana tehezana telo teny am-bavany, tanelanelan’ny nifiny,
ary izao no nolazaina taminy:‘Mitsangàna ianao, mihinàna nofo betsaka!’
Manaraka izany, nijery aho, ka indro nisy biby hafa koa,
hoatra ny leôparda, nanana ela-borona efatra teo an-damosiny;
ary nanan-doha efatra izany biby izany,
dia nomena azy ny fanapahana.
Rahefa izany,
nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho,
ka indro nisy biby fahefatra mahatsiravina, mampihoron-koditra,
ary mahery indrindra;
nana-nify vy lehibe izy io, nihinana sy nikepokepoka,
ka ny sisa tsy lany nohoseny tamin’ny tongony;
hafa noho ireo biby rehetra talohany izy, nanan-tandroka folo.
Nodinihiko ireo tandroka,
ka indro nisy tandroka hafa kely nipoitra eo amin’izy ireo,
ary nombotan’io ny telo tamin’ireo tandroka taloha,
ary indro fa nana-maso hoatra ny mason’olona
sy vava nilaza zava-dehibe itý tandroka itý.Nijery aho, mandra-pametraka ny seza fiandrianana,
izay nipetrahan’ny Anti-dahy anankiray;
fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany;
tahaka ny volon’ondry madio ny volon-dohany;
lelafo ny seza fiandrianany;
afo mirehitra ny kodiarany;
ny afo no nivoaka nisononoka avy eo anatrehany,
arivoarivo no nanompo azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany.
Dia nipetraka ny Mpitsara ka novelarina ny boky.
Nijery aho tamin’izay noho ny fireondreon’ny teny mihoa-pampana nolazain’ilay tandroka.
Nijery aho mandra-pamono ilay biby,
sy nandevonana ny tenany natao teo amin’ny lelafo.
Ireo biby hafa koa efa nesorina taminy ny fanapahany;
ary noferana ny halavan’ny andro iainany,
mandra-piavin’ny andro amam-potoana.Nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho,
ka indro nisy toy ny Zanak’Olona
tamy teny ambonin’ny rahon’ny lanitra;
nandroso Izy nankeo amin’ilay Anti-dahy,
ka nentina ho eo anatrehany;
dia nomena Azy ny fanapahana,
sy ny voninahitra amam-panjakana,
ary nanompo Azy avokoa ny vahoaka amam-pirenena sy ny samihafa fiteny rehetra.
Fanapahana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fanapahany,
ary tsy ho levona na oviana na oviana ny fanjakany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Dan. 3, 75. 76. 77. 78. 79. 80. 81
Isaory ny Tompo, ry tendrombohitra sy havoana;
derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo,
ry tendrombohitra sy havoana!
Isaory ny Tompo,
ry zavamaniry rehetra eran-tany.
Isaory ny Tompo,
ry loharano!
Isaory ny Tompo,
ry ranomasina sy ony.
Isaory ny Tompo
ry trozona sy izay mihetsika anaty rano!
Isaory ny Tompo,
ry voron’ny lanitra rehetra!
Isaory ny Tompo,
ry biby fiompy sy bibidian’ny tany!
Ankalazao sy asandrato indrindra mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 29-33)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ireo mpianany nanao hoe:
“Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra:
raha vao hitanareo fa manaroka izy,
dia fantatrareo fa akaiky ny fahavaratra.
Toy izany koa raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany,
dia fantaro fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.
Lazaiko marina aminareo
fa tsy ho lany itý taranaka itý
ambara-pahatongan’izany rehetra izany.
Ho levona ny lanitra sy ny tany,
fa ny teniko tsy mba ho levona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Fantaro hoe : inona no safidinao eo amin'ny fiainana. Ny safidinao no hitondra fiadanam-po, fiadanan-tsaina, fiadanam-panahy. Ny safidy no mampivelatra sy mampisondrotra ary manatsara ny fiainana ho avy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 6, 12-28)
Tamin’izany andro izany,
dia avy nirodorodo ny olona ka nahita an’i Daniely nivavaka
sy niantso an’Andriamanitra Tompony;
dia nanatona ny mpanjaka sy niteny taminy
ny amin’ilay didim-panjakana izy ireo nanao hoe:
“Moa tsy nanoratra lalàna ianao
fa na zovy na zovy mivavaka amin’andriamanitra na amin’olombelona,
afa-tsy aminao irery mandritra ny telopolo andro, ry mpanjaka,
dia hatsipy ao an-davaky ny liona?”
Namaly ny mpanjaka nanao hoe:
“Marina tokoa izany,
araka ny lalàn’ny Meda sy ny Persa izay tsy azo ovàna.”
Dia niteny indray izy ireo,
ka nilaza teo anatrehan’ny mpanjaka hoe:
“I Daniely anankiray amin’ireo babo avy amin’i Jodà anefa, ry mpanjaka,
namotsifotsy anao, sy ny didy nosoratanao;
fa manao ny fivavahany intelo isan’andro.”
Nalahelo mafy ny mpanjaka nony nandre izany;
raikitra tao am-pony ny hanafaka an’i Daniely,
ka mandra-pilentiky ny masoandro izy,
nitady hamonjy azy ihany.
Fa nirodorodo nankao amin’ny mpanjaka ireo olona ireo,
ka nanao tamin’ny mpanjaka hoe:
“Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô,
fa lalàn’ny Meda sy ny Persa
ny tsy ahazoana manova ny didy aman-dalàna rehetra
efa navoaky ny mpanjaka.”
Tamin’izay ny mpanjaka nanome teny
hitondra an’i Daniely sy hanipy azy ao an-davaky ny liona.
Niteny ny mpanjaka,
ka nanao tamin’i Daniely hoe:
“Ny Andriamanitrao izay tompoinao mandrakariva anie,
no hanafaka anao!”
Dia nalaina ny vato natampina ny vava lavaka,
ka nasian’ny mpanjaka fitomboka tamin’ny fanombohan-kaseny
sy ny fanombohan-kasen’ireo andriantompomenakeliny,
mba tsy hisy hovana ny amin’i Daniely.
Avy eo ny mpanjaka dia nankany an-dapany
tsy nitendry hanina mandritra ny alina,
tsy nampiantso vehivavy ho eo aminy,
ary lasa lavitra azy ny torimaso.
Vao marainakoa ilay nangiran-dratsy iny ny andro
dia niarina ny mpanjaka,
ka nidodododo nankany an-davaky ny liona.
Nony mby teo akaikin’ny lavaka izy,
niantso an’i Daniely tamin’ny feo malahelo,
ary niteny ny mpanjaka ka nanao tamin’i Daniely hoe:
“Ry Daniely mpanompon’Andriamanitra velona ô;
nahavonjy anao tamin’ny liona va
ny Andriamanitrao tompoinao mandrakariva?”
Dia niteny tamin’ny mpanjaka i Daniely:
“Ry mpanjaka ô,
velona mandrakizay anie ianao!
Ny Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny
ka nanakombona ny vavan’ny liona ka tsy naninona tsy naninona ahy akory ireo,
satria hita fa tsy manan-tsiny eo anatrehany aho,
sady tsy nanao ratsy teo anatrehanao koa aho, ry mpanjaka o!”
Faly dia faly ny mpanjaka ny amin’i Daniely
ka nasainy nesorina tao an-davaka i Daniely.
Dia nesorina tao an-davaka i Daniely,
ka tsy nisy ratra kely akory hita tao aminy,
satria nino ny Andriamanitra Tompony izy.
Fa nandidy kosa ny mpanjaka,
ka ireo olona nilaza ratsy an’i Daniely
dia nalaina ary natsipy tao an-davaky ny liona izy
mbamin’ny vady aman-janany.
Ka mbola tsy nipaka tamin’ny vodilavaka akory
dia noraisin’ny liona,
ary notapatapahiny ny taolany rehetra.
Tamin’izay i Dariosa mpanjaka
nanoratra ho any amin’ny foko amam-pirenena rehetra
mbamin’ny samihafa fiteny,
izay monina eto ambonin’ny tany nanao hoe:
“Hitombo fiadanana anie ianareo!
Lalàna avoakako ny mba hatahorana sy hangovitan’ny olona
eo anatrehan’ny Andriamanitr’i Daniely eran’ny fanjakako rehetra,
fa Izy no Andriamanitra velona,
maharitra mandrakizay,
ny fanjakany tsy mba ho rava,
ary ny fifehezany tsy hanam-pahataperana.
Manafaka sy mamonjy Izy
ary manao famantarana amam-pahagagana eny an-danitra
sy etý an-tany.
Izy no nanafaka an’i Daniely tamin’ny hohon’ny liona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: Dan. 3, 68. 69. 70. 71. 72. 73. 74
Ry ando aman’erika:
isaory ny Tompo!
Ry rano sy havandra:
isaory ny Tompo!
Fanala sy zavona:
isaory ny Tompo!
Antoandro sy alina:
isaory ny Tompo!
Mazava sy maizina:
isaory ny Tompo!
Ry raho-mamiratra:
isaory ny Tompo
Ry tany tontolo:
isaory ny Tompo!
Tongava hihoby:
isaory ny Tompo!
Aleloia. Aleloia.
Miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa efa akaiky ny fanavotana anareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 20-28)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Rahefa hitanareo voahodidin’ny miaramila i Jerosalema,
dia fantaro amin’izany fa efa antomotra ny fandravana azy,
ka amin’izany,
izay any Jodea aoka handositra any an-tendrombohitra,
izay ao an-tanàna aoka hivoaka any ivelany,
ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony,
satria izany andro izany no ho andro famaizana
sy hahatanterahan’izay rehetra voasoratra.
Loza ho an’ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany,
fa ho lehibe tokoa ny fahoriana eto an-tany,
ary ho mafy ny hatezeran’Andriamanitra amin’itý firenena itý:
haringana amin’ny lela sabatra izy,
sy ho lasan-ko babo any amin’ny firenena rehetra,
ary hohitsakitsahin’ny Jentily i Jerosalema
mandrapahafenon’ny andron’ny Jentily.
Hisy famantarana koa
eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana,
ary etý an-tany dia ho ory sy very hevitra ny firenena
noho ny fikotrokotroky ny ranomasina sy ny onjany;
ho ankona foana ny olona
noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay loza hanjò an’izao tontolo izao,
fa hihozongozona ny herin’ny lanitra.
Dia ho hita amin’izay ny Zanak’Olona
avy any ambonin’ny rahona amim-pahefana sy voninahitra lehibe.
Raha vao miantomboka izany zavatra izany,
dia miandrandrà ka asandrato ny lohanareo,
fa efa akaiky ny fanavotana anareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco