♦ Mbola tena tsy ampy ny fanentanana amin'ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, raha ny fanadihadiana natao... ♦ Trano 35 tafo no kila hotohoto ny afo tany amin'ny kaominina Beforona distrikan'i Moramanga. Olona 120 no traboina vokatra izany... ♦ Vinavinaina hampiditra vola 80 miliara Ariary ho an'ny tanànan'i Toamasina amin'ny alalan'ny fizahan-tany ny tetik'asa MIAMI aorian'ny fahavitany... ♦ Tombanan'ny UNICEF ho 1,2 tapitrisa ireo ankizy ahiana ho voan'ny kolera any Haïti.

Ny teny malagasy dia teny iray ihany satria fototra iray no iorenany ara-pitispika. Ny teny malagasy dia misy fiteny maro, izay mampiavaka ny isam-paritra. Ny malagasy iombonana dia ireo voambolana teraka tamin'ny taona 1972 mba ho ampiasaina, avy amin'ny sehatra isan-tsokajiny sy faritra maro. Ny malagasy ôfisialy dia tsy azo hadika hoe teny imerina fa ireo teny ampiasaina amin'ny fitondran-draharaham-panjakana. Ny malagasy ara-penitra dia ireo izay manaraka ny lasitra na fitsipika. Ny sehatr'asa isan-karazany dia samy manana voambolana teknika ; ohatra : ordonnance didim-pitsarana (Fitsarana) taratasim-panafody (Fitsaboana). Ny teny malagasy dia sokajiana ho "teny teratany".

♦ Nasandratry ny Papa François ho Olomasina, omaly, i Fr Artémide Zatti, coadjuteur salezianin'i Don Bosco... ♦ Mihamafy ny tsindry manery ireo mpirakidraharaham-pitsarana hiverina hiasa. Tsy hilefitra anefa izy ireo fa hanohy ny fitokonana tsy misy fiandrasandraharaha... ♦ Nanao ranolava ny fikaonandoha notarihan'ny ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovanjafy amin'izao vanim-potoanan'ny afo izao. Tsy handefitra amin'ireo mpandoro tanindrazana ny Fanjakana, hoy Ramatoa Ministra... ♦ Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena mba hanohana an'i Haïti ny sekretera jeneralin'ny firenena mikambana manoloana ny krizy any amin'ity firenena ity...

♦ Manahy ny haharïtra tsikelikely ny vola tahiry eo anivon'ny CNaPs ny Firaisan-kinan'ny sendikà eto Madagasikara na ny SSM. Ahiahy, manoloana ny fivoahan'ilay didim-pitondrana momba ny fampiakarana ny karama farany ambany ho an'ny sehatra tsy miankina... ♦ Hiroso amin'ny fitokonana faobe ny sendikan'ny Paramed, raha mbola misy naman'izy ireo mamoy ny ainy, noho ny tsy fandiam-pahalemana. Mpitsabo mpanampy roa no naratra, vokatr'izany hatramin'ny volana septambra nankaty... ♦ Handray lalao iraisam-pirenena indray rahampitso ny Kianjaben'i Mahamasina. Hifandona amin'ny Marumo Gallants avy atsy Afrika-atsimo ny ElgecoPlus, amin'ny dingana faharoa amin'ny fiadiana ny amboaran'ny CAF...

Ny faha-04 ôktôbra no fankalazana ny fetin'i Md François d'Assise. Ny Papa mitantana ny fiangonana katôlika ankehitriny dia nisafidy hisalotra ny anarana "François" rehefa teo amin'ny Fiketrahana Masina. Misy ny fitsidihana ataon'ny Jeneraly eo anivon'ny fikambanan'i Jesoa maneran-tany eto Madagasikara. I Md François d'Assise tamin'ny fahavelomany dia zanak'olona manan-karena fa tamin'ny faha-25 taonany dia nisafidy ny fiainam-pahantrana naka tahaka an'i Kristy, hizara fahasoavana amin'ny ireo olona sahirana. Ity olomasina ity dia nahazo ny fahasoavana tamin'ny niainany ny fery dimin'i Kristy, tamin'ny felan-tanany roa sy ny tongony ary ny manandrify ny fony. Maneho ny hoe eglizy miara-dia ny fitsidihana atao eto Madagasikara...

Ny 12 ôktôbra dia fetin'ny olontsambatra Jean Beyzim, ary fitondrana am-bavaka ireo marary hoditra rehetra. Zava-dehibe ny fanabeazana ka mila kajiana sy kolikoloina amin'ny sehatra rehetra, miainga eo anivon'ny ankohonona ka hatreny amin'ny fiaraha-monina. Mila ampiana ny zaza, ny zatovo, ary ireo tanora na ara-batana na ara-tsaina na ara-panahy fa ireo no manorina ny tanteraka ny maha-olona manontolo. Samy manana ny fomba hikarakarana azy ireo singa telo ireo : ara-batana dia ny sakafo sy ny fitafiana miampy fanatanjahantena ; ny ara-panahy dia fikolokolohana hananana fahalalana ; ny ara-panahy dia ny vavaka. Mila mifanampy sy mifampitaiza ny mpiara-belona...

Ny aretina "parkinson" dia aretina mahazo ny selan'ny atidoha, izay mamokatra ny tsiranoka atao hoe "dopamine". Ity farany dia manana ny asa mandrisika ny vatana havitrika. Ny atidoha dia taova mibaiko ny vatana manontolo, ka ilàna fitandremana. Ny sakafo mandrisika amin'ny famokarana "dopamine" : ankondro, chocolat, sésame, zavoka, atody, sakafo vita avy amin'ny ronono. Ny lehilahy no betsaka voan'ny aretina "parkinson", ny salan-tanao dia manodidina ny 60 taona no miakatra. Ny fambara : valabalaka, mihena ny fifantohana, mihena ny fahazotoana manao asa, mihinjitsindritra ny ozatra samihafa, sahirana manetsika vatana, mangovitra ny loha na tongotra na ny tanana rehefa mipetraka, sahirana miteny, miharatsy soratra...

♦ Miantso ny olom-pirenena ho mailo amin'ilay hetsika fitsaràna mitety vohitra, hanaovana kara-panondro faobe ny Firaisa-monim-pirenena OSC. Manahy ny amin'ny mety hisian'ny "doublons" betsaka anatin'ny lisitry ny mpifidy amin'ny taona 2023 izy ireo, vokatr'io hetsika io... ♦ Tsy hanaiky ny hampidinana ny karama farany ambany ho an'ny mpiasa tsy miankina amin'ny taona 2023 ny fiaraha-midiniky ny mpiasa malagasy na ny CTM. Nilaza ny hitory eny amin'ny filan-kevi-panjakàna ihany koa ny Randrana Sendikaly, manoloana izany... ♦ Mandalo any amin'ny diôsezin'i Fianarantsoa ny lehiben'ny Fikambanan'i Jesoa maneran-tany. Nanome hafatra ho an'ireo mpianatra sy kristiana izy omaly, tao Ambatomena...

♦ Tsy mankasitraka ny fanaovana fikaonan-doham-pirenena ny antoko Lia Raiky... ♦ Nijerena ny olana sy ny paikady hampivoarana ny asa tanana no isan'ny tanjona amin'ilay fikaonan-doham-pirenena momba izany, natao tetsy Ivato, androany... ♦ Tafapetraka ny birao vaovaon'ny Antenimieran'ny Varotra eto Antananarivo...

♦ Havan'ny mahantra, io no iantsoana an'i Masindahy Artemide Zatti, Salezianina hasandratra ho olomasina, amin'ny alahady 9 ôktôbra 2022... ♦ Nanatontosa ny fanokafana amin'ny fomba ôfisialy ny taom-pikatrohana 2022-2023, ny Fanabeazana sy ny Fampianarana Katôlika ao amin'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Nandefa hafatra fiaraha-miory noho ny loza nitranga ny alakamisy teo, nahafatesana olona 36 tao amin'ny akanin-jaza tao Thaïlande, ny Papa François...

♦ Efa maty alina ihany, ary tsy nahakasika ny valan-java-boahary, ny firehetrana nitranga tao Isalo... ♦ Nahita ny tsy fahita ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra, tao anatin'ny roa taona. Manambana ny hampikatso ny fampianarana ny SECES... ♦ Efa nahatratra dimy hetsy, ireo nahavita ny fitsarana miaramila manerana ny nosy. Hofaranana eto Antananarivo amin'ny herinandro ny fotoam-pitsarana miaramila amin'ity taona ity...

♦ Nanamarina ny fahatratrarana fiara lehibe iray nitondra hazo voamboana tany Vohitraivo Amparafaravola, ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana. Voatonona tamin'ity tranga ity ny anaran'ny olom-boafidy iray akaiky ny fitondrana... ♦ Andro faharoa amin'ny fitokonan'ny mpiraki-draharaha manerana ny nosy ny anio. Niveri-maina avokoa ireo nanan-draharaha teny amin'ny fitsarana Anosy omaly... ♦ Efa tafakatra ho 3000 Ar ny rano iray bidon any atsimon'ny nosy. Ahiana hiverina indray ny kere, hoy ny Solombavam-bahoaka voafidy any Ambovombe...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...