Nasandratry ny Papa François ho olomasina ny 09 oktobra 2022 ny Olontsambatra Artémide Zatti, coadjuteur, salezianin'i Don Bosco."Mpitsabo mpanampy masina" sy "havan'ny mahantra rehetra", io no anarana iantsoan'ny Ray masina azy. Nibaiko ny fiainan'i Md Artémide Zatti taorian'ny fahasitranany ny hoe :"Nino aho, nampanantena aho, sitrana aho" ka nahatonga azy hikarakara ireo marary faraidiny. Fampahafantarana an'i Md Zatti miaraka amin'i P. Raheriarisoa Mamy Augustin,sdb
Olon'ny fihavanana sy mpanasoa ny mpiara-belona i Mgr Philippe Ranaivomanana. Tia sy nahay nifandray aman'olona izy. Laharam-pahamehana ho azy ny fampivelarana ny talentan'ny hafa. Toetra nanahafany an'i Jesoa Kristy ilay narahiny ireo, izay nahafoy ny ainy mba hanavotra ny olombelona. Fahatsiarovana an'i Mgr Philippe Ranaivomanana, Evekan'Antsirabe, nodimandry ny 06 septambra 2022.
♦ Manao tatitra amin'ny Banky iraisam-pirenena any Washington ny Fanjakàna Malagasy, tarihin'ny Ministry ny Fitantanam-bola. Tatitra, momba ny fivoaran'ny fanatanterahana ny fanavaozan-drafitra ara-toe-karena eto Madagasikara... ♦ Miantso ny hanampiana fitaovana entin'izy ireo miasa ny tonia mpampanoa lalàna ambony eo anivon'ny Fitsaràna fandravàna didy. Fanamby ho azy, amin'ny fandraisana io andraikitra io, ny tsy hisian'ny antotan-taratasin'ady mitarazoka intsony... ♦ Vahaolana hitan'ireo manampahaizana avy amin'ny Banky iraisam-pirenena manoloana ny hain-tany any atsimon'ny nosy ny fanorenana toho-drano lehibe any Tsivory. Nanao fanadihadiana tany amin'ny reniranon'i Mandrare izy ireo, nahitàna izany vahaolan'ny kere izany...
Zava-dehibe no hahafantarantsika fa ao amintsika : Andriamanitra Ray, zanaka, ary Fanahy Masina. Andriamanitra Ray : amin'ny alalan'ny saina izay misy ny fahefana anaty. Ny zanaka ao amin'ny fo izay misy ny aina, izy mantsy no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misaraka amin'izy ireo ny Fanahy Masina araka izay voalaza hoe "tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra ny tenanareo". Fandaharana "mba ho vanona".
♦ Nahatratra 140 ireo tebok'afo, ahitàna doro-tanety eto Madagasikara. Firehetana maromaro hafa indray no hita omaly, toy ny faritra arovana any Ivohibe sy Ambohitantely Ankazobe... ♦ Mbola hanohy ny fitokonany, hampikatso ny raharaham-pitsaràna ny sendikan'ny mpiraki-draharaha. Tsy nahavaha olana ny dinika nataon'ireo mpitarika tamin'ny Fiadidiana ny Repoblika... ♦ Nandraisana andraikitra ny fisiana biby maromaro matin'ny trangan'aretina Raboka tao amin'ny valan-javaboaharin'i Tsimbazaza. Arahi-maso avokoa ireo biby ao an-toerana amin'izao...
♦ Mbola nisy faritra arovana nahitana firehetana indray androany. Efa nisy koa ireo olona mpandoro tanindrazana tra-tehaka tany Manatantely... ♦ Tsy nahafapo ireo mpiraki-draharaha indray ny fihaonana niarahany tamin'ny tompon'andraikitra teo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika, androany. Milaza ny hanohy hatrany ny fitokonana izy ireo... ♦ Antoka iray tena hisian'ny fitsinjaram-pahefana marina kosa ny fanomezana sy ny fizarana ara-drariny ho an'ny kaominina sy ny faritra, ny anjarany amin'ny tamberin-ketra azo amin'ny fitrandrahana misy any aminy...
♦ Mety hihemotra indray ilay fihaonana faharoa, hiresahan'ny solontena malagasy sy frantsay momba ireo "îles éparses". Ny fiandohan'ny volana novambra izao ho tanterahina izany any Paris, raha tsy misy ny fiovàna... ♦ Tafapetraka ny "Cellule de crise" manoloana ny doro-tanety misesisesy manerana an'i Madagasikara ankehitriny. Namafisina ny fepetra horaisina sy fampiharan-dalàna ho an'ireo tratra mandoro tanety sy ala... ♦ Manomboka mihena ny habetsahan'ny rano hamokarana herinaratra amin'ireo renirano natokana ho amin'izany. Hisy ny paik'ady iarahan'ny JIRAMA sy ny APIPA, amin'ny fitantanana ny rano hanondrana ny lemak'Antananarivo, eo anatrehan'izany...
Tsara ny fananana dokotera na mpitsabo matihanina na ho an'ny olona tsirairay na ho an'ny fianakaviana. Misy tombontsoa azo tsapain-tanana ny fananana mpitsabo mahazatra satria io no efa mahalala ny fivoaran'ny fahasalamana manontolo. Haingana kokoa ny famaritana ny aretina mahazo ny olona iray, mihamora ny fanomezana fanafody ireo marary satria efa hain'ilay mpitsabo matihanina io ny fanafody tsy zakan'ny taovan'ilay marary. Ny sara-pizahana dia tsy voatery ho fandaniana betsaka satria efa voafehy ny fotoana sy ny soritr'aretina mpahazo matetika ny fianakaviana na ny olona tsirairay manana mpitsabo matihanina mahazatra...
Mitovy daholo ny fahaiza-manao ananan'ny mpitsabo na miankina amin'ny fanjakana na ny tsy miankina, ny fahafahana mampiasa fitaovana sy fanafody no mety mampiavaka ny tsirairay. Ny fanaovana ho anton'asa ny asa fitsaboana dia tsy maintsy azahoana fahazoan-dalana avy amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny fikambanana momba ny fasalamana. Mety hiteraka voka-dratsy ho an'ny fahasalamana ny fihinanana fanafody tsy voalanjalanja eny amin'ireo mpitsabo tsy matihanina ireny. Ny lalana navoakan'ny Ministera tamin'ny faha 26 avrily 2017 no mifehy ny asa fitsaboana eto Madagasikara sy ny asa manodidina ny fahasalamana....
♦ Hiato mandritra ny 4 andro ny famokarana herinaratra any Andekaleka amin'ny faran'ny herinandro izao. Hisy ny fahatapahan-jiro hifandimby eto Antananarivo, vokatr'izany... ♦ Mitaky ny hamoahana an'i Mahery Lanto Manandafy am-ponja tsy misy fepetra n fianakaviany. Nametraka fitoriana teny amin'ny Brigadin'ny Pôlisy eny Anosy, momba ity raharaha ity ny vadiny fa tsy noraisina... ♦ Misy mandrahona ho faty ny tompon'andraikitry ny fitsaràna sy ny ben'ny tanàna any Menabe. Misy ny horonam-peo niparitaka tamin'ny tambajotra ara-tsôsialy momba izany...
♦ Hotapatapaka mandritra ny fotoana maharitra indray ny herinaratra eto Antananarivo sy ny manodidina, manomboka amin'ny zoma ho avy izao. Hiato mandritra ny efatra andro indray ny famokarana herinaratra any Andekaleka, araka ny fanazavan'ny tompon'andraikitra... ♦ Tsy noraisin'ny brigady misahana ny heloka bevava eny Anosy, ny fitoriana napetraky ny vadin'i Mahery Lanto Manandafy. Fitoriana noho ny fandrahonana hofaty nataon'ilay vazaha nitory an'i Malama, nandritra ny fotoana nakany ny taratasy fiantsoana azy teny Anosy...
♦ Niampy roa indray ireo Olomasin'ny Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômana, Olontsambatra roa no naroso ho eo amin'izany laharana izany omaly. Anisan'izany ilay Frera Salezianina, Artémide Zatti... ♦ Mamangy ny fikambanana eto Madagasikara ny Père Général an'ny Fikambanan'i Jesoa. Anisan'ny notsidihina ny tany amin'ny Diôsezin'i Mananjary sy ny tao amin'ny Diôsezin'i Fianarantsoa... ♦ Natsangana tamin'ny fomba ôfisialy omaly, ny Fraternité Franciscaine ao Vohipeno...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco