♦ Hiparitaka eny anivon'ny CSB2 manomboka anio ny fanaovam-bakisiny fatra faharoa, ho an'ireo efa nitsindrona ny vakisiny Covishield farany teo. Roa volana sy tapany ny fe-potoana omen'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, hanaovana izany... ♦ Mangataka fihaonana amin'ny Filoham-pirenana ireo antoko pôlitika manohy ny hetsika fitakiana ireo nosy malagasy. Milaza ny hanitatra ny hetsi-pitakiana manerana ny nosy izy ireo, manomboka izao...
♦ Mangataka fihaonana amin'ny Filoham-pirenena ireo antoko pôlitika manohy ny hetsika fitakiana ireo "Iles éparses". Nilaza ny hanitatra ny hetsika izy ireo, raha nanao fanmbarana teny Andravoahangy Ambony, androany... ♦ Filaharam-be vao maraina androany, no hita tamin'ny fanombohan'ny fanaovam-bakisiny andiany faharoa teny amin'ny HJRA Ampefiloha. Naneho ny tsy fahafaliany, noho ny fahadisoam-potoana, ireo olona hatao vakisiny tonga vao maraina...
 
											 
 
			Sabotsy 21 aogositra 2021 — Victoire Rasoamanarivo, Olontsambatra — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo mifankatiava toy ny nitiavako anareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 1-8
 
											 
 
			Zoma 20 aogositra 2021 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra Lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 34-40
♦ Hitondra vahaolana amin'ny olan'ny fitantanana ny karaman'ny mpiasam-panjakàna sy ny fisotroan-dronono ny ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola vaovao... ♦ Fisoratana anarana any amin'ny sekolim-panjakàna : Ny fivorian'ny ray aman-drenin'ny mpianatra sy ny FEFI no mamaritra ny fandraisana anjaran'ireo mpianatra... ♦ Hankalaza ny faha 30taona nijoroany amin'ny taona ho avy ny FAFIALA, mifototra amin'ny fampandrosoana lovain-jafy eny amin'ny tontolo ambanivohitra...
 
											 
 
			Alakamisy 19 aogositra 2021 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 1-14
 
											 
 
			"Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy". Ny fifanampiana eo amin'ny andaniny sy ny ankilany no mampiroborobo sy mampaharitra ny fiaraha-miasa amin'ny hafa. Fianarana ho antsika ny nasehon'Andriamanitra, satria na manana ny ampy tsy taka-pesipesenina aza Izy dia mila mandrakariva ny fiaraha-miasa amintsika olombelona nohariny. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
 
											 
 
			Rehefa misy ny disadisa eo amin'ny fiaraha-monina dia ilaina ny fivoriana sy ny fanaovana jery todika mba hahitana ny marimaritra iraisana. Tsara indrindra raha atao mitovy tantana ny olona reheta miara-miasa fa tsy asiana tombo sy hala. Tsy vita mora anefa izany fa mila faharetana, fiafiana sy fampijalian-tena. Ialàna anefa ny fifampitsabahana andraikitra. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
♦ Miakatra eto an-drenivohitra mitaraina amin'ny manam-pahefana mahefa ny fianankavian'ilay reni-pianankavaina maty, novonoina tamin'ny fomba feno habibiana, tao Bekomafa-vondrozo, iray volana lasa izay... ♦ Niatrika fanadihadiana lalina teny amin'ny fonja nihazonana azy eny Antanimora Ramatoa Voahangy Rafanoharana... ♦ Nanomboka omaly ary hitohy anio ny famindram-pahefana eo anivon'ireo ministera taorian'ny fanovana ireo mpikamban'ny governemanta...
♦ Mbola miaina anaty fitaintainana sy alahelo ny fianakavian'ilay renim-pianakaviana maty nofiraina antsy, tao Bekomafa Vondrozo, iray volana aty aoriana... ♦ Nanomboka androany ny famindram-pahefana eo amin'ireo minisitra teo aloha sy ny minisitra vaovao. Hitondra ny heviny eto, ny Solombavam-bahoaka IRD, izay naniry ny hahamaro isa ireo Solombavam-bahoaka ao anatin'ny Governemanta...
♦ Pretra iray avy amin'ny fikambanana Montfortain, no nohamasinina ho pretra omaly, tao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Feno 35 taona tamin'ny taon-dasa ny niorenan'ny fikambanan-dry Masera ZAFIMA na Zanakavavin'ny Fiangonan'i Mahajanga. Nomarihina omaly izany, tao amn'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Tontosa omaly, ny Zaikaben'ny MDMK tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé...
 
											 
 
			Miankina amin'ny tsirairay no mampisy io fiaraha-miasa amin'ny hafa io ; noho izay dia samy tompon'andraikitra ny rehetra. Voalohany dia ilaina ny fifankatiavana sy ny fifanajàna eo amin'ny samy mpiara-miasa, ary ao anatin'izany ny fifampitokisana. Faharoa fitadiavana ny marimaritra iraisana. Raha samy tsy mifampihaino sy samy miziriziry amin'ny heviny ny tsirairay mety ho potika ny fiaraha-miasa. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
			Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
			I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
			Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco