♦ Fankalazana amin'ny fomba ôfisialy ny fetin'ny 26 jona eny amin'ny Kianjan'ny Barea eny Mahamasina. Manomboka mametraka ny lamina ho an'ny fandriam-pahalemana ao anatin'ny kianja sy ny manodidina ny kianjan'i Mahamasina ny mpitandro ny filaminana, hoy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka... ♦ Nahatratra 1 taonina isan'andro ny fako nateraky ny fitsaboana ny Coronavirus, nandritra ny vanim-potoana nampamaivay ny valan'aretina teto amintsika. Nitadiavam-bahaolana tamin'ny alalan'ny atrik'asa teny Antaninarenina ny hahafahana mifehy ny fitantanana izany fako izany...

Sabotsy 26 jona 2021 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao : Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 5-17

Ao anatin'ny iray volan'ny teny malagasy isika amin'ity volana jona ity. Sehatra sy/na fikambana vitsivitsy anefa no tena manamarika io iray volana io. Ny teny manentana amin'ity taona ity dia : izay tia ny teniny, tia ny taniny. Tsy afaka mifanerasera ny olona raha tsy misy ny teny izay vohizina hifaneraserana ary mifandray amin'ny tany. Ny hoe "teny" : voalahany adika ho voambolana ary faharoa dia fiteny. Ilaina ny famerenana ireo taranja sy fizàrana teny amin'ny ambaratonga fototra... 

Ny fitiavako ny tanindrazako, mamelona ny ambom-pom-pirenena. Ao anatin'ny iray volan'ny teny malagasy isika amin'ity volana jona ity. Tanjona ny hanentanana ny rehetra mba hanaja ny fitsipika amin'ny fampiasana ny teny malagasy na an-tsoratra na am-bava. Ny teny dia manan-danja ary masina ; isika malagasy dia manana fiteny maro. Ny tanindrazana dia ilay toerana ivezivezen'ny teny hampiasain'ireo olona miresaka, noho izany dia mifamatotra ny teny sy ny tanindrazana. Ny teny dia mihaina : miforona, mivelona, miova, maty.

♦ Mbola tsy nisy fampahafantarana ôfisialy hatramin'izao ny fizotry ny fanamarihana ny fetim-pirenena amin'ny 26 jona izao. Voalaza kosa fa hatao amin'ny tolak'andro ny matso eny Mahamasina... ♦ Niakatra roapolo ny isan'ny orinasa nitsangana eto Madagasikara raha mihoatra ny tamin'ny taona 2020, hoy ny tatitry ny EDBM... ♦ Misy indray ny fakàn-kevitra amin'ny mpisehatra voakasika momba ny fantsaràna ny teti-pivoaran'ny fanabeazana na ny PSE... 

Anjaran'ny tsirairay ny misaintsaina, indrindra ireo zatovo sy tanora efa am-perin'asa na mbola mitady asa, na mbola mianatra sy miomana hiasa mba tsy ho sodokan'ny nofinofy fotsiny ihany, na ho kivy raha tojo tsy fahombiazana. Tsy afaka hitondra vokatra ny fihaonana manokana amin'i Jesoa raha tsy ao anatin'ny ankohonana feno fiombonana. Katesizy momba ny asa fivelomana, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Tena maika dia maika ny fanasàn'i Jesoa antsika, hiala amin'ny fombatsika mihiboka, isika ilay miolonolona sy miavonavona. Maro ny olona mijaly tsy manana na inona na inona. katesizy momba ny asa fivelomana, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Tsapa ankehitriny fa ny "fihibohana" vokatry ny ady amin'ny Covid-19, dia mampiharihary ireo elanelana misy eo amin'ny Vahoaka sy ny Mpitondra, ny mpanankarena sy ny mahantra. Maro ireo mihidy amin'ny tenany sy ny ankohonany ka tsy afaka mivelatra amin'ny asany. Katesizy momba ny Asa fivelomana, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Tsy misy dikany ny asantsika raha tsy arahim-bavaka. Ny finoana no harena lehibe indrindra ananan'ny mahantra, ary zava-dehibe ny anambaràna sy anatevenana an'io finoana io. Mpamafy isika ary izay mamafy dia manao izany ao anaty fanantenana. Katesizy momba ny asa fivelomana, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Hoy vavaka nataon'ny Papa Fransoa : Ry Ray ô, ataovy miforona eo amin'ny samy mpiasa ny tena firaisankina. Enga anie izy ireo hahay mifampitsinjo, mifankahery... Nankininy manokana tamin'i Md Josefa mpiaro ny mpiasa eran-tany ny mpiasa rehetra manerana ny Nosy. Katesizy momba ny asa fivelomana, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Tsy maintsy mikendry sy mamorona ny asa fivelomany ny tsirairay, tokony hirindra ireo asa samihafa ireo ka ny Fanjakàna na ny tompon'andraikitra voafaritra no manao ny fandrindrana. Tanjona ny tsy hisian'ny asa mifanitsaka na eo aza ny fahalalahana hifaninana ary modelin'izany ny fiainan'ireo mponina eny amin'ny Akamasoa. Katesizy momba ny asa fivelomana, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Zoma 25 jona 2021 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 1-4

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...