Ao anatin'ny volana jona isika, izay volana feno fanamarihana sy fankalazana, isan'izany ny andro manerantany hiadiana amin'ny fampiasàna zaza tsy ampy taona. Misy fifandraisana mafonja eo amin'ny zanaka sy ny ray, indrindra amin'ny lafiny fanabeazana, ampy hampivelarana ny sain'ny ankizy izany raha voarindra. Ny hoe ray lavitry ny zanany : ireo ray tsy mifandray matetika amin'ny zanany, variana loatra amin'ny asany, tsy mandray andraikitra firy amin'ny fanabeazana,..
Zoma 18 jona 2021 — Herinandro faharaika ambin'ny folo mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 19-23
♦ Hiverina amin'izay ny fivorian'ny Pretra eto amin'ny diôsezin'Antananarivo, rehefa niato noho ny hamehana ara-pahasalamana... ♦ Hiala nenina hitaky fanazavàna amin'ny fitondràna amin'ny tohin'ny fitakiana ireo "iles éparses" ny antoko Otrik'afo sy ny mpiara-dia aminy... ♦ NItokona omaly ireo mpiasan'ny taxi-be zotra H mampitohy ny renivohitra amin'Avaradrano iny. Tsy eken'izy ireo ny fanovàna toeram-piantsonana napetraky ny kaominina Antananarivo...
♦ Hiverina ny 21 sy 22 jona izao ny fivorian'ny pretra eto amin'ny diosezin'Antananarivo, rehefa niato volana vitsivitsy noho ny hamehana ara-pahasalamana... ♦ Tsy mitovy hevitra manoloana ny fahafatesan'ilay zazalahy tetsy amin'ny BANI Ivato ny fianakaviany sy ny Etamazaoron'ny Tafika...
♦ Hotanterahana isaky ny renivohi-paritany ny matso ataon'ny foloalindahy malagasy hankalazàna ny faha-61 taona niverenan'ny fahaleovantenan'i Madagasikara... ♦ Nambaran'ny teknisiana ao amin'ny ministeran'ny rano sy ny fidiovana ary ny fanadiovana fa tsy misy ahiana ny famatsiana rano fisotro madio ho an'ny mponina Antananarivo... ♦ Takian'ny Randrana Sendikaly ny ahafahan'ny toeram-pitsaboana iraisan'ny orinasa hitsabo ny mpiasa mararin'ny Covid-19...
Ny fihatsarambelatsihy dia endriky ny fihavanana ihany koa. Mitranga ny fiatsarambelatsihy rehefa maharitra ny fifaneraserana, rehefa tsy te hifampizara soa. Ny fifosafosàna dia mbola endriky ny fihavanana ihany koa. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria...
Ny fialan-tsiny dia mba hilazàna fa tsy misy lavorary amin'izay nataony ny olona iray. Ny fialan-tsiny ihany koa anefa dia fiarovantena alohan'ny fotoana sy tahotra ny ho tsikeraina. Manana fahazarana manao zavatra atomotra sy tsy ara-potoana ny olona. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria...
Misy kilema ny fihavanana fa tsy voatery ho tsara foana, ohatra amin'izany ny fisehoan'ny fitiavan-tena, fitadiavana tombony. Fomba amam-panao ny "atero ka alao" miendrika fifanampiana, endriky ny fihavanana anefa mampanalasala noho ny vola. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria...
Mety hanimba ny fihavanana ny fifaneraserana andavanandro noho izany ny havana tiana dia tsy hiaraha-monina. Hanamafisana ny fihavanana dia natao adidy ny "mifamangy" ary arahina fanomezana aza izany rehefa andro fety, ho an'ny ray aman-dreny. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria...
Ny fifandraisana eo amin'ny fianakaviana no rohy maha mpihavana. Manana ny lanjany ny fihavanana ary notandroina fatratra teo amin'ny Malagasy. Ny fihavanana dia nahafahana nandrindra fiaraha-monina sy disadisa, ambony lavitra noho ny vola sy ny voninahitra. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria...
Alakamisy 17 jona 2021 — Herinandro faharaika ambin'ny folo mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Matio 6, 7-15
Alarobia 16 jona 2021 — Herinandro faharaika ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao, ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 1-6. 16-18
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco