♦Mihemotra ny fara-fisoratana anarana ho an'ny fanadinam-panjakàna CEPE sy BEPC. Voatazona kosa ny datim-panadinana efa nivoaka... ♦ Tokony efa hiomana amin'ny mety fidiran'ireo karazana coronavirus miova endrika eto Madagasikara ny tsirairay, hoy ny mpandinika fiaraha-monina Rabary Paul, sarotra mantsy ny hanidy tanteraka ny sisin-tany... ♦ Tsy tokony ho sakana tsy hahafehezana ny krizy ara-pahasalamana ny fampandehanana ny toe-karena raha samy mandray andraikitra...
 
 
											  
 
			Zoma 23 avrily 2021 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava, isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 52-59
♦ Mbola maro an'isa amin'ny tranga vaovao mitondra ny tsimokaretina ny eto Analamanga. Ny 329 tamin'ny tranga vaovao miisa 404 manerana ny Nosy dia teto amin'ny Faritra Analamanga avokoa... ♦ Mikatso ny toe-karena, voakasik'izany ny sehatry ny fizahan-tany. Aleo mba hisy fijerena miandalana ny famahana ny krizy ara-toekarena, hoy Andriamatoa Faly Ramakavelo, mpandraharaha amin'ny sehatry ny fizahan-tany...
 
 
											  
 
			Alakamisy 22 avrily 2021 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 44-51
♦ Toherin'ireo mponina sasany eny amin'ny fokontany Sabotsin'Ambatofotsy ny hametrahan'ny fitondram-panjakàna ilay fasan'ny Firaisam-po eny an-toerana... ♦ Naka ny hevitry ny HCC ny filohan'ny Antenimieram-pirenena, manoloana ny fahabangan-toerana, noho ny nahafatesan'ny solombavambahoaka an'i Manakara... ♦ Misy rivodoza miforona any Avaratra-Atsinanan'ny Nosy. Mitondra rivotra 55km/h ary tafiotra 70km/h...
 
 
											  
 
			Ny aretina no hiadivana ao anatin'ny tanjona ara-pahasalamana. Ny aretina no mampikorontana ny rindra efa ao anatinao, noho ny antony maro samihafa, io no tianao haverina ka io ilay tanjona ara-pahasalamana. Mila manova toem-po sy toe-tsaina isika entina miatrika ny valan'aretina, mitaky ezaka izany ary mila fahalalana ho fototra...
♦ Nitafa tamin'ny vahoaka malagasy alina ny filoham-pirenena Andry Rajoelina manoloana ny firongatry ny valan'aretina Covid. Nambarany fa hampiharina eto amin'ny faritra Analamanga isaky ny sabotsy sy ny alahady ny fihibohana tanteraka... ♦ Miisa 88 sy 500 ny ranga vaovao mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus ny sabotsy teo tamin'ny fitiliana miisa 1.696, sitrana 327, miisa 04 no lavon'ny aretina... ♦ Miandrandra fampandrosoana tsy mitanila sy ny fampiasana ara-drariny ny fitaovana fanamboaran-dalana avy amin'ny fitondram-panjakana ny député an'i Soavinandriana...
♦ Niverina nidinika momba ny vakisiny indray omaly, ny Filoham-pirenena sy ny avy amin'ny Akademiam-pirenena momba ny fitsaboana. Ilaina, hoy ny Filoha, ny fandalinana bebe kokoa izay vakisiny hafarana... ♦ Olona 10 indray no matin'ny Covid-19 teto amintsika, niampy 539 ireo tranga vaovao, araka ny tarehimarika farany avy amin'ny Ministeran'ny Fahasalamana...
♦ Manao antso avo amin'ireo olona afaka hanaolo-tanana hanafainganana ny fahatongavan'ny vakisiny eto Madagasikara, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Nisy indray androany ny fihaonana teo amin'ny Filohan'ny Repoblika sy ny Akademiam-pirenena momba ny Fitsaboana... ♦ Tsy mazava tamin'ny ankamaroan'ny mponina ety Ivato ilay toerana voalazan'ny Filohan'ny Repoblika fa hametrahana ny fasan'ny firaisam-po etsy Mandrosoa...
♦ Tsy tokony hisy intsony ny fahatapahan'ny herin'aratra any amin'ny hôpitaly sy ny ivon-toerana fitsaboana ny Covid eto amintsika, na CTC, ary ny hôtely/hôpitaly. Nisy mantsy ny marary maty noho ny fahatapahan'ny herina'aratra, hoy ny Filoham-pirenena... ♦ Hiroso amin'ny fanadiadiana ara-tsiansa momba ny rambon-tany ambany ranomasina i Madagasikara manomboka amin'ny volana jona izao...
 
 
											  
 
			Alarobia 21 avrily 2021 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 35-40
 
 
											  
 
			Talata 20 avrily 2021 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava; isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 30-35
 
			Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny... 
			I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny... 
			Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco