♦ Niampy iray indray ny olona maty tsy nahatohitra ny Coronavirus. Renim-pianakaviana iray bevohoka izay voatery nodidiana izy io... ♦ Nesorina teo amin'ny toerana maha Ministry ny Fanabeazam-pirenena azy Ramatoa Rijasoa Andriamanana, noho ilay resaka vatomamy ho an'ny mpianatra... ♦ Mirongatra ny tsy fandriampahalemana any Ambovombe Androy...

♦ Niampy iray ny olona tratry ny Coronavirus, nondaosin'ny fahafatesana teto Madagasikara... ♦ Mitohy ny fanasaziana ny olona tsy mitondra aron-tava eny an-dalambe, na somary tsy voaresaka loatra aza ny amin'izany tato ho ato... ♦ Désiré Rafidimanana : Tsy tokony hanaovana fanararaotana pôlitika ny fahasahiranana iainan'ny firenena amin'izao...

Manameloka ny endri-panavakavahana rehetra ary nananatra ny mponina any Etazonia noho ny fisian’ny herisetra izay manimba ny rehetra i Papa François tamin’ny “Audience Générale” notanterahany tao amin’ny lapa apôstôlikan’i Vatican, omaly.

♦ Eny amin'ny Araben'ny Fahaleovantena eny Analakely no fankalazana tokana ny faha-60 taonan'ny niverenan'ny fahaleovan-tena amin'ity taona ity... ♦ Efa vonona handray an-tanana ireo mararin'ny Coronavirus ny hôpitaly annexe any Moramanga... ♦ Maty antoka ny mpiompy ombivavy be ronono sy ireo misehatra amin'ny lalam-pihariana ronono noho ny Coronavirus...

(03-06-2020) Hery ary zavadehibe eo amin'ny fiainan'ny olombelona ny fahatokisana.

Sabotsy 06 jona 2020 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 38-44 — Misaotra Anao aho, ry Raiko, tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin'ny madinika ny tsiamaratelon'ny fanjakanao.

♦ Tafakatra ho 908 izany ny isan'ny olona mitondra ny Coronavirus eto Madagasikara. 707 no tsaboina any amin'ny hôpitaly, 195 kosa no efa sitrana... ♦ Manahy amin'ny mety hidiran'ny firenena ao anaty krizy lalina ara-tsosialy sy politika ary toe-karena ny Komitin'ny Fahamarianana sy Fandriampahalemana ary ny Fiadanana na ny K3F... ♦ Nitrangana savorovoro kosa tao Toamasina omaly...

♦ Niampy 63 ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara raha ny fitiliana vita omaly tontolo... ♦ Efa voafehin'ny mpitandro ny filaminana ny zava-misy tany Toamasina amin'izao fotoana izao... ♦ Efa voafehy ny mety hiparitahan'ny Coronavirus ao Toliara, manoloana ny fisian'ireo tranga roa vaovao hita...

Zoma 05 jona 2020 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 35-37 — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo ; ny baikonao mazava manilo ny maso.

♦ Raha tsy misy ny fiovana dia amin'ity herinandro ity no holanian'ny eo anivon'ny Antenimieran-dohaolona ilay lalàna mifehy ny serasera... ♦ Mbola maro ny mpanao gazety no iharan'ny tsindry sy ny sakana amin'ny fanatanterahany ny asany... ♦ Nofoanana tanteraka ny arebdrina sy ny afomanga ary ny hetsika rehetra mety mampitangorona olona mandritra ny fanamarihana ny fetim-pirenena...

Alakamisy 04 jona 2020 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 28-34 — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ; ka ho tian'ny Ray ary hankao aminy izahay.

♦ Nitombo 19 indray ny isan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto amintsika... ♦ Vola hatrany amin'ny roa rivo milara Ariary no heverina tsy ho tafiditra ao anatin'ny kitapom-bolam-panjakna noho ny valan'aretina Covid-19... ♦ Olona efatra no nanatitra antontan-taratasy teny amin'ny Antenimieram-pirenena, hifaninana hisolo toerana an'Andriamatoa Thierry Rakotonarivo, Filoha lefitry ny CENI teo aloha...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...