Alarobia 10 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 17-19 — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin'ny lalànao.
Talata 09 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 13-16 — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao.
♦ Folo no isan'ny olona nametraka ny antontan-taratasiny eny amin'ny Antenimeiram-pirenena hifaninana amin'izay hisolo ny toeran'Andriamatoa Thierry Rakotonarivo, Filoha lefitry ny CENI teo aloha... ♦ Vonona handray anjara amin'ny fanadihadiana mikasika ny fitantanana ireo fanampiana azon'i Madagasikara hiadiana amin'ny valan'aretina Covid-19 ireo Loholona...
♦ "Mba ho tantarainao amin'ny zanakao aman-jafinao... lasa tantara ny fiainana", izay no lohahevitry ny Andro eran-tany faha-54 ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona nankalazaina omaly teto Madagasikara... ♦ Iray no maty, 09 marary mafy, 21 sitrana soa aman-tsara. Nisy 26 indray ny olona voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus, ka ny 11 tany Toamasina, 16 teto Antananarivo...
Ny fahefa-miatrika ireo dona mianjady amin'ny fiainantsika zanakolombelona, ao anatin'ny fanomezana hasina hatrany ireo fahasamihafana ananantsika, dia ilana paik'ady. Fanabeazana manomboka eo amin'ny ankohonana, avela miatrika ny ankizy fa tsy saikena foana : izany no fanabeazana : mampianatra ny olona hisaina. Hahatsiaro mandrakariva fa tsy misy olona tonga lafatra. Tsy tokony hohadinoina ihany koa fa tsy mampitondra zavatra tsy zaka Andriamanitra. Mila mamantatra sy mahatsapa ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra anananao. Mila manana toe-tsaina mahay manaiky sy mandanjalanja. Mila mahay mihaino ny hafa. Hotsaroana mandrakariva ihany koa fa manam-panahy ny olombelona : mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.
Mifantoka amin'ny fitantarana ny hafatra nomen'ny Papa François ho an'ny mpikirakira ny fitaovam-pifandraisan'ny mpiara-belona tamin'ity taona 2020 ity. Ankalazaina eto Madagasikara isaky ny alahadin'ny Trinite Masina ny fankalazana ny andro maneran-tany ho azy ireo ka mifandraika amin'io hafatry ny Ray masina io ny fanentanana entin'i Mgr Fulgence Rabemahafaly Arsevekan'i Fianarantsoa, Filohan'ny Vaomietan'ny Eveka momba ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona eto Madagasikara.
♦ Andrasana ho voafaritra amin'izao faran'ny herinandro izao ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakana 2020... ♦ Mitaky ny handrosoana ny tetiandro hanombohan'ny fiotazana lavanilina 2020 ny mpandraharaha sy ny olom-boafidy any amin'ny faritr'i Sava... ♦ Mananontanona an'i Madagasikara ny loza samihafa, hoy ny Ministra tompon'andraikitra, manoloana fanamarihana ny andro eran-tany momba ny tontolo iainana...
♦ Olona 18 hafa indray no mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto amintsika, araka ny tatitra omaly... ♦ Tsy ho taona fotsy ity taom-pianarana ity ho an'ny sekoly katôlika, ezahana ho vita ny fandaharam-pianarana... ♦ Mbola fepetra maro no takiana vao afaka hisokatra ny lanitr'i Gasikara, hoy ny Ministry ny Fitaterana sy ny Fizahan-tany...
♦ Olona 18 vaovao indray no fantatra fa mitondra ny tsimok'aretina Covid-19, araka ny tatitra nivoaka androany... ♦ Misy ambadika pôlitika ny savorovoro tany Toamasina afak'omaly, raha ny tatitry ny Solombavambahoaka avy any Toamasina I... ♦ Tao aorian'ny disadisa nifanolanan'ny mpianatra avy amin'ny Grand Sud sy ny FITEFA (Zanak'Avaratra) any amin'ny Oniversiten'i Toamasina dia nisy ny fampihavanana azy ireo...
Alatsinainy 08 jona 2020 — Masindahy Jacques Berthieu — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 18-21 — Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny amin'i Kristy, fa mitoetra ao aminareo ny fanahin'Andriamanitra.
♦ Mbola tsy voafaritra hatramin'izao ny datin'ny fanadinam-panjakana na dia efa tontosa aza ny fisafidianana farany ny laza adina ho an'ny CEPE 2020... ♦ Manambana ny handray fepetra ambonimbony kokoa ny Fikambanan'ny Taxi FATAR raha tsy misy ny vahaolana avy amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra... ♦ Olona telo kosa no maty ary telo hafa naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana tany Moramanga...
Alahady 07 jona 2020 — Ny Trinite Masina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 16-18 — Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco