♦ Notendren'ny Papa Léon faha-14 ho Eveka mpandimby toerana (Evêque coadjuteur) ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa ny sabotsy teo i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona... ♦ Ny 80% amin'ny solombavambahoaka lany tamin'ny alalan'ny IRMAR no efa nametra-pialana tao amin'ny vondrona parlemantera misy azy ary manohana ny asa fampandrosoana ataon'ny mpitondra ankehitriny... ♦ Nanandratra avo ny fanatanjahantena indray ny tsipy kanety be. Norombahan'i Madagasikara ny tompon-daka eran-tany ho an'ny olon-droa lahy sy vavy miaraka nandritra ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany ho an'ny tsipy kanetibe ho an'ny tanora taona 2025 natao tany Espagne...
Ireto ny fizaràna sy toko 4 amin'ny votoatin'ny Sancrosanctum Concilium, ao anatin'ireo fizaràna 7 lehibe : Ny Breviera izay vavaky ny Eglizy, fanamasinana ny andro ; Ny Tetiandro litorjika, fankalazana an'i Kristy amin'ny misterin'ny Taona Litorjika manontolo ; Ny Mozika sy ny Hira Masina ; Ny zavakanto sy ny fitaovana litorjika...Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Anjelin'Andriamanitra, mpiambina ahy sy nanankinan'Andriamanitra mpamindra-fo ny aiko, Hazavao aho anio, ambeno ary tahio ary zakao, Amen ; Ry Reny masin’Andriamanitra, arovy izahay miankina aminao: ianareo Anjely mpiambina anay sy ianareo Olomasina rehetra any an – danitra, manampia anay , ary mangataha amin’Andriamanitra ho anay, mba hampiadaniny ety ambonin’ny tany izahay sy harovany tsy ho latsaka amin’ny fahotana, ary dia ho tonga any an – danitra. Ry Misely Arkanjely masina, ampio izahay amin’ny ady manjo anay, arovy izahay amin’ny hasomparana sy ny fandriky ny demony. Mifona izahay, aoka hosakanan’Andriamanitra izy. Ary ianao, ry Filohan’ny tafiky ny lanitra, noho ny herin’Andriamanitra, dia tohero i satana sy ny fanahy mpanimba rehetra, izay mihahaka rean’izao tontolo izao mba hahavery ny olona, ka avarino any amin’ny afobe. Amen... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny votoatin'ny Sancrosanctum Concilium dia mizara toko 7 lehibe ka ireto ny telo voalohany : Ny fitsipika ankapoben'ny fanavaozana litorjika ; Ny Eokaristia Masina izay fanavaozana ny zotram-pivavahana tao amin'ny missel ; Ny sakramenta sy ny Sakramentaly, izay fanamafisana ny maha zava-dehibe ny fandraisana sakramenta...Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco