Alahady faha-30 mandavantaona — D — Hohenoim-bavaka ny manetry tena ; Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao. Izaho misaotra ny Tompo lalandava; ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany. Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko: mandrenesa, ry ory, ka mifalia. Ny Tompo tezitra amin’ny olon-dratsy ka hahavery tadidy azy eto an-tany. Ny Tompo mihaino izay miantso Azy, ny ahiahiny rehetra ataony misava. Ny Tompo eo anilan’izay mijaly ary namonjy ny rera-tsaina. Ny fanahin’ny mpanompony avotan’ny Tompo; tsy mba hisy sazy ho an’izay mifefy aminy...
Ny "goitre" dia aretina iray miteraka olana amin'ny fitelemana sakafo, manimba ny feo, aretina mihombo tsikelikely. Ny fivontosana amin'ny vatan'ny tiroida, izay manimba ny ampahany anoloana amin'ny tendany. Ny tiroida no mpamokatra ny tsirimpanentana, ilaina miantoka ny fitempon'ny fo, fanodinana ny sakafo sy zavatra maro anatin'ny olombelona, fandanjalanjana ny hafanan'ny vatana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Hijanona ho an'ny Malagasy 100% ny orinasa Jirama ary tsy hisy ny fanesorana mpiasa hoy ny tale jeneraliny, tsy maintsy hirosoana hoy ity farany ilay drafi-panarenana efa natomboka ny volana jona 2024... ♦ Vonona hitondra anjara biriky amin'ny fanavaozana sy fanorenana ifotony ny firenena ireo manampahaizana manokana momba ny fitantanana ny raharaham-panjakàna sy fitantanam-bolam-panjakàna nivoaka teo anivon'ny ENAM... ♦ Miatraika amin'ny fandraisana an-tanana ireo marary ny fitokonana ataon'ireo interne en médecin eny anivon'ny Hopitaly HJRA, manome fe-potoana 72 ho an'ny tompon'andraikitra mahefa hitady vahaolana araka izany ireo mpitsabo...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco