Aina hoan’ny zavamananan’aina, tsy ankanavaka rehetra ny rano, raha olombelona koa tsy afa-miala aminy. Misedra olana momba ny rano nefa isika ankehitriny, na an-tanandehibe na ambanivohitra. Nivoaka tamin’ny fahanginana ny firaisamonim-pirenena misehatra amin’ny rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana na ny OSCEAH manoaloana ny toe-java-misy eto amin’ny firenena...
♦ Hisitraka rano fisotro madio, afaka iray volana ny mpianatra eny amin'ny Université Polytechnique Vontovorona... ♦ Mbola miankin-doha amin'ny frantsay ny toe-karena malagasy ary voabaikony hatramin'ny mpitondra hatramin'izay, hoy ny mpandraharaha Ramananarivo Daniel... ♦ Nijoro ary nanao fanambarana manoloana ireo ambarany ho tsindry sy fanararaotana misy, amin'ireo harem-pirenena eny Angavokely, ny vondron'olona ifotony Soa Iombonana Angavokely (VOI SOIMANGA)... ♦ Manome 60 andro an'Andriamatoa Jacob Zuma, filohan'i Afrika-Atsimo teo aloha, ny fitsaràna any an-toerana hanefany vola an-tapitrisany euros amin'ny fitsaràna...
Ny fomba fijery miabo dia toe-tsaina mitarika ny olona hahita ny tsara sy hanana fanantenana na dia eo amidin’ny fahasahiranana aza, ka manampy amin’ny fanatsarana ny fiainana. Amin’ny fanamby atrehin’ny tanora sy ny ady amin’ny VIH/SIDA, dia ilaina ny fanabeazana sy fanohanana ara-panahy sy ara-tsosialy hanamafisana ny herim-po sy ny fanajana ny hafa. Manoloana ireo marary na mitondra ny VIH/SIDA dia tokony manao toy ny nataony Samiritana ka manampy tsy manilika ary miezaka miaro azy ireny isika. Mila ny fanohanantsika izy ireny ara-moraly... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Jesoa no ivon'ny fiainana sy faratampon'ny litorjia - Tsy ampy ny "mouvement liturgique" fa tsy maintsy asiana fanazavana. Tamin'ny 11 oktobra 1962 dia nanokatra ny Konsily Vatikana-II, ny Papa Jean-XXIII, ka ny iray amin'ireo lohahevitra lehibe dia ny fanavaozana ny Litorjia... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco