• Mametraka fanamby hifehy ny fihanaky ny valala eto amintsika ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fahavitan-tena ara-tsakafo, sy ireo mpiara-miombona antoka aminy... • Nofaranana androany teny amin'ny Antenimeram-pirenena, tamin'ny alalan'ny fivoriana azon'ny rehetra natrehina ny iraky ny P.R.J.I.O, Parlemantan'ireo tanora aty amin'ny faritra Oseana Indiana... • Nikarakara fihaonana fifanakalozana mikasika ny fitantanana sy ny fampiasana indray ny fako organika sy plastika teny Anosy androany, ny CIDST sy ny CNRIT ary ny Alliance AIKA...
♦ Masoivohon'i Madagasikara hiasa any ivelany miisa telo indray no notendrena nandritry ny filan-kevitry ny ministra omaly. Ambasadaoro Malagasy 8 no voatendry tato anatin'ny herinandro vitsivitsy... ♦ Manoso-kevitra ny hananganana dinam-piaraha-monina vaovao "titike" hitondràna ny firenena ny antoko Avotse Tagnendraza Madagasikara. Hitondra izany any amin'ny fikaonan-doham-pirenenea izy ireo... ♦ Omena fiofanana ny Pôlisy sy ny Zandary eto Madagasikara momba ny fampiasàna ny "I.A" hiadiana amin'ny fanararaotana ara-nofo atao amin'ny ankizy anaty tambajotran-tserasera...
Ny reny no tompon'andraikitra voalohany hampita amin'ny zanany vavy ny hahareny azy koa amin'ny ho avy. Noho izany, manana adidy izy hampiseho fahamendrehana amin'ny lafiny rehetra. Misy toetra fototra tokony hananan'ny reny dia ny fahamendrehana amin'ny lafiny fitafy, fihetsika, fiteny ary indrindra ny fahaiza-mihaino... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Vonona hiatrika ny fikaonandoham-pirenena ny FFKM. Nasongadin'ny Filohan izany omaly, tamin'ny fanokafana ny Kômity foibe teny Ilafy... ♦ Tafakatra 6 amin'izao fotoana izao ireo olona matin'ny valanaretina MPox eto Madagasikara. Vehivavy iray, avy any Diana no namoy ny ainy, raha ny tatitra ôfisialy nivoaka omaly... ♦ Iray vondrona amin'ny firenena mpampiantrano i Madagasikara amin'ny dingana fifanintsanana ho any amin'ny CAN 2027, taorian'ny antsapaka omaly. Sarotsarotra ny fiadian-toerana ho an'ny Barea... ♦ Misy fivoarana miabo ny dinika amin'i Iran, manoloana ny ady any Moyen-Orient hoy ny filoha Amerikana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco