• Ho avy tsy ho ela ny fananganana ny Governemanta, hoy ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo androany, teny amin'ny Lapam-panjakana Mahazoarivo. Governemanta hiasa sy hanome vokatra fa tsy ho lany andro amin'ny kabary, raha ny fanazavany... • Horaisin'ny Vikaria Manodidina Atsinanana ny fanokafana ofisialy ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika ato amin'ny Diosezin'Antananarivo. Hotanterahana ny zoma 24 oktobra 2025 izany... • Mbola mitana ny “Service zéro” ireo mpampianatra mivondrona ao anatin'ny Mpanabe Manova Ifotony na MMI. Milaza ny mbola hampiato ny asa fampianarana eny anivon'ireo liseam-panjakana maro eto Antananarivo sy any amin'ny faritra, izy ireo...
♦ Tsarao amin'ny asa vitako aho hoy ny praiministra, izy izay mametraka ny fanajana, ny fihavanana ary ny fiaraha-mientana hanarenana ny firenena, nandray ny toerana maha praiministra azy ny maraina teo moa Andriamatoa Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Miato ary hahemotra avokoa ireo fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakàna araka ny fanapahana navoakan'ny filohan'ny fanavaozana ny repoblikan'i Madagasikara Kôlônely Michaël Randrianirina androany... ♦ Misy andian'olona mitady haka fahefana tsy ara-dàlana ka mitaky ny fanesorana ireo lehiben'ny Fokontany ao Antananarivo renivohitra...
Ny fivoarana ho an'ny tsirairay dia miankina amin'ny fahavononany handray ny fanabeazana nomena azy. Raha manana 5 minitra ianao hitodianao amin'ny zanakao, hataona ahoana ny fanabeazanao azy? Ny fitodiana dia midika hoe mitaky fahavononana sy finiavana. Ankehitriny dia vidina lafo ny fotoana, noho izany dia sarobidy na minitra vitsy aza ananana mba hiatrehana ny andraikitra maha mpanabe, indrindra ho an'ny ray aman-dreny.... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Niantso ireo solombavambahoaka mba handray ny andraikiny amin'ny tena fanarenana ny filohan'ny antenimieram-pirenena raha niantso ireo tanora tsy ho tafiditra amin'ny fandrika pôlitika kosa ny filoha mpisolo toerana ny antenimieran-doholona... ♦ Tsy maintsy ho henjehina araka ny lalàna ireo fanetriben'ny firenena nanodikodina ny volam-panjakàna na harem-pirenena na eto an-tanindrazana na any ivelany, hoy ny fanambarana avy amin'ny Primatiora... ♦ Nalalaka tamin'ny foto-kevitra nijoroany ary manaja ny hevitra pôlitika hananan'ny tsirairay ny solombavambahoaka tamin'ny nanendrena ny praiministra hoy ny solombavambahoaka Imbiky Herilaza...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco