Anatin'ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana ny Vaomieram-pirenena Mahaleo tena Misahana ny Fifidianana, na ny CENI, nanomboka ny 28 jolay teo. Haharitra hatramin’ny volana novambra 2026 izany, na dia isaky ny 10 taona aza no tokony hanatanterahana izany, araka ny voafaritry ny lalàna.
• Fararanon-danonana ny teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo ny faran'ny herinandro teo. Notanterahina ny 21 sy 22 aogositra 2026 teo ny Andron'ny Diosezy, izay nankalazana ny fetin'ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo... • Nivoaka omaly ny valim-panadinana Bakalorea ho an'Antananarivo. Nahatratra 51,74% ny taham-pahafahana... • Ho fanamafisana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin'i Madagasikara sy i Afrika Atsimo, tafajoro ny Antenimeran'ny Varotra eo amin'ny firenena roa tonta...
• Isan'ny nankalaza ny andro natokan'ny Eglizy hahatsiarovana ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo, isaky ny 21 aogositra, ny Centre Maternel Infantile, na ny CMI, eny Maroroha TSimbazaza... • Tsy ara-dalana, ary tsy nahazo fahazoan-dalana hanorina ny asa eny amin'ny toby fiantsonan'ny Taxi-brousse Fasan'ny Karana, hoy ny Filohan'ny Delegasiona manokan'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra... • Tetikasa maromaro mahakasika ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra no hiarahana miasa amin'ny fitondrana sinoa. Hisitraka izany kaominina any amin'ny tapany atsimon'ny Distrikan'Ambohidratrimo sy ny kaominina roa any amin'ny Distrikan'Antananarivo Atsimondrano...
• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco