13 avrily 2025 — Alahady Sampankazo — Fahatsirovana ny nidiran'ny Tompo tao Jerosalema — Fandinihana ny fijalian'i Kristy — Ho antsika, dia nanolo-Tena i Krisy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra — Lk. 22, 14 – 23, 56
Alahady sampankazo : Fandinihana ny fijalian'ny Tompo ; fahatsiarovana ny nidiran’ny tompo tao jerosalema. Ho antsika, dia nanolo-Tena i Krisy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra. Zanaka natao hanaiky isika, mankatoa amim-pitiavana. Betsaka ny fahontantsika sy ny fahalemantsika koa aoka isika haka tahaka an'i Masindahy Piera dia ny fiovam-po amin'ny fibebahana. Izay miombina amin'i Kristy dia handresy hiaraka aminy manoloana ireo sedra ara-panahy...
Eny amin'ny fiaraha-monina dia betsaka ny zaza Malagasy no miaina ao anatin'ny tsy fahampian-tsakafo ; porofo 53% ny zaza latsaky ny 5 taona no miaina izany. Ny tsy fahampian-tsakafo dia tsy mihatra amin'ny vatana ihany fa indrindra mahakasika ny saina. Ny tsy fahampian-tsakafo dia tsy fifandanjana na tsy fahampian'ny singa ilain'ny vatana entin'ny sakafo hoanina. Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Handray tsy ho ela ny fihaonana an-tampon'ny COI isika eto Madagasikara, mbola mizarazara ny hevitra manoloana ny fampiantranoana izany... ♦ Manana ny toerana amin'ny vokatra oratsimba "langouste" ny Faritra Anôsy satria mahatratra 400 taonina isan-taona ny vokatra avy any amin'ity Faritra ity... ♦ Ho fararanon-danonana ny any amin'ny Sekolim-pirenena ENAP Antetezambaro Toamasina, amin'ny zoma 18 avrily ho avy izao... ♦ Mbola manjavozavo ny ho fizotry ny dinika momba ny nokleary eo amin'i Etazonia sy Iran anio sabotsy...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco