♦ Tsy ampy hisahanana ny fanaraha-maso ny sisin-tany eny amin'ny seranam-piaramanidina sy ny seranan-tsambo ny mpiasan'ny fadintseranana eto Madagasikara hoy ny Sendika SIDM ivondronan'ny Inspecteurs eo anivon'ny fadintseranana... ♦ Nifantoka indrindra tamin'ny fanadiovana ny tontolon'ny fifidianana sy ny fitsinjaram-pahefana tena izy, ny adi-hevitra tamin'ny fikaonandoham-paritry ny Antoko Malagasy Miara-Miainga ho an'ny Faritra Analanjirofo... ♦ Kabary tsara lahatra sy fiatsarambelatsihy no betsaka fa tsy mbola vonona hiady amin'ny kolikoly isika eto Madagasikara hoy ny FIVATO...
♦ Mahatratra 3 tapitrisa Dôlara ankehitriny ny tombom-barotry ny kaompaniam-pitanterana Malagasy Air Madagascar, efa manomboka miarindoha ankehitriny ity orinasam-panjakana ity ankehitriny... ♦ Nanome toky ny vadin'ny Filohan'ny Fanavaozana, Elisa Randrianirina, fa hanohy hatrany ny asa fanasoavana ny mpiara-belona, amin'ny alalan'ny fikambanana FANJIRY. Anjaran'ny mponina teny Avaradrano no nisitraka asa sôsialy sy fanampiana ny faran'ny herinandro teo... ♦ Tsy hamaha olana eto amin'ny Firenena velively fa fitadiavana seza fotsiny ny an'ireo antoko politika, mitaky ny hisian'ny dinika hametrahana fifanarahana politika...
Masindahy Joda no antsoina rehefa misy zava-dehibe manahirana, anatin'ny finoana sy fitoniana. Ny fanevan'ny satana dia ny vola aman-karena, ny voninahitra, ny fiavonavonana, ary mampiasa ny fomba sy ny fitaovana rehetra hanaovana tsindry hazo-lena ny hafa ; ny fahefan'i Kristy kosa dia ny fahantrana, ny fiharetana ny fanaratsiana isan-karazany, ary manao ho zava-dehibe ny famindram-po sy ny famelan-keloka. Zava-dehibe ny fanompona ny namana ... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
♦Tsy misy antenaina intsony ny hanenjehana ara-pitsaràna ireo mpitondra ambony teo aloha, hoy ny Pastera Edouard Tsarahame. Nambarany fa efa tsy eto intsony izy ireo, vao eken'ny HCC ny fahafahana manenjika ... ♦ Hamafisina ny sakana tsy hidiran'ny aretina Ebola eto Madagasikara. Handraisana fepetra ireo olona miditra eto Madagasikara avy any amin'ireo firenena misy ny mararin'ny valan'aretina manomboka izao... ♦ Laharana faha-37 i Madagasikara tamin'ilay fiadiana ny tompon-daka eran-tany eo amin'ny baolina kitra ho an'ny latsaky ny 15 taona zazalahy natao tany Azerbaidjan ; fandresena 8 tamin'ny lalao 10 no azon'ny Barea...
• Mahaiza miaina amim-pilaminana ary samia manao tsara ny asany. Io no hafatra nanentanan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara ny mpino rehetra, taorian'ny Fivoriambe izay notanterahin'izy ireo teto Antananarivo… • Nifarana omaly ny Fihaonamben'ny Pretra Diosezanina, izay notanterahana tany amin'ny Diosezin'Antsirabe. Pretra 1126 no niatrika izany… • Làlana iray itomboana ny aretina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly…
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco