Ny fanabeazana dia miainga amin'ireo ray aman-dreny, mpanabe tompon'ny fahalalana, fahendrena ary ny fahamarinana. Ny olombelona dia efa manana ny maha izy azy, vatana, fo, saina ary fanahy, etsy ankilany anefa ny adidy sy andraikitry ny ray aman-dreny sy ny mpanabe ny mampivelatra kokoa ireo singa samihafa ireo. Ny haino aman-jery dia manana anjara biriky goavana amin'ny lafiny fanabeazana ; anefa ilaina ny fandraisan'andraikitry ny ray aman-dreny noho ny fahasamihafana sy fihamaroan'ny fomba fanabeazana misy, indrindra manoloana ny fandrosoan'ny teknôlojia ankehitriny... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Tanterahina anio alarobia eny amin'ny Ekar Antanimena "Messe Chrismalle" ho an'ny Diôsezin'Antananarivo, fotoana hanamasinana ireo Menaka Masina hampiasain'ny Eglizy sy fanavaozan'ny pretra eo anivon'ny Diôsezy ny voadiny amin'ny Evekany... ♦ Hitohy any Antsirabe ny fakan-kevitra momba ny vola Malagasy, tsy mbola misy ny fanapahan-kevitra azo raisina taorian'ny fakan-kevitra efa natao hoy ny governoran'ny Banky foiben'i Madagasikara... ♦ Olana tsy mbola voavahy mandraka ankehitriny ny olan'ny fitsinjaràna herinaratra sy ny rano eo anivon'ny orinasa Jirama noho ny fahanteran'ireo foto-drafitr'asa hoy ny Jeneraly Rasolomanana Hajatiana...

Ny olombelona dia manana faniriana lalina hahafantatra ny tontolo sy ny tenany, izay miseho amin'ny fandalinana ny siansa sy ny teknôlôjia, fikarohana momba ny filôzôfia, ny kolontsaina. Ny fiangonana dia miantso ny olombelona hanatratra ireo hetaheta ireo amin'ny fomba marina sy mahafeno, amin'ny alalan'ny fanomezana fahazavana avy amin'ny Evanjely sy ny fitiavan'Andriamanitra, fanampiana ny olona hiaro ny maha-olona sy hanaja ny hafa... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

♦ Nandefa hafatra ho an'ny Paka ireo fiombonan'ny Ray aman-dReny sy tsara sitrap, ary Kristiana. Ao anatin'ny niantefan'izany ireo tompon'andraikitra eto amin'ny Firenena... ♦ Ampy ny famokarana herinaratra fa ny fitsinjaràna izany noho ny fahanteran'ny tambajotra no mahatonga ny fahatapahan-jiro ao an-drenivohitra sy ny manodidina hoy ny JIRAMA... ♦ Mbola hitohy any Antsirabe indray ny fankan-kevitra momba ny mety hanovàna ny vola taorian'ny teto Antananarivo... ♦ Voatondro ho tompon'antoka tamin'ny niandohan'ny afo tao amin'ny trano fandihizana iray tao Kehl any Allemagne ny mpiasa iray...

♦ Handao ny fitantanana ny Kaominina Antananarivo anio tolak'andro ny Ben'ny Tanàna teo aloha Herilala Ramanantsoa. Hisolo azy vonjy maika amin'izany toerana izany ny lefiny... ♦ Miantso ny fitondràna Fanavaozana tsy ho voabaikon'ny Mafia sy ireo vahiny mpanam-bola ireo tanora ao anatin'ny Gen Z. Nilanja sora-baventy naneho izany teny Ambohijatovo izy ireo... ♦ Nampidirina vonjimaika eny Antanimora ny tale teo alohan'ny Institut de Formation Professionnel des Avocats (IFPA). Nampiakarina teny anivon'ny PAC izy, noho ny resaka kolikoly fampidirana mpianatra... ♦ Handray ankizy hanatevin-daharana ny tafika ao aminy ny fitondrana any Iran...

Manana ny fomba mampiavaka azy ny foko Vezo, isan'izany ny "soron'anaka" fomba iray afahan'ny ray hanana fahefana amin'ny zanaka vavy. Misy karazany telo ilay fomba araka ny tranga misy, raha mbola anaty vohoka dia Soron-troka, raha efa tekaraka dia soron'anaka, fa kosa rehefa mahaleo tena (lehibe) dia soro-bata no ilazàna azy. Ny toerana fanaovana ity fomba ity dia eny amin'ny mpitan-kahomanga ; ity fomba ity dia heverina manankery ho an'iny zanaka vavy maro, iray reny, rehefa vita fomba ny iray voalohany. Ny soron'anaka dia azon'ny ray, ny anadahin-dreny na ny raibe tontosaina amin'ny zanaka vaviny...

♦ Miandrandra ny fanarenana ny orinasa ireo mpiasan'ny Kraomita Malagasy, taorian'ny nahatafaverina ilay volan'ny orinasa maherin'ny 4 tapitrisa Dôlara hita tatsy Maorisy ; nanao fanambaràna izy ireo, omaly... ♦ Tsy eken'ny ray aman-drenin'ireo mpiadina afa-panadinana ny hanemorana ny adina am-bava amin'ny fifaninana hidirana ho mpitsara eo anivon'ny ENMG... ♦ Tsy maintsy hisy ny fanelingelenana amin'ny fifamoivoizana ao an-drenivohitra noho ny fanantaterahana ilay tetik'asa PIAA- andriany faharoa. Nanazava ny momba ny asa atao ao anatin'izany ny tompon'andraikitra...

Ny tsy fifandanjana eo amin'ny fiaraha-monina dia miteraka alahelo sy tebiteby ho an'ny marefo sy ireo tra-pahoriana, fikorontanana ara-tsôsialy sy ady eo amin'ny olona sy ny firenena, fahasahiranana amin'ny fanatanterahana ny soatoavina maha-olona. Ny Fiangonana dia manana andraikitra amin'ny fampahatsiahivana ny maha-zava-dehibe ny rariny sy ny firaisankina ary ny fanampiana ireo marefo... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

♦ Nisy tamin'ireo ray aman-drenin'ireo mpifaninana izay efa afaka tamin'ny adina an-tsoratra teo amin'ny ENMG no nanao fanambarana androany. Mitaky ny tsy hanemorana ny adina am-bava... ♦ Natomboka ôfisialy teny Andohatapenaka, androany, ny hetsika fanadiovana ho an'ny boriboritany-VI ao Antananarivo-renivohitra. Nitarika izany Ramatoa Elisa Randrianirina, vadin'ny Filohan'ny Fanavaozana... ♦ Efa dingana lehibe no vitan'ny Barean'i Madagasikara tamin'ny lalao nataony tamin'ny sabotsy teo hoy ny mpamakafaka baolina kitra Fenosoa Razafimamonjy. Mbola misy ihany anefa ny fanatsaràna tokony hatao amin'ny lalao rahampitso...

♦ Mila tefena handray andraikitra ho an'ny tenany, ny tokantranony, ny fiaraha-monina misy azy ary ny firenena ny tanora Malagasy hoy Andriamatoa Ranitratsilo Jimmy Ben'ny tanànan'ny Kaominina Bemasoandro... ♦ Nigadona any amin'ny Faritra Atsinanana sy Alaotra Mangoro ny Caravane Humanitaire poste Gezani, hanomboka anio alatsinainy 30 marsa ny fizarana ireo fanampiana sahanin'ny Birao nasiônaly, misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC)... ♦ Nahazo famantsiam-bola vaovao maherin'ny 30 miliara Ariary ny faritra arovana eto Madagasikara hiarovana ny harena voajanahary ao aminy sy iahiana ny vondron'olona manodidina azy...

--- Andro manan-danja amin’ny tantaran’i Madagasikara ny datin’ny 29 Mars 1947, izay nisian’ny tabataba tao Moramanga, Manakara ary teto Antananarivo. Feno 79 taona ankehitriny iny hetsika nanoheran’ireo bekotro maro holatra ny fanjanahan-tany iny. Ambadiky ny 29 marsa 1947 an-daniny ny fitiavan-tanindrazana nataon’ireo ankamaroany, fa ambadika koa tetsy an-kilany ny famadihana tanindrazana nataon’ireo sasany nila ranondranony tamin’ny voanjo. ny fanamarihana ny hetsika nanoherana ny fanandevozana tamin’ireo mpanjanatany. Raha ny ara-tantara dia naherin’ny 2 hetsy ireo Malagasy namoy ny ainy teo anelanelan’ny 29 Mars 1947 hatramin’ny volana Novambra 1948...

♦ Tolom-panafahana : fanavoazana ny fitiavan-tanindrazana. io no tara-kevitra nanamarihana ny faha-79 taona ny 29 marsa 1947... ♦ Tokony ho sahy hitaky onitra amin'ny Frantsay, amin'izay isika amin'izao fotoanan'ny fanavaozana izao hoy ny Kômity ho an'ny fanorenana Ifotony an'i Madagasikara (K.FIM)... ♦ Mpianatra miisa 35 mianadahy no traboina vokatry ny fahamaizan'ny Bloc 51 trano hipetrahan'ny mpianatra eny Ankatso-II, omaly, alahady 29 marsa 2026... ♦ Naherin'ny 8 tapitrisa ireo amerikanina nidina an-dalambe tamin'ireo tanàn-dehibe tao Etats-Unis ny sabotsy lasa teo, manohitra ny pôlitika ny fifindramonina sy ny ady any Iran ataon'ny filoha Donald Trump...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...