Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina, misy farany ny zavatra rehetra, ny mahantra mbola hanana. Zava-dehibe ny fifamelàna, ny fahaiza-mihaino sy ny fifampitondrana am-bavaka. Manana adidy ny mpitondra manam-pahefana sy ireo mpanana hitsinjo izay rehetra hanarenana ny fiainan'ny vahoaka : famoronana asa. Manana adidy hanova sy hampivoatra ny toe-tsaina entina hitrandrahana ny harena nomen'Andriamanitra an'i Madagasikara, isika Malagasy rehetra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Alahady 13 jolay 2025 - Alahady faha-15 mandavantaona — "D" : Akaiky antsika Andriamanitra ; Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy. Zava-poana ny fanarahana ny lalàna anefa tsy mahavita manolontena ho fanasoavana ny hafa ; ilaina ny fitiavana namana, sy ny fangorahana ny hafa. Ny tena fitiavana marina dia ny fanafohanana ny elanelana, tsy fitoviana na harena na fahefana. Mila fanatrentena ny fitiavana ny hafa. Ny namana tsara dia ireo izay mikaraka ny hafa, ireo maneho hatsaram-po, ireny no miteraka fifankatiavana sy finamanana lafatra...

♦ Mihamitombo ny tahan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina VIH/SIDA eto Madagasikara. Tsy maharaka ny fitaovana fisorohana ny fiparitahany sy ny fandraisana an-tanana ireo marary... ♦ Nihena ny taham-pahafahana fanadinana BEPC, ho an'ny Cisco Antananarivo-renivohitra tamin'ity taona ity raha oharina tamin'ny taona 2024, nivoaka omaly ny voka-panadinana... ♦ Efa mamokatra fromazy tsara kalitao ny Malagasy mpamokatra. Mbola tsy ampy nefa ny tolotra amin'ny ronono ho antsika Malagasy... ♦ Nokianin'ny Praministra Senegalais ny filoha Bassirou Diomaye Faye, tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fitantananaa an'i Senegal hoy izy...

Ny fanoloran-tena amin'ny fiainan-drelijiozy dia fanapahan-kevitra hanaraka an'i Jesoa Kristy akaikikaiky kokoa sy hanahaka ny fiainany madio, mahantra sy manetry tena. Ny Voady telo (fahadiovana natokana ho an'Andriamanitra, fahantrana ary fanekena) no maha-relijiozy. Tamin'ny alalan'ny torohevitry ny Vaovao Mahafaly no nampijoroana ny rafi-piainana maharitra... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

Ny relijiozy dia manao ny voadin'ny fahantrana an-tsitrapo ; i Kristy, ilay nanaiky hahantra mba hampanan-kerena antsika amin'ny fahantrany, araka ny ambaran'i Masindahy Paoly ao amin'ny Taratasy faharoa ho an'ny Kôrintianina. Ny fiankinan'ny relijiozy amin'ny Lehibeny amin'ny fampiasana ny harena dia fanehoana ny fahantrana... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

• Tsy mitsaha-mitombo ny isan'ny olona mitondra ny VIH Sida amin'izao fotoana izao eto Madagasikara. Tsy ampy ny fitaovana entina misoroka ny fiparitahan'ny tsimok'aretina, raha ny fanadihadiana nataon'ny tetikasa SYCAVI... • Mila hamafisina ny fanabeazana sy ny fanentanana ny olom-pirenena amin'ny fanajana ny fahadiovana amin'ny sakafo sy ny fanaraha-maso ireo entana amidy eny an-tsena, mba hisorohana ny tranga fahapoizinana ara-tsakafo tato ho ato... • Ambohim-pihaonan'ny orinasa mpamokatra fromazy, vokatra malagasy vita amin'ny ronono, sy ny mpajifa eny amin'ny zaridainan'Antaninarenina, hatramin'ny rahampitso sabotsy...

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Mamondron-kery, miara-mientana miatrika ny fiovan’ny toetr’andro ireo kaominina miisa fito manamorona ny lalam-pirenena faha telo miainga eo Ambohimanga rova hatrany Anjozorobe. Nisy ny atrik’asa niarahana nandinihana sy nandrafetana ny drafitra paik’ady entina manatanteraka izany. Nandray anjara tamin’ny atrik’asa ny ben’ny tanàna, ny filohan’ny filankevitra kaominaly ary ireo mpitarika fikambanana samihafa eny ifotony. Atrik’asa nandritra ny roa andro nanomboka omaly nifarana androany tao amin’ny FTA na ny Farming and Technology for Africa eny Ambohimanga Rova...

• Efa hatramin'ny ela no tokony namaritra drafitra mazava manoloana ireo olana eto amin'ny firenena ny mpitondra ankehitriny, hoy ny antoko Roso ho an'ny Demokrasia Sosialy na ny RDS... • Andrasana anio zoma ny hivoahan'ny voka-panadinana BEPC ho an'ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra... • Hiompana amin'ny saina voatran'olombelona ny fankazalana ny 15 jolay, Andro maneran-tany ho an'ny fahaiza-manaon'ny tanora, amin'ity taona ity...

Ny fanantenana vokatry ny fifankatiavana dia manasongadina ny herin’ny fitiavana amin’ny fanomezana hery sy fanantenana eo amin’ny fiainana. Afaka aseho amin'ny endriny maro izany fitiavana izany na eo amin’ny mpivady, na fianakaviana, na fiaraha-monina amin'ny alalan'ny fihetsika madinika isan'andro. Na dia eo aza nefa ireo sakana tsy havitana izany dia misy hatrany fomba hihoarana izany dia ny fialana amin’ny hambom-po sy fisokafana amin’ny hafa. Ny fifankatiavana matotra dia mitondra fiadanam-po, fitovian-danja, fivelarana iombonana ary fahaiza-miatrika ny sedra... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

• Hihatra ny TVA 20 % amin'ny zana-bola ampiharina amin'ireo mpisambo-bola, saingy tsy ny mpisambo-bola rehetra no hiharan'izany, araka ny tinapaky ny Filankevitry ny Minisitra tany Sainte Marie... • Efa miroso sahady amin'ny fampielezan-kevitra hankatoavana ny fe-potoam-piasana fahatelon'ny Filoha ankehitriny ny fitondrana, hoy i Alain Andriamiseza... • Tafavoaka ao anatin'ny lisitry ny vakoka iraisam-pirenena tandindonin-doza ny ala mando ao Atsinanana, araka ny fanambarana ofisialin'ny UNESCO...

I Kristy ilay Masina no manamasina ny Fiangonana, nanolon-tena ho azy satria noraisiny ho toy ny vadiny ny Fiangonana. Ny Fiangonana dia Vahoakan'Andriamanitra misy ny Eveka, Pretra sy ny Lahika ary ny relijiozy ary mifototra sy mivondrona ao amin'i Kristy. Ny fanarahana ny toro-hevitry ny Evanjely no hevitra fototra iraisan'ny Relijiozy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...