♦ Tsy ara-dalàna ny firosoana amin'ny fifidianana Loholona vokatry ny tsy fahafenoan'ireo mpifidy vaventy hoy ny mpahay lalàna Clément Jaona... ♦ Tsy any Mahajanga irery fa manerana ny nosy no miakatra ny tahan'ny olona marary sy mitondra ny tsimok'aretina VIH/SIDA hoy ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka... ♦ Hamafisina ny fitsirihana tampoka atao amin'ireo fiara eny an-dalambe, ary hisy ny fampiasàna fitaovana manara-penitra hanaovana izany hoy ny Jeneraly Beribaky Jeannot, tale jeneralin'ny DGSR... ♦ Voatendry ho lehiben'ny governemantan'ny tetezamita ao Népal ny lehiben'ny fitsarana tampony teo aloha Sushila Karki, vehivavy voalohany hitana izany...

Alahady 14 septambra 2025 : Fankalazana ny nanandratana ny hazofijaliana ; Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Kristy, satria tamin’ny Hazofijaliana no nanavotanao izao tontolo izao. Miandry ny fibebahan'ny olombelona, marina ihany koa Andriamanitra, na inona na inona kilemantsika sy ny fahotana vitantsika. Mitsinjo sy miandry antsika amim-paharetana Andriamanitra, ary noho ny hamoram-pony sy ny fitiavany dia tsy afaka ny tsy handray antsika Izy. Sarobidy eo imason'Andriamanitra ny olona tsirairay, misokatra foana ny lalana miverina ao aminy handray antsika...

♦ Miantso ny hanangànana Governemanta hanarenana ny firenena ny Vondrona Pôlitika PAM, izy ireo mijoro ho mpanelanelana hisian'ny fifampiresahana eo amin'ny mpitondra sy ny mpanohitra... ♦ Manamarina ny fisian'ny trangan'aretina kitrotro amina Distrika vitsivitsy eto amin'ny nosy ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka Profesora Zely Arivelo Andriamanantany... ♦ Ady amin'ny fahalotoana rivotra, rano ary tany, nisitraka fitaovana fanaraha-maso sy fandrefesana ny merkiora ireo pôlisin'ny tontolo iainana... ♦ Nahemotra ho amin'ny 19 septambra ny famoahan'ny Fitsarana ara-miaramila ao RDC ho an'ny filoha telo aloha Joseph Kabila...

Nahoana no ela vao tonga tany amin'ny tany nampanantenaina ny zanak'Israely : satria vahoaka maro an-tapitrisany ireo ahitana ankizy, tanora, be antitra, bevohoka ka ireny isany nampiisatra ny dia,  mila fandaminana matotra ; sady vahoaka samy manana ny heviny sy ny toetrany, maro ireo vahoaka nimenomenona, ary saika nanadino ny fisian'Andriamanitra... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Ao anatin'ny sarotra dia manokatra lalana ho antsika olombelona foana Andriamanitra ; porofon'izany ny naharendrika sy nahafaty ny tafik'i Faraôna, nanokatra ny ranomasina nizara ho roa Andriamanitra ary afaka nandia tany maina y vahoakan'Israely. Miditra amin'ny tantaran'olombelona mpifahavalo Andriamanitra, mandresy ny fahotana. Nijanona tao Sinaia nandritra ny 2 taona ny Israeliana, izay zary ho vahoakan'Andriamanitra... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

• Miantso ny hisian'ny diniky ny hery velona rehetra ny vondrona telo tonta PAM, hitadiavana vahaolana ho an'ny firenena... • Nambaran'ny mpamakafaka raharaham-pirenena iray fa hiteraka fiantraikany goavana amin'ny sehatry ny toekarena eto Madagasikara, raha sanatria ho tapaka ny AGOA. Asa miisa 70.000, no mety ho very vokatr'izany... • Miatrika ireo krizy telo lehibe maneran-tany isika eto Madagasikara: toy ny fiovan'ny toetrandro, ny fandotoana ary ny fahapotehana haingan'ireo zava-boahary...

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Manafaingana ny asa fanarenana ny ala hoko simba ao amin’ny faritr’i Sofia ny orinasa Bôndy amin’izao fotoana izao. Mafy ny tsindry nahazo ny ala honko isan’izany ny tao Ambilanibe, kaominina Ankerika. Mirefy 48 hektara ny ala honko simba hatramin’ny 80 isanjato, tapahan’ny olona nanaovana arina fandrehitra. 150 gony isan’andro mantsy ny harina fandrehitra vita amin’ny honko mamatsy an’Antsohihy. Mba hanonerana izany, manana toeram-pambolen-kazo hoko ao Malako fokontany Ambolobozo, kaominina Ambodirano ao amin’ny distrikan’Antsohihy ny orinasa...

♦ Manao ny ady sisika mba hanohizana ny tsenambarotra AGOA i Madagasikara. Nisy ankoatra izay ny famolavolana ny paik'ady nasionaly ho fanatsarana fanondranana miainga eto Madagasikara... ♦ Tsara raha nitaha tamin'ny taona maro lasa ny voka-panadinana ho an'ny teny anivon'ny AKAMA 67Ha. Efa misokatra ho an'ny mpianatra rehetra ity sekoly ity ankehitriny... ♦ Nodoran'ny Fokonolona ny fatin'ilay lehilahy iray voalaza fa nanao sorona zazalahikely 7 taona tany Andilamena... ♦ Hanatanteraka fivoriana lehibe hamaritana ny ho tohin'ny fitantanan-draharaham-panjakàna ao Népal, anio zoma, ireo tompon'andraikitra any an-toerana...

Ny fianakaviana dia fototra hiorenan'ny fiaraha-monina, ahitana ray aman-dreny sy zanaka. Miainga amin'ny fianakaviana foana ny lamina entina mampandroso ny firenena. Miseho amin'ny lafiny maro ny rafitra fianakaviana : ny fianakaviana ara-pinoana, ny fianakaviana ara-drazana izany hoe iray ra, misy koa ny fianakaviana ara-politika, fa ny rafitry ny fianakaviana ahitana ny ray aman-dreny sy zanaka hatrany no niaingan'ireny. Misy fomba tsotra afahan'ny fianakaviana hifampizara finoana sy fanantenana amin'ny alalan'ny fampianarana ny finoana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Fifidianana tsy ara-dalàna ny fifidianana Loholona hotanterahana ny 11 desambra izao hoy ny hery fanoherana, ka milaza tsy handray anjara amin'izany izy ireo... ♦ Nandroso soso-kevitra amin'ny hitondran'ny filoha malagasy eo anatrehan'ny SADC ny fitakian'i Madagasikara ireo "nosy malagasy" amin'izao hitantanan'ny filoha malagasy ity vondrona ity izao, ny antoko TEZA... ♦ Mitondra vokatsoa ho an'ny sekoly AKAMA 67Ha ny fampiharana ny pôlitika fampiatiana. Mbola malalaka koa ny toerana ho an'ireo mpianatra eny amin'ity sekoly ity... ♦ Voasazy higadra 27 taona sy 3volana i Jair Bolsonaro filoha teo aloha any Brésil...

Ny paka dia fiampitana avy amin'ny toerana iray ho amin'ny toerana iray hafa vaovao. Tamin'ny andron'Israely dia alina no fotoana nihinana ny zanak'ondrin'ny Paka, mba hanehoana fa Andriamanitra no manazava, Izy no manala ny vahoaka ao anatin'ny haizina mikitroka. Ny haizina voalaza eto dia ireo izay nihatra tamin'ny zanak'Israely : fanandevozana, famoretana, fanitsakitsahana ny zo maha-olona... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...