Nitondra anjara biriky lehibe amin’ny sehatry ny toekarena indrindra fa ny famoronan’asa hoan’ny malagasy ny sampam-pianarana manofana ho injenieran’ny Harena an-kibon’ny tany ao amin’ny Sekoly Ambony Politeknika Antananarivo Vontovorona. Sampam-pianarana namoaka injenieran’ny Harena an-kibon’ny tany voalohany teto Madagasikara ary iray amin’ireo sampampianarana miisa 16 ao amin’ity sekoly ambony ity. Afaka miasa amin’ny sehatry ny harena ankibon’ny tany ny tanora nivoaka tao noho ny fahalalana natolotra azy ireo...

• Lohahevitry ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety amin'ity taona ity ny hoe : "Manorina ho avy ao anatin'ny fandriam-pahalemana"... • Tobim-pahasalaman fototra, na CSB, miisa 501 no efa nisitraka ny fampidirana herinaratra azo avy amin'ny herin'ny masoandro. Vinavinaina hitombo 90 izany ao anatin'ny 2 volana farany hifaranan'ny tetikasa LEAD... • Fanambin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena, ny fanomezana fiofanana ireo mpampianatra rehetra miasa amin'ny sekolim-panjakana, hanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana...

Iza aho? Tanora mitady ny maha-izy azy, miresaka safidy, soatoavina ary ny anjara toeran'ny finoana amin'ny fiainana. Fanontaniana fototry ny fananganana ny maha-olona. Miresaka ihany koa ny mety ho sakana tsy afahana mahafantatra ny maha-izy ny tena. Fotoana iray, hifampizarana andram-piainana mahafinaritra kely. Tsara ny hanana olona azo tahafina amin'ny fiainana, eny, hanao tantsoroka amin'ny fiainana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

• Anio zoma 24 avrily no hihaona amin'ireo fikambanan'ny tanora Gen Z eny amin'ny lapam-panjakana Mahazoarivo, ny Lehiben'ny Governemanta. An-jatony ireo fikambanana voalaza fa namaly ny fanasan'ny Praiminisitra... • Sakana amin'ny fananganana orinasa eto Madagasikara ny tsy fahamarinan-toeran'ny fitondrana sy ny kolikoly, raha ny tarikefa hitan'ny EDBM tao anatin'ny 20 taona nijoroany... • Mametraka fanamby hisian'ny teti-bola iombonana ahafahan'ireo mpanoratra Malagasy manonta ny vokatra vokariny ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Serasera...

Tamin'ny alalan'ny Teny no naharian'Andriamanitra izao tontolo izao sy ny zava-misy ao aminy. Mbola io Teny io no Tonga Nofo ka nonina teto an-tany dia i Jesoa Kristy, ilay olombelona lavorary indrindra ary niditra tao amin'ny tantaran'izao tontolo izao izy, mba hamerina ny hasin'ny maha-olombelona izay simban'ny fahotana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny asan'ny olombelona eo amin'izao tontolo izao" iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.

• Haroso amin'ny volana mey ho avy io ny fanombohan'ny Fikaonandoham-pirenena. Miantso ireo mpisehatra rehetra ho vonona amin'izany ny Minisitra Misahana ny Fanavaozana... • Miandry Filankevi-panjakana na mbola manohy ny asany na miala ihany koa ireo Mpanolotsain'ny Tananan'Antananarivo, miisa 55. Nanazava ny momba izany androany, Andriamatoa Toavina Ralambomahay... • Mitaky ny hanovana ny lalana mifehy azy, ireo mpivarotra sy mpaninjara fanafody ara-dalana. Karazam-panafody 183 isa ihany hatramin'izao no azon'izy ireo amidy...

♦ Andraikitry ny rehetra ny manaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana hoy ny ministra tompon'andraikitra Andrianavalona Heriso. Hovoriana ny mpisehatra amin'ny fifamoivoizana eto Madagasikara ka hoampiarina ny lalàna, hosaziana ireo tsy manara-dalàna... ♦ Namaha olana amin'ny fananan'asa teto Madagasikara ny fisian'ny sampam-pianarana manofana ho injenieran'ny harena ankibon'ny tany eny amin'ny sekoly ambony Pôliteknika eny Vontovorona... ♦ Manohy ny fifampiresahana amin'ny mponina voakasiky ny tetik'asa ny tompon'andraikitra eo anivon'ny PAAEP, ho fahazoana rano fisotro madio...

Ny fanembohana masina ao amin'ny Eglizy katôlika dia fomba litorjika mampiasa emboka manitra, ka arehitra sy entina manemboka ny olona, ny zava-masina toy ny sary masina, Otely/Altara, Evanjeliery, eo koa ny razana entina ao am-piangonana atao veloma farany. Ny dikan'ny emboka manitra natolotry ny Majy : Volamena manambara ny maha Mpanjaka ; emboka manitra maneho fa Andriamanitra ilay notolorana ; mira manambara ny fijaliany sy ny fahafatesany. Fandaharana "Finoana Aina" iarahana amin'ny P. Randriamanamahenina Robert Maria...

Manana ny mampiavaka azy i Madagasikara, isan'izany ny harena voajanahary, an-kibon'ny tany, an-tanety, an-dranomasina, ny ara-kolontsaina. Harem-bakoka ara-kolontsaina tsy azo tsapain-tanana manana ny toerany ny TSAPIKY, hatarafana soatoavina maro : firaisan-kina, fihavanana. Vokatry ny hetsika sy fanehoana fahaiza-manao ary fifanankalozana traik'efa aminà hetsika samihafa dia velona ny fanantenana amin'ny fampandrosoana ny firenena ; andeha hifanentana amin'ny mpandraharaha mba hampiasan'izy ireo vola eto Madagasikara ho tombontsoan'ny Malagasy... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Miara-miasa amin'ireo oniversite samihafa any ivelany ny Oniversite Katôlika eto Madagasikara (UCM). Navoaka tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny andiany faha-23 nisalotra ny anarana Harialo... ♦ Nisitraka fifanarahana arak'asa sy didy fanendrena hiasa ireo mpiofana 789 eo anivon'ny ENS. Izy ireo izay ho raisina ho mpiasam-panjakàna manomboka izao... ♦ Manara-maso akaiky ny fivoaran'ny MPox eto Madagasikara ny tompon'andraikitra ara-pahasalamana. Miisa 24 ny tranga vaovao voamarina ny talata 21 avrily lasa teo araka ny tatitra nivoaka omaly...

Marina fa zava-dehibe ho an'ny fiainantsika olombelona ny fandrosoana, nefa tsy azo lavina koa fa mitondra fakampanahy maro samihafa izany. Rehefa mikorontana ny ambaratongan'ny soatoavina ary mifangaro ny tsara sy ny ratsy dia lasa tsy mijery ny tombontsoan'ny hafa intsony ny ankamaroan'ny olona... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny asan'ny olombelona eo amin'izao tontolo izao" iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.

• Mpiofana 789 mianadahy nivoaka teo anivon'ny École Normale Supérieure, no horaisina ho mpiasam-panjakana amin'ity taona 2026 ity. Nozaraina teny Mahamasina ny fifanarahana araka asa ho azy ireo... • Tsy hisy fiantrainkany amin'ny mpianatra ny olona misy eo anivon'ny Sekolim-pirenena manofana momba ny fanamoriana fiaramanidina sy ny famantarana ny toetrandro, na ny ENEAM, raha ny nambaran'ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetrandro... • Mitondra ny anjara birikiny amin'ny fanampiana ireo olona marefo niharan'ny rivodoza Gezani, ny orinasa Startimes, ka hanolotra "Kit solaire", angovo azo avy amin'ny herin'ny masoandro, ho an'ny tokantrano miisa 1.200...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...