♦ Tanterahina manomboka androany manerana ny tanin'ny repôblikan'i Madagasikara ny fanadinana Bakalôrea ankapobeny sy teknika, nahitana fitomboany ny isan'ireo mpiadina bakalôrea ankapobeny tamin'ity taona ity... ♦ Mangataka ny hanesorana ireo tompon'andraikitra nanao tandrevaka ka nahatonga famoizana ain'olona maro teny Ambohimalaza ny Transparency International. Hirosoana ny fanadihadiana ny tompon'ny fety sy ny fianakaviany hoy ny Ministry ny Fitsaràna...  ♦ Drafi-panarenana ny orinasa JIRAMA : Hampandraisana anjara feno amin'ny fampidirana solontenan'izy ireo anatin'ny kômity fanarenana ny mpiasa hoy ny fanambarana nataon'ny Ministeran'ny Angovo... 

Hitondra ny jiferiny amin’ny fanomanana ny fidiran’ny mpianatra indray ny Arofanina anio. Ady iraisan’ireo ray aman-dreny mampiana-janaka ny fampidirana mpianatra isaky ny taom-pianarana vaovao. Mila fiomanana ara-bola matanjaka mantsy ny fiatrehana azy io, na ho an’ireo mandefa ny zanany amin’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana izany na ihany koa ho an’ireo manana ny fahafahana mandefa ny ankizy amin’ny sekoly tsy miankina.

Fahefan'ny Fiangonana ny fankatoavana sy ny fampijoroana ny fitsipiky ny fikambanan-drelijiozy. Tsy mijanona hatreo amin'izay fotsiny anefa fa mbola zava-dehibe ihany koa, amin'ny fampiasana ny fahefana napetrak'Andriamanitra amin'ny Fiangonana, ny fandraisany ny voady ampahibemaso ataon'ireo relijiozy mandritra ny fankalazana ny Eokaristia. Toetra natokana ho an'Andriamanitra ny relijiozy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

♦ Sorona Masina ametrahana an'ny Mompera Rakotondranaivo Harisoa José Gaston ho lehiben'ny Province-ny Fikambanana Saleziana Don Bosco eto Madagasikara sy ny nosy Maurice...  ♦ Mbola tsy resy lahatra tanteraka amin'ny drafitra entina hanarenana ny orinasa JIRAMA ny tambaben'ny mpiara-miasa, araka ny fanambaràna nataony. Mitaky hampiatoana ny fampiharana ny SATA vaovao ny tambabe... ♦ Efa tafakatra 31 ireo lavo nandritra ilay fety nitera-doza teny amin'ny Sampanana mihazo an'Imerinkasina-Ambohimalaza... ♦ Nofoanan'ny governemanta ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana any Burkina Faso...

Zava-dehibe ny maha iray tsy mivaky ny vahoaka Malagasy. Aoka hatsapa tena ny tafika Malagasy fa iray ihany ny tafika, fototra lehibe afahana miady amin'ny fahantrana, kolikoly. Zava-dehibe ihany koa ny fifankatiavana sy ny firaisan-kina. Ny fanabeazana dia miainga amin'ny zaza, manomboka amin'ny ireo asa fanao andavanandro ao an-tokantrano...  Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

♦ Hotanterahana anio ety Ivato ny fametrahana an'i Mompera Rakotondranaivo Harisoa José Gaston ho lehibe vaovaon'ny Fikambanana Saleziana eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice. Izy izay notendren'ny lehiben'ny fikambanana Saleziana eran-tany, Mompera Fabio Attard, hisahana izany andraikitra izany, ny volana jona teo... ♦ Mitotongana, miverin-dalana, mihemotra izay ankehitriny raha fehezina ny fitantanana ny tanàna an'Antananarivo-renivohitra, hoy ny fikambanana Observatoire Mahitsy Fijery... ♦ Ny resaky ny olona anaty tambajotran-tserasera no mahatonga ny samy dokotera tsy mifanaja, araka ny navoitran'ireo dokotera nandritra ny "andron'ny mpitsabo" omaly...

Ny relijiozy dia manaraka ny torohevitra, manao voady ampahibemaso ho ren'ny vahoakan'Andriamanitra. Ny relijiozy dia manana lehibe dia iny no maniraka azy ; ny diôseziana dia ny Eveka no maniraka azy amin'ny toerana iasany. Ny Relijiozy dia mandray sy makatoa ny fitsipi-piainana atolotr'ireo mpanorina ny fikambanana rahefa nalamina sy voadinika tsara... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

Ny relijiozy dia fehezin'ny tompom-pahefana eo an-toerana, ireo fikambanana nankatoavin'ny Eveka eo ambany fahefan'ny Eveka eo amin'ny diôsezy iasany. Ny relijiozy fehezin'ny Evekan'i Rome irery dia izay nankatoavin'ny Papa mivantana ilay fikambanan-drelijiozy, miankina tanteraka amin'i Vatican, izany hoe ny Papa, amin'ny maha loha-laharana azy eo amin'ny Fiangonana... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

• Hotanterahana rahampitso ety Ivato ny fomba fametrahana an'i Mompera Rakotondranaivo Harisoa José Gaston, ho lehibe vaovaon'ny Fikambanana Saleziana eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice. Hametraka azy amin'izany i Mompera Bizimana Innocent, Mpanolotsaim-paritra ho an'i Afrika Atsinanana sy Atsimo... • Nifarana androany ny andiany faharoa amin'ny Fihaonambem-paritra ara-toekarena ao Atsimo Andrefana na ny FER. Sady hamelona ny toekarena ifotony sy eo anivon'ny Faritra ity fihaonana ity, hoy ny Minisitra mpiahy Naina Andriatsitohaina... • Nomarihana androany ny faha-30 taona nianjetren'ilay fiaramanidina DC3 tao amin'ny Fokontany Ambohipanasina, misy ny “Bout de piste” Ivato, ny 18 jolay 1995. Niisa 40 ny mpandeha tao anatiny ka ny efatra sisa velona. Isan'izany ny Filohan'ny vondron'orinasa Vima, Zouzar Bouka...

• Nanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny alahadin'ny ranomasina, ny Arsidiosezin'i Toamasina... • Hotanterahana ny sabotsy 26 jolay 2025 ny “Journée écologique”, karakarain'ny VEF, Diosezin'Antananarivo... • Tsy maintsy misy akony ny antsoantson'ireo iharan'ny herisetra, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ireo mpivahiny masina ortodoksa katolika, ny alakamisy teo...

• Mitohy ny dingana amin'ny fikarohana ny sambo AW. Arahanao ato amin'izao vaovao izao ny fanazavan'ny Tale Jeneralin'ny APMF... • Navoaka ofisialy, androany maraina tety Ivato, ireo mpianatra miisa 132 nanaraka fiofanana tao amin'ny Centre de Formation Technique Marie Auxiliatrice na CFPT... • Olom-boafidy be asa fa kely tombontsoa, raha oharina amin'ny olom-boafidy hafa, ny Ben'ny Tanana...

Nilofo fatratra tamin'ny fiompiana kankana hamokarana zezika kankana ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny 2 taona. Tsy mamihana samy irery ny voka-pikarohana ka nahitan'izy ireo tombotsoa ny mpitarika Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Maro ny voka-tsoa azon'ireo mpikambana amin'ny fampiasana ny zezika kankana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...