Ny fotoana maha zatovo dia fotoana tsy maintsy lalovana ary fiolahana lehibe eo amin'ny fiainana satria fotoana mety hanaovana fitondrantena mety hitondra voka-dratsy eo amin'ny fahasalamana sy ny fiainana manontolo. Eto Madagasikara, miaina ao anaty tontolo tsy ahazoany fahasalamana ny tanora, mitontongana ny toekarena, ny fanabeazana, ny fiahiana ny ara-pahasalamana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Aza ariana ny mpanao gazety fa vavahady fakam-baovao itokisan'ny vahoaka, hoy ny Dr Manitra Rakotoarivony, manoloana ny vaovao mifamahofaho momba ny fahapozinana ara-tsakafo... • Nanome ny toky ireo solontenan'ny mpiasan'ny Jirama, izay nihaona taminy, ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina, fa mijanona ho orinasam-panjakana 100 % ny Jirama... • Tsy afaka hitazana fotsiny manoloana izao fahoriana manjo ny firenena sy ny vahoaka Malagasy izao ny Mpitandrina Avotra ho an'ny Firenena na ny MAFI. Hanatanteraka hetsika tsy misy politika eny Analamahitsy izy ireo anio...
Ny faneken'ny Papa no maneho fa ankatoavin'ny Fiangonana ny fijoroan'ny Fikambanan-drelijiozy iray. Adidin'ny Fiangonana ary isan'ireny relijiozy ny miandry ny vahoakan'Andriamanitra sy mitondra azy eny amin'ny fiainana tsara. Adidiny ihany koa ny mametraka lalàna sy mitantana amim-pahendrena araka ny Vaovao Mahafaly ; mampirisika ireo fikambanana handrafetana ny Vatan'i Kristy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
• Tokony ho nohadihadiana teny amin'ny PAC sy ny Bianco androany Ramatoa Annick Ratsiraka. Nilaza ny tsy hamaly izany fiantsoana azy izany izy, raha ny nambaran'ny fampahalalam-baovao sasany... • Misy mpandraharaha vahiny manafatra menaka efa akaiky ho lany daty eto aminstika, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH. Miantso ny mpanjifa hitandrina, mialoha ny hividianana ireny entana nafarana ireny, ity fikambanana ity androany... • Nihaona teny Iavoloha androany ny Filoham-pirenena sy ny solontenan'ny Tambaben'ny Mpiasan'ny Jirama. Tsy hisy fandroahana mpiasa, mijanona ho fananam-panjakana zato isan-jato ny Jirama, hoy ny Filoha...
♦ Nanatevi-pahalalana nandritra ny telo andro momba ny fitantanana ny talen-tsekoly katôlika ato amin'ny Diôsezin'Antananarivo. Nodinihana nandritra ny fiofanana koa ny hamokarana boky fampianarana fiteny frantsay ho an'ny sekoly katôlika manokana... ♦ Manatanteraka ny diabe am-bavaka fanao isan-taona andiany faha-17 Tanà-Moramanga ny Pretra Carmes. Lohahevitra itondrana izany ny hoe "Mpivahinin'ny Fanantenana toa an'i Mompera Sergio, tarihan'i Masina Maria... ♦ Hapetraka amin'ny fomba ôfisialy rahampitso ny ben'ny tanàna vaovao ao amin'ny kaominina Ilakatra-Vohipeno. Tsy manaiky ny fanalàna ny ben'ny tanàna efa niasa ny mpomba azy...
Manana ny anjara toerany lehibe ny tantaram-pirenena, izay mamolavola sy manomana ny olom-pirenena vanona, mahalala ny toerana sy ny andraikiny ary ny adidiny eo amin'ny firenena. Zava-misy ankehitriny anefa maro ny olona no tsy mahalala ny tantaran'ny firenena. Ny olona verezin-jo, ara-toekarena, ara-pitantanana, ara-panabeazana sy amin'ny lafin-javatra samihafa dia toy ny miaina ao anaty fanandevozana amin'ny endriny vaovao... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Manavao ny lasi-panofanana momba ny fambolena sy ny fiompiana ny Don Bosco Madagascar sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy. Azo ampiasaina amin'ny taom-pianarana vaovao izao ny vokatra azo... ♦ Mikarakara fihaonambem-paritra ara-toekarena mandritra ny roa andro hanomboka anio ny Faritra Atsimo-andrefana. Fotoana ahafahan'ny Faritra mamaritra ny laharam-pahamehana ao aminy izy io... ♦ Tratehaky ny pôlisy misahana ny fiarovana ny sisin-tany tety Ivato ny tambazotra mpanao trafikan-jaza alefa any ivelany. Nokasaina haondrana any Gabon ny zazavavy kely vao 8 volana...
Tsy anatin'ny filaharam-pitondrana ao amin'ny Fiangonana ny fiainan-drelijiozy, manaraka ny torohevitry ny Vaovao Mahafaly ; tsy tafiditra amin'ny sakramentan'ny filaharana tahaka ny Eveka, Pretra sy Diakra. Na izany aza dia voatokana hanompo ny Tompo sy hanome voninahitra Azy ny tenan'ny relijiozy. Ny relijiozy dia manavao isanandro ny fanomezan-toky tamin'ny Batemy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
• Manavao ny lasi-piofanana momba ny fambolena sy ny fiompiana ny Don Bosco Madagascar sy ireo mpiara-miombona antoka aminy. Azo ampiasaina amin'ny taom-pianarana vaovao izao, ny vokatra azo... • Mikarakara fihaonambem-paritra ara-toekarena mandritra ny roa andro, hanomboka rahampitso, ny Faritra Atsimo Andrefana. Fotoana ahafahan'ny Faritra mamaritra ny laharam-pahamehana ao aminy izy io... • Hakalazaina ny 18 hatramin'ny 24 aogositra 2025 ny faha-50 taonan'ny klioba Malagasy Karaté Do na ny MAKA. Hanome voninahitra izany ny filoha mpanorina, ny Maître René Ramanitrandrasana...
♦ Tafapetraka eny amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny ivon-toerana handrindra sy hitantanana ny fizotran'ny fihaonana antampon'ireo filoham-panjakàna sy governemanta eo anivon'ny SADC ny 3 hatramin'ny 18 aogositra, ahitàna vaomiera 14 mandrafitra izany... ♦ Tapitra ny faran'ny volana jolay izao ny fe-potoam-piasan'ny tale jeneralin'ny Madagascar Airlines, Thierry De Bailleul. Hisokatra ho an'ireo maniry ny te ho tale jeneralin'ity kaompania ity ny fitadiavana olona vaovao hoy ny ministera... ♦ Nidina ho 58,95% ny taham-pahafahana fanadinam-panjakàna BEPC manerana ny nosy tamin'ity taona 2025 ity...
Mamarana ny taon-tsekoly ny any am-pianarana, ary efa manomana sahady ny fandaharam-potoana ho an'ny taona manaraka. Ny sekolin'ny ray aman-dreny dia mitondra amin'ny fivoarana ho an'ny tsirairay sy ny sekoly ary ny mpanabe. Ireo mandrafitra ny telozoron'ny fanabeazana no tena hiantefan'ny sekoly ho an'ny ray aman-dreny, fanatsarana ny fifandraisan'ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ary ireo mpianatra... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Voaantso eny amin'ny PAC sy eny amin'ny BIANCO ny sekretera nasiônalin'ny Antoko AREMA, Annick Zoary Ratsiraka... ♦ Tena miaina anaty fiaraha-monina hafahafa ny eto Madagasikara ankehitriny, hoy ny CRN. Marolafy mantsy ireo zavatra mafampàna izay ahiana hitarika any amin'ny korontana... ♦ Mpiasa iray amin'ny efatra maneran-tany no ahiana ho very asa vokatry ny fampiasàna ny saina voatran'olombelona... ♦ Tafaverina eo ambany fifehezan'ny tafi-panjakàna ny tanànan'i Bedouins izay toerana nisian'ny fifandonana teo amin'ny foko Bedouins sy ny Druzes any Syrie nahafatesana olona 89 ny alahady lasa teo...
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco