♦ Misedra olana amin’ny fisitrahana herinaratra indray ireo mpanjifan’ny JIRAMA. Antony samihafa no ambaran’ny JIRAMA eo amin’ny pejiny fa mahatonga izany olana izany… ♦ Hamafisina manomboka izao ny fameranana amin’ny Fanjakàna sy amin’ny vahoaka, ireo vola sy fananana voageja azo tamin’ny kolikoly. Laharam-pahamehana ihany koa ny fanenjehana ireo olom-baventy tompon’andraikitra ara-panjakàna mpanao kolikoly… ♦ Olona telo tamin’ireo enina natolotra teo anivon’ny Fitsaràna no nampidirina am-ponja, izay voasaringontra amin’ny fivarotrana sy famoahana laza adina eny amin’ny ENMG… ♦ Hatsahatra mandritra ny 10 andro indray hoy Donald Trump ny fikasana handrava ireo tobi-pamokarana herinaratra any Iran…

Ao anatin'ny Gaudium et Spes n°4 dia mandinika ny toe-javatra iainan'ny olombelona amin'ny tontolo ankehitriny, izay voamariky ny fandrosoana lehibe nefa koa anaty fikorontanana sy tebiteby lalina, ny Eglizy. I Kristy no fanantenana marina afaka mandresy ny tebiteby lalina indrindra ao am-pon'ny olona. Ao Aminy no ahitàn'ny olombelona ny valin'ny fanontaniana fototra momba ny ho avy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

Ny fiovana ara-tsôsialy sy ara-kolontsaina dia miseho amiin'ny fanovana ny rafitra ara-pianarana, asa, sy ny fitantanana, fanitarana ny fahalalana sy ny fidirana amin'ny vaovao, fivoaran'ny fomba fiainana sy ny soatoavina, fiovan'ny fomba fifandraisana eo amin'ny olona sy ny vondrom-piaraha-monina. Ireo fiovana ireo dia mitaky fahatsiarovan-tena sy fanabeazana vaovao... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

♦ Nihazo an’i Guinée Equatorial, androany, ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, hidinika amin’ireo mpitondra Afrikana ny momba ny sazy apetraka amin’i Madagasikara, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena… ♦ Arovan’ny fitondrana Fanavaozana ireo miady amin’ny kolikoly, ireo mpitondra ambony, hoy ny Praiministra ; ambarany fa tena henjehina amin’izany ireo vaventy manomboka izao… ♦ Ministera maromaro sahady no nahavita famindram-pahefana, teo amin’ny ministra vaovao sy ny teo aloha, androany, taorian’ny fanendrena omaly… ♦ Namoy ny ainy ny lehiben’ny tafika an-dranomasina Iraniana, izay voalaza fa niantsy an’i Filoha Amerikana…

♦ Hanao vaindohan-draharaha amin'ny ady amin'ny kolikoly ny fitondrana hoy ny filohan'ny fanavaozana ny Repoblika. Tsy handeferana intsony ireo fambolena korontana sy fampisaraham-bazana ny samy Malagasy hoy ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Niatrika fanadihadiana teo anivon'ny Inspection Générale de l'Etat teny Antaninarenina omaly ny ministry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, Sahondranirina Marie Michelle... ♦ Malagasy avokoa ny ankamaroan'ireo miasa ao amin'ny Madagascar Oil amin'izao fotoana izao. Manome lanja ny fiarovana ny tontolo iainana ihany koa ny orinasa...

Misy teboka miisa telo tokony hananana raha te hanana ho avy tsara isika dia : ny fitiavana, ny fahamarinana ary ny fifampitokisana. Mba ho azo antoka ny atao hoe fanavaozana dia misy dingana telo farafaharatsiny tsy maintsy atao ho zava-dehibe dia : ny fanadiovana, ny fanarenana ary ny fanavaozana. Manoloana ny famahana ny olana misy eto amin'ny firenena dia tokony hatao laharam-pahamehana ny famaliana ny filàn'ny Malagasy fa tsy izay tsindry avy any ivelany na tombontsoa manokana ; hantenaintsika mba ho olom-boatendry filamatra sy manana fahamarinana no hanana andraikitra eto amin'ny firenena... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Nijoro alina ny governemanta tarihan'ny Praiministra Rajaonarison Mamitiana. Ministra 17 tamin'ny governemanta teo aloha no naverina amin'ny toerana niadidiany. Governemanta andraisan'ny ankolafin-kery samihafa no najoro hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny repoblika... ♦ Naneho ny heviny omaly ny Ben'ny tanàna an'Antananarivo-renivohitra, teo aloha, Harilala Ramanantsoa fa tsy misy idirany ny findramam-bola nataon'ny orinasa SMDG tamin'ny CNaPs. Nohenoina teny amin'ny Pac 67Ha izy omaly... ♦ Miroso amin'ny fanatanterahana ny dinika misokatra, tsy manavaka sokajin'olona ny firaisa-monim-pirenena, hanombohana izany Analamanga...

Ny Fiangonana dia mahita fa tsy afaka misaraka ny famonjena ara-panahy sy ny fandrosoana maha-olona. Ny Fiangonana dia maniry ny hanampy ny olombelona hahalala ny fahamarinana momba ny tenany sy ny fiainany, hiaro ny hasin'ny maha-olona, hiady amin'ny tsy rariny,ny fanandevozana ary ny fanilikilihana, hanangana fiaraha-monina mifototra amin'ny rariny sy ny fitiavana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

♦ Efa mandeha ankehitriny ny famotorana ara-pitsaràna atao amin'ny tompon'andraikitry ny orinasa "Fond Souverain Malagasy" (F.S.M) izay nahitàna fanodikodinam-bolam-panjakàna... ♦ Niakatra teny anivon'ny Tendrom-pitsaràna misahana ny ady amin'ny kolikoly teny amin'ny 67Ha (PAC), androany ny ben'ny tanàna an'Antananarivo-renivohitra teo aloha, Ramanantsoa Harilala... ♦ Nanambara tamin'ny fomba ôfisaly androany ny firaisa-monim-pirenena fa manatanteraka dinika misokatra, tsy manavaka ny sokajin'olona rehetra izy ireo, ka manerana ny Faritra miisa 24 no hanatanterahana izany...

♦ Olona mamaly ireo fitakiana natao teny an-kianja no tokony ho eo amin'ny toeran'ny mpanatanteraka hoy ny solombavambahoaka Rajerison Antoine, andrasana ny tapak'andro hariva izao moa ireo mpikamban'ny governemanta vaovao... ♦ Nanao fitokonana fanairana tao Vodiala, distrikan'Ambatondrazaka ny maraina teo ireo tantsaha mpamboly ao Ambatondrazaka sy Amparafaravola... ♦ Eny anivon'ny Fitsaràna Ambaratonga Voalohany irery ihany no hanaovana ny fangatahana bulletin numéro trois, hosoko ny ankoatra izay hoy ny teo anivon'ny firaketan-draharahan'ny Fitsaràna Anosy...

Tsy misaraka ny zo sy ny hasina ho an'ny vehivavy, tsy maintsy mifandroy amin'ny toetra amam-pihetsika anefa ireo. Ny zo dia filàna ara-boajanahary ho an'ny olona iray mba hampivelatra azy eo amin'ny fiainany. Ny zo dia mitaky toetra mendrika. Ny hasina dia fanajàna ataon'ny olona : ny toetra dia isan'ny fototra afahana mitaky hasina (fomba fiteny, fiankanjo, fitondran-tena...). Mila manome haja ny tenany ny vehivavy mba hanomezan'ny olona hasina azy... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Ho fantatra anio alarobia faha-25 marsa ireo ministra vaovao handrafitra ny governemantan'ny Praiministra Mamitiana Rajaonarison... ♦ Nankatoavin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana ny fangatahan'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena momba ny fanesorana amin'ny toerany solombavambahoaka miisa 5... ♦ Tandindomin-doza ny ho avin'ny famokarana sy ny fahaleovan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara hoy ny fiaraha-monim-pirenena, mitaky ny hampitsaharana ny fanafarana vary avy any ivelany ny sendikan'ny tantsaha mpamboly vary...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...