Vanim-potoana hanavaozana tokoa isika izao. Ady hevitra tsy afaka ambavan'ireo mpisehatra amin'ny fanabeazana ohatra ny hanovàna ny tetiandrom-pampianarana an-kapobeny. Ny marimarina kokoa dia ny hanitsiana izany, mba hanaraka ny toetr’andro. Tena hoe ny toetr’andro tokoa satria tsapa ho voaelingelin’izany ny alimanàka ao anatin'ny taom-pianarana iray, izay handrantoan'ny zaza malagasy fahaizana amam-pahalalana any an-tsekoly...
♦ Hahemotra amin'ny taona 2027 ny JMJ Mada andiany faha-11 horaisin'ny tanànan'i Toamasina. Namoaka hafatra ho an'ny tanora mifandraika amin'izany ny fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara ny faran'ny herinandro teo... ♦ Namoahan'ny PAC Antananarivo didy fampisamborana iraisam-pirenena hafa indray Andriamatoa Mamy Ravatomanga, noho ny raharaha fanondrànana letchi. Olona 7 hafa ihany koa namoahan'ny Fitsaràna didy... ♦ Navaozina ny fifanarahana hitantanan'ny mpanazatra Corentin Martins ny Barean'i Madagasikara. Vita sonia ny sabotsy teo ny fifanaraham-piaraha-miasa herin-taona tsy azo havaozina momba izany...
♦ Hahemotra amin'ny taona 2027 ny JMJ any Toamasina saika hotanterahana amin'ity taona ity. Fanapahan-kevitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara manoloana ny voina nateraky ny rivodoza Gezani... ♦ Nigadona an-tanindrazana ny delegasiôna malagasy notarihan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika tany Rosia. Fahombiazana ny dia natao tany araka ny fanazan'ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Mbola manamafy hatrany ny météo malagasy fa ho betsaka ny rotsak'orana eto amin'ny Faritra Analamanga anio. Hiseho any Tsaratanàna, Andilamena ary Amparafaravola izany rahampitso...
Notendren’ny Papa Léon XIV ho Evekan’ny Diosezin’i Port-Victoria, Seychelles i P. Rasamison Landry Phillippe, taorian’ny nankatoavin’ny Ray masina ny fangatahan’i Mgr Alain Havel hitsahatra amin’ny asany amin’io Diosezy io.
Alahady 22 febroary 2026 - Taona A - ALahady voalohany karemy : Andriamanitra tsy tia ratsy fa ny olombelona no be siasia. Tena fitiavana ny fandraràn'Andriamanitra ny olombelona amin'ny alalan'ny Didy folo sy ny fandraràna hafa araka ny Soratra Masina, Tian'Andriamanitra hanaka azy amin'ny lafiny rehetra ny olombelona. Ny tany efitra dia manambara fisitahana, fahanginana, fivavahana, fisedràna fakam-panahy maro. Ny demony dia tsy maka fanahy raha tsy misy zavatra fanararaotra toy ny sakafo, harena, voninahitra, ka ilaina mitolona am-bavaka sy mitoky amin'Andriamanitra Ray, Zanaka, sy Fanahy-Masina...
Niforontanan'ny fisakafoana mahazo ireo olona tsy mahinana sakafo na tsy te hihinana, ireo mihinana be loatra, ireo tsy mahalany ny sakafo sahaza azy, ireo manam-pahazarana manao be am-bava, ireo dia samy fambara olana ara-pahasalamana. Ny tsy fahazotoana misakafo dia fambara hoe tsy salamana ny olona iray. Ny fikorontanan'ny fisakafoana dia mety ho vokatry ny aretim-bavony, ny lalan-kanina no misy marary... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Manahy amin'ny ho avin'ny fampianarana sy ny fanabeazana eto Madagasikara ny vovonan'ny fitantanana ny fampianarana amin'ny sehatra tsy miankina (DNP). Hijoro, tsy hilavo lefona manoloana ny zava-misy izy ireo raha nitafa tamin'ny mpanao gazety... ♦ Hivadika ho Université Virtuelle ny CNTEMAD. Nosantarina, omaly, teny Anosy ny fidirana amin'ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra... ♦ Manomboka miverina ny famatsian-dranon'ny Jirama ao an-tampon-tanànan'i Toamasina hoy ny Ministry ny rano sy ny fidiovana ary ny fanadiovana. Famatsiana rano tapaka noho ny fandalovan'ny rivodoza Gezani farany teo...
Josoa Kristry no "leader" lavorary tokony ho tahafina. Ireo tsara halain-tahaka Aminy : Fanetrentena, manao ny sitrapon'ny Ray, manompo ny rehetra, matoky Andraimanitra, mamaly ny hetahetan'ny hafa, mahay mizara andraikitra sy fahefana, fananganana vondrona hanamorana ny asa manandrify. Ny leadership kristiana dia miezaka mamantatra ny olombelona sy ny momba an'Andriamanitra, mamantatra ny sitrapon'Andriamanitra hasoa ny vahoakany... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Nangingina tato ho ato, tao anatin'ny taona maro ny fivoizana ny voly vary SRI eto Madagasikara. Manohy ny sehatr'asany hatrany anefa ireo mpandala ity teknika fambolem-bary ity eto amin'ny nosy saingy tsy mba misy mpahalala ny asa ataony. Mivoatra ny haitao entina ampiroboroboana ny voly vary SRI saingy tsy heno firy ihany koa ny tohiny. Isan'izany ilay milina fanetsana mampiasa ny teknika bata-tany noforonon'ingahy Gislain Raharinaivo, injeniera momba ny fambolena miara-miasa amin'ny orinasa atsy Afrika...
Ny ankamaron'ny vahoaka ankehitriny dia miaina fahasahiranana lalina ary maro ny marary tsy manana fahafahana mitsabo tena, etsy ankilany ny voina vokatry ny rivodoza. Ilay Samaritana tsara fanahy araka izay voasoratra amin'ny hafatry ny Ray Masina Léon XIV dia modelin'ny fangorahana, izay tsy fahalemena fa hery arahina fahendrena, fisokafana. Ny atao mahasarika ary mandrisika ny hafa... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Nihaona tamin'ny Filoha Rosiana Vladmir Poutine ny tolak'andro teo, ny Filoham-panjakana Michaël Randrianirina. Nifantohan'ny dinika ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenena roa tonta... • Tafakatra 62 ireo olona namoy ny ainy, vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Gezani. Maherin'ny 420.000 ireo traboina amina Distrika 29, araka ny tatitra farany navoakan'ny BNGRC androany... • Natao famotorana lalina teny amin'ny PAC ilay raharaha fanodikondinam-bola 183 tapitrisa Ariary tao amin'ny fivarotam-panafodin'ny Hopitaly Itaosy...
♦ Nahazo famatsiam-bola mitentina 1,5 tapitrisa Dôlara avy amin'ny Joint-SDG Fund hanohanana ny tetik'asa fanafainganana ny fampivoarana ny rafitra ara-tsakafo i Madagasikara... ♦ Tsy mazava ny rafitra hitondrana ny firenena ka mangataka fanazavana momba izany amin'ny fitondram-panjakàna ny fiaraha-monim-pirenena ROHY... ♦ Mpampiofana miisa 40 eo anivon'ny Federasiôna Malagasin'ny Baolina Lavalava no nahazo fiofanana iraisam-pirenena... ♦ Voaheloka higadra mandra-pahafatiny ny filohan'i Corée atsimo teo aloha, Yoon Suk Yeol, araka ny didy navoakan'ny Fitsaràna tao Seoul, androany...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco