♦ Tany amin'ny 467 km atsimo-andrefan'Itampolo Ampanihy no nisy ny foiben'ilay rivodoza mahery Gezani, omaly tamin'ny 3 tolakandro. 120km/ora ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafiotra 170km/ora... ♦ Manentana ny rehetra mba hanalavitra ny fifanararaotana amin'ny endriny maro samihafa ao anatin'ny voina toy izao ny FFKM... ♦ Hisy amin'ireo mpiara-miasa akaiky amin'ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina no hiakatra Fitsaràna amin'ity herinandro ity. Nisy koa ny fisavàna sy fisamborana ny mpiara-miasa aminy hafa ny faran'ny herinandro teo... ♦ Tsy nanadino an'i Madagasikara ny Papa Léon-XIV. Nitondra am-bavaka ireo Malagasy traboina ny Ray Masina...

• Efa any Toamasina ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, miaraka amin'ireo eveka maromaro, nihaona tamin'ny Kardinaly Désiré Tsarahazana, sy mankahery sy mivavaka ho an'ny mponin'i Toamasina, izay niharan'ilay rivodoza Gezani... • Mitady hisy hibodo ny tanin'ny Arsidiosezin'Antananarivo misy ny Rovan'ny Tovovavy, toerana mifanila sy mifanakaiky amin'ny Fiangonana EKAR Antanimena... • Tsy mihen-danja, ary tsy ho fatin'ny firoborobon'ny teknolojia vaovao ny Radio. Isan'ny nisongadina ireo androany, nandritra ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny Radio, teny amin'ny Havoria Anosy...

Maro amin’ireo tantsaha ato amin’ny faritra Analamanga no resy lahatra amin’ny fampiasana zezika biolojika tsy misy taharo simika. 10 taona nirotsahana an-tsehatra sy nampitombo fahalalana amin’ny famokarana zezika kaompôsta Andriamatoa Randriamijoro Jacques Lucien ary nahita fahombiazana tamin’izany.

Ny fifandraisana amin'ny lafiny rehetra, amin'ny mpiara-belona, amin'ny voary manontolo dia anisan'ny antoka lehibe ho amin'ny ho avy mandrakizay. Misy fiovana lehibe miantraika amin'ny fifandraisana eo amin'ny fianakaviana, ny tanora ary ny fiaraha-monina noho ny : teknôlôjia sy ny tambajotra sôsialy, ny ara-toekarena ara-kolontsaina ary ireo toe-javatra manokana izay mety hiteraka adin-tsaina sy fifandirana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

• Tafakatra 30 ny isan'ireo namoy ny ainy vokatry ny rivodoza Gezani. Olona 6 no tsy hita popoka, maherin'ny 5 alina sy 2 hetsy ireo traboina, raha ny tarehimarika farany navoakan'ny BNGRC... • Hanampy an'i Madagasikara amin'ny fanarenana ny fahavoazana nateraky ny rivodoza Gezani, ireo mpiara-miombona antoka iraisam-pirenena. Nisy ny fivoriana niresahana izany fiaraha-miasa izany, tany Toamasina androany... • Tsentsin'ny fako ny tohodrano mamatsy rano an'Andekaleka, vokatry ny rivodoza farany teo. Miteraka olana amin'ny famatsiana herinaratra ho an'Antananarivo sy Toamasina, hoy ny Minisitry ny Angovo, androany...

♦ Manentana ny mpino katolika manerana ny nosy mba haneho fitiavana araka izay fantatry ny fontsika hanampiana ireo havana any amin'ny Faritra nahitàna fahasimbana nolalovan'ny rivodoza ny Fivondronamben'ny Eveka... ♦ Mangataka vavaka sy tolo-tanana avy amin'ny mpiray tanindrazana indrindra fa ho an'ireo olona sahirana iahian'ny fikambanana ny Saleziana Don Bosco eto Madagasikara. Lasan'ny rivotra avokoa ny tafon'ny trano sy ny fotodrafitr'asa tao Mangarano... ♦ Feno 51 taona omaly 11 febroary ny nahafaty ny Colonel Ratsimandrava Richard. Herinandro katroka taorian'ny nandraisany ny fahefana avy amin'ny Jeneraly Ramanantsoa...

♦ Miisa 31 no maty, maherin'ny 250.000 no traboina vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Gezani teto Madagasikara. Rivodoza nivoaka an-dranomasina any amin'ny lakandranon'i Mozambika omaly hariva rehefa niditra tao Toamasina ny talata hariva teo... ♦Manentana ny mpino katolika manerana ny nosy mba haneho fitiavana araka izay fantatry ny fontsika fa mety hahafahana manampy ny havantsika amin'ireo Faritra nahitàna fahasimbana nolalovan'ny rivodoza ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Rava hatrany amin'ny 80% ny tanànan'i Toamasina. Nijery ny zava-nisy sy namaha olana tany an-toerana ny filohan'ny Fanavaozana...

Andriamahazonoro dia anisan'ireo Mpanazary-Ombiasy nafarana ho eto Imerina tamin'ny vanim-potoana nitondran'Andrianampoinimerina, mba hanampy sy hanolontsaina ary niantafika niaraka tamin'ireo miaramila tamin'izany fotoana. Nampianatra sy nampita fahalalana maro avy amin'ny Foko Antemoro, indrindra ny sorabe teto Imerina. Andriamahazonoro dia isan'ireo masoivoho Malagasy voalohany tany Angleterre. Ireo Mpanazary-Ombiasy miisa dimy (Imosa, Ratsimezy, Andriambita, Ratsilikaina, Andriamahazonoro) dia samy maty novonina tamin'ny fomba tsy voafaritra ka iretsy telo voalohany no niara-maty...

Mahafinaritra rehetra tanteraka ny fiombonana sy ny firaisan-kina ary io no isany mampiavaka ny soatoavina Malagasy. Misy lanjany ny Fanjakàna Malagasy, miavaka isika amin'ny fiarovana ny aina, fitandroana ny fihavanana sy ny fiarovanana ny tontolo iainana. Ny fiombonana no sori-dalana efa hitanan'ireo mpanjaka nitondra amin'ny fanamafisana sy fanatsarana ny fanjakàna ka tokony mbola himasoana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

♦ 17 taona katroka androany ilay raharaha fitifirana teny Ambohitsirohitra ny 7 febroary 2009. Nangingina ny hetsi-pahatsiarovana raha ny hita ny tapany maraina teo... ♦ Manamarika ny faha-13 taona nijoroany eny Anosy, androany, ny antoko KINTANA. Mbola mitàna hatrany ny rafitra "Federalisma" tokony hitondràna ny firenena ity antoko ity... ♦ Lehilahy telo no nodorana velona tany Soanindrariny, Distrika Antsirabe-II. Voatondro ho nanataka kibom-behivavy bevohoka, haka ny mason'ilay zaza ao am-bohoka izy ireo... ♦ Hifarana anio 7 febroary ny fe-potoana hitantanan'ny filan-kevitry ny fitondrana tetezamita any Haïti...

Alahady 08 febroary 2026 : Alahady faha-5 mandavantaona — A — Ny soa atao levenam-bola ; Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no manana ny fahazavan’ny fiainana. Oharina amin'ny Fanasina sy ny Fahazavana ny mpianatry ny Tompo, izay lovaintsika Kristiana amin'ny fomba amam-panao ankehitriny, toetra manentana ny rehetra hanatontosa ny adidy, andraikitra tandrify azy araka ny fitantanan'ny Fanahimasina. Ny Jiro dia natao hanazava, hiadiana amin'ny tahotra ; ny sira dia fanomezana hasina, ary natao hanadiovana, fitsaboana, fanasitranana ; noho izany dia natao hiazona ny hajan'ny fiaraha-monina ny Kristiana...

Mandritry ny torimaso no miala sasatra ny saina sy ny vatana ary hanovozana herim-batana sy herin-tsaina ; ao anatin'ny torimaso no manavao ny sela ny vatana sy ny taova, manamafy ny hery fiarovana. Mandritry ny torimaso no miasa ny atidoha manamafy ny fitadidiana sy mandray ho raikitra izay fahalalana noraisiny ary manivana izay tsy ilainy, amin'io fotoana io no mandamina ny fiasany ny tsirim-panentana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...