• Tany amin'ny 262 km avaratr'i Besalampy ny nisy ny foiben'ilay rivodoza Fytia, raha ny fampitam-baovao avy amin'ny Météo tamin'ny 11 ora antoandro teo... • Miisa 83 ireo mararin'ny MPOX sitrana rehefa nivoaka ny hopitaly, raha ny tatitra omaly... • Misitraka "forages" miisa roa ireo mpianatra eny amin'ny Polytechnique Vontovorona. Natolotra sy notokanana androany izany...
Ny sehatra fanehoan-kevitra dia fomba iray afahana mampandray anjara ny tanora, indrindra amin'ny fampandrosoana ny firenena. Ny 70% amin'ny mponina eto Madagasikara dia tanora ka azo lazaina ho singa lehibe afahana mampandroso firenena ny fanomezana sehatra azy ireo. Raha tsy omena sehatra ny tanora dia lasa mijanona ho mpitazana izy fa tsy ho mpandray anjara amin'ny fiainan'ny firenena, na ny momba ny tenany mivantana koa... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Tany amin'ny manodidina ny 300 km avaratra andrefan'i Besalampy no nisy ny foiben'ilay andro ratsy, alina tamin'ny 9 ora. Vinavinaina hiditra an-tanety eo anelanelan'i Maintirano sy Mahajanga izy rahampitso ka mety hahatratra ny tanjaka rivodoza mahery... • Nanamafy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika Randrianirina Michaël, fa manaraka ny Lalam-panorenana ny fitondrana mijoro ankehitriny... • Nihatra nanomboka alina tany Nosy-Be Hell-Ville, ary haharitra 15 andro, ny fepetra tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina...
• Mitombo hery ka mety no lasa rivodoza anio alina na rahampitso maraina, ilay andro ratsy ao amin'ny Lakandranon'i Mozambika. Faritra maro no nahazo filazana loza manambana sy loza fanairana avy amin'ny Météo... • Nisy andiana tanora nanao diabe nankeny amin'ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza androany. Nilanja sora-baventy izy ireo, mitaky ny handravana ny andrim-panjakana sy hirosoana amin'ny fanovana tena izy... • Tanora miisa 1.300 no hisitraka fampiofanana mandritra ny 15 volana, momba ny tontolo nomerika. Tafiditra amin'ny tetikasa ASAN'AI izy io, natomboka tamin'ny fomba ofisialy androany...
♦ Mila ajoro eto amin'ny firenena ny vovonana fanovan-drafitra hamolavola ny andrimaso dina hitanjozorana hitondràna ny firenena hoy Andriamatoa Leno Razafiarison, mpikambana ao amin'ny CNC, fikaonan-doham-pirenen'ny krisitanina... ♦ Natolotra androany tetsy amin'ny Mining Business Center Ivato ny tatitry ny EITI taona 2023 Nivoitra tamin'izany fa manana anjara toerana goavana amin'ny toe-karena ny sehatry ny harena an-kibon'ny tany... ♦ Tsy mbola tafapetraka hatramin'izao ny dinika eo amin'ny solontenan'ny mpiasa, ny mpampiasa ary ny Fanjakàna handinika ny momba ny fampiakarana ny karama ho an'ny tsy miankina hoy Rakotomanga Barson...
Ny tafika no nisantatra ny fanavaozana, nampitodika tamin'ny tantara nisy ny zava-mitranga ankehitriny, mampisy fanantenana ny fandraisan'andraikitry ny foloalindahy. Ilaina ny fahitsiana amin'ny asa aman'andraikitra tanan'ny tsirairay mba ho asa vita tsara sy andraikitra tontosa antsakany sy andavany. Tsara toerana koa ny "Dinam-piaraha-monim-pirenena" miohatra amin'ny Lalam-panorenena satria iry voalohany dia niainga teny ifotony ary mahakasika kokoa ny fiaraha-monina manontolo... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Nomarihana omaly ny andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny angon-drakitra manokana. Andro iraisam-pirenena mifanindran-dalana anatin'ny hetsika fisoratana anarana biômetrika eto Madagasikara, miatomboka amin'izao fotoana izao... ♦ Hotanterahana ny 7 hatramin'ny faha-10 mey izao ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny toe-karena etsy amin'ny Foibe Fandraisana Fivoriana Iraisam-pirenena (CCI) ety Ivato. Efa misokatra ny fisoratana anarana... ♦ Miisa 533 ny fitambaran'ny tranga rehetra mitondra ny aretina MPox eto Madagasikara tamin'ny talata. Miisa 201 ny tranga voamarina, miisa 332 ny tranga ahiana...
• Manome antoka ny olom-pirenena, amin'ny fiarovana ireo angon-drakitra manokana mirakitra ny mombamoba azy, anatin'ilay hetsika fisoratana anarana biometrika, ny fanjakana Malagasy. Nomarihana androany ny andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny angon-drakitra manokana... • Omena lanja manokana amin'ny Foara Iraisam-pirenena eto Madagasikara, na ny FIM, hotanterahana amin'ity taona ity ny fandraisana anjaran'ireo orinasa lehibe samihafa... • Tany amin'ny manodidina ny 306 km andrefana, somary avaratra andrefan'i Besalampy, no misy ny foiben'ilay andro ratsy miforona ao amin'ny Lakandranon'i Mozambika, tamin'ny 3 ora tolakandro teo...
♦ Isan'ny nihaona tamin'ireo iraka manokan'ny vondrona SADC omaly ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Vola mitentina 629.000.000 Ariary no tsy voalohan'ny Fanjakàna tamin'ireo mpandraharaha nanao ny hetsika mifampitsinjo, hetsika nivarotana fitaovam-pianaran'ny mpianatra tamin'ny vidiny mirary... ♦ Hampanarahan-dalàna ireo agence de placement mandefa mpiasa any ivelany ho fiarovana ny mpiasa Malagasy hoy ny Ministry ny asa, ny fampananan'asa ary ny asam-panjakàna... ♦ Aoka, hoy ny Papa Léon-XIV, tsy ho adinoina ny zava-doza tamin'ny fandringanana nahazo ireo Jody tamin'ny ady lehibe faharoa...
Tontolo tefen'ny reny mijanona ao an-trano mikarakara ny ankohonana no nanefy ny fitaizana taloha ; fa ankehitriny dia tontolo tefen'ny reny, miasa sy mivoaka ny trano, ary mandray anjara amin'ny asa fivelomana. Ny reny mijanona sy mpikarakara tokantrano dia tsy andraikitra mora fa isan'ny fototry ny fanabeazana, mikolo ny fanahy, vatana, saina mivantana ny zanaka... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Hahafahan'ireo teratany Malagasy handray anjara amin'ny fifidianana ny fahavitan'ny fisoratana anarana Biômetrika hoy ny filohan'ny fanavaozana ny repoblika Randrianirina Michaël... ♦ Ny vondrona Erôpeana no mitàna ny loha-laharana amin'ny fifanakalozana ara-barotra amin'i Madagasikara satria ny 30% amin'ny vokatra ahondrana avy eto amin'ny nosy no makany Erôpa... ♦ Nahatratra 19 ny nomoy ny ainy manerana ny nosy hatramin'ny nanombohan'ny taom-pahavaratra 2025-2026, raha ny tatitra avy amin'ny BNGRC... ♦ Maherin'ny 6.000 ireo namoy ny ainy vokatry ny fihetsiketsehana misy any Iran araka ny tatitra nataon'ny HRANA...
♦ Mihaona amin'ireo ankolafin-kery samihafa ireo iraky ny SADC mitsidika eto Madagasikara. Fihaonana hanaovan'izy ireo tombana momba ny toe-draharaham-pirenena eto amin'ny nosy ankehitriny... ♦ Faniriana ny hahavitàn'ny fikaonandoham-pirenena sy ny fifidianana Lalàm-panorenana ao anatin'ny 24 volana. Izay no nambaran'ny filoham-panjakàna Michaël Randrianirina, raha nihaona tamin'ireo isaky ny SADC, izy omaly... ♦ Asa 5.000 isa no hoforonona ao anatin'ny 2 taona anatin'ny tetik'asa iarahana amin'ny ministeran'ny asa ny fampananan'asa ary ny asam-panjakàna...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco