♦ Mangataka ny hamindràna an'Andriamatoa Mamy Ravatomanga hotsaraina eto Madagasikara ny Ministry ny Fitsaràna Malagasy. Tompon'andraiki-panjakàna maro no nihaona taminy nandritra ny fitsidihana tatsy Maorisy... ♦ Hiakatra 14,5% ny karaman'ny mpiasa amin'ny sehatra tsy miankina amin'ity taona ity. Ny karama farany ambany ihany no anefa no neken'ireo vondron'ny mpampiasa fa voakasik'izany fampiakarana izany... ♦ Hanambana mivantana ny ilany afovoany antsinanan'ny nosy ilay faritra andro ratsy ao amin'ny ranomasimbe Indiana ny fiandohan'ny herinandro io. Ahiana hivadika ho rivo-doza izy ato anatin'ny 48 ora...
Ny GERP dia vondrona iray miaro sy mikaroka ny gidro, ny varika sy ny ala eto Madagasikara, miaro ny tontolo iainana. Ilaina ny fanamaitsona ny tontolo sy ny fambolen-kazo mba hanavotana ny zava-manan'aina rehetra ; misy ny roh mampifandray ny olombelona sy ny tontolo iainana. Ny fambolen-kazo dia tokony hakendry ireo toerana misy fahasimbana (ngazana, mihotsaka...), anefa tokony hisy hatrany ny fanaraha-maso azy ireny. Ilaina hatrany ny mamantatra ny karazan-kazo tokony hovolena, torak'izany koa ny toerana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Rafitra no havaozina anefa, isika rehetra no manana andraikitra sy adidy amin'ny izany amin'ny alalan'ny fitiavan-tanindrazana ; aoka hialàna ny risoriso, ny tsy fanajana lalàna sy ny tsy maty manota. Nikorosofahana hatrany ny firenena taorian'ny repoblika voalohany ; azo heverina ho fanarenana ny zava-misy ny fanompom-pirenena, maro mantsy ny vokatra tsara vokatry ny nanaovana izany teo aloha toy ny fahavitan'ny lalana, fahatsaran'ny lafiny fampianarana, nanohana ny fambolena sy ny fiompiana, indrindra ny fahasalamana... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Taloha dia manodidina ny folo ny zanaky ny mpivady iray, fa tamin'ny ankapobeiny ny reny no tena niankinan'ny fitaizana, nanampy tamin'ny izany anjara andraikitra izany ihany koa ireo zanaka efa lehibe. Ny zoky dia nanampy tamin'ny fitaizana ary io no antony nametrahan'ny maro "ny zoky dia ray aman-dreny". Mahay mifaly, mahay mionona ny zanaka tamin'ny fitaizana taloha, fa ny ankizy ankehitriny dia toa voavolavola handray izay efa nomanin'ny ray aman-dreny... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Tafakatra 9 ireo olona namoy ny ainy, vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza Fytia tamina Faritra miisa 9 teto Madagasikara ny faran'ny herinandro teo. Mbola tsy hita ilay olona lasan'ny rano tany Ambalakida Mahajanga-II... ♦ Nanoso-kevitra hivoahana amin'ny toe-draharaha pôlitika eto Madagasikara ny antoko GJMD. Ny fandrafetana fifanarahana pôlitika tarihan'ny FFKM no lalan-kivoahana amin'izany hoy ny avy amin'ity antoko ity... ♦ Hisy ny fanomezana "solombodiakoho" ho an'ireo zokiolona mpikambana sady mpandray fisotron-drononon'ny CnaPs amin'ity taona ity. Lany teo anivon'ny filan-kevi-pitantanana ny momba izany...
Ny lahabolana "Kalo" na "kalokalo dia lahabolana atao an-kira, hirain'olon-tokana, fahatsiarovana sy fiventesana an-kira embona sy alahelo, mety ho fifaliana na alahelo. Ny teny hoe "kalo" dia mifanandrify amin'ny teny Malay hoe "Kalu" "kelu" midika hoe mitaraina na mitoloko ; "kalaw" midika ho "mpitsoka sodina". Ny teny "kalo" ankoatra ity enti-manondro lahabolana dia hanondrona " ody, na fiarovana, na famaritana na famantarana toerana na zavatra manan-tompo. Ny kalo dia lahabolana effa nisy sy fanaon'ny Malagasy talohan'ny nampidirana ny Literatiora teto Madagasikara...
♦ Atahorana ho vaky ny fefilohan'i Sisaony morony havanana any Ampahitrosy. Kaominina maro eny Atsimondrano no nahazo fampitandremana Loza, avy amin'ny APIPA omaly tolakandro... ♦ Olona fito no namoy ny ainy tamin'ny fandalovan'ny rivodoza Fytia, raha ny tatitra farany navoakan'ny BNGRC. Maherin'ny 60.500 ireo traboina, mponina maherin'ny 19.000 voatery nafindra toerana... ♦ Hisokatra ny famoahana ny fahazoan-dalana mikaroka sy mitrandraka harena ankibon'ny tany, rehefa niato nandritra ny 16 taona. Feno ny fepetra hamoahana izany, hoy ny eo anivon'ny ministeran'ny harena an-kibon'ny tany omaly...
Feno herintaona katroka ny Arofanina. Zana-pandaharana iray eto amin’ny Radio Don Bosco. Matoandahatsoratra novokarin’ny sampana fampahalalam-baovaon’ny RDB. Ny 03 Febroary 2025 no nisantarana ity fandaharana manokana Arofanina ity. Natao hamakafakana sy handalinana ny zavamisy eto amin’ny firenena, mahakasika ny sosialy ny toekarena, ny politika, ny trangam-piarahamonina sy ny sisa. Herintaona nitondrana fomba fijery sy famakafakana ny andavan'androm-piainan-dramalagasy. Herintaona nanabezana, nampitana fahalalana, fanakianana.
♦ Sorona Masina notarihan'y Eveka Mpanampy ato amin'ny Diôsezin'Antananarivo Mgr Randrianifahanana Mamiarisoa Modeste no nentina nankalazana ny fetin'i Masindahy Johany Bosco, ny sabotsy 31 janoary teo. Nifanindran-dalana tamin'izany ny fanokafana ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-30 niorenan'ny Radio Don Bosco... ♦ Vaky omaly alahady 1 febroary, tamin'ny 3ora sy sasany maraina ny fonjan'i Moramanga, gadra 14 tamin'ireo 96 tao, no tafatsoaka... ♦ Distrika maromaro eto Madagasikara no nitondra takaitra vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Fy-Tia, isany voa mafy tamin'izany i Mahanjanga...
Ianareo no fanasin'ny tany, ianareo no fahazavan'izao tontolo izao ; sahia miroso amin'ny lalina, mijoroa ka mamiràta, mamahara mba hanasoa olona ary mikatroha mba hifanohana sy hifampitantana ho amin'ny tsara kokoa hatrany. Ny tany manana ny satany, ny vohitra manana ny hasiny, ary ny olombelona manana ny mampiavaka azy, tohy aina no iraka ho antsika fa tsy fanangonana harena, mahatsara antsika ny miaina amim-pahitsiana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Tany amin'ny 238 km avaratra andrefan'i Besalampy no nisy ny foiben'ilay rivodoza FYTIA tamin'ny 3 ora tolakandro teo. Vinavinaina hiditra an-tanety eo anelanelan'i Tambohorano sy i Soalala izy anio alina, na rahampitso maraina... • Efa tafapetraka ireo mpikambana mandrafitra ny Filankevi-pitantanana eo anivon'ny CNaPS. Ny talata 3 febroary 2026 no hanomboka ny fahafahana manatitra antontan-taratasy ho an'ireo maniry ho Tale Jeneraly vaovaon'ny CNaPS... • Tsy mankasitraka ny fitakian'ny antoko politika sasany, handrava ny andrim-panjakana misy ankehitirny ny antoko Fy-M. Mampidi-kizo an'i Madagasikara hiditra any amin'ny famaizana iraisam-pirenena indray izany, hoy ny filohany...
Efa mahay mandray fanapahan-kevitra amin’ny fampivoarana ny fidiram-bola any aminy ny fikambanan’ny tantsaha eto amintsika. Tsy mianona amin’ny lalam-pihariana nifotorany hatramin’izay fa mitady lalam-pihariana fanampiny. Isan’izany ny fikambanana Miara-Mizotra Boeny ao Ambatoboeny sy ny Soa Mitambatra Amoron’i Mania.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco