♦ Maro ireo fanehoan-kevitra mifandraika amin'ny famerenana an'Andriamatoa Ntsay Christian ho Praiministra sy ny fandrafetana ny governemanta... ♦ Tsy manome alalana hisakana ireo mpikamban'ny UCTU maniry ny hiresaka saran-dalana ny birao, mandritra ny fivoriana izay hotanterahana amin'ny talata ho avy izao hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Fiarabe miisa 10 miaraka amin'ny pelle mécanique no nosamborin'ny polisy eo anivon'ny APIPA noho ny fanotorana tany tsy ara-dalana... ♦ Manampy amin'ny fanazavana ireo fifandisoan-kevitra na misakana izany, hoy ny Papa ny fanomezana vaovao marina...
♦ Tsy niova ny safidin'ny Filoha Andry Rajoelina fa mbola nametra-pitokisana hatrany amin'Andriamatoa Ntsay Christian eo amin'ny toeran'ny Praiministra, araka ny fanendrena natao omaly teny amin'ny Lapam-panjakàna Iavoloha... ♦ Tafakatra 10 ireo olona maty tamin'ny fandalovan'ny rivo-doza Alvaro ka tao amin'ny Distrikan'i Beroroha ny 4 tamin'ireo, raha 3 tao Manakara ary iray avy tao Vohipeno sy Manja ary Ikongo... ♦ Nidoboka am-ponja vonjimaika ireo atidoha tamin'ilay raharaha halatra tany ao Isahafa, Anosy-Avaratra... ♦ Tafakatra 242 ireo olona tsy hita popoka ary 92 ireo maty vokatra ilay horohoron-tany nitranga tany Japon araka ny tatitra farany nivoaka io maraina io...
♦ Anio amin'ny 8 ora alina no hampahafantarina eny Iavoloha izay ho Praiministra, hitantana indray ny Governemanta. Anarana vitsivitsy androany no efa natolotr'ireo solombavambahoaka IRD hisafidianan'ny filoha... ♦ Tompon'andraikitra ambony maromaro any amin'ny Faritr'i Boeny no nentina aty Antananarivo, hatao fanadihadiana eo anivon'ny PAC. Anisan'ireo voarohirohy tamin'ilay raharaha vary simba tany Mahajanga ihany koa izy ireo... ♦ Tafakatra 9 ny isan'ireo olona namoy ny ainy, vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza Alvaro, raha ny tarehimarika vonjimaika avy amin'ny BNGRC. Tany Beroroha sy Manakara ny ankamaroan'izy ireo...
♦ Andrasana rahampitso ny fanendrena izay ho praiministra vaovao, raha tsy misy ny fiovàna. Hisy mialoha izay ny fihaonana eo amin'ireo solombavambahoaka maroanisa sy ny filohan'ny repoblika... ♦ Antony mampihisatra ny fanendrena izay ho praiministra ny fifanarahana ara-politika misy eo amin'Andriamatoa isany Rajoelina Andry sy Ntsay Christian hoy i Guy Maxime Ralaiseheno... ♦ Hiverina ho tapaka indray rahampitso ny lalana ao amin'ny lalam-pirenena fahafito (RN7) ao Mahazengy noho ny fametrahana ny tetezam-by... ♦ Hanampy trotraka ny fahavoazan'ny mponina lasibatry ny horohoron-tany any amin'ny faritra andrefan'i Japon ny fiavian'ny hatsiaka mamirifiry sy ny firotsahan'ny orana...
♦ Tafiakatra 5.010 Ariary ny iray Euro omaly tolakandro tamin'ny fikatonan'ny tsenan'ny fifanakalozana vola vahiny. Manodidina ny 4.500Ariary kosa ny iray Dolara... ♦ Vonona hiara-hiasa amin'ny ministra hisahana ny fanjifana ho avy eo ny fikambanan'ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa MCI hitondra ny tetik'asa izy ireo mba hitsinjovana ny mpanjifa... ♦ Vahaolana entina mamaha ny fahantran'ny tontolo ambanivohitra ny fampiofanana ara-pambolena hoy ny tambazotra FARMADA... ♦ Namoizana ain'olona 78 farafahakeliny ny horohoron-tany nitranga tany Japon tamin'ny alatsinainy teo araka ny tarehimarika farany. Am-polony ireo tsy hita popoka hatramin'izao...
Ny safidy no fototry ny fiainana, raha tiana ho tsara ny fifandraisana eo amin'ny olon-droa, eo amin'ny sehatra roa samihafa dia tokony hajaina amin'ny safidiny ny olona tsirairay. Ny safidy dia miainga amin'ny finoana ihany koa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Ho fantatra tsy ho ela ny anaran'izay ho praiministra amin'izao fe-potoan-kiasana faharoan'ny filohan'ny repoblika izao. Tsy resy lahatra amin'izay governemanta hijoro eo Andriamatoa Guy Maxime Ralaiseheno... ♦ Hanova paik'ady amin'ny fitarihana ny antoko ny filohan'ny Tiako i Madagasikara. Niantso ny mpanara-dia azy ho sahy hijoro hanangana firenena vanona sy matanjaka Andriamatoa Marc Ravalomanana... ♦ Miisa 5 ny olona maty nandritra ny fandalovan'ny rivo-doza Alvaro teto amintsika. Maherin'ny 16.000 ny tra-boina... ♦ 95 farafahakeliny no maty tany Iran, 200 mahery ny olona naratra. Izay no vokatry ny fipoahana nahary vaika in-droa niantona nandritra ny fanamarihana ny faha efa-taona nahafatesan'i Qassem Soleimani...
♦ Nivoaka an-dranomasina ka tany amin'ny 324 km atsimo-atsinanan'i Farafangana no nisy ilay rivo-doza Alvaro, tamin'ny 10 maraina teo... ♦ An-dalana ho any Fianarantsoa ny fiarabe mitondra ny fitaovana sy kojakoja ilaina amin'ny fametrahana tetezana vonjy maika ao amain'ny PK 416 + 300 ao Mahazengy - Fianarantsoa, vokatry ny fahatapahan'ny lalana nateraky ny rivo-doza Alvaro... ♦ Nahemotra amin'ny fotoana manaraka ny fiakaran'ireo olona voarohirohy tamin'ny raharaha hosoka sy fisolokiana tanin'olona teny Isahafa-Anosiavaratra... ♦ Nankalaza ny fetin'ny Noely tamim-pahanginana sy niafina ny ankohonam-piainana kristiana tany Birmanie...
♦ Tsy hisy fitsofan-drano ny fiarahan'ny mitovy fananahana na oviana na oviana atao amin'ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara hoy ny Evekan'i Madagasikara omaly, manoloana ilay fanambarana "fitokisana am-pitalahoana" nataon'i Vatican ny 18 desambra 2023, ary nosoniavin'ny Pape François... ♦ Nivoaka ny ranomasina androany maraina ilay rivo-doza Alvaro... ♦ Maherin'ny 3.000 ireo tra-boina vokatry ny rivo-doza Alvaro... ♦ Tafakatra 62 ireo namoy ny ainy vokatr'ilay horohoron-tany mahery vaika tany amin'ny Peninsule de Noto Japon ny alatsinainy teo... ♦ Maty vokatry ny fanafihana nataon'i Israely ny filoha lefitry ny Hamas Saleh Al Arouri sy ny olona 6 hafa...
♦ Tsy hisy fitsofan-drano ny fiarahan'ny mitovy fananahana na oviana na oviana ato amin'ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara hoy ny Evekan'i Madagasikara androany manoloana ilay fanambarana "fitokisana am-pitalahoana" nataon'i Vatikana ny 18 desambra 2023 teo ary nosoniavin'i Papa François... ♦ Vinavinaina hivoaka an-dranomasina anio alina any amin'ny Faritra Vatovavy sy Fitovinany ny sisan-drahona miaraka amin'ilay andro ratsy Alvaro. tao amin'ny distrikan'i Fianarantsoa no nisy ny foibeny ny tolakandro teo hoy ny teo anivon'ny Météo Madagasikara... ♦ Maherin'ny 400 hatramin'ny tolak'andro teo ny isan'ireo tra-boina vokatry ny fandalovan'ilay rivo-doza Alvaro tany amin'ny distrikan'i Morombe, Faritra Atsimo-Andrefana....
♦ Mihena hatrany ny herin'i Alvaro, izay efa tsy voasokajy ho rivo-doza intsony fa lasa andro ratsy. Manohy ny diany miatsinanana hatrany izy, amin'ny hafainganam-pandeha 20km/ora... ♦ Mbola tena tsy hilamina ny fifanolanana pôlitika nisy nandritra ny fifidianana teo amin'ity taona 2024 ity, hoy ny antoko MFM. Hanampy trotraka izany ny fiakaran'ny vidim-piainana ka ahiana hiteraka olana ara-pôlitika... ♦ Voafonja 9.757 amin'ireo 16.766 manerana ny nosy no hahazo fanalefahan-tsazy noho izao taona vaovao 2024 izao. Miisa 2.766 ireo hahazo izany ka afaka hivoaka ny fonja avy hatrany... ♦ Tafakatra 30 farafahakeliny ireo namoy ny ainy, vokatr'ilay horohoron-tany nitranga tany Japon...
♦ Niditra an-tanety alina ilay rivo-doza Alvaro. Tany amin'ny Distrikan'i Ikalamavony no nisy ny foibeny ny maraina teo. Nihena ny heriny araka ny filazàna manokana avy amin'ny Météo Madagascar... ♦ Taona 2024, taona miavaka noho ny fananany andro 366. 10 farafahakeliny eo ireo andro hitsaharana kely amin'ny asa andavanandro... ♦ Tetik'asa maro no nampanantenain'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina fa hotanterahina amin'ity taona ity, tamin'ny kabary firariantsoa noho ny taom-baovao. Haodina eto an-toerana ireo vokatra ilain'ny vahoaka, hoy izy, hanarenana ny lafiny toe-karena... ♦ Nisehoana horohorontany nisesisesy omaly tolak'andro tany avaratra atsinanan'i Japon, nahatratra 7,5 Richter ny heriny...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco