Ao anatin'ny fankamasinana dia misy dingana telo : ny fiangavian'ny mpitarika ny fidinan'ny Fanahy Masina hanamasina, fanamasinana ny mofo sy divay ho lasa vatana sy ran'i Kristy ary ny fanandratana. Rehefa vita ny Masina izay fihobiana an'Andriamanitra tompon'ny hery sy ny fahamasinana rehetra dia tohizin'ny pretra mpitarika ny vavaka miainga amin'iny tonom-bavaka "Masina" iny... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

Ao anatin'ny fankamasinana dia misy dingana telo : ny fiangavian'ny mpitarika ny fidinan'ny Fanahy Masina hanamasina, fanamasinana ny mofo sy divay ho lasa vatana sy ran'i Kristy ary ny fanandratana. Rehefa vita ny Masina izay fihobiana an'Andriamanitra tompon'ny hery sy ny fahamasinana rehetra dia tohizin'ny pretra mpitarika ny vavaka miainga amin'iny tonom-bavaka "Masina" iny... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

♦ Hiroso amin'ny tetik'asa TNT Télévision Numérique Terrestre indray ny fitondram-panjakàna mijoro amin'izao fotoana izao, ahafahan'ny mpandraharaha manangana fahita lavitra sy onjam-peo ankalalahana, hoy ny Ministry ny Serasera sy Kolontsaina... ♦ Rariny raha nilaza ny filohan'ny Antenimieram-pirenena fa ho esorina ireo solombavambahoaka tsy tonga nivory tao anatin'ny fotoana maharitra hoy ny filohan'ny antoko ALFA... ♦ Mihaino ny sehatra tsy miankina ny Fanjakàna ary manome fanohanana hahazoana tontolon'ny fandraharahana milamina sy maharitra, nisy ny fihaonana omaly teo amin'ny FOM sy ny Ministeran'ny Indostria...

♦ Tonga niarahaba ny filohan'ny Fanavaozana an'i Madagasikara ny Kôlônely Randrianirina Michaël, sy ireo mpanolo-tsaina avo miara-miasa aminy ; teny lapam-panjakàna Iavoloha ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto Madagasikara, omaly, zoma 9 janoary 2026, noho ny fahatratrana ny taona vaovao... ♦ Maro ny haino aman-jery tsy ara-dalàna misokatra eto Madagasikara. Manoloana izany dia hisy ny fanadiovana atao, raha ny nambaran'ny ministry ny serasera sy kolontsaina omaly... ♦ Hanampiana ireo tanora mitady asa sy ny orinasa manana tolotr'asa dia hapetraka ato anatin'ny 6 volana ny "plate forme numerique nationale pour l'Emplois" (IZAHA ASA)... 

• Maro ny haino aman-jery tsy ara-dalana misokatra eto Madagasikara. Manoloana izany dia hisy ny fanadiovana hatao, raha ny nambaran'ny Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina androany... • Hanampiana ireo tanora mitady asa, sy ny orinasa manana tolotr'asa dia hapetraka ato anatin'ny enim-bolana ny “Palteforme numérique nationale de l'emploi - IZAHA ASA”, hoy ny Minisitra tompon'andraikitra... • Tokony avahana ny fikaonan-doha politika fototra, hirosoana amin'ny fandinihana ny lalam-pifidianana, sy ny fikaonan-doha ho an'ny fanarenana ny toe-karena sy ny sosialy, hoy ny antoko ALFA...

• Efa eo am-panandramana ilay fitaovam-pandrefesana ny singa mandrafitra ny toetry ny andro mahaleotena, novokarin'ireo injeniera malagasy, ny Météo... • Ny toe-tsaina izay tsy mifampitsinjo amin'ny ady sarotra, no nambaran'ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa fa antony nampidangana tampoka ny vidin'ny arovava sy orona... • Ilaina ny fifanomezan-tanana eo amin'ny samy Malagasy ho fanatanterahana ny fikaonan-doham-pirenena, izay lalana hizorana any amin'ny fifidianana, hoy ny Minisi-panjakana Hanitra Razafimanantsoa...

• Mitombo ny tranga MPOX hita eto Madagasikara ka lasa 124. Na izany aza, mbola mijanona ho enina ireo tranga voamarina... • Mizarazara ny hevitr'ireo mpiasan'ny fahasalamana manoloana ny fandraisana andraikitra amin'ny hiatrehana ny MPOX. Misy ireo vonona, ao koa ireo mametraka fepetra... • Hifamotoana eny amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy, hidinika miaraka amin'ny Minisitra mpiahy, ireo mpitantana sy tompona haino aman-jery...

• Misy fampiasam-bola hikononkononana fanasoketana mpitondra eto amintsika, hoy ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon'ny Fitsarana Ambony Antananarivo, androany... • Misy amin'ireo mpiasan'ny fahasalamana no efa mivonona ara-tsaina, hiatrika ny ady amin'ny valan'aretina MPOX. Nilaza ny tsy handray an-tanana ireo voan'io aretina io kosa ny fiombonan'ireo "Internes" eto Madagasikara... • Hivaha tsy ho ela ny famatsiana rano fisotro madio ho an'Antananarivo, hoy ny Minisitry ny Rano androany. Novatsiana milina mpamokatra herinaratra fiandry, ireo fitaovan'ny Jirama manosika rano, amin'ny toerana miisa 14...

Nahavelom-belo ny mpiantsehatra amin’ny lalam-pihariana ronono iny taona 2025 lasa iny. Nivoatra hatrany mantsy ny tontolon’ny lalam-pihariana ronono eto amintsika hoy ny filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Malagasy Dairy Board na ny MDB.

• Nitatitra ny zava-nisy niainan'izy ireo tao amin'ny orinasa, tamin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny mpiasan'ny SECREN omaly. Mila harenina hanana ny toerany indray ity orinasa ity, hoy ny Kolonely Randrianirina Michaël... • Manentana ny mponina mivezivezy ao an-drenivohitra, hampihatra ny fepetra fisorohana ny valan'aretina MPOX, ny Fiadidiana ny Tananan'Antananarivo. Miara-miasa amin'ireo mpisehatra amin'ny fitateram-bahoaka ihany koa ny Kaominina... • Hamoaka ny mari-pamamntarana hahalalana azy ny Malagasy Dairy Board na ny MDB atsy ho atsy. Fitaovana hahalalana manokana ny ronono sy ny vokatra azo avy aminy, vokarin'ny mpikambana...

• Mitaky ny hanoloana ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, ny sendika Triade. Saika mboa ny olon'ny fitondra teo aloha avokoa, hoy izy ireo, ny 95 % ny ekipa teknika ao amin'izany minisitera izany... • Hikarakara ny dingana rehetra amin'ny fanendrena ny Tale Jeneralin'ny CNAPS vaovao, ny Minisiteran'ny Asa, Fampanana asa ary ny Asam-panjakana. Nametra-pialana ny Tale Jeneraly Vimbina Rahaingonjatovo... • Mametraka paikady tsy hiparitahan'ny valan'aretina, indrindra fa ny nendran-drajako, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin'izao fotoam-pahavaratra izao...

• Nametra-pialana ny Tale Jeneralin'ny CNAPS, Vimbina Rahaingonjaotovo. Tontosa androany maraina teny Ampefiloha, ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny solontena avy amin'ny Minisiteran'ny Asa, ny Fampanana asa ary ny Asam-panjakana... • Mitaky ny hanoloana ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka ny sendika Triade. Mbola mitohy ny antsojay sy ny sakantsakana samihafa, tsy ahafahana miroso amin'ny fanavaozana, hoy izy ireo... • Tsy hametraka trano fialofana ho an'ireo traboina vokatry ny tondra-drano ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, amin'ity fotoam-pahavaratra ity, ho fampiharana ny fiarovana ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan'ny valan'aretina nendran-drajako...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...