♦ Maromaro ireo mpanao politika nahazo andraikitra ambony eo anivon'ny fiadidiana ny fanavaozana. Anisan'ireo voatendry amin'izany toerana izany, Clémence Raharinirina sy Babà Rakotoarisoa... ♦ Mandà ny filazàna azy ireo fa nametra-pialàna ireo mpikambana miisa 3 eo anivon'ny HCC. Namoaka fanambarana ôfisialy izy ireo, omaly hariva... ♦ Miantso fitoniana pôlitika amin'izao ankatoky ny fetin'ny Noely izao ny lehiben'ny mpanohitra eny amin'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Nanambara ny fahatratrarany ny lehiben'ny vondrona mpampihorohoro Fanjakàna Islamika i Turquie omaly, isan'izany i Mehmet Gören...
Ny fanokafana ny fankalazana dia fandraisana ireo rehetra tonga hamonjy Lamesa, no sady hisarihana ny fo amam-panahin'ny mpino hifantoka ao anatin'ny fankalazana, azo adika ho famondronana izany. Ao anatin'ny hira fanombohana no hidiran'ny mpisorona miaraka amin'ireo mpandraharaha rehetra eo amin'ny sorona, mandritra izany koa ny fiarahabana ary ny fanomanana ho amin'ny fifonana... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Miisa telo ireo mpikamban'ny HCC voalaza ho nametra-pialana ary efa nosoloina... • Niaiky amin'ny fisian'ny olana samihafa amin'ny famatsian-drano ao an-drenivohitra ny orinasa JIRAMA... • Nomena baiko tsy handefitra amin'ireo mpanakorontana eny anivon'ny fiaraha-monina ny polisy, amini'zao fety izao...
♦ Olona roa akaiky ny fitondràna teo aloha no niharan'ny fisavàna trano ny faran'ny herinandro teo. Nosavaina ihany koa ny tranon'Andriamatoa Edgard Razafindravahy, ankoatra an'i Moussa Soalihy, izay voasambotra, omaly... ♦ Nivoizan'ny mpanao pôlitika sasany tato ho ato ny fitakiana fandravàna ny Antenimieram-pirenena, hirosoana any amin'ny tena fanovàna. Te hahazo seza ireo mivoy izany, hoy ny solombavambahoakan'i Faratsiho... ♦ Tsy an'asa ny maro amin'ireo "infirmiers" nahavita fianarana eto Madagasiraka. Misy ireo sampandraharaha handefa azy ireo hiasa any ivelany, miara-miasa amin'ny Holafitry ny Infirmiers eto Madagasikara...
… /… Fitohanan'ny fifamoivoizana na tohim-boivoy, na embouteillage e! Teny hilazantsika azy avokoa izany. Dia efa zary fiainana andavanandron'Antananarivo ity resaka embouteillage ity. Efa tsy hakana lagy, hoy ny fomba fiteny. Lasa eritreritra ny Arofanina fa tsy mety voavaha mihitsy io olana io, efa am-polom-polo taona maro. Ny fitomboan'ny mponina no antony voalohany mahatonga ny fitohanan'ny fifamoivozana lavareny eto Antananarivo. Fantatra manko fa manodidina ny 3 tapitrisa ny mponina ao an-drenivohitra, miampy ireo mipetraka manodidina, izay mbola miasa, mivarotra, na manao raharaha hafa ao....
♦ Lasa Paroasy ato anatin'ny Diôsezin'Antananarivo ny Ekar Masina Maria Mpanampy. Nambara araka ny fomban'ny Fiangonana, omaly ny momba izany... ♦ Mitady hivaona amin'ny tolona ny asan'ny Governemanta tao anatin'izay roa volana izay hoy ny Antenimieran'ny tolona. Tafatsangana ny sabotsy teo nandritry ny fihaonamben'ny mpitolona teny Ampefiloha io vovonana io... ♦ Tsy mahomby ary tsy nitondra vahaolana ho an'ny sehatra tsy miankina ny Praiministra sy ny ministry ny asa hoy ny SVS, izay niatrika Kôngresy nasiônaly ny sabotsy teo. Nanapaka izy ireo fa mitohy ny tolona ho an'ny mpiasa... ♦ Nanomboka alina ny CAN 2025, izay tanterahina any Maroc...
Ny fankalazàna ny Eokaristia na Lamesa na Sorona Masina, araka ny fahalalantsika azy dia manomboka eo amin'ny hira fidirana na fanombohana ary mifarana amin'ny hira fanirahana. Mivelatra ho fizaram-potoana miisa roa lehibe izy, nefa mirafitra ho tokana ihany ny votoatiny : voalohany ny famoriana na fanokafana ny fankalazana ary ny faharoa dia ny fankalazana ny Sorona na ny litorjian'ny Eokaristia... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
♦ Efa manomana ny fifidianana ho avy ny filohan'ny Antenimieram-pirenena hoy ny solombavambahoaka Antoine Rajerison. Noamafisiny fa isan'ny paik'ady ny fananganana vondrona parlematera vaovao... ♦ Hitombo ny rano vokarin'ny Orinasa JIRAMA eny Mandroseza. Misy ny asa fanarenana ka tombanana hiakatra hatrany amin'ny atsasany ny rano vokarina afaka 2 volana... ♦ Misy ny fikasàna hanangana ny holafitry ny mpiasa sôsialy. Mikarakara izany ny ISTS eny Mandrimena Iavoloha sy ny sampana manofana ho mpiasa Sôsialy eny amin'ny oniversite... ♦ Nitatitra ny zava-bita nandritry ny 12 volana farany ny filoha Rosianina...
Alahady 21 desambra 2025. Alahady fahefatra — Taona A "fiavian’ny Tompo" : Hiara-monina amintsika Andriamanitra ; Indro ny virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny Anarany hatao hoe: Emanoela, izany hoe Andriamanitra eo anivontsika. Aleloia. Ireo fihetsika nataon'i Masindahy Joseph dia maneho fa olo-marina izy satria tsy mankasitraka ny fahafatesan'ny hafa, nanaraka ny feon'Andriamanitra ary mihaino sy manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra. Rehefa miala amin'ny fahotana isika dia afaka manavaka ny feon'Andriamanitra amin'ny fakam-panahy. Ny zanak'Andriamanitra tonga nofo dia ho an'ny olombelona rehetra ary honina eo amintsika...
♦ Nahavita be tamin'ny famolavolàna mpisehatra amin'ny asa sôsialy ny Ivon-toerana Ambony ho an'ny Asa Sôsialy (ISTS) eny Mandrimena Iavoloha. Ivon-toerana mankalaza ny faha-65 taona nijoroany... ♦ Nitsidika ny Faritra Atsimo omaly, ny filohan'ny fanavoazana ny Repoblikan'i Madagasikara sy ny delegasiôna niara-dia taminy. Tsy ho vita ao anatin'ny fotoana fohy hoy ny Koôlônely Randrianirina Michaël ny fanarenana ny firenena potika an-taonany maro... ♦ Nifarana omaly ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny Antenimiera mpanao lalàna eto Madagasikara. Nanjaka ny demôkrasia teny Tsimbazaza, nalalaka ny fanehoan-kevitry ny solombavambahoaka...
Anatin'ny asivinandro mialohan'ny Noely isika ; zava-dehibe ny fihavanana eo amin'ny fiaraha-monina ary ao amin'ny Tompo. Fotoana izao hihavanana amin'ny rehetra, amin'ny alalan'ny Sakramentan'ny Fihavanana ary ny fihavanana amin'isika samy isika olombelona. Isika rehetra dia efa natao hiombona ary miombina ao amin'i Jesoa Kristy. Isika dia manana adidy hiaro ny tanindrazana, ny havana sy ny mpiray monina... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Mpisorona i Jesoa satria nanolo-tena amin'ny Ray ary nanolotra ny ainy ho sorona teo amin'ny hazofijaliana ho antsika olombelona. Ny teny "sorona" dia manana heviny maro fa eto amin'ity katesizy hifampizarana ity dia i Jesoa nanolotra ny tenany ho sorona ho antsika olombelona no heviny, ary miantso antsika hanolo-tena toa Azy koa ho porofon'ny fitiavana... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco