Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 3, 5. 7-12)

Fahendrena no nangatahinao ho anao.

Tamin’izany andro izany,
ny Tompo niseho tamin’i Salômôna tamin’ny nofy, nony alina tany Gabaôna,
ka hoy Andriamanitra taminy:

“Angataho izay tianao homeko anao”.

Ary hoy i Salômôna:

“Ry Tompo Andriamanitra ô,
efa nampanjaka ny mpanomponao handimby an’i Davida raiko Ianao;
izaho anefa dia mbola tovolahy tanora kely tsy mahay mitondra tena.
Ary ny mpanomponao dia eo afovoan’ny vahoakanao, izay nofidinao,
vahoaka be dia be, tsy azo vinavinaina ny habetsahany,
tsy tambo isaina, fa maro be loatra.
Koa saina mahiratra no omeo ny mpanomponao, hitsarako ny vahoakanao,
hanavahako ny soa sy ny ratsy.
Fa iza moa no hahay hitsara izao vahoakanao maro be izao!”

Nankasitrahin’ny Tompo ny nangatahan’i Salômôna izany zavatra izany taminy.
Ka hoy Andriamanitra taminy:

“Noho ianao nangataka izany zavatra izany,
ka tsy nangataka andro maro ho anao,
sy tsy nangataka harena ho anao,
ary tsy nangataka ny ain’ny fahavalonao ho anao;
fa ny saina no nangatahinao ho anao mba hitsara araka ny rariny;
dia indro, tanterahiko ny teninao, fa homeko saina hendry sy mahiratra ianao,
ka ny olona talohanao tsy nisy toa anao,
ary tsy hisy toa anao ny olona hitsangana ato aorianao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 118, 57 sy 72. 76-77. 127-128. 129-130

Ny teninao Tompo ô, mamiko sy teliko, ny lalanao lalako, no sitrako.

Ny anjarako, ry Tompo, hoy aho,
dia ny mitandrina ny teninao.
Soa ho ahy ny lalàna avy amin’ny vavanao
mihoatra ny volamena sy volafotsy miavosa.

Hampionona ahy anie ny fitiavanao,
araka ny teninao tamin’ny mpanomponao.
Ny indrafonao haninteraka ahy sy hamelona,
satria ny lalànao no firavoako.

Izany no itiavako ny baikonao
manoatra ny volamena madio indrindra.
Izany no ifidianako ny lahatrao
sy ankahalako izay mety ho fitaka.

Tantely mandriaka ny fanambarànao:
izany no itandreman’ny fanahiko azy.
Vavahady mazava ny teninao
sy mampahazo fahalalana ny olon-tsotra.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 28-30)

Nokendreny hitovy endrika amin’ny Zanany koa isika.

Ry kristianina havana,
fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy,
dia ireo voaantso araka ny fandaharany.
Satria izay fantany rahateo no notendreny hitovy endrika amin’ny Zanany koa,
mba ho Lahy matoa amin’ny rahalahy maro Izy.
Ary izay notendreny no nantsoiny koa;
izay nantsoiny no nohamarininy koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 44-52)

Nivarotra izay rehetra mety ho fananany izy ary nividy io saha io.

Tamin’izany andro izany i Jesoa nanao tamin’ny vahoaka hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha,
izay hitan’ny olona ka nafeniny tao ihany aloha;
dia lasa tamin-karavoana izy nivarotra izay rehetra mety ho fananany,
ary nividy io saha io.
Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpandranto mitady voahangy tsara.
Ary nony nahita anankiray be vidy izy,
dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.

Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina,
ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao;
rehefa feno izy dia nosarihina ho eny amoron-drano,
ka nipetraka ny olona nifantina ny tsara hataony ao an-karona,
fa ny ratsy kosa nariany.
Dia tahaka izany koa raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao:
hivoaka ny Anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina,
ka hanipy azy any amin’ny memy mirehitra;
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.
Efa azonareo va izany?”

Hoy izy ireo taminy hoe:

“Eny”.

Dia nanampy teny indray Izy nanao hoe:

“Koa ny mpanora-dalàna rehetra izay naharay tsara ny amin’ny Fanjakan’ny lanitra àry,
dia tahaka ny raim-pianakaviana izay mamoaka zava-baovao sy tranainy
avy amin’ny fitoeran-drakiny”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 44-46)

Nivarotra izay rehetra mety ho fananany izy ary nividy io saha io.

Tamin’izany andro izany i Jesoa nanao tamin’ny vahoaka hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha,
izay hitan’ny olona ka nafeniny tao ihany aloha;
dia lasa tamin-karavoana izy nivarotra izay rehetra mety ho fananany,
ary nividy io saha io.
Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpandranto mitady voahangy tsara.
Ary nony nahita anankiray be vidy izy,
dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nihazo an'i Lisbonne Portugal, alina, ireo solon-tenan'i Madagasikara hanatrikanyjMJ eran-tany andiany faha-37. Notanterahina teny amin'ny Ekar Mangasoavina ny Lamesa fanirahana azy ireo, notarihin'ny filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka... ♦ Noraisin'ny Diôsezin'Antananarivo ny sabotsy hariva teo ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison. Tamin'ny fomba niavaka sy manetriketrika izany fandraisana izany, nipaka teny amin'ny katedraly Andohalo... ♦ Samy namory ireo mpomba azy tany Frantsa ny sabotsy teo Andriamatoa isany Marc Ravalomanana sy Siteny Randrianasoloniaiko, izay samy ho mety kandidà amin'ny fifidianana filoham-pirenena... 

♦ Hanampy an'i Madagasikara amin'ny ady amin'ny kolikoly, amin'ny fanondranana bibidia ary amin'ny famotsiam-bola, ny "application" vaovao manamora ny fikarohana ireo andinin-dalàna, hampiasaina amin'ny finday sy solosaina, tetik'asan'ny USAID... ♦ Hotanterahina any Menabe amin'ny fiandohan'ny volana aogositra ny fihaonam-be iraisam-paritra, hampanjakàna ny fandriampahalemana, handraisan'anjaran'ny any Vakinankaratra, Menabe, Bongolava, Atsimo-andrefana, karakarain'ny mpitandro ny filaminana... ♦ Efa nisy ireo olona voasambotra tao Morondava momba ny fiparitahan'ny laza adina bacc...

♦ Hihatsara sy hiitatra amin'ny sehatra maro ny fiaraha-miasan'i Madagasikara sy Chine. Taorian'ny fandraisan'ny repoblika ny delegasiôna sinoa avy amin'ny antoko PCC, dia noraisin'ny filohan'ny antenimieram-pirenena ihany koa izy ireo omaly... ♦ Nahatratra hatrany amin'ny 81,25%-ny Malagasy tokony hifidy no voasoratra anatin'ny rejistry ny fifidianana, izay nampahafantarin'ny CENI omaly, fa ho ampiasaintsika amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena izao... ♦ Haingana kokoa sy ahitana vokatra mivaingana ny famokarana, hiarahan'ny kaoperativa any ifotony manatanteraka, ka anton'ny nanavaozana ny lalàna mifehy ny orinasa kaoperativa. Omaly isika no nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an'ny kaoperativa...

♦ Navoakan'ny CENI androany, ny rejisitra nasiônalin'ny fifidianana, izay hampiasaina amin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena amin'ity taona ity... ♦ Hamafisina hatrany ny fiaraha-miasa eo amin'i Madagasikara sy i Chine, sy ny fiaraha-miasa eo amin'ny samy tatsimo... ♦ Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Kôperativa ny androany. Nomena hasina manoka androany kôperativa, tamin'ny alalan'ny fihaonambe izay natao tany Miarinarivo Itasy...

♦ Notendrenan'ny Papa François ho Evekan'ny nosy La Réunion, i Mgr Pascal Chane-Teng... ♦ Nodimandry teo amin'ny faha-56 taonany i P. Odon Honoré Andrianarisoa, Aomônie Nasiônalin'ny AFAFI-FET... ♦ Nitsidika ny Diôsezin'Ambanja ireo "Justice et Paix" eo amin'ny sehatra nasiônaly, ka misy ny fiofanana sy ny fivoriana izay nifampizaran'ireo tamin'ireo "Justice et Paix" any amin'ity Diôsezy ity...

♦ Navoaka androany ny rejisi-pifidianana nasiônaly, hiatrehana ny fifidianana. Maherin'ny 4 alina sy 11 tapitrisa ny isan'ny mpifidy voasoratra anarana. Nihena 4 alina sy 2 hetsy mahery ny eto amin'ny Faritanin'Antananarivo... ♦ Nanatitra taratasy fanindroany ho an'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, ny Antoko Pôlitika Madio. Taratasy manamafy ny fitakiana ny fiampangana ny ny Filoha eo anivon'ny "Haute Cours de Justice, noh ny raharaha fizakany zom-pirenena frantsay... ♦  Hametraka fitoriana vaovao eny amin'ny Fitsarana, ny sendikàn'ny mpiasan'ny CNaPS...

♦ Niaka-tsehatra tao amin'ny haino aman-jerim-panjakana ny Filoham-pirenena androany, nanoloana ny savorovoro nandritra ny fanadinana Bakalôrea. Misy andian'olona, vitsy an'isa, misompatra ny fitondrana, hoy Andriamatoa Andry Rajoelina... ♦ Tsy ho foana tanteraka ao anatin'ny telo herinandro, ny delestazy amin'ireo tanan-dehibe eto Madagasikara, hoy ny Minisitry ny Angovo androany. Mila fiara mpitatitra solika miisa 100 isan'andro, raha ny nambarany, raha tiana ho foana tanteraka ny fahatapahan'ny herinaratra...

♦ Niofana teto andrenivohitra nandritra ny 3andro ny Dokotera Veterinera avy amin'ny Faritra miisa 8, eto amin'ny nosy. Fiofanana nanatevenana ny fahalalan'ny mpitsabo biby afahana manatsara ny fanaraha-maso ny aretim-biby... ♦ Efa manomboka ny asafanamboarana ny lalam-pirenena faharoa (RN2) hoy ny teo anivon'ny ministeran'ny asa vaventy. Asa fikojakojana nohamafisina no natao mba hampateza ny asa vita... ♦ Mahatratra 9.000 ny isan'olona tsy manana kôpia nahaterahana ao amin'ny Distrikan'i Soavinandriana Faritra Itasy. Misy ny fiaraha-miasa eo amin'ny OIF sy ny ministeran'ny Fitsaràna mba hisitrahan'ny mponina amin'ny kaominina miisa 9 izany kôpia izany...

29 jolay 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 24-30)

28 jolay 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 18-23)

27 jolay 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 10-17)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...