Ny mpiara-miombon'antoka dia tokony iaina ny fahamarinana, ny fifampitokisana ary ny fifanajana. Ireo toetra fototra ireo dia hampiarina amin'ny sehatra rehetra izay hisian'ny fiombonan'antoka. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Ny fisolokiana dia miteraka fahasahiranana sy fanimbana ary fanapotehana ny fiaraha-monina, ny tokan-trano ; mety hanimba ny sehatry ny asa ary mety hiafara amin'ny sehatry ny firenena izany olana izany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Ny fanambakàna dia miseho amin'ny endriny maro noho ny tsy fahalalana. Ny fanambakàna dia manimba ny rivotry ny fiaraha-monina, na eo amin'ny olon-droa na eo amin'ny fianakaviana na eo amin'ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Ny fametsifetsena dia azo adika ihany koa hoe " famitahana, fampanantenana poakaty. Ny fametsifetsena dia hita eo amin'ny fiaraha-monina ary tonga amin'ny fahapotehan'ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Ny fanararaotana dia mety ho amin'ny lafiny tsara fa misy koa ireo manararaotra amin'ny ratsy. Koa araraoty ny andro azo hanaovana soa. Tsy lavitra izany ny fahasarotam-piaro, indrindra ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
♦ 3 mey : Andro eran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety... ♦ Hibahan-toerana amin'ny fivorian'ny parlemantera nanomboka ôfisialy omaly, ny momba ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakana 2023, ny fehezan-dalàna momba ny harena ankibon'ny tany, ary ny lalàna mifehy ny fampiasam-bola... ♦ Somary nangina tao ho ao, saingy manohy ny fitakiany hatrany ny Sendikàn'ny Mpiraki-draharaham-pitsarana eto Madagasikara... ♦ Efa maherin'ny 500 hatramin'izao ireo namoy ny ainy vokatry ny ady any Soudan ary avo 10 henin'izay ireo maratra...
♦ Miaka-dapa, miatrika ny fivoriana ara-potoana voalohany amin'ity taona ity ny Andrim-panjakana mpanao lalàna eto Madagasikara. Hafampana ny ady hevitra eny Tsimbazaza, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Nihaona tamin'ny vahokan'ny Kaominina Anosizato Andrefana, Distrikan'Antananarivo Atsimondrano androany, ny Filohan'ny MMM... ♦ Mitaky ny hamoahana ny fanavaozana ny fahazoan-dàlana mitrandraka vato sy ny làlana mifehy izany ny fikambanan'ny mpanao vato any Fianarantsoa...
♦ Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy ny maraina teo ny fivoriana ara-potoana ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza. Niaiky ny filohan'ity andrim-panjakana ity, tamin'ny laha-teniny fa hafampana ny eny an-toerana manomboka izao... ♦ Nahatratrarana volamena saika haondrana any ivelany tany amin'ny seranam-piaramanidini Fascène any Nosy Be ny faran'ny herinandro teo. Bolongam-bolamena 3kilao latsaka kely no tratra, saika ahondran'ny vehivavy malagasy iray any Dubai... ♦ Hanorenana trano fonenana 50 fanampiny eny amin'ny Toby Akamasoa, noho ny tsy fahampian'ny foto-drafitr'asa. Mponina 30 alina no mipetraka eny an-toerana ankehitriny...
♦ Nanakoako omaly ny hetsiky ny Valaben'ny Sendikà eto Madagasikara, nentina nanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny asa. Milaza ho leo ny fitotongan'ny vidim-piainana mianjady ny mpiasa izy ireo... ♦ Hiatrika fivoriana ara-potoana voalohany manomboka anio ireo Parlemanta mpanao lalàna. Fivoriana handiniana tolo-dalàna sy volavolan-dalàna maromaro indrindra ny lalàna fanitsiana ny teti-bolam-panjakàna 2022... ♦ Notsikerain'ireo solombavambahoaka mpitarika ny Hetsika "Mihava Tour" ny fanenjehin'ny Fitondràna ireo olobe avy amin'ny Faritanin'i Mahanjanga....
♦ Naneho ny heviny momba ilay didy navoakan'ny Fitsarana miady amin'ny Fanjakàna ao Fianarantsoa momba ny fitoriana napetrak'izy ireo ny antoko Malagasy Miara-Miainga. Mbola hisy ny dingana manaraka ho atao hoy ny MMM fa tsy hitsahatra hatreo akory ity raharaha ity... ♦ Tsara ny voka-bary eto Madagasikara tamin'ity taona ity hoy ny filohan'ny tranoben'ny tantsaha mpamokatra nasiônaly. Isan'ny nahatonga izany hoy Ramatoa Razafimbololona Angeline ny fampian'ny rotsak'orana... ♦ Tanterahana eny amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina hatramin'ny rahampitso alahady ny hay ranty momba ny fitaterana sy ny fitaovana manodidina azy. Tanjona ny hampihena ny lozam-pifamoivoizana amin'ny seha-pitanterana rehetra eto amintsika...
Maro ny antony mety hahatonga ny sofina hanana olana amin'ny fandrenesana. Manongilana loha sy sofina, na mamerina manontany matetika raha misy miteny aminy ny olona manana olana amin'ny fandrenesana. Mila fitiliana akaiky amin'ny alalan'ny "audiometrie" io olana io. Mety ho tratrany ny sokajin-taona rehetra. Misy karazany roa amin'ny ankapobeny : voalohany, olana eo amin'ny fidiran'ny feo ; faharoa, olana eo amin'ny fandraisana ny feo. Fa mety ho izy roa miaraka koa. Ananan'ny manam-pahaizana manokana momba ny sofina vahaolana daholo ireo. Ilaina ny manatona mpitsabo raha vao misy olana ny fandrenesana. Tsy fisikotra ny sofina, tsy tsara ny mihaino feo mafy loatra fa mety hanimba ny sofina.
Tsy loza mitatao fa efa loza mihatra, mandoza, manimba eny amin'ny fiaraha-monina sy ny isam-batan'olona ny fiparitahana sy ny firongatry ny fandraisana zava-mahadomelina mahery vaika. Misy atsindrona, misy nyt fohana ary misy ny hohanina. Simba ny ati-doha sy ny taova maro hafa ao amin'ny vatana. Vetivety ny fiankinan-doha. Sarotra ary manahirana ny fialana aminy. Manana andraikitra isika olom-pirenena tsirairay na iza ianao na iza hiady amin'izany mba hananana taranaka sy firenena vanona.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco