♦ Ny resaka fiarovana azy no antony tsy nampahafantarana ny dia tany Dubai ny herinandro teo, hoy ny filohan'ny fanavaozana ny Repoblika. Nanazava izany tamin'ny mpanao gazety teny Iavoloha izy, omaly... ♦ Misy mampiditra fitaovam-piadiana vaika eto Madagasikara, hoy ny vondron-kery fiarovana sy ny filaminana (FDS) omaly. Anarana notononin'izy ireo ho tompon'antoka amin'izany Andriamatoa Mamy Ravatomanga... ♦ Tsy tokony hiandry ny fikaonandoham-pirenena ny fanovan-drafitra hanorenana ifotony ny firenena. Izay no anisan'ny fehin-kevitra tapaka nandritra ny fikaonandohan'ny antoko politika teny Ankorondrano...

"Manaova izao ho fahatsiarovana ahy" hoy i Jesoa namintina ny Fanasana nanokanany ny Eokaristia ho Sakramenta noforoniny tamin'ny Alakamisy-Masina. Namerina io teny io Jesoa ho fahatsiarovana ny Paka tamin'ny nanorina io Eokaristia io dia tsy midika hoe manokana ho an'ireo mpianany izany fa fanomezana ho azy ireo avy amin'ny Fanahy Masina. Ny Eokaristia no manambara an'i Kristy... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

♦ Napetraky ny governemanta ho laharam-pahamehana ny fitoniana ara-toe-karena, antoky ny filaminana sôsialy hoy ny Praiministra raha nanokatra ny fihaonan'ny governemanta sy ny solombavambahoaka teny Tsimbazaza ny maraina teo... ♦ Nihaona tamin'ireo mpandraharaha avy amin'ny sehatra tsy miankina ny faran'ny herinandro teo ny Ministry ny Asa, ny Asa-panjakàna ary ny Fampananan'asa... ♦ Iray amin'ireo firenena 10 misitraka ny fandaharan'asa REPAIR i Madagasikara noho isika firenena tena marefo amin'ny fiatrehana ny loza voajanahary... ♦ Nihoatra ny 1.000 ireo olona namoy ny ainy vokatr'ilay tondra-drano tany Indonésie...

--- Fako misavovona etsy sy eroa. Loto manerana ny tanàna. Toa lasa tandra vadin-koditra ho an’ny renivohitr’i Madagasikara rehefa vanim-potoana manakaiky fety tahaka izao ny fivangongoan’ny fako sy ny fiparitahan’ny loto manerana ny tanàna. Miha mafy ary mampiteny ny moana ny loto sy ny fofona ratsy. Miteraka fimenomenomana hoan’ny olom-pirenena izany, saingy toa efa homamiadana mikiky ny taolan’andavan’androm-piainan’ny mponina, ka toa
tsy ahitam-bahaolana mihitsy, na koa sanatria misy mahazo tombotsoa amin’izany ka atao mihitsy izay tsy hahavaha ny olana ?...

♦ Tontosa omaly, alahady faha-14 desambra ny fandraisana sy ny fametrahana an'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona ho Arsevekan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa... ♦ Tonga eny anivon'ny antenimieram-pirenena ny fitoriana mahakasika ny filoha teo aloha Rajoelina Andry nataon'ny fikambanana Gen Z, hatao anaty mangarahara ny tohin'ny fitoriana ity hoy Andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko... ♦ Niharan'ny fisavàna fanindroany ny faran'ny herinandro teo ny trano fonenan'Andriamatoa Maminiaina Ravatomanga tao Mantasoa, fisavana izay nataona andiana mpitandro ny filaminana raha ny loharanom-baovao...

Raha miresaka ny Eokaristia isika dia tsy afa-misaraka aminy ny Paka. Ny niandohan'ny Paka satria ny fankalazàna ny Eokaristia dia fahatsiarovana ny Paka. Andriamanitra mihitsy no nanome baiko ny hitandremana ary hanaovana matetika ny asa mahagaga nasehony ho fanehoana ny Paka mba ho fahatsiarovana izany fotoana lehibe izany. Paka fanomezana lehibe avy amin'Andriamanitra hamonjena antsika olombelona ... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

♦ Nampisahanana andraikitra ambony eo anivon'ny fiadidian'ny fanavaozana ny Repoblika Andriamatoa Rabevahiny Elia. Voatendry ho mpanolotsaina teknika maharitry ny Kôlônely Randrianirina Michaël,  filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika izy... ♦ Hiroso amin'ny fanaovana Audit ny lisi-pifidianana ny CENI. Tsy maintsy ampahafantarina ny vahoaka Malagasy ny voakatr'izany hoy ny filoha Rakotonarivo Thierry... ♦ Miantoka ny fampandrosoana ny firenena ny fitrandrahana ny harena ambanin'ny tany. Manana betsaka izany ny disitrika 119 eto Madagasikara hoy Dr Souleymane Ibrahim Andriamandimby, mpampianatra mpikaroka eny amin'ny oniversiten'Antananarivo...

Alahady 14 desambra 2025 : Alahady fahatelo — Taona A : fiavian’ny Tompo - "ANDRASO AMIM-PITOKIANA NY TOMPO". Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho. Taratry ny fiainan'ny mpino maro ny niainan'i Joany Batista, maro no mihidy amin'ny tenany sy ny zava-boahary manodidina azy, toy ny olona ao an-trano maizina. Entanina isika kristianina mba ho fitaratra hahamora ny hidiran'ny hafa ao amin'ny Eglizy, ho fitaovana hitondra ny hafa ho ao amin'i Jesoa Kristy. Faherezana, fahatanjahana, faharetana, fialana amin'ny tahotra sy ny tebitebe no toetra tsara hananan'ny mpino manoloana ny fiainana feno ahiahy izao...

♦ Nanomboka omaly mandritry ny telo andro ny dinika fikaonan-doha tanterahan'ny mpanao pôlitika eny amin'ny kianja mitafon'Ankorondrano. Resy lahatra ny ankamaroan'ny mpanao pôlitika fa mila ovaina ny tontolon'ny pôlitika eto Madagasikara... ♦ Napetraka teny Amoronakona-Ambohimangakely omaly ny vato fototra ananganana toby famokaran-drano vaovao hazoana 50.000 m3 isan'andro. Mpanjifa 800.000 no hisitraka tombontsoa amin'ny fahavitan'ny asa... ♦ Nitsidika ny Distrikan'i Manakara sy Vohipeno ny 11 sy 12 desambra teo ny filohan'ny fanavaozana ny Repoblika Kôlônely Randrianirina Michaël sy Ramatoa Vadiny...

Lehibe ny fahaiza-miaina maneho fifankatiavana, fiombonana. Zava-dehibe ny fahatsapana fa Masina Andriamanitra, mendrika fanajàna ireo havana efa nodi-mandry dia ireo razana nandraisantsika sy nandovantsika ny fahendrena sy ny fiombonana ary indrindra ny fifankatiavana. Tokony kolina sy harovana ny firenena ka mila fahatongavantsaina izany ho an'ny mpino tsirairay sy ny mpiray tanindrazana ary hitandrina sy hanao ny rariny... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ny lovam-panahy momba ny mozika teo amin'ny Eglizy manerana ny tany tontolo dia nihary raki-tsoa tsy voavidy vola izay mampisongadina azy amin'ireo zava-kanto hafa, indrindra fa amin'ny maha-hira masina azy miaraka amin'ny tonony, dia manjary ampahany tena ilaina tsy azo esorina amin'ny Litorjia manetriketrika. Ny hira sy ny mozika dia manao ny anjara toeran'ny asa maha-famantarana azy... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P.  Raphaël Eugène Ralison.

Tsy azontsika Kristiana hodian-tsy hita ny loharano sy ny dingana aman'ezaka efa nirosoan'ny Eglizy ka izany no antony hamohafohazana ny fo amam-panahintsika sy ny finoantsika amin'ny alalan'ny katesizy mba tsy hanadinoana ny lasa fa misy ny zavatra tsy azontsika avela fa efa voafaritra ao amin'ny fampianarana na dia eo aza ny zava-misy iainantsika. Ny Eokaristia dia fiombonana... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...