Vakiteny voalohany

Bokin’i Siràka (Eklesiastika 6, 5-17)

Tsy misy soa hoatra ny sakaiza mahatoky.

Ny teny mora, mahamaro sakaiza, ary ny fiteny mamy, dia be hamamiana.
Aoka ho maro izay mifankahazo tsara aminao,
nefa iray monja amin’arivo no ilao hevitra.
Raha te-hahazo sakaiza ianao, fizahan-toetra azy no aoka hahazoanao azy,
fa aza malaky matoky azy foana.
Satria misy sakaiza manao an’androny, fa hihataka izy amin’ny andro mahory anao;
misy sakaiza ho tonga fahavalo, ka hanambara ny adinareo, hahazoanao henatra.
Misy, sakaiza raha hiara-komana aminao,
fa tsy haharitra ho izany intsony amin’ny andro hahory anao.
Amin’ny andro iadanana izy mitsangan-ko toy ny tenanao, ka hiresaka mora foana amin’ny ankohonanao.
Raha avy izay ietrenao, hitsangan-kanohitra anao izy, ary hiery anao.
Halavito ny fahavalonao, ary mitandrema tena amin’ny sakaizanao.
Ny sakaiza mahatoky dia fiarovana mahery, ka nahita rakitra izay nahita azy.
Tsy misy soa toy ny sakaiza mahatoky; tsy misy vato-mizana azo andanjana ny vidiny.
Ody aina ny sakaiza mahatoky; izay matahotra ny Tompo no mahazo azy.
Izay matahotra ny Tompo no manam-pisakaizana marina,
satria manahaka azy ny sakaizany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 12 sy 16. 18 sy 27. 34 sy 35

Ampizory amin’ny soritry ny baikonao aho, ry Tompo.

Hisaorana anie Ianao, ry Tompo!
Ampianaro ahy ny fitsipikao!
Ny fitsipikao no firavoako;
ny teninao no fitadidiko!

Alao tampina ny masoko
hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.
Ampahafantaro ny lalan’ny lahatrao aho,
mba hisaintsainako ny asanao mahagaga.

Omeo fahalalana aho hitandremako ny lalànao,
sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo!
Ampizory amin’ny soritry ny baikonao aho:
fa io no hafinaretako.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 1-12)

Izay nakamban’Andriamanitra, tsy azon’olombelona sarahina.

Tamin’izany andro izany:
Niala teo i Jesoa dia tonga tany amin’ny sisin-tanin’i Jodea, an-dafin’i Jordany;
ary nivory teo aminy indray ny vahoaka, ka nampianariny indray araka ny fanaony.
Dia nanatona Azy ny Farisianina mba haka fanahy Azy ka nanontany hoe:

“Mahazo misao-bady va ny lehilahy?”

Ary izao no navaliny azy ireo:

“Ahoana no nandidian’i Môizy anareo?”

Dia hoy Izy:

“Nomen’i Môizy lalana hanao taratasy fisaoram-bady sy hisao-bady ny lehilahy.”

Fa hoy kosa i Jesoa:

“Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo.
Fa tamin’ny niandohan’izao tontolo izao,
dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra;
noho izany dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny,
ary ho nofo iray izy roroa;
koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany.
Koa ao ka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona.”

Nony mby tao an-trano, dia nanontany Azy ny amin’izany indray ny mpianany,
ka hoy Izy taminy:

“Na iza na iza misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa
dia mijangajanga mandika ny lalàm-panambadiana;
ary raha ny vavy koa no misaotra ny lahy ka manambady hafa,
dia mijangajanga.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Ny vola sy ny harena ary ny fahefana dia fanomezana avy amin'Andriamanitra, vokatr'ireo ezaka natao. Ny fahantrana no zary efitra mampisara-bazana ny mpiray tampo sy mpiara-monina. Satria isika mpivahinin'ny fanantenana dia amporisihina ireo rehetra manana vola harena, fahefana mba hamorona asa ho an'ny hafa izay tsy manana fahafahana. Soatoavina tsara ny fifampitsinjovana sy ny fifanampiana ary fifampitokisana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ny asan'i Jesoa teto an-tany no maneho miharihary fa raha mino sy manaiky an'Andriamanitra sy ny heriny isika dia ho azontsika izay angatahantsika. "Satria ny finoanao no nahavonjy anao" hoy ny Tompo tamin'ireo olona nositraniny. koa mila manamafy finoana isan'andro isika mba ho azo antoka ny vavaka ataontsika ary mba ho tena vavaka araka izay vokatry ny fo sy an-kalalahana... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

• 16 taona katroka androany ny fisian'ny tifitra nahafaty olona am-polony teny Ambohitsorohitra ny taona 2009... • Natao sorona ny vahoaka tamin'ny fitondrana azy nidina an-dalambe, ny 7 febroary 2009, hoy ny antoko MFM... • Namela takaitra maro ho an'ny Distrikan'i Toliara Faharoa, ny rivodoza Elvis farany teo...

• Nanatanteraka fambolen-kazo ny Diôsezin'i Port-Bergé, tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo... • Natokana hiaraha-mankalaza ny taon-jobilin'ny mpitandro ny filaminana, sy ireo mpanakanto ary ny diakra, ity volana febroary... • Mizara ny finoany Ilay Andriamanitra mahavita zava-mahagaga i Masina Maria, hoy ny fampianaran'ny Papa, nandritra ny Audience Générale ny alarobia 5 febraory 2025...

• Ho sahirana ireo zatra ny lalan-dririnina tamin'ny fanodikondinana ny vola tamin'ireny tetikasa novatsian'ny USAID ireny, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Rakotoson Dany Herintsoa... • Mafampana ny any Vatomandry manoloana ny fihetsiketsehana nanoherana ny voka-pifidianana Ben'ny Tanana sy Mpanolotsaina, farany teo. Miisa fito, hatramin'izao, ireo olona nosamborina vokatry ny filaharana... • Efa nihazo an'i Frantsa ireo dimy mirahalahy mandrafitra ny ekipam-pirenena, hiatrika ny fifaninanana amin'ny taranja tsipy kanetibe PPF...

15 febroary 2025 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 1-10)

14 febroary 2025 — Zoma, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 31-37)

13 febroary 2025 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 24-30)

12 febroary 2025 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambaràna avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 14-23)

11 febroary 2025 — Talata, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona— Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 1-13)

10 febroary 2025 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 53-56)

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...