Vehivavy mitia tanteraka amin'ny fitiavana marina i Maria. Tamim-pirehetam-po sy an-kafaliana, hainy ny nanokana ny fiainany mantolo ho an'Ilay Tena Fitiavana. Rehefa mibanjina azy isika dia haintsika ny manavaka ny tena fitiavana, amin'ireo ankoso-pitiavana sandoka, ary mazava amintsika io lafiny tena manan-daja lehibe amin'ny fiainantsika io, mitaha amin'ny azy. Hasivianandro fiomanana amin'ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro fahefatra.

♦ Nahatratra hatrany amin'ny 1,1 miliara Euros, ny fifanakalozana ara-barotra teo amin'i Madagasikara sy i Frantsa, tamin'ny taon-dasa, izay ambony indrindra teo amin'ny tantaran'ny fifandraisan'ny firenena roa tonta... ♦ Famonjena ny firenena amin'ny tsy fahampian'ny tolotra arak'asa ho an'ny Malagasy sy ho fametrahana ny indostria ho fototry ny fampandrosoana, no tanjon'ny fanavaozana ny làlana mifehy ny fampiasam-bola eto Madagasikara, izay efa lany tamin'ny asam-baomiera teny Tsimbazaza...

♦ Tsy manaiky ny hisian'ny fitondrana tetezamita ny Solombavam-bahoaka avy amin'ny antoko TIM. Manohana ny dinika eo amin'ny hery velona samihafa mialoha ny hirosoana amin'ny fifidianana kosa izy ireo... ♦ Natomboka androany ny hetsika fanaovam-bakisiny miaro amin'ny lefakozatra. Zaza latsaky ny 5 taona, maherin'ny 3 hetsy sy 5 tapitrisa, no kendrena ho vita vakisiny amin'ny Faritra 23, mandritra ny efatra andro... ♦ Nitsidika ny AFT eny Andavamamba, ny Sekreteram-panjakana frantsay, miadidy ny fampandrosoana, ny frankôfônia ary ny fiaraha-miombona antoka iraisam-pirenena...

♦ Manamafy ireo mpanara-dia ny fitondrana fa tsy mitombina ny firosoana amin'ny fitondrana tetezamita. Tsy fitadiavan-tseza fa fanolorana vahaolana, hisorohana krizy ao aorian'ny fifidianana, ny fitakiana izany, hoy ny vovonana Gasy Leo... ♦ Mikisaka mianatsimo somary andrefana ao amin'ny Ranomasimbe Indiana, ilay rivodoza Fabien amin'izao. Araha-maso ny fivoarany, na dia mbola tsy ahiana hisy fiantraikany amin'ny toetry ny andro eto Madagasikara aza aloha ny fisiany... ♦ Tena misy ny olana ara-tsakafo any amin'ireo kaominina maromaro any amin'ny Distrikan'i Manakara sy Ikongo, ankehitriny...

Na mbola tsy mahalala kolikoly aza ny zaza dia efa misy fanabeazana azo atao mba tsy hitodika amin'izany izy. Na tsy resahana ny zaza àry ny hoe kolikoly dia ny fomba fihetsika manoloana azy mihitsy no mila tandremana mba tsy hampirona azy amin'izany. Tsy ny resa-bola ihany no endrika isehoan'ny kolikoly fa maro ary isan'izany ny fomba fiteny, ka eo indrindra no miditra ny fanabeazana ny toe-tsain'ny zaza dieny mbola kely izy...

Ilàna fiomanana ny fanambadiana fa tsy atao fahatany, toraka izany koa ny firosoana amin'ny firaisana ara-nofo. Raha hiresaka amin'ny olona manana olana, dia tsy maintsy fantarina aloha ny antony nisian'ny olana, amin'ny alalan'io no hamaritana ny vahaolana, izany hoe mila faharesen-dahatra. Na inona na inona zava-mahadomelina raisin'ny ray aman-dreny mandritra ny fahariana ilay zanany dia tsy maintsy misy fiatrakiny amin'ilay zanany izany.

Ezaka no hatao hanampiana sahady ny tovovavy hiatrika ny ho reny sy ho renim-pianakaviana. Manoloana ny fahasahiranan'ny reny, amin'izao fotoana izao, dia mampanahy ny fiatrehan'ireo tovovavy ho reny, aoriana ao, ny fiainana. Raha hisafidy ny hoe reny ny tovovavy iray dia tokony ho fantany izay manodidina ny fananahana. Ny reny dia ireo niteraka sy nanabe ara-batana ; ny renim-pianakaviana kosa ireo manabe ny saina sy ny fo, ny fanahy, ny maha olona manontolo. 

Ny fiainan'ny olona dia mitohy hatrany, avy nandranto fianarana dia mitohy any amin'ny sehatry ny asa na sehatra hafa, indrindra ny sehatry ny fanambadiana. Ny fitiavana dia : fahasamihafana, fifamenoana, fifanekena, fifaliana, tebiteby, fiainana lava be. Ny olona mifankatia dia mampisongadina ny fahasamihafàna ary tonga amin'ny fifamenoana, ary mifanaiky hifampitantana amin'ny fiainana. Ny dingam-piainana isan-karazany dia ampy hanefy ny olona ara-po hatanty ny ratram-po.

Ny fampinonoan-dreny dia dinga iray eo amin'ny fitondrana ny zanaka ary adidin'ny reny. Ny fotoana ahafantarana fa mitondra vohoka ny vehivavy dia efa tokony hivonona amin'ny fampinonona izay ho reny. Ny nonon-dreny dia manampy ny zaza amin'ny fitomboany satria mbola marefo ny taova ao anatiny, sady sakafo no vaksiny ho an'ilay zaza. Ny fampinonoan-dreny dia manampy ny reny hamerina ny toe-batany sy ny taova rehetra. Ny fampinonoan-dreny dia atao tsy misy fangarony anatin'ny 6 volana.

Ny volana jona no fotoana hanamarihana ny fetin'ny fahaleovan-tena ho an'ny Malagasy. Fotoana toa izao no tokony hampahafantarana ny olona rehetra ny antony hankalazana ity fety ity. Ny fananganana ny saim-pirenena dia mariky ny fiandrianam-pirenena. Ny tantara mikasika an'i Madagasikara dia saika nosoratan'ireo mpanoratra vazaha toa an'i : Grandidier, Flacourt, Jeacques Tronchon ; ka maro ny zava-misy niniana nafenina ary izay no mahatonga ny hisalasala. Tokony hampientana ny fo tanteraka ny fiverenan'ny fahaleovan-tena ary izay no antony hananganana ny saim-pirenena miaraka amin'ireo fomba amam-panao entina hankalazana izany (arendrina, lanonana, sakafo...)

Fanontaniana tsy maintsy hapetraka ity fanontaniana ity mba hanehoana ny fitiavana ny tanindrazana dia ny hoe : Inona ny anjara biriky azoko hatolotra ho fanasoavana an'i Madagasikara?. Tsy tokony hifanome tsiny na hifampiandry ny hafa isika mba hampandrosoana ny firenentsika. Ny fahombiazan'ny tsirairay no tonga ho fahombiazan'ny firenena iombonantsika. Ny fahasalamana no voalohan-karena ka raha salama ny tsirairay dia afaka hamokatra ho azy sy ny firenena, izay anjara biriky kely ihany.

Ny vehivavy avy niteraka ka tsy mahatana ny amany, izay tokony hivoaka amin'ny lalany ara-boajanahary fa lasa manaraka ny lalan-jaza no tiana holazaina amin'ny hoe "aretina mamany lava". Miteraka fofona io aretina io rehefa tsy voatsabo, ary iharan'ny fanilikiliana eny anivon'ny fiaraha-monina ny vehivavy tratran'io tsy fahasalamana io. Ny antony mety mahatonga azy dia ny fahateren'ny hoditry ny lalan-jaza sy ny tatavy na ny tsinaibe noho ny faharetan'ny fotoana fiterahana ka misy faharovitana ireo taova ireo. Mba hisorohana izany dia tokony ho maoty ny vehivavy vao miatrika ny fitondrana vohoka sy fiterahana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...